Maro ireo fankalazana virtoaly na mivantana afaka tanterahini’reo fikambanana na ny olon-tsotra. Tsidio ny pejin’ny LCN amin’ny teny Anglisy fa maro ny torolalana zaraina ao.

Ity logo ity dia nataon’i Katy Tanis of Daughter Earth.
Soso-kevitra amin’ireo hetsika tsy mivantana
- Andianà horonan-tsary Facebook Live. Manaova horonan-tsary Facebook Live mitohy maromaro mikasika ny asa tanterahinareo, na mikasika ny varika sy i Madagasikara amin’ny ankapobeny.
- Fanasongadinana karazana varika iray isan’andro ao anaty tambazotra sosialy. Omeo sehatra manokana ireo karazanà varika voakasiky ny asan’ny fikambanana na ireo hita any amin’ny faritra misy ny fikambanana.
- Fikarakarana seminera an-tserasera ao amin’ny alalan’ny Zoom. Azo atao ny miara-miasa amin’ireo fikambanana hafa mba ahafahana mikarakara seminera an-tserasera ho an’ny Mpikaroka Malagasy.
- Fanontaniana sy Valiny (Q&A) ao amin’ny Facebook, Twitter na Instagram. Anontanio mialoha ny mpanaraka anareo ireo fanontaniana manitikitika azy, ary valio tsikelikely mandritra ny herinandro izany.
Fitaovana ho fanabeazana
Jereo sy alaivo eto ireo fitaovana fanabeazana sy fanentanana maimaim-poana.
Boky firaketana hitsidihana an’i Madagasikara
Ny mpanabe dia afaka manantanteraka ireto karazana fanentanana ireto:
- Mampiseho horonan-tsary momban’ny varika na momban’ny fanaovana kisary varika
- Manao kisary sy loko momban’ny varika sy Madagasikara
- Miaraka manao fanentanana amin’ireo sekoly ka mangataka fotoana manokana hanaovana fanentanana ireo ankizy mpianatra eny an-dakilasy.