Main Menu

Momba ny Gidro/Varika tsara ho fantatra

Ny Gidro/varika

Mahery ny 100 ny isan’ny karazana varika eto Madagasikara ! Reharehantsika izany!

Efa tsy vaovao firy amintsika intsony angamba izany hoe Gidro/varika izany satria dia mety ho efa rentsika sy hitantsika matetika eny amin’ireny haino aman-jery isan-karazany ireny.

Na izany ary anefa dia tsara ny mamerina etoana fa tokony ho reharehantsika Malagasy ny fananantsika izany Gidro/varika izany satria dia eto Madagasikara irery ihany no ahitana azy ireny ary tena mahaliana ny vahiny any ivelany ny fisian’izy ireo izay anisan’ny biby efa ela nisiana teto an-tany satria dia voasokajy ho anisan’ny « primates ».

IMG_8142IMG_7620 IMG_7586

Ahoana moa no nahatonga ny varika teto Madagasikara ?

I Madagasikara araky ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana maro dia  niaraka tamina kontineta lehibe iray izay antsoina hoe Gondwana  ary nisaraka tamin’izay noho ny fiparitahan’ izy io efa ho -35 tapitrisa  taona talohan’i Jesoa Kristy.  Ary  efa ho 135 tapitrisa taona izao no voalaza ny arkelejianina fa tafasaraka tamin’i Afrika Madagasikara, izay kontineta lehibe indrindra manakaiky sy misy azy. Noho izany dia  betsaka ireo biby sy zava-maniry tsy hita na aiza na aiza afa tsy eto Madagasikara  ary tsara ny manamarika  fa  ny valopolo isan-jaton’izay karazam-biby sy karazan-javatra misy eto amintsika no voakasik’izany.

5% ny zava-maniry misy eto an-tany dia  tsy hita raha tsy eto Madagasikara kanefa dia 0,4% ihany no mba haben’ny tany eto Madagasikara raha mihoatran’ny planeta tany.

Anisan’izany ny gidro/varika izay nambaran’ ireo mpikaroka sy manam-pahaizana fa tonga teto Madagasikara efa ho 62- 65 tapitrisa taona izao  ary sombin-tany sy zava-maniry nentin’ny ria-drano avy any Afrika nankaty Madagasikara no nitondra azy ireo.

Rehefa tonga teto Madagasikara ary ireo karazana gidro/varika dia nanori-ponenana ary nizatra sy nanova ny fomba fiainany mba hanaraka ny vanin’andro nisy teto Madagasikara.

IMG_0332IMG_0474 IMG_0795

Ireo karazana gidro/varika misy eto Madagasikara

Tsy mitsahatra mitombo ny karazan’ireo gidro/varika fantatra fa misy eto Madagasikara  hatramin’izay nisian’ny fikarohana momba azy ireny. Tamin’ny fanisana farany dia fantatra fa misy 5 ny fianakaviam-be ny varika eto Madagasikara ka mitsinjara ho 15 ny “genre” , 99 karazany ary  110 taxa.

Betsaka ihany koa anefa ireo karazana gidro/varika lehibe izay mahatratra hatrany amin’ny 200 kg ny halehibeny no fantatra fa lany tamingana noho ny fahasimban’ny tontolo iainan’izy ireo.

IMG_024310974724_790057591087434_3751918827532106690_oIMG_0332

Ny Gidro/varika sy ny finoantsika malagasy

Iaraha-mahalala fa ireo karazana fady maro isan-karazany dia anisan’ny manana anjara toerana lehibe eo amin’ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina Malagasy. Indrindra fa ho an’ireo mponina any ambanivohitra izay mitazona fatratra ireo fomba amam-panao netim-paharazana.

Amin’ny kolontsaina Malagasy ihany koa moa dia manan-jiny ny biby izay fantantsika amin’ny antsoina hoe  « ambiroa » noho izany dia betsaka ireo finoana nisy teo  amin’ny Malagasy momba ny famonoanoam-poana ny biby  iray ohatra na ihany koa ny fahitana biby iray  dia mety hiteraka  loza.

Ho hitantsika manaraka eto ireo fady mikasika ny gidro/varika izay misy. Misy ny fady izay manampy azy ireo ho voaaro ary misy ihany koa ireo fady mampirisika ny hafa hamono azy ireny.

  • Any amin’ny faritr’i Fianarantsoa iny ohatra indrindra fa any Ambatofinandrahana dia fady ny mampijaly ny  gidro/varika satria raha maty izy ireny vokatry ny fampijaliana azy dia hiaran- doza ka tsy ho afa-bela  ireo izay nahavanona  izany.
  • Ny “aye-aye » na ihany koa fantatra amin’ny teny Malagasy hoe: hay-hay, ahay, bekapaky, karapapaky  kosa dia inoan’ny ankabeazany Malagasy fa fambara loza  ka noho izany dia mila vonoina  ary atsatoka amin’ny hazo ka avela eny amoron-dalana ivelan’ny tanàna mba ho hitan’ny olona ary ho lasana miaraka amin’izany ny loza saika nentiny. Mahavariana tokoa raha ny mikasika ity karazana/gidro ity satria dia miovaova araky ny tanana ny antony nahatonga ny fady. Na eo ary anefa izany, dia misy tanàna iray any amin’ ny faritra Toamasina iny, ao amin’ny distrikan’i Marolambo izay manohatra tanteraka izany fady izany satria dia fady ny mamono, na maneso eny fa na dia ny mihomehy azy ireny aza satria dia hinoan’ny mponina ao amin’io tanàna kely io fa  manana hery miafina izy ireny.
  • Ity manaraka ity kosa dia miresaka manokana momba  ireo babakoto « indri-indri »(babakoto, amboa ala)  sy ny « prophiteques » (sifaka, simpona na tsibahaka) izay  fantatra fa fady ny  mamono  azy ireny satria dia hinoan’ny mponina  any amin’ny faritra misy azy ireo fa mitondra soa izy ireny ary razambe noho ny fisian’ny fitovizana eo amin’ny olombelona.
  • Ny “Microcèbes”( tsididy  na ilay karazana gidro /varika  sy ny Avahi kely indrindra  dia fady ny mihinana azy indrindra fa raha vehivavy bevohoka satria dia mety hanaraka an’iny ary ho ratsy tarehy sy ho be voamaso ilay zaza ao an-kibo.

IMG_0966 IMG_0984IMG_0945

Inona ny antony maha-ho lany tamingana azy ireny ?

Ho tanisana manaraka eto ny antony fantatra fa mahatonga  azy ireny ho atahorana ho lany tamingana.

  • Ny antony anisan’ny voalohany indrindra  dia ny fahasimban’ny ala : izay toeram-ponenany.  Raha rakotry ny ala i Madagasikara taloha dia zara raha ny 20% sisa no misy ala  20 000 hatramin’ny 30 000 ha isan-taona ny ala simba.  Ny Tavy, ny doro-tanety sy ny  fitrandrahana ny ala  ho atao saribao , fanaka sy ny tariny indrindra any amin’ny faritr’i Masoala iny izay betsaka hazo  lafo vidy tokoa raha amidy any ivelany toy ny andramena (bois de rose) sy ny hazomainty (Ebène). Ho fanampin’izany ny fiovaovan’ny toetr’andro izay vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny akanpobeny.
  • Ny fihinana sy ny fihazana azy ireny : ny haitany sy ny mosary any amin’ny faritra atsimo indrindra indrindra ohatra dia mitarika ny olona hihaza sy hihinana azy ireny noho ny tsy fampian’ny sakafo. Ao ihany koa ireo gidro/varika izay misy miompy ary ambara etoana  fa voasazin’ ny lalàna ny fanaovana izany.
  • Ny  Fady, ekena fa ny fisian’ny fady dia manampy amin’ny fiarovana  ny karazana gidro/varika sasany saingy mampirisika ihany koa ny famonoana  ireo karazany hafa heverina fa mitondra loza. Noho izany, dia ilaina ny fanabeazana ifototra ny tokony hiarovana azy ireny.

IMG_0809 IMG_0025IMG_0767IMG_1020

Fa maninona izy ireny no mila arovana ?

Betsaka ny olona no manontany hoe fa maninona izy ireny no handaniana vola sy hilaina fiarovana ?

Ireto ary ny antony :

  • Voalohany indrindra dia mampiroborobo ny toe-karena Malagasy izy ireny noho ny fizahan-tany. Ny ankamaroany ny mpizaha tany dia mirodorodo mankaty amintsika mba hizaha sy hijery izany hoe gidro/varika izany satria dia eto amintsika ihany maneran-tany no hahitana azy ireny.  Fanampin’izany, dia betsaka ary tsy voatanisa  ireo Malagasy  sy ankohonana mivelona amin’izany fizahan-tany izany : raha tsy hitanisa afa tsy ny mpitondra mpizaha-tany, ireo miasa amin’ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoanana lehibe. Ireo miasa amin’ny parka sy ireo mpanao asa tanana madinika izay mivelona amin’ny fivarotany izany amin’ireo vahiny.
  • Manarakarak’izany dia ny fiarovana azy ireny ihany koa dia miteraka mazava ho azy ny fiarovana ny tontolo ianana, ny fiarovana ny ala izay toeram-ponenany.  Marihina fa ny ala dia miantoka ny fahaveloman-dra Olombelona.  Ka ny fitsinjovana azy ireny dia mitsinjo ihany koa ny ho aviny ny taranaka fara aman-dimby any aoriana.
  • Manaparitaka ny voankazo satria tsy vitan’ny hoe toerana fatoriny sy fonenan’ny varika/Gidro ihany ny hazo fa lasa sakafony ihany koa – ” Seed dispersers” moa no fiantso ireo izay manao izany. Misy ny fikarohana manaporofo fa malaky kokoa ny fanirin’ny voankazo avy amin’ny tain’ireo varika ireo.
  • Mpitati-bovobony (agent pollinisateur) ho an’ny karazan-kazo sasany koa ny varika satria amin’ny  alalan’ny fikarohany ny mamy (nectar) amin’ ilay voninkazo no mahatonga ny vony lahy sy vahy hifandra. Noho izany dia mandray anjara amin’ny fitazonana ny karazan-kazo ao an’ala ireo varika ireo.
  • Mari-pandrefesana/pilazana (indicateurs) amin’ny  hatsarana na fiharatsian’ny ala koa ny fisian’ireo varika hita amina faritra iray. Rehefa tsy ao intsony ireo dia tsy manana izay fambara izay intsony ny olombelona.

Ampio izahay hiaro ireo gidro/varika sy ireo fonenany

Ny Lemur Conservation Network dia anisan’ny tranokala iray ahafahanao mandray anjara amin’ny fiarovana ireo gidro/varika ka amin’izany mandray anjara lehibe amin’ny fiarovana azy ireny tsy lany tamingana ianao.

Anisan’ny anjara asan’ny Lemur Conservation Network ny manampy ireo mpikambana ao aminy amin’ny fampiroboroina ny asan’izy ireo sy ny fampahafantarana azy ireo bebe kokoa any amin’ny tranonkala sy ireo tambazotra sosialy. Jereo ato amin’ny tranonkala fa maro ireo fikambanan-dehibe vahiny fa maro ihany koa ny fikambanan-dehibe na ONG tarihin’ny Malagasy.

Afaka manampy anay amin’ny alalàn’ny fandraisana anjara amin’ny fanoratana takelaka fanehoan-kevitra ianao. Aza misalasala mifandray aminay eto.