Main Menu

Archive | Bilaogy

Mamy Razafintsalama sy ny Planet Madagascar miara-miasa akaikyamin'ny mponina eny ifotony mipetraka akikin'ny Ankaranfantsika Sary : Whitley Awards

Whitley Award ho an’i Mamy Razafintsalama sy Planet Madagascar

Nahazo vahana manokana ny lafin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity, satria nahazo ny famatsiam-bola avy amin’ny Whitley Fund for Nature i Mamy Razafitsalama avy amin’ny Planet Madagascar! Ny Lemur Conservation Network dia miarahaba manokana an’i Mamy noho izany voninahitra lehibe izany. Ity mari-pankasitrahana ity dia porofon’ny asa mafy nataony sy ny […]

Continue Reading
IMG_5676

LCN manohana ny fanabeazana sy fanentanana momban’ny varika

Manabe sy manentana amin’ny alalan’ny lalao Rehefa nitsidika ireo toerana maro samihafa manerana an’i Madagasikara izahay dia anisan’ny zavatra tsikaritra voalohany ny fitiavan’ny ankizy sy tanora mianatra ireo varika amin’ny alalan’ny sary. Liana dia liana tokoa ireo ankizy amin’ny fianarana ny lalao sady mahazo fahalalana mahakasika ny varika. Lalao karatra Varika Namboarina manokana ny karatra […]

Continue Reading
Lemur Survey Team

Ireo fandaharanasan’ny Lemur Conservation Foundation: miaro ny ala sy ny varika miaraka amin’ireo mponina ifotony

Ny mombamomban’ny Lemur Conservation Foundation Natsangana tamin’ny 1996 ny Lemur Conservation Foundation ary i Penelope Bodry-Sanders, izay niara-niasa tamin’i Profesora Ian Tattersall tao amin’ny “American Museum of Natural History” no namorona azy. Amin’izao fotoana izao dia mitantana faritra arovana  mirefy 50 hektara any Myakka City, Florida (Etazonia) ny LCF, izay itoeran’ny varika karazany 5 miisa […]

Continue Reading
Tetezana miditra ao amin’ny Saha Forest Camp, credit Lynne Venart

Fitsidihana ny alan’Anjozorobe : ahitana Varika tsy lavitra an’Antananarivo

Raha toa ka manana fotoana ianao ka manodidina an’ Antananarivo, dia tongava mitsidika ny Faritra arovana ao Anjozorobe, izay adiny roa sy sasany monja miala ny renivohitra raha mandeha fiara. Ny ala-javaboahary arovana na alan’Anjozorobe dia fonenan’ny karazam-borona 82 sy karazana varika 11. Mitovitovy amin’ny hita any Andasibe-Mantadia ny karazana varika hita ao, fa ny […]

Continue Reading
IMG_20211106_170655

Alan’i Makira: tontolo maitso mavana, voahary mirakitra harena

Fitsidihan-toerana, fitiavana nitsiry hatramin’ny fahazaza Nandranto fianarana momban’ny “primatologie” izay ianarana manokana momban’ireo primaty toy ny varika i Naina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Fakiolten’ny siansa.  “Efa fony kely aho no tia zava-boahary ary tao Tsimbazaza no nahitako varika voalohany tamin’izaho 9 taona” hoy i Naina. Nanomboka liana tamin’ireo varika ireo izy nanomboka teo ary te hahafantara […]

Continue Reading
IMG_1119-1

Ny faritra arovana ao Loky-Manambato, Daraina sy ireo harena ao aminy

Ny momba ahy ve? Vololonirina Faramalala no anarako ary i Rina no ahalalana ahy. Mpianatra mpikaroka avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa ; sampam-pampianarana ADD na “Anthropobiologie et Développement Durable” ny tenako. Sampana iray ianarana momba ny olombelona sy ny varika ny ADD, ka tao no nandalinako ny mombamomba ireo karazam-barika misy eto […]

Continue Reading
DSC_0245-400x265

Fizahan-tany maitso na Ecotourisme: Ny maha zava-dehibe azy eto Madagasikara

Eto Madagasikara, ny fizahan-tany maitso na Ecotourisme dia ahazoan’ireto zavatra manaraka ireto tombony : na ny mpizahan-tany izany, na ny mponina eny ifotony, na ny varika sy ireo bibidia hafa. Ny fizahan-tany maitso mantsy dia manampy ny fiarovana ny natiora amin’ny alàlan’ny fanohanana ny asa fiarovana sy ny fanomezana fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina eny […]

Continue Reading
Fandrariana iarahana amin'ireo vehivavy , photo credit: GERP-Manombo

Fiarovana ny varika sy fitantanana ny ala ao Manombo- tetikasa ataon’i GERP

Lazalazao aminay fohifohy ny mombamomban’ny tetikasa GERP Manombo? Ny tetikasa GERP Manombo dia nitsangana ny taona 2017. Ao Manombo, Farafangana any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny nosy no ivon-toeran’ny tetikasa. Natsangana izy io ho fanohizana ny fiarovana ireo zavaboahary, indrindra ny Varika manodidina sy ao anatin’ny ny “Réserve Spéciale” Manombo. Tsy mitsaha-mitombo mantsy ireo tsindry mianjady […]

Continue Reading