Diamondra Ranaivoson dia mpianatra mpikaroka momban’ny fitantanana ny harena voajanahary izay monina ao Toamasina. Nanomboka ny taona 2020 izy no nirotsaka an-tsitrapo tato amin’ny Lemur Conservation Network ary anisan’ireo nahazo ny LCN Small Grants Program 2024 tamin’ny tetikasany “Namako ny Varika”.
Momba ny tetikasa
Ny “Namako ny Varika” dia tetikasa iray izay nikarakara fifaninanana momba ny tontolo iainana tao amin’ny sekolim-panjakana iray ao Toamasina ho fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Varika 2024. Notolorana fitsidihana ny Valan-java-bohary Ivoloina ireo mpandresy tamin’izany fifaninanana izany.
Ny tanjon’ny tetikasa dia ny hanomezana sehatra ny ankizy hahalala bebe kokoa momba ny varika sy ny maha zava-dehibe azy ireny. Izany ihany koa dia nahafahan’ireo mpianatra naneho ny fahaizany mamorona sy niala voly.
Lanjan’ny hetsika toy izao
Zava-dehibe ny fampianarana ny ankizy momba ny fiarovana ny zava-manan’aina dieny mbola kely izy, satria izany no mamolavola ny fitiavany sy ny finiavany handray ny anjara andraikiny amin’ny asa fiarovana rehefa any aoriana. Ny hetsika tahaka izao dia manampy amin’ny fanabeazana azy ireo hahalala ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny varika mba tsy ho lany tamingana.
Fankalazana ny Andron’ny Varika Maneran-tany tao Toamasina
Ny Fankalazana ny Andron’ny Varika Maneran-tany tao Toamasina dia notanterahina ny 25 Oktobra 2024 tao amin’ny CEG Augagneur Toamasina I. Nohon’ny fanampian’ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ireo fikambananan’ny tanora maromaro teo an-toerana dia nilamina sy nirindra tanteraka ny hetsika, izay nahitana mpianatra mihoatran’ny 500 isa.

Lalao sy fifaninanana natao
Nasaina mialoha ny mpianatra tao amin’ny CEG Augagneur Toamasina hanomana asa famoronana amin’ireo sokajy telo azo nisafidianana: (I) ny dihy, (II) ny hira sy tononkalo, ary (III) ny sary.
Tao anatin’izany asa famoronana izany no nanehoan’izy ireo ny fahatakarany ny maha-zava-dehibe ny varika, ary nasehony tamin’ny mpitsara sy teo anatrehan’ny rehetra nandritra ny Fankalazana ny asa famoronana nomaniny.
Ankoatran’ ny fifaninanana dia nisy ihany koa kilalao sy fanentanana maro samihafa izay natao sy nandraisan’ny mpianatra rehetra anjara. Nanamora ny fanatanterahana izany ireo fitaovana fampianarana avy amin’ny LCN, izay azon’ny rehetra ampiasaina.


Fitsidihana ny Valan-java-bohary Ivoloina
Ireo mpandresy tamin’ny fifaninana dia nisitraka fitsidihina ny Valan-java-bohary Ivoloina. Tafiditra tamin’izany ny ekipa mpandresy tamin’ny dihy, ny hira sy tononkalo, ary ny fifaninanana sary.
Valan-javabohary Ivoloina
Lalana 45 minitra monja miala an’i Toamasina no misy ny Valan-javaboary Ivoloina, izay tantanin’ny MFG (Madagascar Fauna and Flora Group), mpikambana ato amin’ny LCN, nanomboka ny taona 1988. Izany dia ahitana valan-javabohary voatantana mirefy 4 hektara sy ala mirefy 282 hektara, ary ivon-toerana samihafa ho an’ny fampianarana mikasika ny tontolo iainana.
Nandritra ny fitsidihana no nahafahan’ireo mpianatra nijery mivantana ireo varika sy karazam-biby maro samihafa. Nisy ihany koa ireo mpitarika avy ao amin’ny valan-java-bohary izay nampianatra bebe kokoa mikasika ny fomba fiainan’ireo biby. Izany dia nahafahan’ireo mpianatra nanamafy sy nahita maso ireo zavatra nianarany tany an-dakilasy.
Fambolen-kao tao Ivoloina
Anisan’ny nanamarika ny fitsidihana ihany koa ny fanatanterahana fambolen-kazo tao Ivoloina. Izany dia ho mariky ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy vitan’ny hoe nanampy tamin’ny ezaka fanarenana ala izany hetsika izany, fa koa nanampy ireo ankizy nahafantatra ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana fambolen-kazo.

Nahoana no zava-dehibe ny fitsidihana tao Ivoloina?
Tsapa tokoa fa nitondra fifaliana sy fiantraikany tamin’ireo ankizy ny fahitana mivantana ireo biby sy zava-bohary tao Ivoloina. Izany dia manamafy ny fahatsapan’izy ireo fa manana anjara andraikitra izy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Hafatra avy amin’i Diamondra:
Hoy i Nelson Mandela hoe, “Ny fanabeazana no fitaovana mahery vaika indrindra afaka ampiasaina hanovana izao tontolo izao.” Manan-danja izany teny izany ankehitriny, indrindra eto Madagasikara izay miaina toe-draharaha marefo ara-tsosialy, ara-toe-karena ary ara-politika. Ny fanabezana mantsy dia mitondra fanantenana indray anatin’ny fotoan-tsarotra. Nampietsi-po ahy tokoa ny nahita ny hafaliana sy fahazotoana nasehon’ny mpianatra tanatin’ity tetikasa ity.
Manantena aho fa ity tetikasa “Namako ny varika” ity dia nanampy azy ireo hahatsapa fa manana anjara andraikitra lehibe izy ireo amin’ny fiarovana ny harena voajanahary izay mampiavaka an’i Madagasikara.


Misaotra betsika!
Mankasitraka feno ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy mpiara-miasa maro izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho fanatanterahana ny hetsika:
- DREDD Atsinanana
- CISCO Toamasina I
- Radio Télévision Catholique Masôva
- Club Vintsy Fandrana, Oniversiten’ny Toamasina
- Recycl’anay: fikambanana mampiroborobo ny fanodinana ny fako
- Bôndy : orinasa sosialy miompana amin’ny fambolen-kazo sy ny fivelomana maharitra
- Madagascar Forest and Communities Caretakers: fikambanana miasa amin’ny fampifandraisana ny olona sy ny zavaboahary ho fampandrosoana maharitra
Ity fankalazana ity dia iray amin’ireo Fankalazana marobe natao manerantany izay hita ao amin’ny tranokalan’ny LCN.