Main Menu

Mpikambana ato amin’ny LCN mandritra ity volana ity : Planet Madagascar

Planet Madagascar no mpikambana ato amin’ny Lemur Conservation Network nizara ny momba azy, ny asany ary ny ahafahantsika hanampy azy ireo hiaro ny gidro sy ala misy azy.

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomba an’i Planet Madagascar

Planet Madagascar dia fikambanana tsy miankina ara-panjakana kanadianina nitsangana tamin’ny taona 2015. Miara-miasa amin’ny masoivoho any Madagasikara (Planet Madagascar association) mba iaro ny gidro/varika sy ny ala iainany ary mba hanampy ny fiveloman’ireo olona izay monina akaik’ireo gidro ireo.

Ny tantara niforanan’i Planet Madagascar dia avy amina aretina azon’ny zazavavy iray rehefa narary mafy satria tratra ny aretina izay azo nosorahana sy azo tsaboina tsara. Ka nahita izany i Travis Steffens, izay filoha mpamorina ny fikambanana, raha sendra nanao fikarohana mikasika ny gidro tao amin’ny ala-javaboahary arovana na ny parc nasionaly ao Ankarafantsika, fikarohana ahazoany ny diplaoma doctorat. Tamin’izay fotoana izay, dia tsapan’i Travis fa ny fahombiazana azo avy amin’ny ezaka atao ianarana ny gidro dia zava-poana ihany raha tsy misy ezaka mitovy lenta atao amahana ireo olàna izay mianjady amin’ny mponina izay mifandray mivantana amin’ireto gidro. Noho izany, fomba fiasa mampiaraka ny lafin-javatra maro ho iray no ataonay amin’ny fiarovana ny zava-boahary ary mijery manokana ny filàna sy ireo tombon-tsoa an’ireo mponina izay miara-miasa aminay izahay.

Aiza no misy an’i Planet Madagascar ?

Planet Madagascar dia miara-miasa akaiky amin’ireo mponina maro monina manamorona ny parc nasionaly ao Ankarafantsika any Avaratra andrefan’i Madagasikara. Ala maina ary ala-javaboahary sisa arovana any amin’ny faritra Avaratra andrefan’i Madagasikara ny parc nasionaly ao Ankarafantsika. Na dia ala arovana ary anefa i Ankarafantsika, dia misy hatrany ny fanimbana ny ala noho ny afo, ny tetik’ ala amin’ny famokarana saribao na amin’ny fanamboarana trano, ny tavy, ny firaofana ireo biby fiompy any anaty ala ary ny fangalana foto-kazo madinika (Kun-Rodrigues et al. 2013).

Ny toerana tena iasanay dia manamorona ireo tanàna misy ireo fokonolona telo izay monina 12 kilometatra miala an’ireo biraon’i Parc nasionaly ao Ankarafantsika. Manao fanadihadiana mikasika ireo foto-piveloman’ireo mponina ireo izahay mba ahafantaranay tsara ireo filàny sy ireo zavatra angatahiny, ary izany dia manampy anay amin’ireo asa izay ataonay amin’ny fiarovana ny zava-boahary. Nanomboka tetik’asa mikasika ny fanabeazana amin’ny fiarovana, ny fanaraha-maso ny ala, ny fandrindrana ny afo, ny tetik’asa miompana amin’ny famerenana ny ala ary ny fambolena mifamdimby amin’ny ala vadim-boly (agroforesterie) izahay. Ireo tetik’asa rehetra ireo dia natsangana avy amin’ny valin’ny fanandihadiana izay natao. Rehefa izany, nanitatra sy nampiditra fanabeazana mikasika ny fiarovana ny zava-boahary tamina fokonolona miisa 20 izay monina manodidina ny parc izahay.


Inona avy ireo karazana gidro iasanareo ?

Miasa ho an’ny fiarovana ny ala misy ireo karazana gidro valo misy any amin’ny Parc nasionaly ao Ankarafantsika izahay, ny dimy amin’izy ireo dia voasokajy ho ahiana ho lany tamingana araka ny IUCN Redlist. Ireo gidro dia ny Tsibahaka (Propithecus coquereli), Komba mainty (Eulemur fulvus) Komba (Eulemur mongoz), Repahaka (Lepilemur edwardsi), Fotsife (Avahi occidentalis) Matavyrambo (Cheirgaleus medius), Tsidy (Microcebus ravelobensis) ary Koitsiky (Microcebus murinus).

Samy manana ny anjara asany avy izy ireo ao anaty ala izay iainany ary samy manana ny filàny. Miezaka izahay ny mampifandraika hatrany ireo ezaka atao amin’ny fiarovana, amin’ireo valin’ny fikarohana atao momba ny fiarovana ireo karazana gidro ireo.

Inona avy ireo asa ataon’i Planet Madagascar izay manampy amin’ny fiarovana ireo gidro?

Ny tetik’asan’i Planet Madagascar dia miompana indrindra amin’ ny fiarovana, ny mponina ary ny fanabeazana. Miara miasa akaiky amin’ny mponina izahay mba hanatsarana ny fari-piainan’ireo vahaoka monina eto Madagasikara ary miaro ireo gidro sy ny toerana misy azy.

Fiarovana

Ny anarana itondranay ny tetik’asa momba ny fiarovana dia “Salama Atiala” izay nanomboka ny taona 2015. Ao anatin’io tetik’asa io dia misy ny fijerena ny fandrindrana ny afo ary ny famerenana ny ala. Mampiasa olona any ifotony izahay izay avy amin’ireo mponina ihany mba hiaro sy hanara-maso ny ala amin’ny alalàn’ny fametrahana aro afo sy ny teknika fanaraha-maso manokana ary ny famerenana ny ala amin’ny alalàn’ny fambolen-kazo. Mahazo karama ireo mponina amin’izany asa izany ka izany no ahafahany mampitombo ny fidiram-bolany.

Fokonolona

Ny fomba fiasanay amin’ny fiarovana dia miompana amin’ny filàn’ny mponina ka miankina betsaka amin’ny fahazoanay ireo olàna izay mitranga sy filàn’ireo mponina. Miara miasa akaiky amin’ireo fokonolona izahay amin’izay asa rehetra ataonay amin’ny alalàn’ny fanadihadina na fivoriana matetika ataonay. Izano no atao dia ny mba ahazoanay tsara ny fomba fandraisain’ireo mponina ny fiarovana ny ala sy ny gidro ka ahafahanay mampahanfatantatra tsara azy ireo ny tetik’asa momba ny fiarovana ataonay.

Fanabeazana

Amin’ny tetik’asa rehetra ataonay dia ampidiranay hatrany ny rantsana mikasika ny fanabeazana momba ny fiarovana satria mino izahay fa miankina betsaka amin’ny fanabeazana ifotony ny fahombiazan’ireo tetik’asa rehetra. Ohatra amin’izany, nametraka fiofanana ho an’ireo olon-dehibe ao an-tanàna izahay mikasika ny fomba anabeazana ireo ankizy momba ny fiarovana zava-boahary. Isan-taona, mikarakara andro iray antsoina hoe “andro fandraisana andraikitra mikasika ny afo” izahay ho an’ny mponina ao Ankaranfantsika mba ahaizan’izy ireo ny andraikitra raisina manoloana ny fiparitahan’ ny afo. Ary farany, vao vetivety izao, dia miara-miasa amin’ny Chris Staffe izahay izay mpamokatra horonan-tsary matihanina, mba hamokatra horonan-tsari-mpanabeazana ary ireo fitaovana entina manabe. Amin’ny teny Malagasy io horonan-tsary io, miaraka amin’ny olona Malagasy ary Malagasy ireo olona mijery azy io. Miresaka indrindra ireo loza mitranga amin’ny gidro monina akaikin’izy ireo io horonan-tsary io ary mampahafantatra ny fomba atao miaraka amin’ny Planet Madagascar mba hiadiana amin’ireo loza ireo.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Maro ireo zava-bita izay nahitam-pahombiazana fa ny tena akaiky indrindra dia nahafahanay nanampy fikambanam-behivavy iray izay miasa ho an’ny fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra sy famerenana ny ala. Io fikambanana io dia manome voa ho an’ny tetik’asa famerenana ny ala. Na izany aza anefa, ny tena zava-bita mahafa-po dia ny fahafahan’izy ireo nanovo fomba fiasa vaovao atao hoe fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra. Io fomba fiasa io dia atao mitovy amin’ny fahazoana voka-pambelona natoraly ahazoana vokatra ambony. Raha mahomby io tetik’asa iray io dia hitarina manerana ny faritra misy ny ala-javaboahary arovana na ny parc.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Ny tena tanjonay dia ny hametrahana ala maharitra ho an’ny vahaoka. Ny zavatra tadiavinay dia ny mba ananan’ny vahaoka fahefana hivelona tsara ka voaaro hatrany ny gidro sy ny toerana iainany. Midika izany fa mila mitondra vahaolàna maharitra mikasika ny rano, fahasalamana, fahadiovana, fanabeazana izahay sady manohy miaro ny gidro sy ireo toerana iainany. Na dia miompana betsaka amin’ny fiarovana ny olona sy ny gidro ary ny ala ny asanay, ny fiarovana ny alan’i Ankaranfantsika ahafahan’ireo gidro hafa, ahiana ho lany tamingana, hiaina tsara no tanjona manaraka. Ny zava-misy anefa dia manamarina fa mbola mila an-taona maro vao ho tratra izany tanjona izany kanefa manantena izahay fa hahazo valiny azo tsapain-tanana ihany eny an-dalan-mpiasana.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve i Planet Madagascar?

Tena liana amin’ny fanohanan’ireo olona miasa an-tsitrapo hatrany izahay, indrindra fa ireo olona tena manam-piniavana hiasa sy hanome hevitra sy tetik’asa azo tanterahina avy hatrany. Satria fikambanana kely izahay, dia maniry indrindra izahay ny mba hanantonan’ireo olona hiasa an-tsitrapo anay miaraka amin’ireo hevitra sy asa afaka ataony mba hanampiany anay ary ny fotoana izay afaka ho laniany amin’izany fanaovana asa izany. Taloha, nandray olona niasa an-tsitrapo izahay, tamin’ny fotoana izay nikarakarainay asa momba ny fanabeazana tany Canada, ka nanome anay ny fahaizany amin’ny famoronana sy fananganana tetik’asa izy ireo ary ihany koa nanampy tamin’ny fitadiavana famatsiam-bola.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Amin’izao fotoana izao, dia mila famatsiana izahay hanampy anay hampitombo ny vola ilaina amin’ny fanitarana ny tetik’asa mikasika ny fandrindrana ny afo sy ny famerenana ny ala ary ny fanitarana ny tetik’asa momba ny fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra.

Ahaona no ahafahanao manampy?

Tsidiho ny tranokalan’i Planet Madagascar eto

Manomeza eto

,