Ny varika no isan’ireo biby mampinono tena tandindon-doza indrindra. Raha ny marina dia 98% amin’ireo karazana varika no tandindon-doza, ary 31% amin’izy ireo no tena tandindonin-doza na eo andalan’ny faharinganana ! Saingy inona no tena dikan’ny hoe “tandindon-doza” sy “tena tandindon-doza” sy hoe “eo andalan’ny faharinganana?
Vakio eto ambany ny fianarana momba ny Lisitra Mena an’ny IUCN, ny fanombatombanany ny satan’ireo karazan-java-boahary eo amin’ny sehatry ny fiarovana manerana an’izao tontolo izao, ary izay lazain’ny Lisitra Mena momba ny varika.
-
Inona ny Lisitra Mena an’ny IUCN ?
-
Firy ny karazan-java-boahary ao amin’ny Lisitra Mena ary ahoana ny fisokajiana azy ireo ?
-
Impiry no nohavaozina ny Lisitra Mena ?
-
Inona no ambaran’ny Lisitra Mena 2020 momba ny varika ?
-
Ahoana ny fiovan’ny satan’ny varika eo amin’ny sehatry ny fiarovana tamin’ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2012 hatramin’ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2020 ?
-
Inona no dikan’ny hoe tena tandindon-doza ho an’ny karazan-java-boahary iray ?
-
Inona no dikan’ny satan’ny Lisitra Mena an’ny varika ho an’ny fahavelomany eto Madagasikara ?
Nalaina tao amin’ny “IUCN 2021. Ny Lisitra Mena an’ny IUCN momban’ireo karazan-java-boahary atahorana ho lany tamingana. Andiany 2021-1. https://www.iucnredlist.org. Navoaka tamin’ny 1 aprily 2021″.
Inona ny lisitra Mena an’ny IUCN ?
Tamin’ny 1964, ny vondrona iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny natiora (International Union for Conservation Nature-IUCN) dia nanangana ny Lisitra Mena an’ireo karazan-java-boahary atahorana ho lany tamingana. Ny Lisitra Mena dia manome antsipiriany ny satan’ireo karan-java-maniry sy karazana biby maneran-tany ary manome tombana momba ny satan’ireo mponina, ny toerana onenana, ny ekolojia, ny fandrahonana misy, ary ny faritra ifantohan’ny fikarohana ho avy ho an’ny karazan-java-boahary rehetra.
Fitaovana tena ilain’ny mpiaro tontolo iainana, governemanta, mpahay siansa, fahim-bibidia ary mpampianatra io lisitra io, satria manampy antsika hanombana ny fahasalaman’ny natiora maneran-tany, handrisika ny hetsika fiarovana sy ny fanovana ny politika, ary hampianatra ny vondron’olona mpiaro ny tontolo iainana sy ny sarambabem-bahoaka.
Raha hijery momba ny Lisitra Mena an’ny IUCN
Firy ny karazan-java-boahary ao amin’ny Lisitra Mena ary ahoana ny fisokajiana azy ireo ?
Efa mahery ny 120 000 izao no voatanisa ao anatin’ny Lisitra Mena, anisan’izany ny biby mampinono, ny vorona, ny trondro ary ny haran-dranomasina. Ny zava-boahary tsirairay dia voatendry amin’ireo sokajy sivy izay mampiseho taratra ny satan’izy ireo ao anaty ny natiora : Tsy voadinika (NE), tsy ampy angona (DD), tsy misy ahiana (LC), Efa ho tandindonin-doza (NT), marefo (VU), tandindonin-doza (EN), tena tandindomin-doza na eo andalan’ny faharinganana (CR), lany tamingana any an’ala (EW), ary lany tamingana (EX).
Raha hianatra momban’ ireo sokajy ao anaty Lisitra Mena
Impiry no nohavaozina ny Lisitra Mena ?
Ireo karazan-java-boahary dia tombanana isaky ny taona maromaro ao anatin’ny andianà fihaonambe manerana an’izao tontolo izao. Izany dia atao miaraka amin’ireo mpahay siansa sy ireo manam-pahaizana momba ny fiarovana izay manana fahalalana manokana momban’ireo zava-boahary tsirairay. Ny fanombanana farany natao dia vita tamin’ny taona 2020 ; fanombanana taorian’ny fanombanana natao tamin’ny 2012.
Inona no ambaran’ny Lisitra Mena 2020 momba ny varika ?
Saika ny karazana varika rehetra ankehitriny no voatanisa ao anatin’ny Lisitra Mena, ankoatr’ireo karazany izay fantatra vao tsy ela izay. Ohatra amin’izany ny Tsitsidin’i Jonah (Microcebus jonahi).
Ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2020 dia mampiseho fa ny 98% amin’ireo karazana varika voatanisa rehetra – 103 amin’ireo 107 voatanisa – no atahorana ho lany tamingana ankehitriny ary 33 karazana hafa no voatanisa ho tena tandindon-doza, ary iray kosa no voalaza fa lany tamingaana any an’ala.
Ireo fanombanana nohavaozina ireo dia natao tamin’ny alalan’ny fandehanana anaty ala, ny fanarahana ireo biby nandritry ny taona maro, ary ny fanadihadiana sy fandalinana nataon’ny mpahay siansa manerana an’i Madagasikara. Karazana varika roa – Sifaka sy Tsitsidin’i Madame Berthe – no noheverina ho tandindon-doza. Ankehitriny kosa izy ireo dia isan’ireo voatanisa ho tena tandindon-doza. Ireo varika roa ireo dia nihena an’isa noho ny faharinganan’ny ala fonenany.
Efatra amin’ireo karazana varika misy ihany no voalaza fa tsy atahorana ho lany tamingana, ka ny telo amin’izany dia Tsitsidy ary ny iray kosa dia ny Matavy rambo. Izy ireo dia sokajiana ho tsy ampy angona na tsy misy ahiana. Ny fanombanana tamin’ny taona 2020 ihany koa dia nanasongadina ny loza miatra amin’ireo karazana varika manerana an’i Madagasikara, toy ny faharinganan’ny toeram-ponenany sy ny fivarotana azy ireo.
Ireo angona rehetra mikasika ny Lisitra Mena an’ireo varika
Ahoana ny fiovan’ny satan’ny varika eo amin’ny sehatry ny fiarovana tamin’ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2012 hatramin’ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2020 ?
Tamin’ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2012 dia hita fa ny 95% amin’ireo karazana varika no atahorana ho lany tamingana.
Araka izany dia tsikaritra ao amin’ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2020 fa nitombo 3% ireo karazana varika izay iharan-doza ankehitriny.
Roa tamin’ireo varika no nanana sata niakatra ho tena tandindomin-doza nandritry ny fanavaozana tamin’ny taona 2012, dia ny Bandro (Hapalemur alaotrensis) sy ny Rajako na Akomba joby (Propithecus perrieri).
Nandritry ny fanavaozana tamin’ny taona 2020 kosa dia lasa 8 amin’ireo sifaka 9 no tsikaritra fa tena tandindonin-doza. Ny Simpony na Simpona (Propithecus edwardsi) dia voatanisa ho tandindonin-doza.
Inona no dikan’ny hoe tena tandindon-doza ho an’ny karazan-java-boahary iray ?
Ny fanombanana ny Lisitra Mena dia manahirana ary tena sarotra hazavaina. Raha tsorina dia azo lazaina fa rehefa tena tandindon-doza ny karazan-java-boahary iray dia midika izany fa anaty olàna tanteraka izy io. Raha tsy mamaha ireo olàna izay mitarika ny fihenan’izy ireo haingana isika, dia ho tara loatra ary mety ho lany tamingana any an’ala mihintsy ny karazan-java-boahary iray.
Misy mason-tsivana efatra mamaritra ny sokajin’ny karazan-java-boahary ao anatin’ny Lisitra Mena : ny habetsakan’ny mponin’ilay zava-boahary, ny faritra jeografika, ny haben’ny mponina ary ny tombana mety hahalany tamingana. Ny fironana sy ny tombana mety hahalany tamingana ny mponin’ilay zava-manan’aina dia refesina ao anatin’ny 10 taona na taranaka 3, izay lava kokoa.
Ny karazan-java-boahary tena tandindonin-doza dia voafaritra ao anatin’ireto mason-tsivana efatra manaraka ireto.
-
- Ny habetsakan’ny mponina : Ny karazan-java-boahary tena tandindon-doza dia ahitana fihenan’ny mponina hatramin’ny 80% na mihoatra ao anatin’ity vanim-potoana ity, na fihenana hatramin’ny 90% raha toa ka fantatra, mbola azo ahodina ary tsy misy intsony ny antony mahatonga ny fihenany.
- Ny faritra jeografika : Kely dia kely, eo amin’ny 100 kilometatra tora-droa na latsak’izay, ny faritra jeografikan’ny karazan-java-boahary tena tandindonin-doza.
- Ny haben’ny mponina : Azo sokajiana ho tena tandindonin-doza ny karazan-java-boahary iray raha misy 250 na latsak’izay ny lehibe sy matotra amin’io karazana io miaina any anaty ala. Ireo lehibe sy matotra amin’izy ireo no isaina satria zava-dehibe ny hahafantarana hoe firy sisa ireo mbola afaka manome taranaka any amin’ny natiora. Ny Bandro (Hapalemur alaotrensis) ohatra dia heverina fa tena tandindomin-doza satria latsaky ny 250 ireo varika lehibe amin’izy ireo. Saingy, mbola misy 3.000 kosa izy ireo no tavela any amin’ny natiora !
- Ny tombana mety hahalany tamingana : Ataon’ireo mpahay siansa ho tena tandindon-doza ny karazan-java-boahary iray raha toa ka mahatratra 50% na mihoatra ny tombana mety hahalany tamingana azy ity ao anatin’ny 10 taona na taranaka 3 izay lava kokoa.
Raha hijery ny takelaka famaritana
Inona no dikan’ny satan’ny Lisitra Mena an’ny varika ho an’ny fahavelomany eto Madagasikara ?
Satria 98% amin’ireo karazana varika no atahorana ho lany tamingana, dia zava-dehibe tokoa ho antsika rehetra ny miara-miasa hamonjy ireo varika mba tsy ho ringana.
Nahoana? Ireo mpikambana ao amin’ny Lemur Conservation Network dia miara-miasa amin’ny olona rehetra mba hahitana sy hametrahana vahaolàna amin’ireo loza mihatra amin’ireo varika. Anisan’izany ny faharinganan’ny ala fonenany, ny fihazana sy fivarotana azy ireo, ny karazan-java-boahary hafa mandripaka ary ny fiovan’ny toetr’andro. Ny fanohanana sy fankaherezana ireo mponina eny ifotony sy ireo vondrom-piarahamonina siantifika ary ireo mpisehatra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia anisan’ny vahaolana maharitra izay manampy an’i Madagasikara sy ireo bibidia rehetra.