{"id":523,"date":"2018-08-11T23:55:44","date_gmt":"2018-08-11T20:55:44","guid":{"rendered":"http:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?p=523"},"modified":"2019-01-08T09:19:26","modified_gmt":"2019-01-08T06:19:26","slug":"mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/","title":{"rendered":"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo"},"content":{"rendered":"<p>Ny <a href=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/organization\/association-mitsinjo\/\">fikambanana Mitsinjo<\/a> no mpikambana ato amin\u2019ny Lemur Conservation Network amin\u2019ity volana ity Aogositra ity.\u00a0 Araho eto ny resaka nifanaovana tamin&#8217;i Rainer Dolch, izay Tale mpandrindra ny fikambanana Mitsinjo izay nizara ny momba ny fikambanana, ny asany ary ny ahafahantsika hanampy azy ireo hiaro ny gidro sy ala misy azy.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"aligncenter wp-image-144 \" src=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2015\/01\/Mitsinjo-0-Logo-e1423423017692-300x293.jpg\" alt=\"\" width=\"202\" height=\"198\" \/><\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2><strong>Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban\u2019ny fikambanana<\/strong><\/h2>\n<p>Ny <a href=\"https:\/\/associationmitsinjo.wordpress.com\/\">fikambanana Mitsinjo<\/a> dia niforona tamin\u2019ny taona 1999 ary nitsangana avy amin\u2019ny finiavan\u2019ireo fokonolona mpikambana miisa 13 avy ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Andasibe. Tamin\u2019ny niforonany tany am-boalohany dia fikambanana mpitaridia ireo mpizaha-tany ny fikambanana, ary nanomboka nampiasa ireo fahaiza-manao sy trai-kefany tamin\u2019ny fiarovana ny zava-boahary hita ao amin\u2019ny faritra ireo mpikambana. Nandritra izay taona maro niforonany izay, ary satria niara-nivoatra tamin\u2019ny mponina izay miara-miasa aminy izy, ny fikambanana Mitsinjo, dia nivelatra ka lasa fikambanan-dehibe miandidy ny fiarovana ireo zava-boahary manerana ny faritra misy azy izy ankehitriny.<\/p>\n<figure id=\"attachment_5146\" aria-describedby=\"caption-attachment-5146\" style=\"width: 400px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-5146 size-medium\" src=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-0-400x275.jpg\" alt=\"\" width=\"400\" height=\"275\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-5146\" class=\"wp-caption-text\">Ny fikambanana Mitsinjo dia ao amin&#8217;ny kaominina Andasibe, any Atsinanan&#8217;i Madagasikara<\/figcaption><\/figure>\n<blockquote><p>Ny tanjony dia ny mampifandray ny fiarovana sy ny fampandrosoana maharitra, mitazona ireo harena ekolojika amin\u2019ny alal\u00e0n\u2019ny fitantanana ny ala mando, ny famerenana ny ala ary ny fanomezana fidiram-bola hafa sy manaja ny tontolo iainana ho an\u2019ireo mponina ifotony (amin\u2019ny al\u00e0lan\u2019ny fizahan-tany, fikarohana sy maro hafa).<\/p><\/blockquote>\n<h2><strong>Aiza no misy ny fikambanana ary inona avy ireo asa? <\/strong><\/h2>\n<p>Ao Andasibe no misy ny foiben\u2019ny fikambanana Mitsinjo, distrikan\u2019i Moramanga ary faritra Alaotra-mangoro. Mitantana ny alan\u2019i Analamazaotra (Alan\u2019i Mitsinjo) izay ala mando mirefy hekitara aman-jato maro izay mifampitohy amin\u2019ny ala-java-boahary nasionaly arovana Andasibe- Mantadia izy. Fototra nahazoana ny toerana ao Torotorofotsy ho lasa \u201cSite Ramsar\u201d izy, io toerana io moa dia tantaniny miaraka ireo mpiara-miomban\u2019antoka hafa.<\/p>\n<figure id=\"attachment_5147\" aria-describedby=\"caption-attachment-5147\" style=\"width: 400px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-5147 size-medium\" src=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-1-400x300.jpg\" alt=\"\" width=\"400\" height=\"300\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-5147\" class=\"wp-caption-text\">Ny tavy no anisan&#8217;ny loza lehibe indrindra mihatra amin&#8217;ireo gidro sy ireo fonenany any amin&#8217;ny faritra Andasibe.<\/figcaption><\/figure>\n<h4>Ankehitriny, 60 ireo mpikambana sy mpiara-miasa ao amin\u2019ny fikambanana Mitsinjo ary monina ao Andasibe avokoa izy ireo.<\/h4>\n<p>Ny vola azo amin\u2019ny alal\u00e0n\u2019ireo asa fizahan-tany ataon\u2019ny fikambanana dia omena avy hatrany ireo mponina ao ifotony ary arotsaka ampandehanana ireo tetikasa maro momba ny fiarovana ataon\u2019i Mitsinjo.<\/p>\n<h2><strong>Inona ireo karazana gidro iasanareo?<\/strong><\/h2>\n<h3><em>Babakoto<\/em><\/h3>\n<p><em>Indri indri<\/em> na babakoto no gidro tena fantan-daza ao Andasibe, gidro izay mahery feo ka afaka heno any amin\u2019ny roa kilometatra misy azy. Miaro tarika babakoto sivy ao amin\u2019ny faritra misy ny alan\u2019i Analamazaotra ny fikambanana Mitsinjo. Ny roa amin\u2019izy ireo dia zatra mahita olona ka afaka tsidihana miaraka amin\u2019ireo mpitaridia mpikambana.<\/p>\n<figure id=\"attachment_5145\" aria-describedby=\"caption-attachment-5145\" style=\"width: 282px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-5145 size-medium\" src=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg\" alt=\"\" width=\"282\" height=\"400\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-5145\" class=\"wp-caption-text\">Indri indri na babakoto no gidro tena fantan-daza ao Andasibe izay arovana ao amin&#8217;ny ala tantanin&#8217;i Mitsinjo<\/figcaption><\/figure>\n<h3><em>Godrogodroka<\/em><\/h3>\n<p>Noho ny fiaraha-miasa akaiky tamin\u2019ireo olona ao ifotony dia nahita ilay karazana gidro (<em>Prolemur simus<\/em>) indray ny fikambanana Mitsinjo. Hita tao akaikin\u2019ny Andasibe io karazana gidro io ary noheverina fa efa lany tamingana ao amin\u2019io faritra io izy efa ho taon-jato iray izao! Niteraka fikarohana hafa ny fahitana io gidro io ary koa fanaraha-maso hafa izay nahafahana nanitatra ny velaran-tany fonenana izay fantatra fa tokony hisy azy.<\/p>\n<h3><em>Fanaraha-maso ireo karazana gidro 14 ataon&#8217;ny mponina eny ifotony<\/em><\/h3>\n<p>Raha atambatra dia miisa 14 ireo karazana gidro misy ao amin\u2019ny alan\u2019ny Torotorofotsy ary manodidina ny lakan\u2019Ihofa. Ny fikambanana Mitsinjo dia miezaka ny mamantatra ireo mponina gidro rehetra ary ireo izay ahiana ny fivelomany. Izany dia atao amin\u2019ny al\u00e0lan\u2019ny fanaraha-maso izay ataon\u2019ny mponina eny ifotony.<\/p>\n<p>Ireo karazana gidro tena araha-maso akaiky dia ireo izay tafiditra ho isan\u2019ny gidro tena ahiana dia ahiana ho lany tamingana\u2013 babakoto (<em>Indri indri<\/em>), Simpona (<em>Propithecus diadema<\/em>), varika (<em>Varecia variegata<\/em>), and Godrogodroka (<em>Prolemur simus<\/em>). Na izany aza, ireo karazana gidro folo sisa dia iasana ihany koa. \u00a0Dia ireo Hay hay (<em>Daubentonia madagascariensis<\/em>), Tsidy an\u2019i-Goodman (<em>Microcebus lehilahytsara<\/em>), Tsidiala (<em>Allocebus trichotis<\/em>), Matavirambo (<em>Cheirogaleus crossleyi<\/em>), Tsitsihy (<em>Cheirogaleus major<\/em>), Bokombolo (<em>Hapalemur griseus<\/em>), Tongona (<em>Eulemur rubriventer<\/em>), Varika (<em>Eulemur fulvus<\/em>), Fotsife (<em>Avahi laniger<\/em>) and Hataka (<em>Lepilemur mustelinus<\/em>).<\/p>\n<h2><strong>Inona avy ireo asa atao izay manampy amin\u2019ny fiarovana ireo gidro sy ireo asa hafa? <\/strong><\/h2>\n<h3><em>Fiz<strong>ahan-tany sy fikarohana<\/strong><\/em><\/h3>\n<p>Ny fidiram-bolan\u2019ny ny fikambanana Mitsinjo dia avy amin\u2019ny fizahan-tany. Afaka mitsidika ny ala mando izay tantanin\u2019i Mitsinjo mantsy ny mpizaha-tany ka mijery ireo gidro miaraka amin\u2019ireo mpitaridia nahazo fiofanana manokana. Maro ireo zotra sy lalan-kely azo aleha ao anaty ala eny fa na dia amin\u2019ny alina aza. Misy ihany koa ny fianih\u00e0na eny amin\u2019ny hazo azo atao miaraka amin\u2019ny GasiClimb, izay fikambanana matihanina amin&#8217;ny fianih\u00e0na hazo avy amin\u2019i Mitsinjo.<\/p>\n<figure id=\"attachment_5144\" aria-describedby=\"caption-attachment-5144\" style=\"width: 299px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-5144\" src=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-5-400x268.jpg\" alt=\"\" width=\"299\" height=\"200\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-5144\" class=\"wp-caption-text\">Manao fikarohana manokana ho an&#8217;ny gidro ny fikambanana Mitsinjo. Eto amin&#8217;ny sary dia ny &#8220;collier radio&#8221; izay andramana apetraka amin&#8217;ireo gidro.<\/figcaption><\/figure>\n<p>Ny vola azo amin\u2019izany dia arotsaka amin\u2019ny ampahany ho famatsiana ny tetikasa fiarovana ny gidro ao aminay. Fa miantso matetika ireo Malagasy sy vahiny mpikaroka ihany koa izahay ary manentana azy ireo hizara ny valim-pikarohana ataony izay hanampy anay hanatsara ny fomba fitantanana sy ireo ezaka atao amin\u2019ny gidro sy ny zava-boahary amin\u2019ny ankapobeny. Ny fisian\u2019ireo mpizahan-tany sy mpikaroka no mampihena ireo mpihaza gidro sy ireo mpitetikala.<\/p>\n<h3><em>Tetikasa famerenana ala<\/em><\/h3>\n<p>Manana tetikasa lehibe mikasika ny famerenana ny ala mando ny fikambanana Mitsinjo. Nandritra ny taona maro, dia namboly zava-maniry hita ao amin\u2019ny ala mando efa ho iray tapitrisa izahay (izay karazana zava-maniry miisa 150), izay namptimboina ao anaty taninketsa. Noho ny fanohanan\u2019ny fikambanana ho an\u2019ny fiarovana ny natiora avy any Finlande ary ireo mpanohana kely hafa dia mbola mitohy io asa lehibe amerenana ny fonenan\u2019ny gidro io (ary ny famoronana ala mampitohy ireo ala efa misy).<\/p>\n<blockquote><p>Afaka mandray anjara amin&#8217;ny fambolen-kazo ireo mpizahan-tany sy ireo mponina mpikambana eny ifotony.<\/p><\/blockquote>\n<h3><em>Tetikasam-panabeazana<\/em><\/h3>\n<p>Ny famerenana ny ala dia isan\u2019ny tetikasam-panabeazana ataon\u2019ny ny fikambanana Mitsinjo. Mampianatra an\u2019ireo ankizy mpianatra 8 ka hatramin\u2019ny 10 taona izahay amin\u2019izany.<\/p>\n<figure id=\"attachment_5142\" aria-describedby=\"caption-attachment-5142\" style=\"width: 400px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-5142 size-medium\" src=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-3-400x300.jpg\" alt=\"\" width=\"400\" height=\"300\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-5142\" class=\"wp-caption-text\">Mpianatra miisa 450 no manaraka ny fampianarana momba ny fiarovana ny tontolo iainana izay omen&#8217;ny fikambanana Mitsinjo.<\/figcaption><\/figure>\n<blockquote><p>Eo am-pilalaovana, dia afaka mianatra momba ny tontolo iainana, ny zava-boahary sy ny ekolojia ao amin\u2019ny faritra misy aazy ireo ary ny antony maha-zava-dehibe ny fiarovana izany ho ani\u2019reo olona sy ny biby. Mianatra any anaty lakilasy sy any anaty ala ireo ankizy.<\/p><\/blockquote>\n<p>Voakasik\u2019io tetikasa io avokoa ny mpianatra any amin\u2019ny ambaratonga voalohany ao amin\u2019ny kaominina Andasibe. Io tetikasa io moa dia efa tafiditra ao anaty programam-pampianarana. Mianatra mitia ny zava-boahary izy ireo amin\u2019ny alal\u00e0n\u2019ny fianarana ny tontolo iainana sy ny gidro ary manantena izahay fa hampitombo ny fanentanana momba ny fiarovana izy ireo rehefa any lehibe.<\/p>\n<h3><em>Fiarovana ireo sahona amin&#8217;ny alal\u00e0n&#8217;ny fametrahana toerana voalohany eto Madagasikara ampitomboina ireo sahona<\/em><\/h3>\n<p>Ankoatran\u2019ireo gidro dia manaraha-maso ireo sahona ihany koa izahay. Ny fikambanana Mitsinjo ny hany voalohany mitantana ny toeram-piterahana sy ampitomboina ireo sahona antsoina hoe \u201ctoby sahona\u201d. Ankoatran\u2019ireo fanimbana ala sy toeram-ponenany mantsy dia anisan\u2019ny loza mihatra amin\u2019ireo sahona ihany koa ny aretina atao hoe chytridiomycosis.\u00a0 Rehefa mitombo ny fahalal\u00e0na azo momba ny fiterahana sy fitomboan\u2019ireo karazan-tsahona ao Andasibe dia manantena i Mitsinjo fa ho vonona kokoa any aoriana, hiady amin\u2019ny fandrosoana ho avy, izay mety hiteraka ny fahafatesan\u2019ireo karazan-tsahona misy any anaty ala.<\/p>\n<blockquote><p>Ny sahona izay sady mpihinana no hanin\u2019ireo karazan-biby hafa, dia manana anjara-toerana lehibe eo anivon\u2019ny tontolo misy azy ao amin\u2019ny ala mando Malagasy. Ny fahasalaman\u2019ireo sahona dia anisan\u2019ny marika hijerena ny fahasalaman\u2019ireo ala sy ireo karazan-biby hafa toy ny gidro.<\/p><\/blockquote>\n<h2><strong>Inona avy ireo zava-bita vao haingana? <\/strong><\/h2>\n<h3><em>Fiarahana manaraha-maso ireo gidro sy ireo loza mihatra aminy miaraka amin&#8217;ireo mponina eny ifotony<\/em><\/h3>\n<p>Niara-niasa akaiky tamin\u2019ireo mponina avy ao amin\u2019ny faritra Torotorofotsy-Ihofa ny fikambanana Mitsinjo mba hametrahana tetiandro fanaraha-maso atao ho an\u2019ireo karazana gidro sy ireo loza mihatra aminy. Nahazo fiofanana manokana ireo mponina ao ifotony amin\u2019ny fomba fanangonana ireo zava-misy maro-pototra sy ilaina.<\/p>\n<figure id=\"attachment_5143\" aria-describedby=\"caption-attachment-5143\" style=\"width: 336px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-5143\" src=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-4-400x267.jpg\" alt=\"\" width=\"336\" height=\"224\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-5143\" class=\"wp-caption-text\">Atrikasa natao tao amin&#8217;ny foiben&#8217;i Mitsinjo niaraka tamin&#8217;ireo fikambanana hafa lehibe mpiaro ny ala<\/figcaption><\/figure>\n<blockquote><p>Anisan\u2019ny valiny voalohany ny fahitana fa ireo loza mihatra amin\u2019ireo gidro toy ny fanimbana ala amin\u2019ny alal\u00e0n\u2019ny tetik\u2019ala dia nihena noho ny fisiana fotsiny ihany ireo mpanaraha-maso.<\/p><\/blockquote>\n<h3><em>Fikambanan&#8217;ireo vehivavy manao asa tanana<\/em><\/h3>\n<p>Nanentana ireo vehivavy ihany koa izahay hanangana kaoperativa amin\u2019ny fanaovana asa-tanana ao Menalamba (Torotorofotsy). Mahazo fidiram-bola manokana ireo vehivavy avy amin\u2019ny fanjairana sy fanamboarana ireo kojakoja vita tanana. Ny zava-maniry ilaina amin\u2019izany dia maniry any amin\u2019ireo toerana mando sisa ao amin\u2019ny site Ramsar. Amin\u2019izay fotoana izay, dia tsy mivadika ho toeram-pambolena intsony ireo toerana izay anirian\u2019ireo hazo ilaina ireo. Io fidiram-bola fanampiny, izay azo avy amin\u2019ny fanaovana asa-tanana, ho an\u2019ny fianakaviana io dia anisan\u2019ny mampihena ny fiankinan\u2019ny fivelomana amin\u2019ny fambolena tsy maharitra toy ny tavy ary noho izany anisan&#8217;ny miaro ny fonenan\u2019ny gidro io.<\/p>\n<h3><em>Ivo-toerana momba ny fanabeazana ny fiarovana ny tontolo iainana<\/em><\/h3>\n<p>Farany, vao vetivety, nanangana ivo-toerana natokana ho an\u2019ny fanabeazana ny tontolo iainana ny fikambanana Mitsinjo. Izy io dia natao ho lakilasy fianaran\u2019ireo ankizy ireo tetiandro momba ny tontolo iainana. Fa afaka mianatra momba ny gidro sy ny tontolo iainany ihany koa ireo olon-dehibe mpitsidika avy amin\u2019ny mponina na avy any ivelany.<\/p>\n<h2><strong>Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin\u2019ny ho avy? <\/strong><\/h2>\n<p><strong>Ny tena tanjonay ao aoriana dia ny ahafahan\u2019ireo mponina ao ifotony hivelona amin\u2019ny fampiasana ireo zava-boahary any an-toerana sady miaro ny haren-zava-boahary misy ao Andasibe.<\/strong><\/p>\n<figure id=\"attachment_5148\" aria-describedby=\"caption-attachment-5148\" style=\"width: 270px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-5148\" src=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-2-300x400.jpg\" alt=\"\" width=\"270\" height=\"360\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-5148\" class=\"wp-caption-text\">Miara-miasa akaiky amin&#8217;ny mponina eny ifotony ny fikambanana Mitsinjo mba ahafahan&#8217;izy ireo mivelona amin&#8217;ny fampiasana ireo akora eny an-toerana amin&#8217;ny fomba maharitra sy mba ampitombo ny fari-piainany.<\/figcaption><\/figure>\n<p>Mba hanantanterahina izany, dia zava-dehibe loatra ny fiaraha-miasa miaraka amin\u2019ireo mpiantsehatra rehetra misy ao amin\u2019ny faritra.<\/p>\n<p>Matetika mantsy, ny fanentanana amin\u2019ny fiarovana dia arahina kolikoly na tsy fandraisan\u2019ireo tompon\u2019andraikitra sy mpanapa-kevitra andraikitra.<\/p>\n<blockquote><p>Ka amin\u2019izany dia manantena izahay fa ny fiarovana dia ho lasa voalohan-draharaha ho an\u2019ireo mpanao politika ao amin\u2019ny faritra any aoriana fa tsy lasa faniriana lava fotsiny ihany.<\/p><\/blockquote>\n<h2><strong>Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve ny fikambanana Mitsinjo? <\/strong><\/h2>\n<p>Ny fikambanana Mitsinjo dia tsy dia manana fahafahana loatra mandray ireo olona hiasa an-tsitrapo. Fa ny tena tsara indrindra, dia ny fahafahan\u2019ireo mpilatsaka an-tsirapo hanao asa mahaleo-tena amin\u2019ny tetikasa izay azy manokana. Mandray ireo olona hiasa an-tsitrapo izay efa voadinika ny tetikasany izahay ka hita fa mety hanampy anay\u00a0 hanatsara bebe kokoa ireo asa atao amin\u2019ny fiarovana.<\/p>\n<h2><strong>Inona no asa il\u00e0nareo famatsiana amin\u2019izao fotoana izao?<\/strong><\/h2>\n<p><strong>Amin\u2019izao fotoana izao, dia mila fanampiana amin\u2019ny :<\/strong><\/p>\n<ul>\n<li><strong>Fanatsarana sy ny fanamboarana ny birao fandraisana ary,<\/strong><\/li>\n<li><strong>Fanamboarana sy fanit\u00e0rana ny toerana taninketsa izay lasan\u2019ny tondra-drano.<\/strong><\/li>\n<\/ul>\n<h2><strong>Ahaona no ahafahanao manampy?<\/strong><\/h2>\n<p><a href=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/organization\/association-mitsinjo\/\">Tsidiho ny pejy Fikambanana Mitsinjo eto amin&#8217;ny Lemur Conservation Network<\/a><\/p>\n<p><a href=\"http:\/\/www.amphibianark.org\/donation-for-mitsinjo-project\/\">Manomeza ho an&#8217;ny fikambanana Mitsinjo eto amin&#8217;ny alal\u00e0n&#8217;ny &#8220;Amphibian ark&#8221;<\/a><\/p>\n<h2><strong>Raha te-hitsidika ny fikambanana Mitsinjo<\/strong><\/h2>\n<p>Ny fikambanana Mitsinjo dia mitantana toeram-pitsidihana ho an&#8217;ireo mpizahan-tany eo akaikin&#8217;ny ala arovana Andasibe. Ho hitanao ny birao eo amin&#8217;ny ankavian-dal\u00e0na rehefa makany amin&#8217;ny tan\u00e0nan&#8217;Andasibe, roa kilaometatra mivoka ny lalam-pirenena faharoa mampifandray an&#8217;Antananarivo sy Toamasina ary roan-jato metatra alohan&#8217;ny ala-java-boahary nasionaly arovana Andasibe.<\/p>\n<p><a href=\"https:\/\/associationmitsinjo.wordpress.com\/\">Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny fitsidihana ny fikambanana Mitsinjo<\/a><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Ny <a href=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/organization\/association-mitsinjo\/\">fikambanana Mitsinjo<\/a> no mpi&#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":7,"featured_media":527,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"default","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"categories":[4],"tags":[11,12],"class_list":["post-523","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-bilaogy","tag-iray-volanny-mpikambana-ato-aminny-lcn","tag-ireo-vaovao-anny-mpikambana"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.5 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Ny fikambanana Mitsinjo no mpi... Tohiny \u00bb\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2018-08-11T20:55:44+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2019-01-08T06:19:26+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"282\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"400\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Seheno Corduant\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Seheno Corduant\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"9 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Seheno Corduant\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c\"},\"headline\":\"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo\",\"datePublished\":\"2018-08-11T20:55:44+00:00\",\"dateModified\":\"2019-01-08T06:19:26+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/\"},\"wordCount\":1945,\"commentCount\":0,\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2018\\\/08\\\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg\",\"keywords\":[\"iray volan'ny mpikambana ato amin'ny LCN\",\"ireo vaovao an'ny mpikambana\"],\"articleSection\":[\"Bilaogy\"],\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"CommentAction\",\"name\":\"Comment\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/#respond\"]}]},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/\",\"name\":\"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2018\\\/08\\\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg\",\"datePublished\":\"2018-08-11T20:55:44+00:00\",\"dateModified\":\"2019-01-08T06:19:26+00:00\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2018\\\/08\\\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2018\\\/08\\\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg\",\"width\":282,\"height\":400},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c\",\"name\":\"Seheno Corduant\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"caption\":\"Seheno Corduant\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/author\\\/seheno\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo - Lemur Conservation Network","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo - Lemur Conservation Network","og_description":"Ny fikambanana Mitsinjo no mpi... Tohiny \u00bb","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_published_time":"2018-08-11T20:55:44+00:00","article_modified_time":"2019-01-08T06:19:26+00:00","og_image":[{"width":282,"height":400,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Seheno Corduant","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Seheno Corduant","Est. reading time":"9 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/"},"author":{"name":"Seheno Corduant","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c"},"headline":"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo","datePublished":"2018-08-11T20:55:44+00:00","dateModified":"2019-01-08T06:19:26+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/"},"wordCount":1945,"commentCount":0,"publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg","keywords":["iray volan'ny mpikambana ato amin'ny LCN","ireo vaovao an'ny mpikambana"],"articleSection":["Bilaogy"],"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"CommentAction","name":"Comment","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/#respond"]}]},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/","name":"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg","datePublished":"2018-08-11T20:55:44+00:00","dateModified":"2019-01-08T06:19:26+00:00","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2018\/08\/Photo-Mitsinjo-6-282x400.jpg","width":282,"height":400},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mpikambana-ato-aminny-lcn-mandritra-ity-volana-ity-fikambanana-mitsinjo\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Mpikambana ato amin\u2019ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c","name":"Seheno Corduant","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","caption":"Seheno Corduant"},"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/author\/seheno\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/523","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/7"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=523"}],"version-history":[{"count":12,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/523\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":537,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/523\/revisions\/537"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/527"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=523"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=523"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=523"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}