Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy

Mpanoratra bilaogy vahiny androany i FALIRINA Franklin. Izy dia mpisera-dia ary guide naturaliste. Tafaresaka taminy izahay ka nizara ny momba momba ny vala java-boahary arovana ao Andohahela izy ary indrindra ny toerana ao Tsimelahy. Araho eto ary izany.   

Ny momba momba anao i Franklin?

Franklin no anarako, 32 taona ny tenako ary guide Naturaliste ny asa hataoko. Fito taona izay no nisehatra tao anatin’ny mpiseradia aho ary dia nifantoka bebe kokoa tany amin’ireo toerana ahitana vala-javaboary tsy dia be mpitsidika ary tsy dia be mpahalala loatra. Maro tokoa ny fahaizana sy fahalalana notovoiziko tao anatin’izay fotoana izay, avy amin’ny fiarahana tamin’ireo mponina any toerana sy ireo mpizahan-tany vahiny ary ireo mpikaroka amin’ny sehatrin’ny zava-boahary maro samihafa.

Azo lazaina ho tombon-tsoa izay mba ananako izany mihaotra ireo Malagasy namako satria dia nanana anjara manokana aho teo amin’ny fitsidihana sy ny fianarana ny zava-boahary eto Madagasikara. Izany indrindra noho maharisika ahy te-hizara sy hampafantatra ny toerana izay notsidihiko.

 

Aiza no misy ny Andohahela National Park?

Andohahela National Park dia anisan’ireo vala-javaboary izay hita ao Madagasikara izay tantanan’ny MNP ( Madagascar National Park). Any amin’ny faritra farany atsimo atsinanan’ny nosy na ny faritra Anosy no misy ny vala-javaboahary arovana Andohahela izay misy velaran-tany ho 76 140 ha, ary mizara ho parcelle miisa 3, Parcelle 1 dia 62 093 ha, parcelle 2 dia 13 574 ha ary ny parcelle faha 3 dia 437 ha.

Azo lazaina fa mbola tsy dia betsaka ireo mpitsidika ny vala-javaboahary arovana ao Andohahela, ary tsy misy ny toerana fandraisam-bahiny; anefa dia mety anisan’ny mety hampivoatra ny fitantanana io valajava-boahary arovana io izany.

Inona no tantara na lovan-tsofina mahakasika an’i Andohahela?

Rehefa nanao ny fitsidihina tany izahay dia sendra tafaresaka tamina Ray aman-dreny iray izay mipetraka teo amin’ny manodidina ary dia tafa tombina teo izahay nandritra ny fotoana maro nihaino ny tantara nahatonga ny anarana hoe Andohahela.

Hoy io Ray aman-dreny io: Andohahela dia fikambanana teny roa Andoha sy Hela, Hela dia anaran’ny foko tao amin’io toerana io tamin’ny andro fahagola, ary ny Andoha moa dia avy amin’ny teny hoe loha.

Tamin’izany andro izany raha nisy ny mosary izay nangeja ny fokon’ny hela dia nilaza ny ombiasy tao an-toerana fa tsy maintsy atao sorona ny zanakin’ny mpanjaka lahy antsoina hoe “Mana” ary dia ho tapahina ny lohany raha ny voalaza hanatanterahina izany. Rehefa vita tokoa ny sorona dia nisy orambaratra nahery niseho tany an-toerana nandritra ny fotoana maharitra, ary noho izay indrindra no niforonan’ireo renirano lehibe 4 izay any atsimo sy atsimo atsinanan’ ny nosy ary dia mitondra ny anaran’io zanaka lahy ny mpanjaka io avokoa toy Manambovo, Mandrare,Mananara ary Manampatrana.

Ary dia nantsoina hoe Andohahela ny toerana nisy ireo mponina sy mpanjaka nanao izany sorona izany, izay midika hoe ao ny lohan’i Hela.

Manao ahaona ny lalana ahatongavana any Andohahela?

Saotra dia sarotra ny lalana ahatongavana any Andohahela. Ny renivohitra akaiky indrindra ny vala-javaboary I Andohahela dia Taolagnaro, 55 km miala an’i Taolagnaro izy ary eo amin’ny andiny roa eo ho eo ny faharetan’ny lalana ka manaraka ny lalam-pirenena faha 13 raha ho any Amboasary Atsimo.

RN 13 eny amin’ny lalan’ny Andohahela, karazana fitanterana any amin’ny faritra Atsimo.

Inona ireo biby tena nanamarika anao rehefa nitsidika ny vala-javaboahary Andohahela?

Anisan’ny biby tena nanamarika ahy sy mpitsidika noentiko tao Andohahela ireo varika. Misy karazany maro ny varika hita ao toy ny Maki (Lemur catta), izy io no anisan’ny varika tena tiko indrindra amin’ny karazana varika rehetra, satria anisan’ny biby izay lazaina hoe biby filamatra na “Flagship animal species” izy io.  Ny lokony no anisan’ny hitiavako ary ny tena mahafinaritra ahy dia ny fananany fomba maro ahafahany mifampisera amin’izy samy izy amin’ny alalan’ny fihetsika na ny feo. Ahitana karazana varika hafa toy ny sifaka (Propithecus verreauxii) ary ihany koa ny varika atao hoe (Eulemur collaris) ao Andohahela.

Ary aiza no misy ny toerana atao hoe Tsimelahy?

Tsimelahy dia anisan’ny toerana izay azo tsidihina raha toa ka hitsidika ny vala-javaboaharin’ny Andohahela. Ary izy dia tafiditra ao anatin’ny parcelle faha 2 voalaza ery ambony.

Inona ary izany no mampiavaka an’i Tsimelahy?

Miavaka tanteraka ny toetran’ny vala-javaboary hita ao Tsimelahy raha toa ka ampitahaina amin’ireo karazana ala hafa satria izy dia manana ny atao hoe“transitional forest” amin’ny teny vahiny, izany dia fifangarona karazana ala roa, izany hoe ahitana ny ala mando izay avy any atsinanana ary ny ala tsilo izay avy any andrefana (semi-arid forest).

Raha ho hazavaina tsotra dia eo amin’ny faritrin’ny Tsimelahy izany no mampisaraka ny  2 avy any atsinanana sy ny any andrefana. Tena mahasarika sy mahavariana tokoa ny mahita ny fiovan’ny tontolo ny zava-boahary ao anatin’ny ora vitsy monja raha toa ka miala avy any Taolagnaro handeha ho any Amboasary atsimo.

Ala ao Tsimelahy sy ny tendrombohitra an’i Andohahela.

Ahoana izany ala tsilo izany?

Ny ala tsilo no tena nanaitra ahy indrindra tamin’ireo zava-maniry rehetra satria tena mbola tsy fahita ary tena hafa tokoa ny fahitana azy. Ny karazana zava-maniry ao anatin’ny fianakaviam-be atao hoe Didieraceae ireny na antsoina  hoe fantiolitse ary koa ireo Euphorbiaceae izay ahitàna ireo karazana zava-maniry atao hoe Famanta, Folotse, sy ireo maro hafa tsy voatanisa, izy ireo no tena mandrafitra ny atao hoe ala tsilo.

Fantiolitse, octopus tree (Alluaudia procera)

Ny fantiolitse kosa no tena mampiavaka ny atao hoe ala tsilo satria izy io dia hazo izay tsy hita raha tsy any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy. Ny vahiny moa dia miantso azy hoe Octopus tree noho izy manana endrika toy ireny biby atao hoe calamar ireny  satria ny rantsany dia maro ary noho izy maniry any amin’ny ala tsilo dia tena feno tsilo tokoa izy.

Ny tsilo moa dia azo atao hoe ravin’ireo hazo miaro azy ireo amin’ny fivelomany any amin’ny tany maina sy mafana.  Ary izany dia ahafahan’izy ireo mampihena ny rano ilaina rehefa main-tany sy mafana. Saika manana izany toetra mila mifanaraka amin’ny toe-tany maina sy mafana toy ny any Atsimo izany avokoa ny zava-maniry hita any amin’iny faritra iny.

Ankoatra ireo Tsilo dia misy ihany koa ireo zava-maniry no ahitana karazana ronono, izay anstoin’ireo mpikaroka hoe “latex”, izay karazana dity fotsifotsy. Ireo zava-maniry ao anatin’ny karazana atao hoe Euphorbia izany, izay ahitana ny Famanta, Songosongo, ny Folotsia ssns… Ny fananany an’io ronono io dia miaro azy amin’ireo biby izay mety mihinana ny raviny sy taohany.

Inona avy izany ireo karazana biby hita ao Tsimelahy?

Tena midadasika tokoa ny ala fonenan’ny karazana varika samihafa ao Tsimelahy toy ireo Tsidy (Microcebus griseorufus) ary  Pondiky (M. murinus). Manana ihany koa izy karazana vorona eo ho eo amin’ny 85 isa ary ny roa ampatelon’izy izy ireo dia tsy hita afatsy eto Madagasikara. Ahitana ihany koa 29 karazana biby mandady na ireo atao hoe “reptile” izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara toy ny bibilava sy ny katsatsaka.

Inona kosa ireo mety tsindry mihatra amin’ny faritra arovana?

Na eo aza ny maha faritra arovana azy sy ireo ezaka ataon’ireo mpitantana ny faritra, dia misy ihany ireo tsindry izay mihatra aminy toy ny fanapahana ala tsy ara-dalana.

Manao ahaona kosa ny fiveloman’ireo mponina eny ifotony?

Raha ny fiveloman’ny olona any amin’ny faritry Andohahela no horesahina dia mpamboly sy mpiompy avokoa.  Fambolena vary, mangahazo ary voamanga no anisan’ny tena vokarin’ireo mponina. Misy ihany koa ireo mponina izay manao varotra entana madinika sy ny harona fandrehitra. 

Hafatra ho an’ny Mpamaky?

Vitsy amintsika Malagasy no mety hanana fahafahana mitsidika izany vala-javaboahary ao Andohahela sy ny ala ao Tsimelahy izany noho izy lavitra sy saro-dalana, izany indrindra no mahafaly ahy ny mizara ny mombamomba izany toerana mahafinaritra izany.

Tena zava-dehibe ny fitiavana ny natiora sy ny zava misy eto amin’ny firenentsika. Koa manentana ny mpiray tanindrazana amiko aho hiaro sy hitia ny zava-boahary misy eto Madagasikara. 

Nitsidika toerana ihany koa ve ianao ka maniry ny hizaran’ny hatsaran’ny Nosintsika?

Manorata aty aminay ka zarao amin’ny alalàn’ny fanoratana bilaogy ny toerana efa notsidihanao? Manorata aty aminay.