Main Menu

Ny tantaran’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

Ny fankalazana ny dihin’ny varika voalohany indrindra dia notanterahina tamin’ny taona 2014, ny 25 ka hatramin’ny 31 okotbra 2014. Ny fankalazana dia hevitra sy fitarihana avy amin’ny Prof Jonah Ratsimbazafy, izay anisan’ny mpikaroka momba ny Primata fanta-daza eto Madagasikara, Filohan’ny fikambanana GERP ary anisan’ny mpanolon-tsaina momba ny tetikasa ato amin’ny Lemur Conservation Network.

Momba ny GERP sy ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

Fahombiazana tanteraka no azo ilazana ny fankalazana andiany voalohany satria dia nanintona ireo mpanao-gazety sy mpilaza vaovao Malagasy ary ireo olona tia varika maneran-tany. Ny hetsika iray lehibe natao teto Madagasikara dia nanamboarana horonan-tsary mihetsika izay novatsian’i Richard Branson, izay tompon’orinasa iray ary anisan’ny olona fanta-daza maneran-tany amin’ny fitiavana ny varika.

Ny tanjona amin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

Niforona ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany mba hanentanana ny rehetra amin’ny fiarovana sy ny fahafantarana ireo karazana varika misy ary ny mba hampafantarana manokana ireo loza sy tsindry mahazo ireo varika sy ny fonenany ary ny maha-zava-dehibe ny fiarovana azy ireo. Ny fanentanana dia natao indrindra hahenina eo amin’ny sehatra nasionaly ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Ireo ankizy mamaky boky momba ny varika ao amin’ny Parc Ivoloina- © MFG

Ny olona maneran-tany ary indrindra ny eto Madagasikara dia entanina manokana mandritra ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany ho tia sy hiaro ny varika. Ny mpikarakara dia manentana indrindra ny Malagasy tsy vakivolo, ny kely na ny lehibe, ny mponina eny amin’ny fiaraha-monina rehetra, ireo mpikaroka sy ireo daholobe ho tia sy hirehareha ny fananana ny varika, harem-pirenena. Ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany dia fotoana iray ampiromboroboina ny fizahan-tany, ny fiarovana ny varika ary ny fanabeazana ireo olona maneran-tany.

Madagasikara no nankalaza ny dihin’ny varika maneran-tany voalohany

Nankalaza ny dihin’ny varika maneran-tany avokoa ny faritra 22 teto Madagasikara ny 25-31 Oktobra 2014. Nisy ireo dihy, mozika, asa-tanana sy tantara maro samihafa.

Tao Parc Ivoloina

Parc Ivoloina dia fahi-bibidia na zoo izay tantanin’ny Madagascar Fauna and Flora Group (MFG), ary anisan’ny mikarakara sy mitahiry ireo karazana biby tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ary anisan’ny karazana varika 10 (raha te-hahalala ny niantombohan’ny Parc Ivoloina.)

MFG tamin’izany fotoana, no anisan’ny fikambanana nikarakara hetsika lehibe ho an’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany tao amin’ny parc. Ny hetsika tamin’ny herintaona dia nahitàna ny fandraisana anjara an’ireo ankizy mihaotra ny 200, ireo mpiasa tanora an-tsitrapo 30 ary Mpihira fanta-daza Malagasy roa!

Nankalaza ny dihin’ny varika maneran-tany ireo tanora © MFG

Nandritra ny fotoam-pankalazana dia nisy ireo tantara an-tsehatra izay nalaina avy tao amin’ny boky Ako, asa-tanana misy ireo sary varika na masques ary sary vita amin’ny ranomainty nalaina tamin’ireo bararata (ireo bararata misy ireo bandro). Nisy ihany koa ny fanabeazana momba ny varika nataon’ireo ekipan’ny fanabeazana, lalao momba ny babakoto niarahana tamin’ireo mpikaroka ary seho sehatra nalaina tamin’ireo boky Ako.

Ankaotran’ireo lalao noforonina, dia nisy ireo kabary sy mozika niarahana tamin’ireo mpihira Mika sy Pinta ary nisy dihy. Ny mpiasa avy amin’ny MFG dia saika taitra sy faly avokoa nahita ireto mpihira malaza. Taorian’ny fankalazana, dia nisy ny fitsangantsanganana nataon’ireo ankizy hitsidihana ireo varika any anaty ala ary nisy ny lalao nataon’izy ireo tamin’izany.

Tao Ranomafana National Park sy Centre Valbio

Nankalaza ny andron’ny varika maneran-tany nandritra ny herinandro tao amin’ny tananan’ny Ranomafana ny  Centre ValBio, izay ivo-toeram-pikarohana tantanan’ny Stony Brook University. Ny fanombohana ny hetsika dia natao tamin’ny alalàn’ny kabary sy fandraisam-pitenenana teo an-tampon-tanana mba hanentanana ny mponina ny maha-zava dehibe ny fiarovana ny varika ao Ranomafana.

Fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany nataon’ny Centre Valbio- © Centre Valbio

Ny lanonana dia nosokafan’ireo ankizy tamin’ny alalàn’ireo dihy sy hira maro ary filaharam-be niarahana tamin’ny Madagascar National Parks ary Centre ValBio, ary nisy ny lalao basket-ball. Ny faran’ny herinandro dia nisy ny lanonana famaranana teo amin’ny toerana izay nanombohana ho mariky ny fiafaran’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany tamin’izany fotoana izany.

Tao Antananarivo

Tao Antananarivo dia nisy ny hetsika lehibe notanterahin’ireo fikambanana Madagasikara Voakajy, Mikajy Natiora, ary GERP. Nisy ny lanonam-panokafana ny hetsika tao amin’ny Parc Tsimbazaza taorian’ny filaharam-be na Carnaval niainga tao amin’ny stade municipal Mahamasina.

Carnaval tao Antananarivo ny taona 2014 nandritra ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

Ny 27-29 Oktobra 2014, dia nisy ny fampirantiana tao Tahala Rarihasina Tahala momba ny fiarovana ny varika ary nisy ihany koa ny fampirantiana sy varotra tao amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina. Nisy ihany koa ny famoahana ny boky mitondra ny lohateny hoe “Lemurs of Madagascar,” tao amin’ny Carlton Hotel, boky izay misy takelaka miisa 841 ary sary miisa 680 color, novokarin’ny Conservation International ary ny Muséum d’Histoire Naturelle ao Paris.

Nisy ny fanentanana sy lalao maro samihafa tao amin’ny Gymnase Couvert de Mahamasina ary Tahala Rarihasina Analakely.

Ny carnaval tao Tahala Rarihasina Analakely sy tao amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina dia namarana ny fankalazana ny faha 31 Oktobra 2014.

Fankalazana tao Antananarivo ny taona 2014

Tao Farankarina Tropical Park

Tao amin’ny tanana manodidina ny  Farankarina Tropical Park (atsinanan’ny Maroantsetra), nankalaza ny dihin’ny varika manren-tany ireo mponina izay natao tamin’ny alalàn’ny dihy, fifaninana ary hira nentim-paharazana maro. Ny fanentanana sy ny hetsika dia nikarakaran’ny Antongil Conservation, izay valan-javaboahary iray avy amin’ny fiaraha-miasan’ny fahi-bibidia anglisy sy frantsay. Nahasarika mponina maherin’ny 100 ny hetsika ary nanampy amin’ny fanaporofoina ny fifandraisan’ny olona amin’ny natiora izany.