Main Menu

Archive | Bilaogy

Fandrariana iarahana amin'ireo vehivavy , photo credit: GERP-Manombo

Fiarovana ny varika sy fitantanana ny ala ao Manombo- tetikasa ataon’i GERP

Lazalazao aminay fohifohy ny mombamomban’ny tetikasa GERP Manombo? Ny tetikasa GERP Manombo dia nitsangana ny taona 2017. Ao Manombo, Farafangana any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny nosy no ivon-toeran’ny tetikasa. Natsangana izy io ho fanohizana ny fiarovana ireo zavaboahary, indrindra ny Varika manodidina sy ao anatin’ny ny “Réserve Spéciale” Manombo. Tsy mitsaha-mitombo mantsy ireo tsindry mianjady […]

Continue Reading
IMG_1352-

Ny tontolon’ny fampianarana sy fikarohana mikasika ny varika: Resaka niarahana tamin’i Dr Brigitte Raharivololona

Mba lazalazao ny mombamomban’ireo fikarohana ataonao ? Ny fikarohana nataoko nahazoana ny mari-pahaizana “doctorat” tany Hamburg, Allemagne dia mahakasika ireo katsetsitra (parasites intestinaux) izay hita any amin’ny karazana varika anisan’ny kely indrindra, mandeha amin’ny alina, antsoina amin’ny teny siantifika hoe “Microcebus murinus” na “Tsitsidy” amin’ny teny Malagasy.  Anisan’ny hita tao anatin’izany fikarohana izany fa arakarakin’ny […]

Continue Reading
Tsibahaka (Propithecus verreauxi coquereli) miaina ao amin’ny alan’ Ankarafantsika, Photo credit: Diamondra Ranaivoson

Fiarovana ny varika ve? manampy amin’ny asa fivelomana maro eny ifotony

Rehefa tsy misy vina amintsika intsony ny maha harena ny varika dia indro entina amintsika indray ny resaka momban’ireo asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe “ conservation business” na “business de conservation”! Teny Fampidirana Vao tamin’ny volana jolay 2020 no nanambara ny Vondrona Iraisam-pirenena Miaro ny […]

Continue Reading
Varika manga any amin'ny Bristol Zoo. Photo Bristol Zoo

Ahaona no ilazàna fa manohana ny fiarovana ny bibidia ny fisian’ny fahi-bibidia na Zoos?

Rariny ny filazana fa ny fahi-bibidia dia tsy vitan’ny toerana fialam-boly fotsiny. Na dia antom-pisian’ny fahi-bibidia voalohany aza ny fialana voly, dia tsapa fa manan-danja betsaka amin’ny izy ireny ihany koa ankehitriny ny fanabeazana, ny fikarohana ary ny fiarovana ny bibidia. Raha resaka fiarovana ny bibidia no asian-teny, ny fahi-bibidia dia afaka mitarika asa fiarovana […]

Continue Reading
Misa Rasolozaka any Mantadia
© Naina Rabemananjara

Vala-javaboahary any Mantadia: Tsidiho, Tiavo, Arovy fa Harena Sarobidy

Mba zarao aminay ny momba anao?  Misa no anarako, “SIG et Télédétection” no sampam-pianarana nofidiko tao amin’ny IOGA na Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo, sampana iray ianarana manokana momban’ny “Géosciences” ao amin’ny Oniversite an’Antananarivo. Momban’ny fivoaran’ny fahapotehan’ny ala tao anatin’ny 10 taona tamina faritra arovana iray ny “sujet de memoire” -ko tamin’izany. Tia biby […]

Continue Reading
IMG_8340

Ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany 2020- World Lemur Day

Covid-19 sy ny fankalazana ny andron’ny varika Tamin’ity taona ity dia nanasarotra ny fankalazana mivantana ny fisian’ny Covid-19. Nanova ny fomba fankalazana ny hetsika ho an’ny mpikambana sasany izany. Raha nisy ireo nisafidy ny hetsika virtoaly, dia nisy ireo nanao hetsika mivantana mba hahafahan’izy ireo manatona olona akaiky kokoa ho fanentanana momba ny fiarovana ny […]

Continue Reading
Ireto varijatsy dia fantatra ho mpanaparitaka vihy sy vovombony Sary: Mathias Appel

Zavatra 10 tokony ho fantatra sy mahavariana momba ny varika

1. Maherin’ny 100 ny karazana varika fantatra ankehitriny, ary amin’ny endriny sy habe maro samihafa! Misy karazany 111 ny varika, izay hita amin’ny endrika sy habe rehetra.  Ny kely indrindra, ilay antsoina hoe Tsidin’i Madama Berthe, dia milanja manodidina ny 30g eo ho eo,  ary ny lehibe indrindra, izay  ny Babakoto, dia  milanja 6 hatramin’ny […]

Continue Reading
Sary 2

Ny vintsy : tetikasan’ny fikambanana WWF Madagasikara mampifandray ny tanora sy ny tontolo iainana

Inona izany Club Vintsy izany ? Ny Club Vintsy dia fikambanana mpiaro ny tontolo iainana mitsangana eny anivon’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ary amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fianarana. Ny taona 1992 no niorina ny Club Vintsy voalohany. Miisa 750 izy ireo manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny vokatry ny tetikasa “Ny Voaary” izay nokarakarain’ny WWF […]

Continue Reading