Main Menu

Whitley Award ho an’i Mamy Razafintsalama sy Planet Madagascar

Nahazo vahana manokana ny lafin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity, satria nahazo ny famatsiam-bola avy amin’ny Whitley Fund for Nature i Mamy Razafitsalama avy amin’ny Planet Madagascar!

Ny Lemur Conservation Network dia miarahaba manokana an’i Mamy noho izany voninahitra lehibe izany. Ity mari-pankasitrahana ity dia porofon’ny asa mafy nataony sy ny fahafoizan-tenany amin’ny fiarovana ny varika eto Madagasikara. Ao amin’ity lahatsoratra bilaogy ity, fantaro bebe kokoa momba ny loka, momba ny asan’i Mamy miaraka amin’ny Planet Madagascar, ary ny tanjona napetrany hampiasana ny loka ho fanohanana ny fiarovana.

Momba ny “Whitley Fund for Nature Awards”

Ny Whitley Fund for Nature (WFN) dia anisan’ny famatsiam-bola avy any Angleterra avy amin’ny alalàn’ny fanomezan’ireo olona tsara sitrapo. Ny loka azon’izy ireo dia mikendry ny hanohana ireo mpitarika ny fiarovana miasa any amin’ny tanindrazany manerana ny Atsimo. Ny fanangonana ny vola dia entina ny hanolorana fanohanana maharitra ho an’ireo mpandresy amin’ny loka izay miorim-paka ao amin’ny vondrom-piaraha-monina izay mamorona tombontsoa maharitra ho an’ny biby sy ny tontolo iainana ary ny olona ny asa.

Mamy Razafitsalama. Sary: Whitley Fund For Nature.

Tamin’ity taona ity ny Whitley Fund for Nature dia nanome fanomezana fito ho an’ireo mpiaro ny tontolo iainana ho fankasitrahana ny fandraisany anjara miavaka amin’ny fiarovana. Ny 6 tamin’ireo nahazo loka 7 dia nahazo £40,000 ($50,000 USD) ho famatsiam-bola hanohanana ny tetikasa fiarovana azy ireo.

Anisan’ny mpandresy tamin’ity taona ity i Mamy Razafitsalama, talen’ny Planet Madagascar!

Momba ny asan’i Mamy miaraka amin’ny Planet Madagascar

Laharam-pahamehana: Fifehezana ny afo ao amin’ny valan-javaboary Ankarafantsika

Manerana an’i Madagasikara Andrefana, ny afo no tena mahatonga ny fandripahana ala. Manodidina ny 95% amin’ity afo ity dia vokatry ny olombelona. Iray amin’ireo sombintsombiny lehibe indrindra amin’ny ala voalohany any andrefana ny valan-javaboarin’Ankarafantsika saingy tandindomin-doza amin’ny fanaovana ny tavy, ny fitrandrahana hazo, ny fiompiana ahitra ary ny fitrandrahana ho an’ny fanorenana trano.

Ny valan-javaboary dia ahitana karazana varika valo, dimy amin’ireo no atahorana ho lany tamingana, anisan’izany ny sifaka  izay efa tena ahiana ho lany tamingana. 

 

 

Ny fiarovana ny ala tsy mitsaha-mitombo sy ireo ala sisa ao amin’ny valan-javaboary, mandritra ny fiaraha-miasa sy miaraka amin’ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana, dia tena zava-dehibe ho an’ny varika mba hivelomany.

Mamy Razafintsalama sy ny Planet Madagascar miara-miasa akaiky amin’ny mponina eny ifotony mipetraka akikin’ny Ankaranfantsika Sary : Whitley Awards

Tena reharehanay i Mamy sy ny asa ataony. Niatomohan’ity hevitra ity dia rehefa teo am-pikarakarana ny PhD sy ny MA any izahay, izay nivelatra ho fikambanana iray izay manao fiovana lehibe manampy ny olona sy ny varika ary ny ala fonenan’izy ireo.
— Travis Steffens, PhD, Mpanorina sady Tale Mpanatanteraka ny Planet Madagascar

Momba ny Planet Madagascar

Planet Madagascar dia ONG Kanadianina miasa any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Madagasikara sy ny valan-javaboahary Ankarafantsika. Miompana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mponina any an-toerana ny fikambanana amin’ny alalan’ny fananganana vondrom-piarahamonina ala maharitra.

Sifaka ao Ankarafantsika National Park. Sary: Travis Steffens.

Ny tena tanjon’izy ireo dia ny hampitsahatra ny fandripahana ala, ny fiarovana ny ala ary ny fanarenana ny ala ary ny famahana ny filan’ny vondrom-piarahamonina manodidina izay miankina amin’ny ala. Anisan’ny reharehan’ny Lemur Conservation Network ny fananana an’ny Planet Madagascar ho isan’ny mpikambana. 

Raha te-hahalala bebe kokoa:

 

,