Ndeha isika hamantatra mpianatra mpikaroka iray, mpikambana ato amin’ny LCN, dia i Charline RASOANARIMALALA. Fony kely dia efa naniry ho mpikaroka izy! Tafaresaka taminy izahay ka nizara ny fitiavany ny fianaran’ny varika sy zavatra ianarany izy. Vakio hatramin’ny farany ny bilaogy fa manana hafatra hoa antsika izy.
Lazao anay ny mombamomba anao!
RASOANARIMALALA Charline ny anarako. Izaho dia nianatra tao amin’ny “Mention Science de la vie » ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa, Oniversiten’i Fianarantsoa ary nahazo ny marim-pahaizana « Licence sy Master » rehefa nisafidy ny lalam-piofanana « Biodiversité tropicale ». Ny fikarohana zay nataoko dia nandinika ireo sakafo tiany ireo karazana varika atao hoe Varijatsy sy ny fomba fampiasan’ireo varika ireo ny tahon’ala amin’ny toerana roa ao amin’ny valan-java-boarim-pirenena Ranomafna izay manana ala samihafa -Talatakely sy Mangevo (Étude comparative d’écoéthologie et de comportement alimentaire de Varecia variegata dans les deux sites du parc National de Ranomafana).
Inona no tena nahalianao tamin’ny fianarana momban’ny varika?
Anisany nanosika ahy hanohy amin’ny asa fikarohana ny fahatsapako manokana ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny tokony hikajiana ny zava-boahary noho izy misahana ny anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ny zanakolombelona. Ary anisan’ny nisafidianako ny hianatra bebe kokoa momba ny varika noho ity biby ity efa atahorana ho lany tamingana nefa anisan’ny biby manampy amin’ny fanarenana ny ala sy anisan’ny harena miavaka manintona mpizahatany eto amitsika ka tokony harovana.
Faniriako fony mbola kely ny ho lasa “Professeur” izany. Na tsy mbola ary saina sy nahafantatra zavatra betsaka momba izany aza, dia anisany ankafiziko ny mijery irony horonantsary misy resaka fikarohana ara-siantifika irony.
Inona no tanjona anananao amin’izany fianarana izany?
Anisany faniriako ny hanatanteraka ny nofiko fony kely dia ny mba ho tonga mpikaroka mazoto afaka miahy sy mizara traikefa amin’ny mpiara-belona indrindra amin’ny resaka fiarovana ny zava-boahary ary singaniko manokana amin’izany ny varika sy ny toeram-ponenany.
Izany hoe maniry ny hanohy fianarana amin’ny sehatra ambony kokoa “ doctorat sns” ary maniry dia maniry kokoa ny hisehatra voalohany amin’ny asa fiarovana sy fikajiana ny varika. Hampianatra sy hanentana ny olona indrindra ny tanora ny maha-zavadehibe izany fiarovana ny varika izany.
Inona no hafatra?
Manentana atsika zoky zandry maniry ny hianatra momba ny varika mba ho sahy hiroso amin’ny asa fikarohana,ho sahy hanotany ireo zoky, hangataka fanampiana indrindra ara-kevitra mba hahafahana manantanteraka ny asa fikarohana. Manankarena isika manana ny varika. Isika tanora no andrandraina hampianatra sy hanentana ny mpiara-belona amin’ny tokony hiarovana azy. Ndao hianatra ny momba azy ary ndao hijoro amin’ny fiarovana azy.
Ry tanora, sahia manao tsia amin’ny tsy rariny mianjady amin’ny varika, mirotsaha hiaro azy, fa antoky ny ho avy sy ny taranaka amam-para ny fananan-tsika ny varika.