Archive | Bilaogy

Mpikambana ato amin’ny LCN mandritra ity volana ity : Planet Madagascar

Planet Madagascar no mpikambana ato amin’ny Lemur Conservation Network nizara ny momba azy, ny asany ary ny ahafahantsika hanampy azy ireo hiaro ny gidro sy ala misy azy. Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomba an’i Planet Madagascar Planet Madagascar dia fikambanana tsy miankina ara-panjakana kanadianina nitsangana tamin’ny taona 2015. Miara-miasa amin’ny masoivoho any […]

Continue Reading

Andasibe: Oronantsary iray momba ny fandripahana ala eto Madagasikara (Tapany 1)

« Ity lahatsoratra ity dia dika tenin’ilay bilaogy nosoratan’i Denise sy Marc Dragiewicz izay mpiara-mitantana ny famokarana ilay sarimehitsika/oronantsary iray izay notanterahina tamin’ny faritr’i Andasibe iny. Izy ity moa izany dia mijery manokana ihany koa ireo ezaka izay ataon’ny mponina eny ifotony manoloana ny fiarovana ireo gidro/varika sy ny ala. »  Roso ny dia-  Ela niandrasana, fa tonga ihany […]

Continue Reading

Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ilay tetik’asa « Pet Lemur survey »

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny  Talata , faha 12 Jolay lasa teo ilay tetik’asa Pet Lemur Survey,  izay notanterahana tao amin’ny Trano Koltoraly Amerikanina tetsy Tanjombato nanomboka tamin’ny 2 ora tolak’andro. « Harenan’i Madagasikarana ny Giro/Varika », io no teny faneva izay nosaloran’ity foto-drafitr’asa ity izay firaha- miasan’ ireo mpikaroka manokana  avy ao amin’ny « Utah University » sy […]

Continue Reading

Fankalazana ny Hetsika maneran-tany « Festival mondial des lémuriens » 2015

Niditra tamin’ny andiany faharoa ny fankalazana ny hetsika maneran-tany momba ny varika izay nokarakarain’ny GERP Mada. Faritra maromaro no nandray anjara teto Madagasikara ka anisan’izany ny teto Antananarivo ny 30 sy ny 31 oktobra lasa teo. Ny teny filamatra tamin’ity andiany faharoa ity di any hoe “Varika, Harem-pirenena, Namana tokony harovana”. Fikambanana avy amin’ny sehatra tsy […]

Continue Reading

Mpianjoria malaza eran-tany Ash Dykes eto Madagasikara

Olona 1- 5 volana. Tampon-tendrombohitra 2896 kilometatra ary tangoronam-bohitra miisa 8 Tompon-dakan’ ny fanaovana anjoria (aventure) maneran-tany amin’ity taona 2015 i Ash Dykes izay hanantontosa an’ity dia misongadina amin’ny fiainany ity, ho anisan’ny olona voalohany eo amin’ny tantaratokoa mantsy ny tenany izay  hiampita an’i Madagasikara iray manontolo. « Betsaka tokoa ireo tranga sy olana mety ho […]

Continue Reading

Ireo tangoronam-tendrombohitra MAKAY ( Le massif du Makay)

Kanto  tokoa raha i Madagasikara! Ary tsy manam-paharoa raha ny   tontolo misy eto amintsika no hasian-dresaka! andeha ange ho velabelarintsika ny momba  ireo tangoronan-tendrombohitra MAKAY e. Isaorana ety am-piandohana ny Nature Evolution  izay  nanome alàlàna am-pitiavana ny ampiasaina ireo sary nalain’izy ireo. Manàna  drafitra’asa mahafinaritra ary tena mahaliana ihany koa ry zareo ho antsika Mpianatra sy […]

Continue Reading

Resa-dresaka nifanaovana tamin’i Pr Jonah Ratsimbazafy.

Ny nahatonga aho ho lasa mpikaroka sy mpiaro ny varika dia noho izao antony izao. Efa hatramin’ny fahazana dia efa nitsiry tao anatin’ny tena ny fitiavana biby. Kanefa raha nentin’ny raiamandreny nitsidika ny parc tao Tsimbazaza hijery gidro dia tsy mbola nieritreritra velively fa hiasa amin’ity sehatra ity. Tany an-tsekoly rahateo moa dia tsy nianatra […]

Continue Reading