Main Menu

Geological Society of Madagascar (GSM) : fikambanana mampiray ny olona liana sy mandalina ny Haibolantany eto Madagasikara

Mahafaly anay eto amin’ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny Geological Society of Madagascar (GSM) ato anatin’ity bilaogy ity. Isaorana betsaka ny biraon’ny fikambanana izay tarihin’ny Filoha Mpanorina Dr. Ny Riavo G. Voarintsoa, mpikaroka momba ny taranja Haibolantany sy ny fifandraisany amin’ny tontolo iainana ary ny fiovaovan’ny toetry ny andro, nanoratra sy nizara ireo sary mandravaka izao bilaogy izao.

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana GSM 

Ny  Geological Society of Madagascar (na GSM) dia fikambanana izay mampiray ireo olona eto Madagasikara (mpianatra, mpampianatra, eo anivon’ny sehatra akademika sy sehatry ny asa, ary ireo olon-tsotra) izay liana amin’ny « Géosciences » na Haibolantany. Ny fikambanana dia voafehin’ny hitsivolana ​ ​n°​ ​60–133 tamin’ny ​03​ ​oktobra​ ​1960 izay misahana ny momban’ny resaka fikambanana.

Ny GSM dia fikambanana tsy miankina amin’ny resaka politika ary tsy handraisam-bola (“non-profit organization”). Ny tanjona iray lehiben’ny GSM dia ny hampandroso ny sehatra rehetra momba ny Siansa Natoraly ka mifandray amin’ny Planeta Tany eto Madagasikara. Izany hoe mivoitra bebe kokoa amin’ny resaka ara-tsiantifika sy fampianarana ny tanjon’ny fikambanana, ary miezaka ny manome lanja ny fahalalàna siantifika mifandray amin’ny Haibolantany eto Madagasikara.

Ny filamatry ny GSM dia “Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika” izay manambara fa misokatra sy mivelatra amin’ny rehetra ary tsy manisy sy manafoana tanteraka ny fanavakavahana ny fikambanana.

Ny fikambanana dia nijoro ara-panjakàna ny 22 Jolay 2019 rehefa nahatanteraka soa amantsara ny fivoriana lehibe voalohany ny Zoma 24 May 2019, izay fotoana namolavolàna ny fototra ijoroana (“Statut”) sy ny lalàna fifampifehezan’ny fikambanana (“Reglement Interieur”) ary ny fifidianana ireo birao nandrafitra ny fikambanana, izay notarihan’ny Filoha Mpanorina Dr. Ny Riavo G. Voarintsoa, mpikaroka momba ny taranja Haibolantany sy ny fifandraisany amin’ny tontolo iainana ary ny fiovaovan’ny toetry ny andro.

Ny tanjon’ny fikambanana GSM dia mifototra amin’ny lohahevitra telo lehibe: “Exchange”, “Empower”, “Excel”. Raha adika tsotsotra ireo dia hoe “Fifanakalozana”, “Fifanampiana”, ary “Fahamendrehana”. Raha azavaina fohifohy dia ireto avy:

  • Fampiroboroboana ny fifanakalozana sy ny traikefa eo amin’ny samy mpikambana, na eto anivon’ny firenena Malagasy na amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ny alàlan’ny fampiofanana, fihaonambe (“Conférences”), ary fiaraha-miasa. Ny fifanakalozana dia miitatra hatrany amin’ny vahoaka tsy an-kanavaka izay tsy voatery manana fahalalàna be amin’ny taranja Haibolantany (antsoina amin’ny teny anglisy hoe “Outreach”).
  • Fampiroboroboana ny fampiofanana ny zandry ankehitriny sy ireo tanora Malagasy antoky ny ho avin’ny fiaraha-monina ara-Haibolantany, amin’ny alàlan’ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatra siantifika sy akademika. Tafiditra anatin’izany ny fifanoroana hevitra eo amin’ny sehatry ny asa, ny fianarana, ny fikarohana (toy ny fangatahana famatsiam-bola hoenti-manohana ny fikarohana sy ny fampianarana), sy fahalalàna maro samihafa mba ahafahany manampy sy mampahery ny totolom-piaraha-monina misy azy ireo.
  • Fitazonana ny fenitra ambony momba ny etika (‘ethical standards”) ary fanehoana fa manana ny kalitaon’ny fahaiza-manao izay mahitsy sy mahatoky ary tena azo antoka; mba hahafana mitahiry sy miaro ny Planeta Tany.

Raha atao bango tokana dia manana vina lehibe eo amin’ny sehatry ny fitaizàna mba hahomby amin’ny lafiny akademika sy ny lafiny matihanina rehetra ny Geological Society of Madagascar. Mandray ny olona rehetra tsy an-kanavaka, na mpianatra, na mpampianatra, na mpiasa, na olontsotra ka liana amin’ny sehatry ny Haibolantany ny GSM.

Inona no tena antony nananganana ny fikambanana?

Manana anjara toerana lehibe i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny Haibolantany, na ara-tsiantifika na ara-toekarena. Mitahiry harena ara-boajanahary sy fahalalàna maro ny Haibolantany eto Madagasikara ka manome tombony ho an’ny fandalinana fahalalàna siantifika sy ho an’ny fanabeazana olom-pirenena vanona. Na eo aza anefa ireo loharano isan-karazany izay ananan’i Madagasikara dia mbola vitsy no mahalala fa sehatra maro no mifandray sy mifanampy amin’io taranja Haibolantany io, raha tsy hilaza fotsiny ny fomba fitahirizan’ny vato ny tantaram-pivoarana’ny planeta Tany sy ny zava-manan’aina eo aminy, izay mampieritreritra fa tena ilaina  ary zava-dehibe ny fifehezana azy satria mahasoa ny fiaraha-monina sy ny mpiara-belona.

Ny tsy fahampian’ny fahalalàna momba ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny fahalalàna mifandray amin’ny taranja Haibolantany dia sakana iray ho an’ny fampandrosoana, ary sakana ho an’ny tanora ihany koa amin’ny fanapahan-kevitra hanohy ny fianarana ambony na hiasa amin’ny sehatry ny Haibolantany. Misy ny olona no manaonao foana indraindray, satria tsy manaraka dingana ara-tsiantifika sy arak’ambaratongam-pahefàna, hany ka indraindray lasa baranahiny ny fampiasàna sy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Ny fahatsapàna ireo zava-misy ireo no antony iray nanosika ny fananganana ny fikambanana GSM, mba hampahafantarana bebe kokoa ny fiaraha-monina ny maha-zavadehibe sy ny antony ilaina ny fahalalàna momba ny taranja Haibolantany. Tsy ny fitrandrahana ihany, fa ny fitaizàna maha-olom-banona ihany koa, mba hampiasa am-pahendrena ireo akora natoraly voatahiry anatin’ny tany ka tsy ho simbasimba fahatany ny tontolo iainana fa ho voakajy ho an’ny taranaka maro mifandimby. Natsangana ihany koa ny fikambanana mba hanomezana aingam-panahy ireo zandry aty aoriana mba hifidy làlana ara-pianarana sy ho matihanina eo amin’ny sehatry ny Haibolantany.

Manakarena i Madagasikara, fa mila tanora voavolavola sy vanona izy mba hahay hitantana sy hitandro ny harena an-kibon’ny tany satria tsy anana-droa ny tany sy ny zavatra rehetra eo aminy. Ilaina ihany koa izy ireo ho filamatra hampita amin’ny taranaka mifandimby ny maha-zavadehibe ny fiarovana ny tontolo misy eo aminy amin’ny fitrandrahana am-piheverana sy voalanjalanja ny harena misy.

Aiza no misy ny foiben’ny fikambanana ary aiza avy eto Madagasikara no toerana iasàna?  Inona avy ireo sehatra iandraiketan’ny fikambanana?

Eto Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara ny toerana misy azy.

Araka ireo efa voalaza teo ambony dia misehatra amin’ny resaka fampianarana, fitaizana, fikarohana, fanabezana, fifampizaràna, ary fanohanana ireo tanora maro eto Madagasikara mba hitia sy handalina ny taranja Haibolantany ny fikambanana.

Inona avy ireo tetikasa? Iza avy ireo fikambanana na ivo-toerana miara-miasa?

Manana teti-kasa vitsivitsy ny fikambanana aloha hatreto.

Tetikasa nandritra ny taona 2019

Ny taona 2019 dia nifantoka bebe kokoa tamin’ny fanorenana ifotony ny fikambanana ho ara-panjakàna eto Madagasikara no tena nimasoana, ary niampy “Leadership training”  ny volana Oktobra 2019  niaraka tamin’ny METY Partage (Méthode Ethique Tenacité Innovation) sy “Team Building” ny volana Desambra 2019 izay niarahan’ireo mpikambana rehetra. Ireo no natao dia mba hanomezana aingam-panahy sy ho fampifandraisana ary fifankahafantaran’ny mpikambana bebe kokoa.

 

 

Sary vitsivitsy maneho ireo mpikambana ato amin’ny GSM nandritra ny Leadership Training niaraka tamin’ny METY Partage. “Tsy handraraka ilo mby an-doha”.

Fampahafantarana bebe kokoa ny GSM sy fifankahafantaran’ny mpikambana nandritra ny Team Building 2019

 

Lalao sy fiarahana nisakafo mitam-pihavanana niarahana tamin’ny GSM nandritra ny Team Building 2019

Ireo mpikambana GSM niara-naka sary talohan’ny fodiana nandritra ny Team Building 2019

Tetikasa ho an’ny 2020

Manana tetik’asa ho an’ny taona 2020 ihany koa ny GSM, toy ny “Outreach Activity”, ny “GEO-Photo Contest”, ny “GSM-English club”, ny “GSM Empower & Exchange”, sy ny maro hafa fa noho ny fisian’ny COVID-19 dia nisy fiantrainkany ny fanatanterahana ny sasany tamin’ireo tetik’asa. Ny tena voakasika moa ny ny tetik’asa Outreach, miaraka amin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo, sy ny tetik’asa LAMPS (Leveraging local AstronoMy site to Promote STEM) miaraka amin’Ikala STEM ny  23–25 Aprily 2020, fa dia miato sy mihemotra mandra-pivoatry ny raharaha ho tsaratsara kokoa.

Araka ny efa voalaza teo ambony dia efa misy vitsivitsy ireo miara-miasa amin’ny GSM, toy ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo, Ikala STEM, Ny Mety Partage, ary ny Oniversiten’Antananarivo. Ary faly ihany koa izahay izao miara-miasa amin’ny Lemur Conservation Network.

Team Paléontologie niarahana tamin’i Antsa sy Avotra nandritra ny Outreach sy ireo karazam-pampiharana ny fampianarana nomena.

 

Team Environnement Minier niarahana tamin’i Robson sy Mialy nandritra ny Outreach sy ireo karazam-pampiharana ny fampianarana nomena.

Team Mines niarahana tamin’i Mémé de Zorèce, Finaritra, ary Rina nandritra ny Outreach sy ireo karazam-pampiharana ny fampianarana nomena.

Team Hydrogéologie niarahana tamin’i Kanto sy Ny Antso nandritra ny Outreach sy ireo karazam-pampiharana ny fampianarana nomena.

Inona avy ireo asa atao manampy eo amin’ny lafin’ny fiarovana ny tontolo iainana?

Satria ny fikambanana dia sehatra fitaizana, tsy eo amin’ny fahaizana ny taranja Haibolantany ihany, fa ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa, dia efa nanao hetsika izahay, na dia mbola kely ihany aza, dia ilay “Outreach Activity” izay natomboka tao amin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo. Nisy lohahevitra iray mihitsy momba ny “Environnement Minier” (izany hoe ny fitrandrahana sy ny tontolo iainana) izay nanentanana sy nampahafantarana ireo mpianatry ny Lycée ny andraikitra mety ho raisina raha toa izy ka tonga eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana.

Vao tsy ela ihany koa isika no nankalaza ny “Earth Day”  ny 22 Aprily 2020 lasa teo, izay andro natokana ho an’ny Planeta Tany sy ny fiarovana azy, indrindra ny “tontolo iainana” izay tena miavaka ao aminy. Feno dimam-polo (50) taona tamin’ity taona 2020 ity ny fanamarihana izany andro lehibe izany. Zava-dehibe ho an’ny GSM ny fanamarihana io andro io, koa nanao hetsika teo amin’ny pejy Facebook izahay ho fampahafantarana sy ho fanentanana ireo mpiara-belona ny Earth Day izay natao tamin’ny fizarana sary sy hafatra manokana, avy amin’ireo mpikambana sy olon-tsotra vitsivitsy.

Inona  avy ireo zava-bita azo tanisaina? Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy? 

Efa voalaza teo ambony avokoa ireo zava-bita hatreto, fa mbola manana dingana maro izahay fa ny tena lehibe dia ny fampahafantarana ny fikambanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, na ny “reconnaissance internationale”. Ny irariana dia hivaha tsy ho ela ny olan’ny COVID-19, ary hiverina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena.

Inona avy ireo asa ilàna famatsiana? 

Ny ankabetsahan’ny asa sy tetik’asa iandraiketan’ny GSM dia mila famatsiana avokoa, satria araka ny maha-“non-profit” azy dia miankina amin’ny  cotisation maha-mpikambana sy ny fanampiana avy amin’ireo malala-tànana no entina mampandroso ny fikambanana hatreto. Ohatra amin’izany ny nanaovana ny Go Fund Me ho fanohanana ny hetsika Outreach Activity, izay isaorana manokana ireo rehetra nahafoy vola sy nanohana anay. Raisinay an-tanandroa ireo fikambanana na orinasa te-hiara-hiasa sy hanohana anay satria araka ny teny filamatry ny GSM hoe “Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika” dia misokatra sy vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra izahay, ary vonona ny hampita fahalalàna amin’ny hafa ihany koa.

Inona no hafatra ho an’ny mpamaky?      

Efa tsy zovìna amintsika ny harena misy eto Madagasikara, nefa mila mitia sy saropiaro amin’ny harenantsika isika. Sehatra tena anisan’ny manan-danja tokoa ny Haibolantany, tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany. Maro ny sehatra arak’asa afaka ivelarana tsara toy ny fitantanana sy ny fiarovana ireo harena an-kibon’ny tany maro eto Madagasikara, kanefa mbola vitsy ny Malagasy manana ny fahaizana sy fahalalàna ary traikefa ho entina mitantana am-pahendrena ireo harena ireo.

Noho izany, tena mila tanora manam-pahaizana maro sy tanora voavolavola sy voataiza tsara ny firenena ahafahantsika mitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana an’i Madagasikara.  Tafiditra ao anatin’izany ny fahaiza-mitantana ny harena ao aminy, toy ny akora avy ao amin’ny Tany. Izahay dia manentana ny tanora mba ho liana amin’ny tontolon’ny Siansa ny Tany ary ho an’ireo izay efa amin’ny sehatry ny fikarohana, ny fampianarana, na asa mba hifanolo-tanana aminay ho fampiroboroboana ny taranja Haibolantany.

Photos Credit: Antsa Lal’Aina Johanna Ratovonanahary sy Joël Crusoé Tovonjanahary

Raha te-hahalala bebe kokoa sy te-hifandray amin’ny Geological Society of Madagascar

  • Tsidiho ny tranokala eto amin’ity rohy ity. Misy teny Anglisy ary misy teny Frantsay ny pejy.
  • Misy ihany koa ny Pejy Facebook izay azonao tsidihina eto amin’ity rohy ity, ary vao nanokatra kaonty Twitter izahay, afaka arahan’ny olona rehetra @GeoSocietyMada.
  • Raha te-hahafantatra bebe kokoa momba ny Filoha Mpanorina, dia tsidiho ity rohy ity.