Ireo fitaovana fanabeazana zaraina eto dia natao indrindra ho an’ireo mpanabe any an-tsekoly na ireo mpanabe amin’ny seharty ny fiarovana entina hisarihana ny sain’ireo ankizy, mpianatra amin’ireo karazana harena ara-voajanahary, ireo karazana varika indrindra fa ireo ahiana ho lany tamingana ary ireo asa fiarovana hampihenana ny tsindry mahazo azy ireo.
Fa amin’ny farany, dia ny zavatra tiana ihany no arovana; ary ny zavatra azo satria nianarana ihany no tiavina.
Baba Dioum
FITAOVANA NOVOKARIN’NY LEMUR CONSERVATION NETWORK
Ireto fitaovana manaraka ireto dia novokarin’ny ekipa avy ato amin’ny Lemur Conservation Network izay fiaraha-miasa miaraka amin’ny Louisiana Lemur Foundation.
Lalao Karatra varika!
Anisan’ny fitaovana fanabeazana vaolohany na lalao voalohany novokarin’ny LCN ity lalao karatra varika ity! Manomboka amin’ny ankizy kely ka hatramin’ny olon-dehibe dia afaka milalao azy! Misy karazana lalao marobe azo atao aminy toy ny “Ampitovio ny varika”, “Ampifanaraho amin’ny toe-piainany ny varika”, “Angony ny karatra varika”, “Misy varika ve “, “Lalao momban’ny fiparitahan’ny varika ny vihy” ary lalao ankamantatra. Indro misy horonan-tsary fanazavana na toro-lalana momban’ireo lalao ireo.
Kisary loko varika
Ho an’ny ankizy manomboka ny fahatelo taona dia afaka entanina sahady amin’ny fitiavana ny varika amin’ny alalan’ny kisary; afaka manao sary na mandoko varika ny ankizy toy ny varikosy, Tsidy, Bandro, Varijatsy, Hay-hay sy maro hafa.
Boky firaketana hitsidihana an’i Madagasikara
Asaina mitsidika faritra telo izay ahitana ireo karazanà varika ny mpianatra na ireo ankizy mandray anjara amin’ny fankalazana. Ireo karazana varika moa dia ny Varikay (Eulemur collaris), ny Simpona (Propithecus diadema) ary ny Sifaka na Tsibahaka (Propithecus coronatus).
Ny faritra tsirairay amin’izany dia manana pejy iray izay takelaka fampahalalana mba hianarana mikasika ireo karazanà varika ireo. Samy asaina
FITAOVANA FANABEAZANA HAFA AZO AMPIASAINA
Maro ireo fitaovana fanabeazana hafa vokarin’ireo fikambanana miasa sy miaro momban’ny varika sy ireo primata hafa. Manana tranon-kala azo tsidihana izy ireo. Indro zaraina eto ny sombiny amin’izany fitaovana izany.
Boky fandokoana sy fianarana amin’ny teny Malagasy sy Anglisy
Ity boky ahitana pejy miisa 40 ity dia misy sary natao holokoina sy lalao fianarana amin’ny teny Malagasy sy Anglisy, ao anatin’izany ny fikarohana teny, ny lalao fampifandraisana teny, ny fampianarana ny voambolana, ary ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy ary ny varika.
Lalao momban’ny varika
Namokatra lalao afaka andraisan’ny olona rehetra anjara ny Chances for Nature. Jereo eto izany sy ao amin’ny rohy Learning apps.
Bokin’ny tetikasa AKO, Afisy, Lesona momban’ny varika
Ny bokin’ny tetikasa AKO dia hita amin’ny teny Anglisy sy Malagasy. Ny mpampianatra sy mpanabe dia afaka maka ny boky sy ny afisy ao amin’ny tranonkalan’ny Lemur Conservation Foundation. Misy amin’ny dikan-teny Malagasy, Anglisy ary Frantsay avokoa ireo boky.
Lalao momban’ny varika, kisary loko ho an’ny ankizy
Ny fikambanana Lemur Conservation Foundation (LCF) dia namokatra karazana lalao natokana ho an’ireo ankizy hianarany momban’ny varika ao anatin’ny tetikasa “Kidz4lemurs”. Maro ireo karazana lalao azo ampiasaina alaina ao anatin’ny tranonkalan’ny LCF ao anatin’izany ny kisary hanaovana loko na karazana sary tanana azo ataon’ny ankizy.
Boky tantara ho fampianarana momban’ny varika
Ny fikambanana ASLM na Association pour la Sauvegarde des Lémuriens de Madagascar mamokatra karazana boky tantara, sary momban’ny varika. Izany dia tarihin’i Catherine Rhiat ary fiaraha-miasa miaraka amin’ny fikambanana GERP.
Boky fanabeazana novokarin’ny GERP
Ny GERP dia anisan’ny fikambanan’ny mpikaroka Malagasy momba ny varika manao ezaka manokana momba ny fanentanana sy fanabeazana manokana ny ankizy sy tanora ho tia sy hiaro ny varika ary ny tontolo iainany.
Indro boky iray natokana ho tari-dalàna ho an’ireo mpampianatra maniry hampianatra bebe kokoa mikasika ny tontolo iainana.
IREO KARAZANA HORONAN-TSARY
Horonan-tsary novokarin’ny Eyes of the World Films
Indro horonan-tsary fohy momba ireo varika novokarin’ny « Eyes of The World Films » afaka ampiasaina tsara ho fanabeazana sy fanentanana ireo olona sy ankizy eny ifotony izy ireto.
Horonan-tsary novokarin’ny Eyes of the World Films
Indro ihany koa horonan-tsary fohy hafa momba ireo varika novokarin’ny « Eyes of The World Films » afaka ampiasaina tsara ho fanabeazana sy fanentanana ireo olona sy ankizy eny ifotony izy ireto.