Mpikambana ato amin’ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo

Ny fikambanana Mitsinjo no mpikambana ato amin’ny Lemur Conservation Network amin’ity volana ity Aogositra ity.  Araho eto ny resaka nifanaovana tamin’i Rainer Dolch, izay Tale mpandrindra ny fikambanana Mitsinjo izay nizara ny momba ny fikambanana, ny asany ary ny ahafahantsika hanampy azy ireo hiaro ny gidro sy ala misy azy.

 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana

Ny fikambanana Mitsinjo dia niforona tamin’ny taona 1999 ary nitsangana avy amin’ny finiavan’ireo fokonolona mpikambana miisa 13 avy ao amin’ny tanànan’i Andasibe. Tamin’ny niforonany tany am-boalohany dia fikambanana mpitaridia ireo mpizaha-tany ny fikambanana, ary nanomboka nampiasa ireo fahaiza-manao sy trai-kefany tamin’ny fiarovana ny zava-boahary hita ao amin’ny faritra ireo mpikambana. Nandritra izay taona maro niforonany izay, ary satria niara-nivoatra tamin’ny mponina izay miara-miasa aminy izy, ny fikambanana Mitsinjo, dia nivelatra ka lasa fikambanan-dehibe miandidy ny fiarovana ireo zava-boahary manerana ny faritra misy azy izy ankehitriny.

Ny fikambanana Mitsinjo dia ao amin’ny kaominina Andasibe, any Atsinanan’i Madagasikara

Ny tanjony dia ny mampifandray ny fiarovana sy ny fampandrosoana maharitra, mitazona ireo harena ekolojika amin’ny alalàn’ny fitantanana ny ala mando, ny famerenana ny ala ary ny fanomezana fidiram-bola hafa sy manaja ny tontolo iainana ho an’ireo mponina ifotony (amin’ny alàlan’ny fizahan-tany, fikarohana sy maro hafa).

Aiza no misy ny fikambanana ary inona avy ireo asa?

Ao Andasibe no misy ny foiben’ny fikambanana Mitsinjo, distrikan’i Moramanga ary faritra Alaotra-mangoro. Mitantana ny alan’i Analamazaotra (Alan’i Mitsinjo) izay ala mando mirefy hekitara aman-jato maro izay mifampitohy amin’ny ala-java-boahary nasionaly arovana Andasibe- Mantadia izy. Fototra nahazoana ny toerana ao Torotorofotsy ho lasa “Site Ramsar” izy, io toerana io moa dia tantaniny miaraka ireo mpiara-miomban’antoka hafa.

Ny tavy no anisan’ny loza lehibe indrindra mihatra amin’ireo gidro sy ireo fonenany any amin’ny faritra Andasibe.

Ankehitriny, 60 ireo mpikambana sy mpiara-miasa ao amin’ny fikambanana Mitsinjo ary monina ao Andasibe avokoa izy ireo.

Ny vola azo amin’ny alalàn’ireo asa fizahan-tany ataon’ny fikambanana dia omena avy hatrany ireo mponina ao ifotony ary arotsaka ampandehanana ireo tetikasa maro momba ny fiarovana ataon’i Mitsinjo.

Inona ireo karazana gidro iasanareo?

Babakoto

Indri indri na babakoto no gidro tena fantan-daza ao Andasibe, gidro izay mahery feo ka afaka heno any amin’ny roa kilometatra misy azy. Miaro tarika babakoto sivy ao amin’ny faritra misy ny alan’i Analamazaotra ny fikambanana Mitsinjo. Ny roa amin’izy ireo dia zatra mahita olona ka afaka tsidihana miaraka amin’ireo mpitaridia mpikambana.

Indri indri na babakoto no gidro tena fantan-daza ao Andasibe izay arovana ao amin’ny ala tantanin’i Mitsinjo

Godrogodroka

Noho ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo olona ao ifotony dia nahita ilay karazana gidro (Prolemur simus) indray ny fikambanana Mitsinjo. Hita tao akaikin’ny Andasibe io karazana gidro io ary noheverina fa efa lany tamingana ao amin’io faritra io izy efa ho taon-jato iray izao! Niteraka fikarohana hafa ny fahitana io gidro io ary koa fanaraha-maso hafa izay nahafahana nanitatra ny velaran-tany fonenana izay fantatra fa tokony hisy azy.

Fanaraha-maso ireo karazana gidro 14 ataon’ny mponina eny ifotony

Raha atambatra dia miisa 14 ireo karazana gidro misy ao amin’ny alan’ny Torotorofotsy ary manodidina ny lakan’Ihofa. Ny fikambanana Mitsinjo dia miezaka ny mamantatra ireo mponina gidro rehetra ary ireo izay ahiana ny fivelomany. Izany dia atao amin’ny alàlan’ny fanaraha-maso izay ataon’ny mponina eny ifotony.

Ireo karazana gidro tena araha-maso akaiky dia ireo izay tafiditra ho isan’ny gidro tena ahiana dia ahiana ho lany tamingana– babakoto (Indri indri), Simpona (Propithecus diadema), varika (Varecia variegata), and Godrogodroka (Prolemur simus). Na izany aza, ireo karazana gidro folo sisa dia iasana ihany koa.  Dia ireo Hay hay (Daubentonia madagascariensis), Tsidy an’i-Goodman (Microcebus lehilahytsara), Tsidiala (Allocebus trichotis), Matavirambo (Cheirogaleus crossleyi), Tsitsihy (Cheirogaleus major), Bokombolo (Hapalemur griseus), Tongona (Eulemur rubriventer), Varika (Eulemur fulvus), Fotsife (Avahi laniger) and Hataka (Lepilemur mustelinus).

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo gidro sy ireo asa hafa?

Fizahan-tany sy fikarohana

Ny fidiram-bolan’ny ny fikambanana Mitsinjo dia avy amin’ny fizahan-tany. Afaka mitsidika ny ala mando izay tantanin’i Mitsinjo mantsy ny mpizaha-tany ka mijery ireo gidro miaraka amin’ireo mpitaridia nahazo fiofanana manokana. Maro ireo zotra sy lalan-kely azo aleha ao anaty ala eny fa na dia amin’ny alina aza. Misy ihany koa ny fianihàna eny amin’ny hazo azo atao miaraka amin’ny GasiClimb, izay fikambanana matihanina amin’ny fianihàna hazo avy amin’i Mitsinjo.

Manao fikarohana manokana ho an’ny gidro ny fikambanana Mitsinjo. Eto amin’ny sary dia ny “collier radio” izay andramana apetraka amin’ireo gidro.

Ny vola azo amin’izany dia arotsaka amin’ny ampahany ho famatsiana ny tetikasa fiarovana ny gidro ao aminay. Fa miantso matetika ireo Malagasy sy vahiny mpikaroka ihany koa izahay ary manentana azy ireo hizara ny valim-pikarohana ataony izay hanampy anay hanatsara ny fomba fitantanana sy ireo ezaka atao amin’ny gidro sy ny zava-boahary amin’ny ankapobeny. Ny fisian’ireo mpizahan-tany sy mpikaroka no mampihena ireo mpihaza gidro sy ireo mpitetikala.

Tetikasa famerenana ala

Manana tetikasa lehibe mikasika ny famerenana ny ala mando ny fikambanana Mitsinjo. Nandritra ny taona maro, dia namboly zava-maniry hita ao amin’ny ala mando efa ho iray tapitrisa izahay (izay karazana zava-maniry miisa 150), izay namptimboina ao anaty taninketsa. Noho ny fanohanan’ny fikambanana ho an’ny fiarovana ny natiora avy any Finlande ary ireo mpanohana kely hafa dia mbola mitohy io asa lehibe amerenana ny fonenan’ny gidro io (ary ny famoronana ala mampitohy ireo ala efa misy).

Afaka mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ireo mpizahan-tany sy ireo mponina mpikambana eny ifotony.

Tetikasam-panabeazana

Ny famerenana ny ala dia isan’ny tetikasam-panabeazana ataon’ny ny fikambanana Mitsinjo. Mampianatra an’ireo ankizy mpianatra 8 ka hatramin’ny 10 taona izahay amin’izany.

Mpianatra miisa 450 no manaraka ny fampianarana momba ny fiarovana ny tontolo iainana izay omen’ny fikambanana Mitsinjo.

Eo am-pilalaovana, dia afaka mianatra momba ny tontolo iainana, ny zava-boahary sy ny ekolojia ao amin’ny faritra misy aazy ireo ary ny antony maha-zava-dehibe ny fiarovana izany ho ani’reo olona sy ny biby. Mianatra any anaty lakilasy sy any anaty ala ireo ankizy.

Voakasik’io tetikasa io avokoa ny mpianatra any amin’ny ambaratonga voalohany ao amin’ny kaominina Andasibe. Io tetikasa io moa dia efa tafiditra ao anaty programam-pampianarana. Mianatra mitia ny zava-boahary izy ireo amin’ny alalàn’ny fianarana ny tontolo iainana sy ny gidro ary manantena izahay fa hampitombo ny fanentanana momba ny fiarovana izy ireo rehefa any lehibe.

Fiarovana ireo sahona amin’ny alalàn’ny fametrahana toerana voalohany eto Madagasikara ampitomboina ireo sahona

Ankoatran’ireo gidro dia manaraha-maso ireo sahona ihany koa izahay. Ny fikambanana Mitsinjo ny hany voalohany mitantana ny toeram-piterahana sy ampitomboina ireo sahona antsoina hoe “toby sahona”. Ankoatran’ireo fanimbana ala sy toeram-ponenany mantsy dia anisan’ny loza mihatra amin’ireo sahona ihany koa ny aretina atao hoe chytridiomycosis.  Rehefa mitombo ny fahalalàna azo momba ny fiterahana sy fitomboan’ireo karazan-tsahona ao Andasibe dia manantena i Mitsinjo fa ho vonona kokoa any aoriana, hiady amin’ny fandrosoana ho avy, izay mety hiteraka ny fahafatesan’ireo karazan-tsahona misy any anaty ala.

Ny sahona izay sady mpihinana no hanin’ireo karazan-biby hafa, dia manana anjara-toerana lehibe eo anivon’ny tontolo misy azy ao amin’ny ala mando Malagasy. Ny fahasalaman’ireo sahona dia anisan’ny marika hijerena ny fahasalaman’ireo ala sy ireo karazan-biby hafa toy ny gidro.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Fiarahana manaraha-maso ireo gidro sy ireo loza mihatra aminy miaraka amin’ireo mponina eny ifotony

Niara-niasa akaiky tamin’ireo mponina avy ao amin’ny faritra Torotorofotsy-Ihofa ny fikambanana Mitsinjo mba hametrahana tetiandro fanaraha-maso atao ho an’ireo karazana gidro sy ireo loza mihatra aminy. Nahazo fiofanana manokana ireo mponina ao ifotony amin’ny fomba fanangonana ireo zava-misy maro-pototra sy ilaina.

Atrikasa natao tao amin’ny foiben’i Mitsinjo niaraka tamin’ireo fikambanana hafa lehibe mpiaro ny ala

Anisan’ny valiny voalohany ny fahitana fa ireo loza mihatra amin’ireo gidro toy ny fanimbana ala amin’ny alalàn’ny tetik’ala dia nihena noho ny fisiana fotsiny ihany ireo mpanaraha-maso.

Fikambanan’ireo vehivavy manao asa tanana

Nanentana ireo vehivavy ihany koa izahay hanangana kaoperativa amin’ny fanaovana asa-tanana ao Menalamba (Torotorofotsy). Mahazo fidiram-bola manokana ireo vehivavy avy amin’ny fanjairana sy fanamboarana ireo kojakoja vita tanana. Ny zava-maniry ilaina amin’izany dia maniry any amin’ireo toerana mando sisa ao amin’ny site Ramsar. Amin’izay fotoana izay, dia tsy mivadika ho toeram-pambolena intsony ireo toerana izay anirian’ireo hazo ilaina ireo. Io fidiram-bola fanampiny, izay azo avy amin’ny fanaovana asa-tanana, ho an’ny fianakaviana io dia anisan’ny mampihena ny fiankinan’ny fivelomana amin’ny fambolena tsy maharitra toy ny tavy ary noho izany anisan’ny miaro ny fonenan’ny gidro io.

Ivo-toerana momba ny fanabeazana ny fiarovana ny tontolo iainana

Farany, vao vetivety, nanangana ivo-toerana natokana ho an’ny fanabeazana ny tontolo iainana ny fikambanana Mitsinjo. Izy io dia natao ho lakilasy fianaran’ireo ankizy ireo tetiandro momba ny tontolo iainana. Fa afaka mianatra momba ny gidro sy ny tontolo iainany ihany koa ireo olon-dehibe mpitsidika avy amin’ny mponina na avy any ivelany.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Ny tena tanjonay ao aoriana dia ny ahafahan’ireo mponina ao ifotony hivelona amin’ny fampiasana ireo zava-boahary any an-toerana sady miaro ny haren-zava-boahary misy ao Andasibe.

Miara-miasa akaiky amin’ny mponina eny ifotony ny fikambanana Mitsinjo mba ahafahan’izy ireo mivelona amin’ny fampiasana ireo akora eny an-toerana amin’ny fomba maharitra sy mba ampitombo ny fari-piainany.

Mba hanantanterahina izany, dia zava-dehibe loatra ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpiantsehatra rehetra misy ao amin’ny faritra.

Matetika mantsy, ny fanentanana amin’ny fiarovana dia arahina kolikoly na tsy fandraisan’ireo tompon’andraikitra sy mpanapa-kevitra andraikitra.

Ka amin’izany dia manantena izahay fa ny fiarovana dia ho lasa voalohan-draharaha ho an’ireo mpanao politika ao amin’ny faritra any aoriana fa tsy lasa faniriana lava fotsiny ihany.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve ny fikambanana Mitsinjo?

Ny fikambanana Mitsinjo dia tsy dia manana fahafahana loatra mandray ireo olona hiasa an-tsitrapo. Fa ny tena tsara indrindra, dia ny fahafahan’ireo mpilatsaka an-tsirapo hanao asa mahaleo-tena amin’ny tetikasa izay azy manokana. Mandray ireo olona hiasa an-tsitrapo izay efa voadinika ny tetikasany izahay ka hita fa mety hanampy anay  hanatsara bebe kokoa ireo asa atao amin’ny fiarovana.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Amin’izao fotoana izao, dia mila fanampiana amin’ny :

  • Fanatsarana sy ny fanamboarana ny birao fandraisana ary,
  • Fanamboarana sy fanitàrana ny toerana taninketsa izay lasan’ny tondra-drano.

Ahaona no ahafahanao manampy?

Tsidiho ny pejy Fikambanana Mitsinjo eto amin’ny Lemur Conservation Network

Manomeza ho an’ny fikambanana Mitsinjo eto amin’ny alalàn’ny “Amphibian ark”

Raha te-hitsidika ny fikambanana Mitsinjo

Ny fikambanana Mitsinjo dia mitantana toeram-pitsidihana ho an’ireo mpizahan-tany eo akaikin’ny ala arovana Andasibe. Ho hitanao ny birao eo amin’ny ankavian-dalàna rehefa makany amin’ny tanànan’Andasibe, roa kilaometatra mivoka ny lalam-pirenena faharoa mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina ary roan-jato metatra alohan’ny ala-java-boahary nasionaly arovana Andasibe.

Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny fitsidihana ny fikambanana Mitsinjo