Ny tompon’andraikitry ny Indianapolis Zoo dia nanambara vao haingana ny mpandresy tamin’ny loka malaza momba ny fiarovana ny biby ho an’ny taona 2025. Tamin’ity taona ity dia i Dr. Lily-Arison René de Roland, manam-pahaizana siantifika sy mpiaro ny tontolo iainana malagasy no nahazo ny Indianapolis Prize!
“Ny Indianapolis Prize 2025 dia fankasitrahana tsy ho ahy irery fa ho an’ny ekipako ao amin’ny Peregrine Fund, ny fiarahamonina Malagasy, ary ho an’ireo zavaboary izay ezahinay arovana isan’andro.” — Dr. René de Roland

Momba an’i Dr. Lily-Arison René de Roland
Tena lehibe sy manan-danja ny anjara birikin’i Dr. René de Roland amin’ny fiarovana ny tontolo iainana nandritra ny asany.
Fikarohana sy Fahitana Karazana Vaovao
Dr. René de Roland no nitarika ny fikarohana nahitana karazana zavamananaina vaovao maro, anisan’izany ny nahitana indray ny pochard Madagasikara tamin’ny taona 2006, karazana gana tsy fahita firy izay noheverina fa efa lany tamingana hatramin’ny taona 1990. Anisan’ny ekipa izay nanao fikarohana ka nahita karazana varika vaovao roa tsy fantatra teo aloha tany avaratr’i Madagasikara ihany koa izy. Vao haingana indrindra, tamin’ny taona 2022 no nitarika ekipa iray ny Dr. René de Roland tamin’ny fahitana indray ny Gana tetraka, karazam-borona mpihira izay tsy hita nandritra ny 20 taona.
Fananganana Faritra Arovana Nationaly Efatra eto Madagasikara
Nitarika ho amin’ny fananganana faritra arovana nasionaly efatra ireto fahitana ireto, izay mirefy velaran-tany mihoatra ny 1 500 kilaometatra toradroa ahitana ala mando, ala maina, faritra mando, ary ala honko. Ity asa ity ihany koa dia nahafahana nampandroso ny fandaharanasa momba ny fiarovana ny fiarahamonina, izay manohana ny fiainan’ny mponina eny ifotony, izay monina eny akaikin’ireo karazana zavaboahary tandindomin-doza sy arovana ireo.
“Tsy vitantsika irery ny fiarovana. Ny fiaraha-miasa amin’ireo andrim-panjakana sy vondrom-piarahamonina eny an-toerana, mba ahafana miantoka fa afaka miara-miaina ao anatin’ny fifandanjana ny olona sy ny bibidia, no asa lehibe indrindra sy mahafa-po ahy.”— Dr. René de Roland

Ny Tetikasa an’ny Peregrine Fund eto Madagasikara
René de Roland dia nahazo ny mari-pahaizana master sy doctorat tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara. Tamin’ny naha-mpianatra azy tamin’ny taona 1992, dia niara-niasa tamin’ny Peregrine Fund izy mba hianatra sy handalina momba ny voromahery tandindomin-doza eto Madagasikara.
Taorian’ny asa mafy nandritra ny taona maro, tamin’ny taona 2004, dia noraisin’i Dr. René de Roland ny andraikitra ho Tale Nasionalin’ny Tetikasa Madagasikara an’ny Peregrine Fund, izay nitarika sy nanara-maso ny ekipa Malagasy mpiaro ny tontolo iainana miisa 48 izy, izy ireo dia miasa amin’ny fiarovana ny biby sy ny tontolo voajanahary eto amin’ny tanindrazany, dia i Madagasikara.
“Ny ezaka ataontsika amin’ny fiarovana ny tontolo iainan’ny vorona mpihaza sy ny fandraisa na anjaran’ny vondrom-piarahamonina ao anatin’ny maodely ampiasainay amin’ny fiarovana dia nanampy ny Malagasy hitantana ny harena hananany sy hanatsara ny fiainan’ny fianakaviany, ary tena faly sy mankasitraka izany aho.”— Dr. René de Roland
Fiaraha-mientana ho an’ny taranaka Malagasy mpiaro ny tontolo iainana
Ankoatra ny fiarovana ny karazam-biby, ny asan’i Dr. René de Roland dia mifantoka betsaka amin’ny fanofanana sy ny fitarihana. Nandritra ny asany dia nanampy tamin’ny famolavolana ireo taranaka Malagasy mpiaro ny tontolo iainana ihany koa izy. Mpianatra maherin’ny 100 teo anivon’ny oniversite eto Madagasikara no efa nampianarin’i Dr. René de Roland, nahazo ny mari-pahaizana master ny 90 tamin’izy ireo, ary nahazo mari-pahaizana doctorat ny 16.
“Faly sy mirehareha aho miara-miasa amin’ny taranaka Malagasy mpiaro ny tontolo iainana, sady afaka manampy sy manoro lalana azy ireo. Efa niara-niasa tamin’ny mpianatra maherin’ny 100 aho, izay nahazo diplaoma ambony, ary mino aho fa hanohy ity asa fiarovana ity mandritra ny taona maro ho avy izy ireo.” — Dr. René de Roland

Momba ny Indianapolis Prize
Ny Indianapolis Prize dia heverina ho loka ambony indrindra eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny biby, ary matetika antsoina hoe “Loka Nobel” ho an’ny fiarovana ny biby! Ity loka ity dia manome fankasitrahana sy valisoa ho an’ireo mpiaro tontolo iainana izay nahavita zava-dehibe tamin’ny fiarovana karazana biby iray na vondron-karazana biby.
Nanomboka ny taona 2004, ny Indianapolis Prize dia efa nanome loka maherin’ny 7,5 tapitrisa dolara tsy voafetra, izay nahatratra olona manodidina ny 2 lavitrisa. Ny loka dia manohana ny asan’ireo mpiaro ny tontolo iainana amin’ny alàlan’ny fanohanana ara-bola sy ny fanentanana atao amin’ny olona manoloana ny olana misy. Ny mpandresy dia mahazo $ 250,000, izay loka lehibe indrindra amin’ny vola omena eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny biby.