Ndeha hiara-hamantatra bebe kokoa an’i Catmouse James, namorona ny logo WLD 2025

Iza ary no tompon-talenta taorian’ny sary nahafinaritra nandritra iny andro iraisam-pirenena ho an’ny varika 2025 iny?

Fantatrao ve hoe iza no nanao ilay sary ho Logo an’ny andro maneran-tany ho an’ny varika eto amin’ny Lemur Conservation Network.

Logo nandritra ny Andro iraisam-pirenana ho an’ny varika nataon’i Catmouse James

Tsy izany fa i Dinah Ramejison, Artiste Malagasy manan-talenta amin’ny fanaovana sary. Miara-miasa amin’ny Teach for Madagascar izy ary niresaka taminy izahay momban’ny asa-tanany ary ny fanantenany ho an’ny ho avin’i Madagasikara. Ndeha hiara-hamantatra azy isika.

Mba lazalazao ny momba anao

Dinah Rajemison no anarako, 35 taona aho izao ary mpanoratra sy mpanao sary ny asako. Catmouse James no anarana entiko hanasoniavako ny asan-tsary ataoko. Avy any Arivonimamo aho, izay tanana tsy lavitra Antananarivo ary any aho no monina mipetraka amin’izao fotoana izao. Marketing sy Strategy no zavatra nianarako fa taty aoriana aho dia nahita fa ny nofinofiko fony izaho mbola kely no nitondra ahy na nanasarika ahy amin’ny asa fanoratana sy fanaovan-tsary.

Amin’izao fotoana izao dia nanao sary boky an-tsary efatra aho, album mitovy roa ary bokin’ny ankizy vitsivitsy. Ny fandresandahatra ananako dia tsy manenjika isana boky antonta na havaoka fa tiako no maka ny fiainana milamina. Aleo lavitra maka fotoana manoratra sy manao sary mandritra efa-taona izay akaikin’ny foko sy tiako toy izay mamokatra boky folo ao anatin’ny taona iray. Tiako no manoratra zavatra lalina sy tiako amin’ny asako ary amina zavatra izay tena mahakasika ny foko.

Inona no anisan’ny mahatonga ny aingam-panahy avy aminao amin’ireo sary ataonao?

Miresaka lohahevitra isan-karazany ny bokiko, ary manoratra na manao sary ny bokiko aho rehefa misy zavatra mifandraika amin’ny fiainako na manaitra ahy amin’io fotoana io, satria anisan’ny maha izaho ahy ilay lohahevitra, na koa anisan’ny zavatra tiako ho avy eo amin’ny fiainako. Ohatra, afaka manoratra momba ny fiankinan-doha amin’ny écran aho satria tena zavatra tsy zakako izany amin’izao fotoana izao, na koa manoratra momba ny varika satria tena tiako ny biby ary mino aho fa hendry kokoa noho ny olombelona izy ireo. Raha atao teny tokana dia ny zavatra tiako sy ny zavatra mahasosotra ahy no tena manome hery sy aingam-panahy ahy.

Sary nataon’i Catmouse James

Efa niara-niasa tamin’ireo fikambanana miaro ny varika sy ny harena voajanahary eto Madagasikara ve ianao?

Eny, efa niaraka niasa tamin’ny fikambanana vitsivitsy aho, toy ny Transparency International Madagascar momba ny varotra tsy ara-dalàna amin’ny biby, ny Lemur Conservation Network tamin’ny fanaovana famantarana ho an’ny Andro maneran-tany ho an’ny Varika 2025, ary ny Teach For Madagascar izay nanaovako sary ho an’ny Diary Nofy andiany fahatelo.

Izaho no nanao ny sary ao amin’ny boky Diary Nofy andiany fahatelo

Io boky io dia miresaka betsaka momba ny herin’ny natiora, ary ao anatin’ny tantara dia ahitana biby maro any an’ala,  anisan’izany ny varika. Satria misy boky enina amin’ny ankapobeny, dia maro koa ny lohahevitra resahina, toy ny doro ala, ny anjara toerana ananan’ny biby any anaty ala, ary koa hoe manana ny feo ny natiora raha mihaino tsara ianao. Hivoaka amin’ny 17 Oktobra ireo boky ireo, ary tsy andriko ny hahita azy any an-tanan’ny ankizy maro any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Mankasitraka indrindra ny Teach For Madagascar amin’ny fahafoizan-tena sy ny ezaka tsy mitady valiny ataony.

Inona no karazana varika tianao indrindra?

Andeha hatao hoe tsy manana karazana varika tiana manokana aho. Maro loatra izy ireo eto Madagasikara, ary fohy loatra ny fiainana ka tsy ho vitako ny hahalala azy rehetra.

 Tiako daholo ny zanaka varika! Rehefa mahita azy ireo aho dia tena faly tokoa ary manome fanantenana ahy izany.

Aiza ny parc na toerana faritra arovana tianao tsidihina eto Madagasikara?

Misy ny Lemurs Park, any amin’ny Lalana Nasionaly voalohany. Vao haingana dia nisy zanaka sifaka teraka tany, ary nofinofisiko ny hitsidika azy. Angamba hitsidika io toerana io aho rehefa any Arivonimamo.

Ny fitsidihana tiako indrindra dia tany Maroantsetra roa taona lasa izay, nahita varika aho tamin’izay fa lavitra be. Tamin’izany fotoana izany dia somary nalahelo kely aho satria lavitra ny fijeriko azy ireo, saingy farany dia nilaza tamin’ny tenako aho fa tsy ratsy loatra raha lavitry ny mason’ny olona izy ireo, raha jerena ny zava-misy amin’ny fampiasana tsy ara-dalàna ny ala misy azy. Indraindray mieritreritra aho fa tsara izany hoe tsy mahita azy ireo ny olona.

Sary nataon’i Catmouse James hita ao amin’ny boky Diary Nofy

Inona no fanantenana anananao ho an’ny ampitson’i Madagasikara?

Maniry aho fa amin’ny ho avy, na efa manomboka anio aza satria efa tara, dia ho takatry ny olona fa tsy ao an-trano na ao anaty vilany fandrahoana sakafo no tokony hipetrahan’ny biby ala (ny zavatra nampalahelo ahy indrindra tamin’ny dia nataoko, ny nahita trano fisakafoanana izay nampitazona varika tamin’ny fehikibo tao an-tokotany ho an’ny baiko manokana), fa any anaty ala salama . Manantena ihany koa aho ny hahita bebe kokoa ny zanaka varika.

Ary farany, manantena aho fa tsy vola fotsiny no ho hita eo amin’ny mason’ny olona rehefa mahita varika na biby hafa.

Sary nataon’i Catmouse James
Boky nosoratan’i Catmouse James sy Florence Dimani

 

Scroll to Top