Mankalazà ny fitiavana ny fiarovana ny varika mandritran’ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany, Zoma faha 31 Oktobra 2025 !
Maro ireo fankalazana sy hetsika tanterahina mandritra ity fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany.
- Mandefasa mailaka aminay ahafahanay manoratra ny daty sy toerana misy fankalazana fantatrao.
- Vakio ny toro-lalana ho an’ny fankalazana.
- Jereo ny toro-lalana ho an’ny fankalazana eny amin’ny tambazotra sosialy.
Hetsika eto Madagasikara
Hetsika sy fankalazana tohanan’ny Lemur Conservation Network karakarain’ireo mpikambana
Ampombolava, Ankaranfantsika
- Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny varika iarahana amin’ny Planet Madagascar sy Teach For Madagascar nandritra ny herinandron’ny 3 Novambra. Ny datin’ny fankalazana dia ho ampahafantarina ihany fa nohon’ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny afo izay mitranga dia tsy maintsy mandinika ny fepetra rehetra ny mpikarakara mba hampirindra ny fankalazana.
- Mankalaza miaraka amin’ny sekoly 4 sy olona 200 miaraka amin’ny hetsika karnavaly, hetsika fanabeazana momba ny varika miaraka amin’ny lalao karatra varika, sakafo atoandro, atrikasa ary sary mihetsika maro samihafa.
Ihofa, Andasibe
- Daty: 31 Oktobra hatramin’ny 02 Novambra 2025
Ary Saina dia hankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny varika ho an’ny ankizy sy tanora (5-18 taona). Amin’ny alalan’ny diabe voajanahary, ny famelabelarana momba ny zavamananaina, ny lalao piozila, ary ny andrana momba ny tontolo iainana, ny mpandray anjara dia hijery ny andraikitry ny varika sy ny toeram-ponenana manohana azy ireo. Io fankalazana io dia anisan’ny fanohanana avy amin’ny LCN ho an’ny mpikambana amin’ny alalan’ny famatsiana atao hoe “Small grants“
Itampolo, Toliara
- Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny varika miaraka amin’ny sekoly miisa 3 ao Itampolo.
- Nokarakarain’i Mitia Andrianantenaina, mpikambana Malagasy ato amin’ny LCN, miaraka amin’ny tohana ara-pitaovana sy fiaraha-miasa avy amin’ny Alliance Survival Turtle. Anisan’ny hetsika nahazo tohana tamin’ny LCN amin’ny alalan’ny famatsiana atao hoe “Small grants“
Mahitsihazo, faritra SOFIA
- Mikajy Natiora no hampiantrano ny “Andro maneran-tany ho an’ny varika” ho an’ny faritra Sofia, iarahana amin’ny DREDD sy ny vondrom-piarahamonina eto an-toerana, ary tohana avy amin’ny famatsiana “small grants” avy amin’ny LCN.
- 30 Oktobra: Fifaninanana hira sy tononkalo nentim-paharazana, fanontaniana arahina lalao, fandefasana sarimihetsika
- 31 Oktobra: Karnavaly momba ny fiarovana, lahateny fanokafana, sakafo sy zava-pisotro, fandefasana sarimihetsika
Mangily, Toliara
- Daty mbola hampahafantarina: Lemur Rescue Center – ONG Reniala dia hikarakara hetsika ho fankalazana ny andromeda natokana ho an’ny varika miaraka amin’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversiten’i Toliara. Io tetik’asa io dia anisan’ny famatsiana nataon’ny LCN.
Toamasina
- Diamondra Ranaivoson, Mpikambana Malagasy ao amin’ny Lemur Conservation Network, dia hikarakara hetsika dihin’ny varika maneran-tany amin’ny alalan’ny hetsika sy kilalao miaraka amin’ny ankizy an-tsekoly. Io tetik’asa io dia anisan’ny famatsiana nataon’ny LCN
Ireo hetsika hafa ataon’ny mpikambana
Anjozorobe
- Ny Wildlife Madagascar dia hankalaza ny andron’ny varika maneran-tany ny 31 oktobra ho avy izao miaraka amin’ny Fokontany akaikin’ny alan’Anjozorobe.
Lavovolo, Toliara
- Conservation Fusion dia mikaraka ihany koa fankalazana ny andro natokana ho an’ny varika any Lavavolo.
Hetsika ataon’ny Lemur Conservation Network ao amin’ny tambazotra sosialy
Online Art Challenge
- Join us online for a month-long lemur art challenge! Misy fifaninana sary izay ahazoan’ireo manan-talenta loka.
Hetsika ivelan’ny Madagasikara
Tsidio ny tranon-kalan’ny LCN amin’ny teny Anglisy misy ireo daty sy toerana fankalazana ivelan’i Madagasikara
