Mankalazà ny fitiavana ny fiarovana ny varika mandritran’ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany, Zoma faha 31 Oktobra 2025 !

Maro ireo fankalazana sy hetsika tanterahina mandritra ity fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany.

Hetsika eto Madagasikara

Hetsika sy fankalazana tohanan’ny Lemur Conservation Network karakarain’ireo mpikambana

Ampombolava, Ankaranfantsika
  • Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny varika iarahana amin’ny Planet Madagascar sy Teach For Madagascar nandritra ny herinandron’ny 3 Novambra. Ny datin’ny fankalazana dia ho ampahafantarina ihany fa nohon’ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny afo izay mitranga dia tsy maintsy mandinika ny fepetra rehetra ny mpikarakara mba hampirindra ny fankalazana.
  • Mankalaza miaraka amin’ny sekoly 4 sy olona 200 miaraka amin’ny hetsika karnavaly, hetsika fanabeazana momba ny varika miaraka amin’ny lalao karatra varika, sakafo atoandro, atrikasa ary sary mihetsika maro samihafa.
Ihofa, Andasibe
  • Daty: 31 Oktobra hatramin’ny 02 Novambra 2025
  • Ary Saina dia hankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny varika ho an’ny ankizy sy tanora (5-18 taona). Amin’ny alalan’ny diabe voajanahary, ny famelabelarana momba ny zavamananaina, ny lalao piozila, ary ny andrana momba ny tontolo iainana, ny mpandray anjara dia hijery ny andraikitry ny varika  sy ny toeram-ponenana manohana azy ireo. Io fankalazana io dia anisan’ny fanohanana avy amin’ny LCN ho an’ny mpikambana amin’ny alalan’ny famatsiana atao hoe “Small grants
Itampolo, Toliara
  • Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny varika miaraka amin’ny sekoly miisa 3 ao Itampolo.
  • Nokarakarain’i Mitia Andrianantenaina, mpikambana Malagasy ato amin’ny LCN, miaraka amin’ny tohana ara-pitaovana sy fiaraha-miasa avy amin’ny Alliance Survival Turtle. Anisan’ny hetsika nahazo tohana tamin’ny LCN amin’ny alalan’ny famatsiana atao hoe “Small grants
Mahitsihazo, faritra SOFIA
  • Mikajy Natiora no hampiantrano ny “Andro maneran-tany ho an’ny varika” ho an’ny faritra Sofia, iarahana amin’ny DREDD sy ny vondrom-piarahamonina eto an-toerana, ary tohana avy amin’ny famatsiana “small grants” avy amin’ny LCN.
  • 30 Oktobra: Fifaninanana hira sy tononkalo nentim-paharazana, fanontaniana arahina lalao,  fandefasana sarimihetsika
  • 31 Oktobra: Karnavaly momba ny fiarovana, lahateny fanokafana, sakafo sy zava-pisotro, fandefasana sarimihetsika
Mangily, Toliara
Toamasina

Ireo hetsika hafa ataon’ny mpikambana

Anjozorobe
  • Ny Wildlife Madagascar dia hankalaza ny andron’ny varika maneran-tany  ny 31 oktobra ho avy izao miaraka amin’ny Fokontany akaikin’ny alan’Anjozorobe.
Lavovolo, Toliara
  • Conservation Fusion dia mikaraka ihany koa fankalazana ny andro natokana ho an’ny varika any Lavavolo.

Hetsika ataon’ny Lemur Conservation Network ao amin’ny tambazotra sosialy

Online Art Challenge

Hetsika ivelan’ny Madagasikara

Tsidio ny tranon-kalan’ny LCN amin’ny teny Anglisy misy ireo daty sy toerana fankalazana ivelan’i Madagasikara

 

Scroll to Top