Mampitombo fahalalana momban’ny varika ahafahana mizara izany ho an’ny hafa

Ny fianarana momban’ny varika, nissafidy hianatra momban’ny varika aho mba ahahafahko mampita izany ho an’ny namako sy ny fianakaviako. Hoy Anja Rahafaretana, mpikambana LCN. Ndeha isika hiaraka hanaraka ity blog nosoratan’i Anja ity.

Ny fianarako momba ny varika

Ny anton’ny nianarako momba ireo varika

Nisafidy ny sampam-pianarana Biologie Animale ao amin’ny Faculté des Sciences tao amin’ny Universiten’Antananarivo aho satria tiako ho maro karazana ny fahalalana anananay tao antrano.

“Noheverin’ilay zana-drahalihin’ny mamako, izay  telo taona tamin’izany, hoe saka ilay Varijatsy tao amin’ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) fony aho taona faharoa, tonga saina aho tamin’izay hoe tsy mbola afaka nanazava misimisy kokoa momba ilay Varika tamin’ny manodidina ahy akory”.

Izany indrindra no nisafidianako ny hanao master mikasika ny fampiasan’ireo varika mpihinana voankazo miara mitoetra ny loharano hananany sy ny habean’ny toerana ipetrahan’izy ireo mandritry ny ririnina.

sary : Mathias Appel

Avy amin’izay fikarohana izay no nampitombo ny fahalalako momba ny varika ka ahafahako mizara amin’ny namako sy ny fianakaviako fa, ny roa ampahatelon’ny sakafon’ny Varecia variegata editorum’s dia voankazo avokoa na dia rehefa amin’ny fotoana maha vitsy ny voankazo ao anaty ala aza, ary mifanindry tanteraka toerana hiainany sy ireo varika miara mitoetra aminy mandritra ny ririnina.

Ny Nofiko ve?

Ao aoriana ao, tia handray anjara amina tetikasa izay mampiasa ny vokampikarohana momba ny varika ho tetika ampiharina amin’ny fitandroana sy ny fikolokoloana ny varika aho. Mino aho hoe fa rehefa maro sy mitambatra ny ezaka atao, dia mety hiova ho “atahorana ho lany tamingana” ka ho lasa “marefo” tahaka ireo Panda any Chine ihanikoa ny “Statut de conservation” an’ny Varijatsy.

Ny hafatro

Maro ny karazana boky miresaka momba ny varika anisany izany ny Lemurs of Madagascar izay vao nivoaka vao aingana ny andiany farany raha vao hanomboka tia hahafantatra momba ny varika ireo izay Liana

 

Scroll to Top