Main Menu

Ny fanabeazana eny an-tsekoly mifandray tendro amin’ny fiarovana ny varika: tetikasan’ny Conservation International-Madagasikara

Ny fampidirana ny resaka “varika” ao amin’ny fandaharam-pampianarana an-tsekoly

Ny asa fiarovana ny varika sy ny ala fonenany dia heverina fa hahomby raha toa ka tafiditra ao anatin’ny fanabeazana eny ifotony ny fampahalalana ny maha zava-dehibe ny fisian’izy ireny any anaty ala ary ny maha- harena azy ireo ho an’ny Madagasikara sy izao tontolo izao.

Maro ny tetikasa fanentanana eny ifotony sy fanabeazana tanterahin’ireo fikambanana miasa ho fiarovana ny varika. Anisan’izany ny Conservation International amin’ny alalàn’ny fandaharan’asa izay napetrany ho fiarovana ny varika izay ahiana ho lany tamingana eto Madagasikara. Araho ato anatin’ity bilaogy ity ny resadresaka izay nifanaovanay sy Atoa Harison Randrianasolo, izay tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Conservation International, mikasika ny fiarovana ireo biby sy zava maniry ahiana ho lany tamingana (Species Conservation Program Manager & IUCN/SSC). 

Ny mombamomba ny tetikasa

Ny Conservation International -Madagascar dia efa niasa an-taonany maro momba ny fiarovana ireo zava manan’aina, biby sy zava-maniry teto Madagasikara sy ireo nosy manodidina, ary nihitatra teo amin’ny lafiny fanantsarana ny velon-tena ny olombelona izany taty aoriana. Miara-miasa akaiky amin’ireo olon-tsotra, fikambanana, VOI, sekoly, ivo-toeram-pikarohana, Oniversite, ary Ministera maro izahay arakaraka ny fandaharan’asa sy ny faritra iasana.

Manana tetikasa manokana izahay ho an’ireo varika izay ahiana ho lany tamingana araka ny mari-drefy nomen’ny Union Internationale pour la Conservation de la Nature (UICN). Amin’ireo varika rehetra misy, amin’ireo 110 nanaovana fanjohina, ny ¾ mahery izy dia efa sokajiana ho ahiana ho lany tamingana (En danger critique d’extinction, En danger, Vulnerable). Teo anatrehan’izany indrindra dia namolavola tetikasa ho fiarovana ny varika, ny toera-ponenany ary ny olombelona i Conservation International- Madagasikara. Karazana varika telo no iasana, misy any amin’ny ilany atsinanan’ny Tandavan’ala Ankeniheny Zahamena (CAZ): Babakoto (Indri indri), Varijatsy (Varecia variegata) ary Godroka (Prolemur simus).

Tsara marihina fa niainga avy tamin’ilay paik’ady izay narafitra manokana ho fiarovana ny varika sy ny ala fonenany any amin’ny faritra maro eto Madagasikara ho an’ny taona 2013 ka hatramin’ny taona 2016 ity tetikasa ataonay ity (IUCN).

Ny tetikasa dia mitondra ny lohateny hoe “Tetikasa ifandrombonan’ireo mponina, ny teknisianina, ny sekoly ary ny mpikaroka Malagasy ho famonjena ireo varika ahiana ho lany tamingana any amin’ny faritra Atsinanan’ny tandavanala Ankeniheny Zahamena”. Noho izany, singa iray ao anatin’io tetikasa io ny asa fanabeazana ny ankizy eny an-tsekoly izay iarahana miasa amin’ny Ministera misahana ny fanabeazam-pirenena sy ny IUCN SOS Lemur.

Inona no tanjon’ny tetikasa?

Tsy tambo isaina ny fanentanana efa natao tamin’ireo olon-dehibe, niarahana tamin’ireo mpisafo ala. Fa ny tanjona amin’ity dia ny “hampiditra ny resaka varika ao anatin’ny fandaharam-pampianarana eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP, Prescolaire) sy ny Kolejy (CEG)”.

Izany no atao dia ny ahatonga ireo mpianatra ahafantatra bebe kokoa mikasika ireo biby akaiky azy, hitany andavanandro sy hampita ny fahasarobidin’izany any amin’ireo ray amandreniny.

Tsara kokoa ny manome fahalalana ho an’ireo ankizy amin’ny alalàn’ny fanomezana ohatra amin’ny harena ara-javaboahary misy eo an-toerana toy ny varika satria sady manovo fahalalana izy ireo no mahatsapa ny maha zava-dehibe izany harena izany.

 

 

Sanatria tsy manova ny fandaharam-mpampianarana nasionaly efa mipetraka izahay fa kosa miara- miasa amin’ny namana mpiara misalahy eo anivon’ny Ministera misahana ny fanabeazam-pirenena (Programe GLOBE, OEMC, DRENETP, DREMC, CISCO, BEMC, ZAP…) mba ahafahana manentana sy mamporisika ireo mpampianatra hampiditra ny resaka varika ao amin’ny taranja-pampianarana ataony. Ny taranja rehetra, kajy, jeografia, matematika, teny Frantsay, fanatanjahan-tena … ary indrindra ny fianarana momba ny tany sy zava-manan’aina dia afaka hampidirana ny resaka « varika ».

Aiza no faritra iasan’ny tetikasa?

Any amin’ny ilany atsinanan’ny tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ), Faritra Atsinanana, Distrika Toamasina II sy Brickaville ary kaominina telo (Andranobolaha, Anjahamana, Ambalarondra) no hiasana.

Heverina ho tetikasa modely izy ity, fa ny tena tanjona dia mba ahenika sy handresy lahatra amin’ny faritra maro eto Madagasikara izy ity.

Inona avy ireo asa atao amin’izany?

Nisy ireo fampiofanana sy fiaraha-midinidinika intelo miantoana niarahana tamin’ireo mpampianatra isaky ny ZAP. Tsy adino ihany koa ireo ray aman-dreny tao an-tanana, niampy ireo Tangalamena, ireo manam-pahefana isan-tsokajiny nahitana ny Ben’ny Tanana sy ny Sefo Fokontany. Mazava loatra fa ny chef ZAP no tompon’andrakitra voalohany eo amin’ny sehatry ny fampianarana eo anivon’ny kaominina. Misy ny fampahafantarana maro samihafa amin’ny alalàn’ny sary, sarimihetsika, dinidinika ary kilalao an-tsaina.

Ny fanaovana takelaka fanoman-desona (fiche pédagogique) moa dia efa asa mahazatra ny mampianatra, na izany aza dia niarahana ny fitsirihana sy famosahana ireo hevitra tiana hampitaina ho fampahalalana sy ho fiarovana ny varika sy ny toeran-ponenany ary ny mety tombony ho azon’ny olombelona amin’ny fiarovana azy. Nisy ny fanjohina maromaro taty aoriana, nahafahana nanitsy, nijery ny tsy nety, ary koa nifanampy tamin’ireo mpampianatra hafa tojo olana.

Sekoly 68 no tanjona teto, mpampianatra 223 no nofanina ary maherin’ny 7000 ireo ankizy mpianatra.

Ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

Hetsika fanao isan-taona ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany, izay sehatra iray ahafahan’ny mponina sy ireo ankizy maneho ny fahaizany sy fitiavany hiaro ny varika. Tamin’ny heritaona 2018, dia ny kaominina Anjahamana no nandray azy io, fa ny kaominina Andranobolaha kosa tamin’ity taona 2019 ity. Tamin’ity ary dia hetsika tamin’ny alalàn’ny fifaninana kanto mikasika ny varika no natao. Tonokalo, kabary, hira arahina dihy isan-karazany mikasika ny varika sy ny fiarovana no vokatra azo tamin’izany.

Fifaninana isaky ny kilasy, ny sekoly, isaky ny ZAP ary nifanatrehan’ireo ZAP telo tonta moa no niafarany. Nandray anjara ny mpianatra, ary tsy nanaiky koa ny mpampianatra, teo ihany koa ny ankizy teo antànana ary koa ny olona lehibe sy ny zokiolona. Izany no natao dia ny mba handrefesana ihany koa ny tafita tany amin’ireo ankizy mombamomba ny varika tao aorian’ireo fanofanana niarahana tamin’ireo mpampianatra volana maromaro lasa.

 

 

Tsapa fa nahay nampita ny mpampianatra  ary ny mpianatra kosa nahay nandray sy nahazo ny fampianarana. Nahafa-po ny fahitana fa manana fahaizana momba ny varika ny mpianatra ary manomboka mahatsapa ny maha zava-dehibe ny varika.

Inona no hafatra ho an’ny mpamaky?

Aza atao tsinontsinona ny fiarovana ny biby indrindra ny varika satria tena mitondra fampandrosoana ho antsika ny fananana azy ireny. Efa niroso isika tamin’ny ezaka ka mbola hotohizantsika izany ho fahombiazantsika rehetra, satria reharehantsika malagasy ny fananana azy ireny.

 

Asa iaraha manana ny fiarovana, fampahalalana sy fiarovana ireo harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara.

Mitohy hatrany ny tetikasa ary efa hiditra amin’ny taona vaovao indray isika ka hanohy ny fiaraha-miasa sy ny fanjohina ireo efa vita izahay.

 

 

Ndeha iara-hientana hanabe sy hanentana ho an’ny fiarovana ny varika!

Zarao amin’ny namanao ity tambazotra-tseratsera Lemur Conservation Network (LCN) ity, mba ho anjara birikinao androany ho fiarovana ny varika.

Raha maniry hanoratra bilaogy ihany koa ianao hizara ny asa fanabeazana tanterahina eo anivon’ny fikambanana misy anao, dia manorata aty aminay eto.

,