Mandalina sy mianatra momban’ny varika aho ho fiarovako azy ireo

Io no hafatra nomen’i Stephie Raveloson, mpikambana LCN, rehefa tafaresaka taminy izahay. Sarotra hoy izy ny hiaro biby na tontolo tsy fantatra. Araho ary ny bilaogy

Fianarana nataoko ve?

Séverine Nantenaina Stéphie Raveloson no anarako, anthropologue biologiste nivoaka tao amin’ny Mention Anthropobiologie et Développement Durable – Université d’Antananarivo aho. Ny anthropologue biologiste dia mpikaroka momba ny olombelona sy ireo iray tarika aminy toy ny gidro sy rajako, fa mifototra  kokoa amin’ny lafiny biolojika, ny mampiavaka azy dia ny fananana fijery mivelatra amin’ny lafiny maro manodidina ny sehatra ifotorany.

Izaho manokana dia nisafidy ny hifantoka amin’ny olombelona rehefa nandalo nianatra ny olombelona, ny varika sy ny rajako ary ny sakafon’olombelona.

Isika olombelona  sy ny fihetsika ataontsika no anisan’ny tsindry lehibe amin’ny tontolo iainana sy ny varika ary mitarika amin’ny fahasimbana sy fahalaniana tamingana ireo biby dia tokony arovana.

Ireo fihetsika ireo mety mivantana toy ny fihazana varika, na tsy mivantana toy ny fanapahana hazo. Ireny anefa dia misy antony samihafa ary koa misy akony mivantana eo amintsika hatrany. Io fahasarotana eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona sy ny tontolo iainana ary indrindra ny varika io no anisan’ny nahaliana ahy.

Nofinofiko sy ny tanjona anananako ve?

Ny tanjoko dia ny handalina ireo antony manosika ny olombelona hanimba tontolo iainan’ny varika sy ny fihazana varika sy ny akon’izany eo amin’ny fiarovana ny varika. Ohatra amin’izany ny fandrenesana matetika fa misy fomba amam-panao sy finoana manosika ny olona hamono varika.

Eo ihany koa ny filazana ny fahantrana sy tsindry ara-toekarena manosika hihaza mba afahana mivelona sy ho salama. Etsy ankilany, tsy voa-porofo  ara-tsiansa ny fifandraisan’ireo tosika sy ny vokany na amin’ny olombelona na amin’ny Varika sy ny tontolony.

Ny fanazavana ireo antony manosika sy ireo filazana isan-karazany dia hanamora foana ny mitady vahaolana afahan’ny olombelona miara-miaina milamina amin’ny tontolo iainana sy miaro ny varika.

Ny fandalinana izay fifandraisan’ny biolojia an’ny olombelona, ny bio-ekolojy sy ekolojian’ny varika, ny toe-karena, ny kolontsaina sy fomba amam-panao dia antoka iray afahana mamaritra tondro-zotra amin’ny fiaraha-miaina milamina ho an’ny andry telo : olombelona- tontolo iainana- Varika.

Rehefa izany, dia ho tratra foana ny tanjona na amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ankapobeny na amin’ny fiarovana ny Varika. 

Hafatra ho an’ny te hianatra Varika

 Tontolo tsy mialonjafy ny fiarovana ny varika. Tompon’antoka sy tompon’andraikitra ary mpandray anjara feno amin’izany ihany koa ny tsirairay na inona na inona fianarana noratoviny. Sarotra kosa anefa ny hiaro biby na tontolo tsy fantatra.

Tombony lehibe ny fahafantarana ny varika, ary maro ny sehatra afahana mamantatra izany toy ny LCN sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Atomboy tsikelikely amin’ny fitiavana varika ary fantaro ny momba azy fa ho mora foana ny ahitana ny anjara biriky entin’ny tsirairay hiaro ny Varika.

Scroll to Top