Fisy tsotra fampahafantarana ireo karazana varika

Illustration-Collared-Brown-Lemur-170x300

Varika

Anarana siantifika: Eulemur Collaris 

Io karazana varika dia somary kelikely ary anaty ala ihany no ahitana azy, mavitrika mandritra ny alina sy ny andro izy, mandeha amin’ny tany no ankamoran’ny fotoanany.

Voankazo no tena foto-tsakafony fa mihinana ravinkazo sy bibikely ihany koa izy. Roa ka hatramin’ny 07 ny isan’izy ireo ao anaty vondrona fa indraindray mety mahita isa mihoatra ny 22 anaty ala mando!

Illustration-Crowned-Sifaka-258x300

Tsibahaka

Anarana siantifika: Propithecus coronatus

Ny Tsibahaka dia karazana varika somary kelikely, izay mavitrika mandritra ny andro ary miaina ny ankamaroan’ny fotoanany eny ambony hazo.

Miaina anaty vondrona ahitana tsibahaka 2 hatramin’ny 8 izy ireo, ary tsikaritra fa mahery setra, indrindra rehefa miaro ny faritra fonenany! Ny sakafony kosa dia ireny ravin-kazo, tsiry ary voankazo mbola tsy masaka tsara ireny.

Illustration-Diademed-Sifaka-220x300

Simpona, Sifaka, Sadabe

Anarana siantifika: Propithecus diadema

Ny Simpona, na Sifaka na Sadabe no karazana sifaka lehibe indrindra. Noho ny lokony mazava izay tena miavaka tokoa, dia sarotra ny manafangaro azy amin’ny varika hafa.

Varika mavitrika mandritra ny andro izy ireo ary eny ambony hazo no tena ahitana azy. Miovaova isaky ny vaninandro ny sakafony, fa amin’ny ankapobeny dia voankazo, voa, voninkazo ary ravinkazo tanora no tena hoaniny. Roa katramin’ny 8 eo ny isan’ny Simpona miara-miaina. Ny vavy no tena mitondra sy lohany ao amin’ny vondrony.

Scroll to Top