Fitiavana ny natiora, fitiavana hiaro sy hiasa ho an’ny varika: Koloina Rakotoarivelo

Fitiavana ny natiora, fitiavana hiaro ny varika no manosika hiasa, hianatra sy hikaroka momban’ny varika, hoy Koloina Rakotoarivelo, mpikambana LCN. Ndeha isika hiaraka hanaraka ity blog nosoratan’i Koloina ity. Any Ambatolampy, faritra Arovana Tsinjoarivo-Ambalaomby, faritra tantanan’ny ONG Sadabe no hiasan’i Koloina.

 

Lazalazao anay ny momba anao.

Koloina Rakotoarivelo no anarako, Mpianatra mpikaroka momban’ny varika ao amin’ny Département Anthropobiologie et Développement Durable, ao amin’ny Oniversitena Antananarivo ao amin’ny fakiolte an’ny Siansa aho.

Aiza no misy farotra arovana Tsinjoarivo-Ambalaomby?

Andeha ho ampahafariko anareo ny Faritra Arovana Tsinjoarivo-Ambalaomby, Faritra arovana izay tantanan’ny ONG SADABE ary tsy lavitra ny Antananarivo. Efa nanomboka ela no nisian’ny asa fikarohana momba ny Varika sy ireo zava-mananina hita ao aminy.

Ny Faritra Tsinjoarivo-Ambalaomby dia toerana mbola tsy dia faheno firy raha eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany kanefa fanta-daza amin-ny resaka fikarohana momban’ny varika no sady ahitana zava-manan’aina maro.

Tsinjoarivo-Ambalaomby dia eto amin’ny tendrony antsinanan’ny ampovoan-tany izay eo anelanelan’ny Faritra Vakinakaratra, Distrika Ambatolampy ary kaominina Tsinjoarivo sy ny Faritra Alaotra-mangoro, Distrika Anosibe an’Ala ary kaominina Ambalaomby. Eo amin’ny 45km makany Antsimo Antsinanan’Ambatolampy no misy azy.

Inona avy ireo karazana varika hita any?

Tany amin’io Faritra arovana io aho no nanao ny terrain Master izay nandalina momba ny fiainan’ny Sifaka izay anisan’ny Varika tena miavaka ary ahiana ho lany tamingana. Efa nanao assistante de recherche tany ihany koa aho izay niompana tamin’ny fikarohana momba ny Varika hatrany. Misy karazana varika miisa folo (10) any izay misy roa (02) mandeha amin’ny atoandro toy ny Hapalemur griseus sy Propithecus diadema, misy Varika karazany enina (06) mandeha amin’ny alina toy ny Microcebus lehilahytsara, Cheirogaleus crossleyi, Cheirogaleus sibreei, Avahi laniger sy Aye-aye na Daubentonia madagascariensis ary Lepilemur mustelinus. Ary ahitana karazana Varika roa (02) ihany koa izay sady mandeha amin’ny atoandro no mandeha amin’ny alina toy ny Eulemur fulvus sy Eulemur rubriventer.

Fa inona no tena nanintona sy nahaliana anao hanao fikarohana any?

Ny zavatra tena nanintona ahy tany dia ireo karazana zava-mananaina sy ireo varika misy tany, ilay toerana izay feno tendrombohitra sy feno lalana miakatra sy midina anefa dia tena mahatazana toerana tsara rehefa tafiakatra ireo fiakaram-be. Rehefa any dia tena mahatsapa tena hoe any anaty natiora tanteraka, ny rivotra madio, ny rano madio. Ala mando moa no ala any ka dia ahitana karazana hazo lava betsaka sy maintso mandava-taona. Eo ihany koa ireo karazana vorona maro isan-karazany.

Manao ahoana ny fiainan’ny mponina any?

Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny mponina any amin’io faritra io. Misy amin’ireo olona any no manao asa ‘ guide de recherche’ ihany koa anefa ny sasany amin’izy ireo rehefa misy mpianatra na mpikaroka manao fikarohana any, na ireo mpianatra mpikaroka Malagasy na Vahiny. Anisan’ny olona tena mahay mandray olona izy ireo no sady mahay miara-miasa amin’ny olona maro satria sady tsotra no sariaka ary tia mifandray amin’ny olona. Manana ny fomba amampanao mampiavaka azy koa izy ireo.

Inona no hafatra amin’ireo mpitsidika?

Ho anareo tia mandeha mitety toerana tia aventure na koa manao randonnée anefa te ahita ny hakaton’ny zava-boahary indrindra ny varika dia tongava mitsidika ny Faritra arovana Tsinjoarivo-Ambalaomby fa sady tsy lavitra ny Antananarivo kanefa dia toerana ao anatin’ny natiora tanteraka izay tokana sy mahafinaritra.

Scroll to Top