Fanavotana ny ala voajanahary: andraikitro sy andraikitrao

Mpanoratra bilaogy vahiny androany i TAHINA Roland Frederic. Izy dia mpikambana ao amin’ny tambazotran’ny tanora misehatra ho an’ny fahamaroanaina (biobiversité) antsoina hoe Malagasy Youth Biodiversity Network. Nanaraka ny lalam-pihofanana hay famokarana (agronomie) izy ary nisafidy manokana ny sampana ala sy tontolo iainana. Mizara ho antsika ny zava-misy ao amin’ny ala arovana ao amin’ny faritra Menabe Antimena izy ary ny anjara biriky entiny sy ny tokony ho entintsika. Araho eto ary izany!

 

Ny mombamomba ahy?

TAHINA Roland Frédéric no anarako ary mpikambana ao amin’ny tambazotran’ny tanora misehatra ho an’ny fahamaroanaina (biobiversité) antsoina hoe Malagasy Youth Biodiversity Network aho. Teraka sy nianatra tao Morondava aho ary teny amin’ny oniversiten’Antananarivo kosa no nanohy fianarana tao aorian’ny bakalorea. Nanaraka ny lalam-pihofanana hay famokarana (agronomie) aho ary nisafidy manokana ny sampana ala sy tontolo iainana. Ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ara-pitantanana manodidina ny resaka ala sy tontolo iainana no tena nahaliana ahy kokoa tamin’izany.

Lalam-pirenena faha 8A mandalo ao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena, mampitohy an’i Morondava sy Belo Tsiribihy.© TAHINA Roland Frédéric

Tsy mbola nanam-paniriana manokana ny hiasa ao anatin’ny sehatry ny fiarovana ny harena voajanahary aho tamin’izany fa ny zavatra tsapako avy tamin’ny asa fanadihadiana nandraisako anjara momban’ny Menabe Antimena izay  niompana tamin’ny asa fakàna antotan-kevitra teny ifotony, no nanova ny fijeriko. Tsapako tamin’izany fa tena miankina be amin’ny fisian’ny ala sy ny fahasalaman’ny ala ao Menabe Antimena ny fiainan’ireo mponina, na ireo tompon-tany izany, na ireo efa ela nonenana tao na ireo vahiny mpiavy aza.

“Te- hitondra ny anjara birikiko amin’ny fiarovana sy ny fanavotana ny alan’i Menabe Antimena aho nohon’ ny tsindry goavana mihatra aminy”.

Menabe Antimena, ilay toerana niasako

Ao amin’ny faritra Menabe, ivo andrefan’ny Madagasikara no misy an’i Menabe Antimena. Ny taona 2006 no napetraka ho faritra arovana izy ary mbola namafisin’ny didim-panjakana laharana 2015-262 izany ny 15 may 2015. Sokajy faha dimy (V) no misy an’io faritra arovana io na irony antsoina hoe “tontolo mirindra voaaro” (Paysage harmonieux protégé) irony ka ny fikambanana Fanamby no nanankinana ny fandrindrana ny fitantanana azy. Maro kosa anefa ireo mpiara-miombona antoka miantsehatra ao Menabe Antimena.

“Io alan’ny Menabe Antimena io sy ny ao Ankarafantsika no hany faritr’ala maina mikitroka midadasika indrindra sisa tavela eto Madagasikara”.

Arak’izany, izy io dia isan’ny miantoka ny fisian’ny rotsakorana sy ny rano eo amin’ny faritra misy azy ary koa apinga enti-miady amin’ny firosoan-ko tany efitra sy ny haintany ao Menabe.

“Anisan’ny toerana mahasarika mpizahan-tany be indrindra noho ireo harena ara-voajanahary ao aminy”

Mampiavaka an’i Menabe Antimena ny fananany an’ireo karazan-javamaniry sy karazam-biby izay tsy hita afatsy eto Madagasikara. Anatin’izany ohatra ireo karazam-barika maro samihafa, ny fosa (Cryptoprocta ferox) sy ny bokiboky (Mungotictis decemlineata decemlineata). Fa ny tena mampiavaka azy koa dia ny fananana ilay varika kely indrindra antsoina hoe “microcèbe de madame Berthe” (Microcebus berthae) sy ilay biby mpitsambikina miendrika voalavo lehibe antsoina hoe vositse (Hypogeomys antimena) ary ilay sokatra fisa-drambo antsoina hoe kapidolo (Pyxis planicauda). Ireo biby telo notanisaiko ireo dia efa atahorana ho lany tamingana ka ireto roa farany ireto izay tsy hita afatsy ao Menabe Antimena.

Fijeriko manokana momba ny olana sedrain’i Menabe Antimena

“Raha mitaha amin’ireo faritra arovana hafa eto Madagasikara dia i Menabe Antimena no azo lazaina fa mitazona ny laharana voalohany amin’ny faharipahan’ny ala.”

Eo ihany ny fitrandrahana ireo hazo sarobidy ao aminy fa ny tena mitarika ny faharipahan’ ny ala ao dia ny fambolena katsaka. Tao anatin’ny folo taona teo ho eo izay, dia nirongatra izay tsy izy ny doro ala, na raha ny marimarina kokoa ny fanaovana hatsake na tetik’ala (tevy ala) ao Menabe Antimena.

Raha ny salan’isa mikasika ny velaran’ny ala ripaka isan-taona no jerena dia toy izao: 1820 hektara isan-taona no ripaka nandritra ny vanim-potoana 2008-2010 (Global Forest Watch), 3295 hektara isan-taona nandritra ny vanim-potoana 2010-2014 (Cirad, Etc Terra, ONE) ary 5027 hektara kosa ny taona 2017 fotsiny (WWF).

Ny fifindra-monin’ireo avy any Atsimo

Anisan’ny anton-javatra nampirongatra io famotehana ala io ny tsy fahafehezana ny fifindra-monin’ireo havana avy any atsimon’ny nosy. Nirongatra be manko io fifindra-monina io ary hita taratra izany amin’ny fitombon’ny isan’ny mponina tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Lambokely (tanàna ao amin’ny tapany andrefan’ny faritra arovana).

Rehefa maty ny afo dia afafy eo amin’ilay lavenona ny katsaka ary miandry ny fahatongavan’ny orana. © TAHINA Roland Frédéric

Raha ny fanadihadiana natao dia tombanana ho 64 ny isan’ny mponina tao Lambokely tamin’ny taona 2001, niakatra ho 3 000 ny mponina tao ny taona 2013, lasa 12 000 kosa ny taona 2017 ary niakatra ho 20 000 izany ny taona 2018. Hita taratra eto fa niantomboka tsikelikely ilay toe-java-misy ao Menabe Antimena.

Ireo mpiavy ireo matetika no “hery sy tanana” manatanteraka ilay asa manetik’ala (manao tevy ala) ao anaty faritra arovana fa matetika dia misy ihany koa ireo mpanambola izay tsy voatery ho mpiavy, mampiasa vola ao amin’io asa io.

 “Heveriko fa ilay tinady misy amin’ny vokatra katsaka tsy ara-dalàna no antony iray ihany koa mahatonga ilay fandripahana ala sy ilay fifindra-monina ao Menabe Antimena”.

Tsy ampy ny fiaraha-mientan’ny rehetra : sampan-draharaha sy solotenam-panjakana isan-tsokajiny

Ireny vondron’olona ifotony (VOI) ireny no tena miara-miasa akaiky amin’ireo fikambanana tompon’antoka amin’ny asa fiarovana ary izy ireny ihany koa no nanankinan’ny sampandraharaham-panjakana miadidy ny ala ny fitantanana ny ala manodidina azy. Ny VOI anefa dia toa “angady tsy mahatapaka ahitra” manoloana ny olana ateraky ny fifindra-monina sy ny famokarana katsaka anaty ala izay samy mamdripaka ilay harena tantanany.

Andiana sifaka ao anaty ala faly. © TAHINA Roland Frédéric

Ireo solotenam-panjakana itsijaram-pahefana isan-tsokajiny (faritra, kaominina, fokontany) no mahefa sy manana andraikitra manokana amin’ny fifehezana ireo mpifindra-monina sy ny asa ataon’izy ireny. Etsy andaniny miezaka mampihatra ny lalàna ny sampandraharaham-paritry ny ala sy ireo mpiara-miombonantoka aminy mba hanakanana ny olona tsy handoro ala ho volena, etsy ankilany anefa ny vokatra katsaka tsy ara-dalàna avy ao anaty ala dia misy manangona ankalalahana eo an-tanàna no sady mivoaka malalaka amin’ny lalam-pirenena. Ny fokontany, ny kaominina sy ny faritra samy maka ny anjara hetrany amin’ireo vokatra ireo hany ka toa lasa voadio ireo vokatra tsy ara-dalàna. Izany trangan-javatra izany dia zary manome vahana sy mampiroborobo ilay famokarana katsaka tsy ara-dalàna ao anaty ala arovana. Amin’ny toerana sasany aza dia olom-boafidy eo an-tanàna mihitsy no sady mpanangona ny vokatra katsaka avy amin’ny doro ala.

Raha ilay zava-misy ao Menabe Antimena dia tokony ho tafiditra amin’ny famahàna amin’ny fomba maharitra ilay olana ihany koa ny sampandraharaham-panjakana miadidy ny varotra sy ny fambolena ary ireo sehatra mpampindram-bola madininika, ankoatra ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny ala.

« Amin’ny ankapobeny dia mbola tsy raharaha iombonana ny sehatry ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara ary mbola tsy tomombana tsara ilay hoe fiarovana na fikajiana ny harena voajanahary avy eny ifotony. »

Ala nandalo fambolena indray mandeha ary mbola handalo afo fanindroany. © TAHINA Roland Frédéric

Inona kosa ny vahaolana arosoko?

Vahaolana telo lehibe no arosoko eto :

Fanamafisana ny asan’ny polisin’ala

Ilaina ny hentitra mba hamerenana indray ny fanajana ireo fifampifehezana ao amin’ny faritra arovana sy ny hasin’ireo tompon’andraikitra mahefa amin’ny fitantanana. Izaho manokana dia tao amin’io vahaolana anaty fahamehana iray voalohany io no nisehatra nanomboka ny taona 2018 niasako tao Menabe Antimena. Izany dia tamin’ny alalan’ireny fisafoana ala niarahako tamin’ireo polisin’ala ireny sy ireny fidinana any anaty ala niarahako tamin’ireo miaramila sy tompon’andraikitra ara-mpanjakana ireny. Nidina ho 3578 hektara ny ala ripaka tamin’ny taona 2018 teo araka ny antotan’isan’ny WWF. Tsy mbola mijanona hatreo anefa ny ady satria efa ao amin’ny faritr’ala natokana ho arovana tanteraka na ala faly (noyau dur) no miroborobo ny tetik’ala (tevy ala). Ny taona 2017 teo izany tranga izany no tena nanomboka. Mihapotika ny ala faly, ka raha ny aty amin’ny alan’ny Ambadira (ala faly ao amin’ny tapany avaratr’ andrefan’ny faritra arovana) fotsiny izao dia tsikaritra fa saika efa mivaky roa ilay faritr’ala.

Ady mafy no atrehan’ny olona mpisafo ala rehefa manao ny asany. Olona mitondra fitaovam-piadiana (antsy be, famaky, pilotra na basy mihitsy aza) no hita miasa ao anaty ala ao. Isaorako manokana ireo miaramila, izay tena azo ianteherana tokoa, niara-nifandrimbona taminay. Deraiko manokana eto ihany koa ny herim-po sy ny fahasahiana ananan’ireo polisin’ala KMMFA satria mafy sy mihatra aman’aina ny asan’izy ireo.

Fanaovana ezaka lehibe ho an’ny fiaraha-mientana sy fanentanana

Mbola ilàna ezaka ny fanatsarana ny fomba iresahana sy anentanana momban’ny fahamaroanaina (biodiversité) eto amintsika. Azo itokisana tsara ny hay famoronana ananan’ny tanora amin’io lafiny io. Harena iombonana ny harena voajanahary ka tokony ho raharaha iombonana ihany koa ny fiarovana azy. Ny sehatra rehetra sy ny sokajin’olona rehetra ary ny sampan-draharaha-mpanjakana rehetra dia samy tokony ho mpandray anjara mavitrika amin’izany.

“Raha tafapetraka tsara io fiaraha-mientana io na dia eny anivon’ireny faritra arovana ireny fotsiny aza dia efa dingana goavana mankany amin’ilay tena fampandrosoana lovain-jafy voaresaka matetika io izany”.

Kisarisary tao anatin’ny boky kely famintinana ny voka-pikarohana momban’i Menabe Antimena nataon’i RASOAMANANA Alexandra (MYBN)

Fanamafisana orina ny fitantanana ataon’ireo mponina sy tanora eny ifotony

Amiko, ny fiarovana mahomby dia tsy tanteraka raha tsy eny ifotony, miaraka amin’ny mponina eny sy ho an’ny mponina eny. Io fitantanana ataon’ireo mponina eny ifotony io no antenaiko fa tena vahaolana maharitra indrindra ho an’ny harena voajanahary eto amintsika. Mbola mila hamafisina anefa ny fahafaha-manao sy ny fahefan’ireo mponina ireo.

Tsara hamafisina hatrany ny tan-tsoroka omena ireo eny ifotony ireo mba ho tena vitan’izy ireo ny asa fitantanana ny harena voajanahary manodidina azy.

Tsy tokony atao an-jorom-bala amin’ny asa fitantanana ny ala ihany koa ny tanora eny ifotony. Tsikaritra fa efa nahazohazo taona daholo matetika ireo polisin’ala niara-miasa taminay, torak’izany ihany koa ireo mpikambana mavitrika ao amin’ny VOI. Ho tosika sy hery lehibe ho an’ireo zoky raiamandreny anefa raha ampidirina an-tsehatra bebe kokoa ny tanora. Iankinan’ny ho avin’ilay ala ny fananana tanora resilahatra amin’ny fiarovana azy. Tsy vitsy rahateo ny tanora matanjaka hita manao an’ilay asa manetik’ala ao anaty faritra arovana. Rehefa mahazo toerana ny tanora dia malaza sy miparitaka kokoa ilay resaka fiarovana ny ala ka vita ho azy ny fanentanana. Tsara ifantohana manokana araka izany ny fanofanana azy ireo sy ny fanamafisana ny traikefa omena an’izy ireo.

 

Amin’ny ankapobeny ny tanora dia toy ny singa mpanafaingana ny fanovana ka isan’ny tokony hanomezana sehatra azy ireo izany amin’ity resaka fiarovana eny ifotony ny harena voajanahary ity.

Lemaka azo hajariana tsara ho lasa tanimbary ao Mandroatsy (tanàna ao an’ivo atsinanan’ny faritra arovana). © TAHINA Roland Frédéric

Ny tohin’ny fandraisako anjara ho an’i Menabe Antimena?

Ho fandraisanay anjara amin’io vahaolana maharitra ho an’i Menabe Antimena io dia natsangana ny fikambanana iray antsoina hoe Harmonia. Mpirotsaka an-tsitrapo izahay no mikambana ao izay efa nanao asa tao Menabe Antimena ny sasany.

Tanàna vitsivitsy no kasainay hiasana ety am-piandohana. Hitondra tan-tsoroka ho an’ny mpiara-monina eo amin’ilay tanàna amin’ny lafiny maro no tanjona amin’ilay tetik’asa “fiaraha-monina mivelona amin’ny fomba maharitra sy mirindra” (communauté durable).  Hitondra tan-tsoroka ho fampihavanana ny fombafomba famokarana sy ny fomba fisainan’ny olona amin’ny zava-boahary manodidina azy izahay. Ezahana averina eo anivon’ny tanàna hiasana ilay fisainana hoe “iray aina sy iray vatsy” ny mpiara-monina ao ka ny ala sy ny tany no vatsy iombonana mamelona ny rehetra sy ny taranaka ho avy. Fanamby goavana izany nefa ho atomboka tsikelikely araka izay tandrify sy azonay atao.

Tranga iray azo tsapain-tanàna izany ao Kiboy, ala iray may folo taona lasa izay ary efa niverina sy lehibe tsara amin’izao rehefa narovan’ireo mponina ao.

Sary famantarana ny fikambanana Harmonia

Hafatra ho an’ny mpamaky sy ny nofinofiko

“Tokony ho saropiaro amin’ireo harena voajanahary ananantsika ireo isika satria harena iombonana ireo. Adidin’ny tsirairay ny mitondra anjara biriky ho fiarovana azy ireny”.

Resaho, ifampizarao ny momban’ny fahamaroanaina eto amintsika, ary sahia mamorona fomba afahana mampita tsara ny fanentanana momba ny fiarovana azy ireny.

“Heverin’ny olona matetika fa fanomezan-danja kokoa ny biby izany eo anatrehan’ny fasahiranan’ny olombelona”.

Andraikitsika ny manazava ny sain’izy ireny satria na biby aza no arovana dia miteraka soa ho an’ny olombelona foana izany na mivantana na ankolaka.  Ary isika samy olombelona ihany no hijalijaly sy ahiana hiady eto raha sanatria ka miharitra na miharipaka ireo harena voajanahary ireo.

Ny asa fiarovana ihnay koa dia misy lafiny maro ka tsy voatery ho mpahay biby na mpahay zava-maniry vao afaka manao azy. Koa aza misalasala manao asa firotsahana an-tsitrapo hanampiana ireo mpisehatra eny ifotony.

Isika nahazo soa mivantana tamin’ireo harena voajanahary ireo koa na tamin’ny alalan’ny asa izany na ny fianarana momba azy ireny dia manana adidy sy andraikitra hamaly babena amin’ny fiarovana azy.

“Nofinofiko ny mba ahatanteraka ilay vina hoe “miaina mirindra miaraka amin’ny natiora ny olombelona”.

Amin’izany eto Madagasikara dia tsy hisy intsony izany doro ala izany indrindra any anatin’ireny faritra arovana ireny ary i Menabe Antimena manokana dia ho fitaratra amin’ny tena fampandrosoana lovain-jafy.

Ary ianao kosa? inona no hevitrao momba izany?

Maniry handray anjara an-tsitrapo amin’ny fanoratana bilaogy ato amin’ny LCN ve ianao? Manorata aty aminay.