Horonan-tsary vaovao mampiseho ny asa maro ataon’ny Lemur Conservation Foundation

Ny horonan-tsary momban’ny Lemur Conservation Foundation dia :

  • ahitàna ny toerana mahavariana: avy any amin’ny faritra SAVA avaratra atsinanan’i Madagasikara – ilay hany toeram-ponenan’ny silky sifaka (Propithecus candidas), izay atahorana ho lany tamingana.
Sifaka, Sary: Dr Erik Patel.
  • Ahafahana mianatra momba ny varika, ny fandrahonana atrehany, ary ny hetsika fiarovana izay ataon’ny LCF hiatrehana ireo fandrahonana ireo.
  • Ahalalana bebe kokoa ny LCF’s Myakka City Lemur Reserve any Florida, indrindra raha te hitsidika ary fantaro ny fomba itondran’io tahiry tokana io amin’ny fiarovana ny varika any Etazonia.

Henoy avy amin’ny Mpanorina ny LCF Penelope Bodry-Sanders, Tale mpanatanteraka Deborah Robbins Millman, Talen’ny Fiarovana sy Fikarohana Dr. Erik Patel, Mpiandraikitra Meredith Hinton, Talen’ny Fanaraha-maso ny Ala Charles Rasolondravoavy, sy ny maro hafa.

Horonan-tsary amin’ny teny Malagasy ahitàna ireo vondrom-piarahamonina teny an-toerana sy nandritra ny fety.

Ny horonantsary malagasy dia mitondra ny lohateny hoe “Fiarovana Magnerana Ny Kaontinanta : Madagasikara”. Tafiditra ao anatin’izany ny feo amin’ny tenim-paritra Tsymihety, fitenim-paritra izay tenenina manodidina ny valan-javaboahary Marojejy. Ity angamba no horonantsary fiarovana voalohany amin’ity tenim-paritra malagasy ity ! Jereo ao amin’ny Vimeo ny horonantsary Malagasy.

Dr. Erik Patel no manazava ny momban’ny horonantsary :

‘‘ Ny Lemur Conservation Foundation (LCF) dia vao haingana no nahavita horonantsary vaovao 15 minitra izay mampiseho ny fandaharan’izy ireo sy ny vokatra any amin’ny faritra SAVA any avaratra atsinanan’i Madagasikara ary koa any Florida ao amin’ny Myakka City Lemur Reserve any Etazonia. Ity horonantsary ity dia mampifandray ny foibe fiompiana varika any Etazonia (toeram-ponenan’ny red ruffed lemurs (Varecia rubra) sy mongoose lemurs (Eulemur mongoz) betsaka indrindra izay tena atahorana ho lany tamingana any ivelan’i Madagasikara), ary ny biraon’ny LCF eto Madagasikara izay manohana ny valan-javaboahary Marojejy sy ny Valan-javaboahary Manokana Anjanaharibe-Sud.

Ny horonan-tsary dia mamerina mijery ny zava-bita nandritran’ny 25 taona nisian’ny tantaran’ny fikambanana sy ny fandaharan’asa fiompiana izay sahanina. Fandaharan’asa lehibe maro eto Madagasikara no asongadina : fanabeazana momba ny tontolo iainana, fatana fandoroana lasantsy, fisafoana ny ala, Ecotourisme, ary fandaharanasam-pitsaboana momba ny fahasalaman’ny mponina sy ny tontolo iainana ’’.

Jereo maimaimpoana ao amin’ny Vimeo ny horonantsary

Ny horonan-tsary amin’ny teny anglisy sy malagasy dia novokarin’ny Digital Development Company (DDC), monina eto Antananarivo, miaraka amin’ny ekipan’ny horonantsary malagasy iray manontolo.

Valan- javaboahary Marojejy, avaratra atsinanan’i Madagasikara. Sary : Dr. Erik Patel.
Ekipan’ny LCF eto Madagasikara. Sary : Dr. Erik Patel.

 

 

Scroll to Top