Ny momban'ny Lemur Conservation Network

Resy lahatra izahay fa ho avotra amin’ny faharinganana ny varika raha miara-miasa isika rehetra

Ny Lemur Conservation Network dia manome sehatra ho an’ny fitiavana sy ny aingam-panahy, ny fanabeazana, ny fifanohanana ary ny fiaraha-miasa ho an’ny fiarovana ny varika, ho antsika Malagasy ary ho an’ireo mpankafy varika mba hiaina tsara sy ho voaaro tsara ireo karazana harena voajanahary eto hihatsaran’ny voahary eto Madagasikara.

Mametraka tambajotra iraisan’ny fikambanana misehatra amin’ny fiarovana, izay miisa 60 mahery izahay. Manentana ho an’ny fiarovana ny varika  ary mampiely ny asa ataon’ireo mpikambana hanavotana ireo varika izahay. Manohana sy mampiely ny dihin’ny varika maneran-tany, mamorona fitaovana entina hanabeazana ary misarika ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao hitia ny varika ihany koa izahay. Manentana ireo mpankafy varika izahay mba hanampy ireo biby ireo amin’ny alalan’ny fianarana ny mombamomba azy, ny fitsidihana an’i Madagasikara ary ny fanohanana ny asa fiarovana amin’ny fizarana sy fifampizarana, fanohanana ara-bola ary ny filatsahana an-tsitrapo.

Sportive lemur in Ankarafantsika National Park. Photo: Lynne Venart.

NY ASANAY

Fifandraisana

Ampahafantarinay amin’ny olona ny momba ny varika sy ireo manampy amin’ny fiarovana azy mba tsy ho lany tamingana. Manorina fifandraisana eo amin’ny valan-javaboahary, ny mponina eto Madagasikara sy any ivelany, ny mpanao gazety, ny mpanome vola, ny mpahay siansa ary ireo olona mpanentana izahay. Amin’ny asan’ny serasera ataonay, dia mampiroborobo ny Fetin’ny Varika Maneran-tany sy ny Andro Maneran-tany ho an’ny Varika izahay isaky ny volana Oktobra, ary manentana ny valan-javaboahary maneran-tany hanamarika izany. Mampiroborobo koa izahay ny fanentanana isan-taona momba ny fanomezana ho an’ireo fikambanana eto Madagasikara.

Fanabeazana

Manangana tetikasa fanabeazana lehibe izahay izay ampiasain’ny fikambanana maro eto Madagasikara sy maneran-tany. Efa nanome lalao karatra Varika! ho an’ny fikambanana 40 sy sekoly 20 eto Madagasikara izahay, ary ho an’ny valan-javaboahary 50 sy sekoly 5 any Etazonia. Ankehitriny, mikarakara drafitra lesona izahay ary miezaka manamafy ny fiaraha-miasa eto Madagasikara mba hahitana vokatra tsara kokoa.

Mianara momba ny Varika! lalao karatra.

Fanomezana hery

Manohana ny fikambanana malagasy sy ny mpiaro ny tontolo iainana izahay amin’ny alalan’ny famatsiam-bola, fanentanana ary fandaharanasa ho fampivoarana ny fahaiza-manao toy ny fiofanana maimaim-poana, fitaovana ho an’ny fandaharanasa, fitaovam-pianarana ary loharanom-pitaovana hafa. Isan-taona izahay dia manangona fanomezana ho an’ny Conservation Allies ho an’ny fikambanana malagasy, manamora ny fanangonam-bola ho an’ireo fikambanana madinika izay matetika tsy afaka mandray vola an-tserasera, ary manohana ireo tetikasa madinika eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fandaharanasa ho fanampiana ho an’ny mpikambana Malagasy.

Mianara momba ny Mpianatra Malagasy sy ny Mpikambana Matihanina.

Midira ho mpikambana

Ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana rehetra miasa eto Madagasikara na any ivelany dia afaka miditra ho mpikambana ato amin’ny  Lemur Conservation Network avokoa. Ara-bola izay azo ary maimaimpoana ny fidirana.

Scroll to Top