Fitsidihana ny Park ao Tsimanampetsotsa

Mpanoratra bilaogy vahiny androany i RASOANAIVO Hoby Ambinintsoa. Izy dia mpitsabo biby sy mpikaroka. Nanara-dia, niasa ary nitsidika any Tsimanampetsotsa izy, vokatry ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny ONG Lemur Love. Tafaresaka taminy izahay ka nizara ny momba momba ny vala java-boahary arovana ao Tsimanampetsotsa izy ary ny fahitany izany toerana izany. Araho eto ary izany.   

Ny mombamomba anao i Hoby Ambinintsoa?

Hoby Ambinintsoa no anarako, mpitsabo biby aho. Tena liana tokoa ny amin’ny tontolo iainana indrindra moa ny fahasamihafan’ny zava manan’aina eto Madagasikara raha tsy hilaza fotsiny ny varika. Te hitondra ny anjarabirikiko amin’ny fampahafantarana, fizarana sy fiarovana azy ireo aho.

Tia mizaha tany ary mitsidika toerana vaovao foana aho. Nanana fahefana nanara-dia sy nianatra mahakasika ny fomba fiainan’ny Maki na Lemur catta tany Tsimanampetsotsa niaraka tamin’ny Lemur Love izay tarihan’i Dr Marni LaFleur aho tamin’ny volana Jolay 2019.

Tsapako hoe nanam-bitana aho nahita io ampahan’i Madagasikara. Malahelo ihany koa satria mihevitra aho fa maro amin’ny Malagasy tahaka ahy no mbola tsy nahita izany.

 

Aiza no misy any Parc National Tsimanampetsotsa?

Any amin’ny faritra atsimo andrefan’i Madagasikara, faritra Toliara, kaomina Efoetse no misy ny Parc National Tsimanampetsotsa. Isan-taona dia maro ny mpizaha-tany tonga mitsidika io toerana io, eo ihany koa ireo mpikaroka teratany Malagasy sy vahiny noho ny fananany harena natoraly isa-karazany ka mahaliana tokoa tahaka ny vorona, sokatra ary ny fanihy.

Inona no mampiavaka io toerana io?

Miavaka tanteraka amin’ireo ala izay efa notsidihako ny alan’ny Tsimanampetsotsa. Ny fisian’ny ala, hanirian’ny zava-maniry izay mahazaka ny toe-tany maina ary hitoerana biby mampiavaka an’ny faritra atsimon’i Madagasikara tahaka ny maki, ny sokatra, ilay trondro tsy mahita (poissons aveugles) dia nahatalanjona ahy tokoa. Nahafinaritra ahy ny nahita ireo biby miaina any amin’ny “habitat naturel” raha any amin’ny fahitalavitra sy serasera-tsosialy foana no nahitana izany taloha. Tsy diso anjara ihany koa anefa ny mpitia zava-maniry satria dia ao amin’ny Parc National de Tsimanampetsotsa no misy ny Baobab antitra indrindra. Eo ihany koa ny fitsidihana ilay rano miangona izay hany tokana masira eto Madagasikara ka mahatamana ny Gagao na ny flamants roses.

Aiza no toerana ahitàna ireo maki any?

Nahafinaritra ahy ny nahita ny maki mitanin’andro isa-maraina, andeha hamonjy ny toerana hatoriany amin’ny alina any amin’ny lava-bato. Hatrizay aho dia namaky tamin’ny literatiora fa ny vavy no mitarika eo amin’ny fianakavian’ny Maki iray, tany an-toerana kosa no nahafako nanamporofo izany tsara.

Manao ahaona ny fahitanao ny fiainan’ny mponina any Tsimanampetsotsa?

Raha ny resaka natao tamin’ny mponina ao Efoetse izay sady kaomina no fokontany manakaiky ny Parc National dia ny tsy fanjariana ara-tsakafo no olana fototra sedrain’izy ireo. Ny toe-tany izay maina dia manasarotra ny fambolena, ny fahalaviran’ny toerana sy ny faharatsian’ny lalana dia antony tsy ahatongavan’ny mpitsabo biby hany ka kely ny vokatry ny fiompiana. Tsy misy fidiram-bola noho ny tsy fisian’ny asa ny mponina. Eo ihany ny fivelaran’ny ala izay lehibe tokoa ka misedra olana ny mpiambina.

Inona ny fiaraha-miasan’ny mponina miaraka amin’ny ONG Lemur Love?

Na dia eo aza ireo olana izay sedrain’ny mponina ao Efotse dia tsy anisan’ireo olona mamono ny maki na ny sokatra ho atao sakafo izy ireo. Ny fisian’ny sekoly izay tena tsara tokoa ary ny fanentanana sy fampianarana ataon’ny Lemur Love ny amin’ny tokony hiarovana ny ala izay mitahiry zava-boary tsy fahita n’aiza n’aiza eran-tany dia manana anjara toerana lehibe amin’izany fiarovana izany.

Ho fanampiana ny fokontany Efoetse, ny Lemur Love dia manana tetikasa natao hampitombo ny hari-karen’ny mponina indrindra ny Fikambanam-behivavy “Tanalana Mikambana Lemur Love” ka andefa andiana vehivavy hianatra tao-zavatra sy asa-tanana, ary hiofana momban’ny fiompiana sy ny fitantanana.

Hafatra ho an’ny Mpamaky?

Mino aho fa mbola maro ny Malagasy mbola tsy nahita ny any Tsimanampetsotsa. Misy aza moa amin’ireo mponina manodidina no mbola tsy nitsidika ny parc. Ny anton’izany dia mety ho ny tsy fisian’ny fahefana ara-bola andeha lavitra, mety ny tsy fahafantarana fa hay misy toerana tahaka izany eto Madagasikara, fa mety ihany koa ho tsy liana amin’ny natiora izay harena mampiavaka an’ny firenentsika.

Iriako mba ho maro ny Malagasy ho liana amin’ny zava-boahary, harena lehibe eto Madagasikara ka hitsidika ireo toerana ahitana izany tahaka ny Tsimanampetsotsa.

Etsy andaniny, tsy hoe fialan-tsasatra fotsiny ihany ny fizahan-tany fa fandratoana fahalalana, fampitomboana ny fitiava-tanindrazana ka ho saro-piaro amin’ny haren’ny tena. Etsy ankilany, hampitombo ny hari-karen’ny faritra ny fizahan-tany ka miteraka asa ho an’ireo olona monina eo an-toerana izay afaka manampy isa ireo mpiambina miaro ny ala eny ifotony.

Fiaraha-miasan’ny Malagasy rehetra ny fiarovana ny alan’i Madagasikara!

Nitsidika toerana ihany koa ve ianao ka maniry ny hizaran’ny hatsaran’ny Nosintsika?

Manorata aty aminay ka zarao amin’ny alalàn’ny fanoratana bilaogy ny toerana hitanao? Manorata aty aminay.