{"id":35,"date":"2015-06-27T20:28:54","date_gmt":"2015-06-27T20:28:54","guid":{"rendered":"http:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?p=35"},"modified":"2019-01-08T09:10:24","modified_gmt":"2019-01-08T06:10:24","slug":"ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/","title":{"rendered":"Resa-dresaka nifanaovana tamin&#8217;i Pr Jonah Ratsimbazafy."},"content":{"rendered":"<h2>Pr Jonah Ratsimbazafy: \u00a0Tena iaraha-mahalala fa olona azo ato hoe malaza ianao raha ny resaka fiarovana ireny Gidro\/varika ireny, mba tantarao hoe tompoko ny nahatonga anao hiompana manokana amin&#8217;ny fianarana azy ireny?<\/h2>\n<figure id=\"attachment_86\" aria-describedby=\"caption-attachment-86\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-86 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio-300x199.jpg\" alt=\"jonah-bio\" width=\"300\" height=\"199\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio-300x199.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio.jpg 600w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-86\" class=\"wp-caption-text\">Jonah Ratzimbazafy<\/figcaption><\/figure>\n<p>Ny nahatonga aho ho lasa mpikaroka sy mpiaro ny varika dia noho izao antony izao. Efa hatramin\u2019ny fahazana dia efa nitsiry tao anatin\u2019ny tena ny fitiavana biby. Kanefa raha nentin\u2019ny raiamandreny nitsidika ny parc tao Tsimbazaza hijery gidro dia tsy mbola nieritreritra velively fa hiasa amin\u2019ity sehatra ity. Tany an-tsekoly rahateo moa dia tsy nianatra momba ny biby zana-tany rahateo izahay fa ny biby misy any ivelany no nianarana tany (jirafy, liona, rajako, sns.). Teny amin\u2019ny ioniversite dia nisafidy ny Departement de Paleontologie et Amthropologie Biologique ny tenako. Tao no tena nandinika lalina momba ny primates ka tafiditra tao anatin\u2019izany ny varika. Rehefa nanao fikarohana momba ireo tahirin-tany (fossiles) niaraka tamin\u2019ireo mpikaroka vahiny aho ka nandalo ala dia nahita ireo varika izay toa miantsoantso mila vonjy. Fandrika maro no hitako ary ala mirehitra. Nisy aza varika mbola tavela ka maty teo amin\u2019ireny fandrika ireny. Teo no nahatonga ahy hanapa-kevitra ny amin\u2019ny hoe: aleo ireto varika ankehitriny no avotana fa ireo efa ao anaty tany voatahiry afaka miandry. Koa dia nanao ny DEA sy Doctorat \u00a0momba ny varika aho.<\/p>\n<p>Rehefa nianatra tany USA moa dia nifanerasera tamin\u2019ireo mpikaroka sy mpiaro ny primates koa ka tamin\u2019ny alalan\u2019ireny dia nitombo ny fahalalana sy ny fitiavana ireo gidro\/varika ireo ary nitohy ankehitriny izany.<\/p>\n<p>Ny asa fiarvana ny gidro\/varika dia tsy vitan\u2019olon-tokana fa asa hifarimbon\u2019ny maro. Koa rehefa tafalentika lalina tato am-po ilay fitiavana ny hianatra sy hampita izay traikefa amin\u2019ny mpianatra ary ny fiarovana ireo harena mampiavaka an\u2019I Madagasikara dia ny varika, dia tsy hay nosakanana intsony fa fitavana ny hiaro ireo biby ireo satria ny 94% n\u2019izy ireo diaefa atahorana ho lany tamingana.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2>Ianao ihany koa moa dia anisan&#8217;ny nanampy tamin&#8217;ny fanoratana sy fanatontosana ilay \u00a0boky toro l\u00e0lana momba ny fiarovana ny gidro\/varika? Raha hafohizina fohifohy dia inona marina moa ny ao anatin&#8217;ilay boky?<\/h2>\n<p style=\"text-align: left;\">\u00a0Io boky io dia nosoratana mba hafantarana ireo karazany izay tena atahorana ho ringana \u00a0 \u00a0sy ny toerana fonenana misy ireo varika ireo. Paik\u2019ady fiarovana no voarakitra ao anatin\u2019io boky io izay ho atao amin\u2019ny faritra 30 mahery. Heverina fa ho tanterahina mandritry ny 3 taona izany paik\u2019ady izany (2013 \u2013 2016). Tafiditra ao anatin\u2019ny paik\u2019ady ny fantsarana ny velon-tenan\u2019ny mponina mivelona manodidina ireny faritra misy ireo harena varika mampiavaka antsika. Ohatra amin\u2019izany ny fanatsarana ny fambolena sy fiompiana, ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fikarohana, ny fampitomboana ny valanjavaboary, ny fambolena hazo, ary koa ny fanatsarana ny fiompiana ireo biby amin\u2019ireo zoos raha toa ka izay no fomba afahana miaro ireo karazam-barika tena atahorana ho lany tamingana.<\/p>\n<p>Vola $7.6 tapitrisa no heverina anatanterahina izany paik\u2019ady izany.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2>Ankoatr&#8217;izany\u00a0dia anisan&#8217;ny mpikarakarara ilay &#8220;madagascar lemur festival&#8221; ihany koa ny tenanao ary tamin&#8217;ny volana oktobra lasa teo raha tsy diso aho!\u00a0 Inona ny tanjonareo tamin&#8217;izy iny dia oviana ndray ny manaraka?<\/h2>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p>Sambany teo amin\u2019ny tantara no nisy iny hetsika voalohany ka nanaovana ny hetska Dihin\u2019ny varika maneran-tany iny tamin\u2019ny vola oktobra (25 \u2013 31) 2015 ka izao tontolo izao no naira-nankalaza izay. Ny tanjona tao anatin\u2019izany dia ny hampahafantarana ny olona rehetra (ny Malagasy indrindra indrindra) ny maha-zava-dehibe tokony hiarovana ireo varika ireo satria efa atahorana ho lany tamingana ny maro amin\u2019ireo harena mampiavaka an\u2019i Madagasikara ireo. Manana karazana varika 106 i Madagasikara izay mandrafitra ny 20% n\u2019ny primates misy eran-tany kanefa 0,4% monja i Madagasikara raha ny habeny eto amin\u2019ny planeta tany. Ireo olon-tsotra mihintsy no tanjona tamin\u2019izany fa tsy nofaritana ho an\u2019ny sokajin\u2019ny mpikaroka ny ireo monina manamorona ny ala sy valan-javaboary ihany. Izay no nahatonga ny loha-hevitra novohizina tamin\u2019izany hoe: \u201cVarika; Namana sy harem-pirenena fa tsy\u2026. Biby fiompy an-trano na sakafo\u201d. Anisan\u2019ny tanjona tamin\u2019iny fankalazana iny koa ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Ary ny antony nandraisan\u2019ireo firenena hafa dia ho fandraisany anjara amin\u2019ny fampahafantarana ireo varika ireo ka ahatongavan\u2019ny mpizahantany aty Madagasikara sy ho fandraisany anjara koa amin\u2019ny famoriana io vola $7,6 tapitrisa io. Maro ireo Havana avy tany dilambato niaraka nifarimbona tami\u2019iny fankalazana iny na teo amin\u2019ny ara-pitaovana na ara-bola indrindra indrindra.<\/p>\n<p>Maro ny fianakaviana mivelona amin\u2019ny sehatra fizahantany. Koa ny fisian\u2019ireo biby varika ireo dia tokony hampiditra vola maro ho an\u2019i Madagasikara ho fanatsarana ny farim-piainan\u2019ny mponina Malagasy.<\/p>\n<p>Heverina fa ho atao isan-taona ny fankalazana ny Dihin\u2019ny varika maneran-tany. Koa amin\u2019ity taona ity dia ho atao amin\u2019ny faran\u2019ny volana oktobra toy ny tamin\u2019ny taona lasa ihany izany. Dia manentana sahady ny rehetra hiomana ny hankalaza ny Dihin\u2019ny varika manera-tany 2015.<\/p>\n<h2>Fanontaniana manitikitika ny be sy ny maro ilay hoe fa maninona ny gidro\/varika no arovanareo fa \u00a0maninona no tsy manampy ny olona mahantra ohatra? Inona ny havalinao izay ho an&#8217;ireo mametram-panontaniana?<\/h2>\n<p>Manana asa tsy vitan\u2019ny olombelona ireny varika ireny ao anatin\u2019io ala fonefany io. Ohatra ny fampihaonana ny vony lahy sy vavy (pollinisation) y ny fanaparitahana ny voankazo (dispersion). Koa manampy ny fitohizan\u2019ny fampitaina ny karazan-kazo tsy ho lany taranaka. Izany hoe misy asa goavana sahaniny ireo gidro ireo ao anaty ala fonenany.<\/p>\n<p>Heverina ho toy ny fampilazana (indicateurs) ny fahasalamana na faharatsian\u2019ilay tontolo misy azy ny varika. Koa rehefa tsy ao intsony ireo dia sarotra ny hamantarana izany.<\/p>\n<p>Ireo vrika ireo no manintona ny mpizahantany hitsidika an\u2019i Madagasikara. Midika izany fa mampiditra vola vahiny ho an\u2019ny firenena ireo varika ireo. Koa tsy ny fihazana azy na fanimbana ny fonenany no tokony ho atao fa ny fiarovana azy ireo.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2>Raha afaka manome torohevitra \u00a0vitsivitsy ho an&#8217;ireo tanora Malagasy maniry ny hiompana manokana amin&#8217;ny fianarana momba ny gidro\/ variaka ianao?<\/h2>\n<p>Harena mampiavaka an\u2019i Madagasikara ny varika. Maro anefa no tsy mbola fantatra momba ny fomba fiainan\u2019ny sasany amin\u2019izy ireo, indrindra ho an\u2019ireo karazany mandeha min\u2019ny alina. Koa miantso ireo tanora maniry ny hiaro ireo biby mampiavaka an\u2019i Madagasikara ireo aho hisafidy ny sehatra fikarohana momba ny primates. Afaka manantona ny tenako n any GERP rah ate-ahafantatra bebe kokoa ny varika.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2>Aminao tompoko, inona no tokony hataon&#8217;ny Malagasy tsivakivolo mba hiarovana \u00a0ny Gidro\/varika<em>?<\/em><\/h2>\n<p>Hianaro ny fiainan\u2019ny varika, Tiavo ary Arovy satria harena mampiavaka antsika Malagasy. Fadio ny mamono azy ireo sy manimba ny ala sy zetra fonenany. Azo atao biby fiompy any antrano ny varika fa avelao izy hiaina any amin\u2019ny fonenaa natioraly tokony hisy azy. Ampianaro ho tia azy ireo ny ankizy, ny tanora ary ny lehibe mba ho tia azy ireo. Koa ny Malagasy rehetra no hanao izany. Faizo izay minia mandika lalana mamono na mitaiza varika fa mamono ny firenena izany.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2>Inona avy ireo fahatsiarovana manokana nahafinaritra na nanohana anao tamin&#8217;ny fianaranao ireny gidro\/varika \u00a0ireny?<\/h2>\n<p><em>\u00a0<\/em>Nisy fahatsiarovana ratsy dia ny nahita ireo varika tratry ny fandrika dia maty, novonoin\u2019ny mpihaza ka nivoa-dra be nefa tsy mbola maty ary ireo tao anaty garaba azon\u2019ny mpihaza izay entiny ho vonoina sy hamidy.<\/p>\n<p>Ny fahatsiarovana tsara kosa dia isaky ny mahita zanaka varika mitsambikimbikina izay tena mahafatifaty ahy be mihitsy.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2>Inona ny karazana gidro\/varika tianao indrindra? satria nahoana?<\/h2>\n<p>Ny varijatsy na varikanda (<em>Varecia<\/em> <em>variegata<\/em>) dia ilay varika miloko fotsy sy maintsy hita any amin\u2019ny ala atsinanana. Io no nanaovako ny these de Doctorat ko ary hitako matetika sy haiku indrindra. Io no mpihinana voankazo be indrindra satria ny 80% n\u2019ny sakafony dia voankazo, izany hoe anisan\u2019ireo manaparitaka be indrindra voankazo\u2026. Saingy tiako daholo fa toy ny zanako ny varika rehetra e.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2>Misy hafatra tianao hatsipy amin&#8217;ny mpamaky ve?<\/h2>\n<p>Efa betsaka izay voalaza izay fa teny fohy no hampitaiko amintsika dia ny hoe: manana adidy sy andraikitra lehibe sy masina ny Malagasy rehetra amin\u2019ny fiarovana ny varika na zaza na tanora na efa lehibe ianao. Na lahy na vavy ary n\u2019inona n\u2019inona farim-piainanao na antokom-pinoanao dia tsarovy fa tompony ianao ka aoka ho sarotiny amin\u2019ny fiarovana ireo gidro\/varika ireo mba ho hitan\u2019ny taranantsika izay mba te-ahita izany ko rahampitso sy afaky ny ampitso satria olon-kendry sy tia tanindrazana ianao.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Pr Jonah Ratsimbazafy: \u00a0Tena iaraha-mahalala fa olona azo ato hoe malaza ianao raha ny resaka fiarovana ireny Gidro\/vari&#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":2,"featured_media":86,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"default","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"categories":[4],"tags":[8,7,6],"class_list":["post-35","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-bilaogy","tag-fanabeazana","tag-mpikaroka","tag-mpitarika-eo-aminny-sehatry-ny-fiarovana"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Resa-dresaka nifanaovana tamin&#039;i Pr Jonah Ratsimbazafy. - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Resa-dresaka nifanaovana tamin&#039;i Pr Jonah Ratsimbazafy. - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Pr Jonah Ratsimbazafy: \u00a0Tena iaraha-mahalala fa olona azo ato hoe malaza ianao raha ny resaka fiarovana ireny Gidro\/vari... Tohiny \u00bb\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2015-06-27T20:28:54+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2019-01-08T06:10:24+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"600\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"398\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"7 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/b5aed06df19561246f0259069a60929a\"},\"headline\":\"Resa-dresaka nifanaovana tamin&#8217;i Pr Jonah Ratsimbazafy.\",\"datePublished\":\"2015-06-27T20:28:54+00:00\",\"dateModified\":\"2019-01-08T06:10:24+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/\"},\"wordCount\":1413,\"commentCount\":0,\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/jonah-bio.jpg\",\"keywords\":[\"fanabeazana\",\"mpikaroka\",\"mpitarika eo amin'ny sehatry ny fiarovana\"],\"articleSection\":[\"Bilaogy\"],\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"CommentAction\",\"name\":\"Comment\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/#respond\"]}]},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/\",\"name\":\"Resa-dresaka nifanaovana tamin'i Pr Jonah Ratsimbazafy. - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/jonah-bio.jpg\",\"datePublished\":\"2015-06-27T20:28:54+00:00\",\"dateModified\":\"2019-01-08T06:10:24+00:00\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/jonah-bio.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/jonah-bio.jpg\",\"width\":600,\"height\":398},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Resa-dresaka nifanaovana tamin&#8217;i Pr Jonah Ratsimbazafy.\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/b5aed06df19561246f0259069a60929a\",\"name\":\"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/770ff696cf011dba87adb7e417309a26bc2931b2f60c12232ac0d19eb19fd5b2?s=96&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/770ff696cf011dba87adb7e417309a26bc2931b2f60c12232ac0d19eb19fd5b2?s=96&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/770ff696cf011dba87adb7e417309a26bc2931b2f60c12232ac0d19eb19fd5b2?s=96&r=g\",\"caption\":\"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard\"},\"description\":\"Teratany Malagasy ny tenany ary miasa sy monina any Wasghinton D.C. Niasa ary lehibe teo anivon\u2019ny sehatry ny fizahan-tany izy. Niatomboka tamin\u2019ny fitondrana ireo mpizaha tany tamina sambo mandritra ny 3 andro izany teny amin\u2019ny Lakandranon\u2019ny Pangalana iny. Tao aorian\u2019izay dia lasa mpitondra mpizaha tany matihanina izy ary nitondra ireo mpizaha tany nitety an\u2019i Madagasikara. Tao aorian\u2019izany dia nanokatra orinasa mpitondra momba ny fizahan- tany izy. Fabiola ihany koa dia manana traik\u2019efa sy fahalalana ny antony mahatonga ny fizahan-tany ho tsy afa-misaraka amin\u2019ny resaka fiarovana ny tontolo iainana aty Madagasikara. Ankoatr\u2019izany dia liana ary marisika tokoa izy tamin\u2019ny resaka fampandrosoana ary niara-niasa tamina fikambanana tsy miankina amin\u2019ny fanjakana izay niasa teny anivon\u2019ny fahasalamana tany ambanivohitra ary ihany koa nanampy ireo ankizy kamboty sy sahirana mba hahita olona malala -tanana hanampy azy ireo teo amin\u2019ny lafiny fianarana.\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/author\\\/fabiola\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Resa-dresaka nifanaovana tamin'i Pr Jonah Ratsimbazafy. - Lemur Conservation Network","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Resa-dresaka nifanaovana tamin'i Pr Jonah Ratsimbazafy. - Lemur Conservation Network","og_description":"Pr Jonah Ratsimbazafy: \u00a0Tena iaraha-mahalala fa olona azo ato hoe malaza ianao raha ny resaka fiarovana ireny Gidro\/vari... Tohiny \u00bb","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_published_time":"2015-06-27T20:28:54+00:00","article_modified_time":"2019-01-08T06:10:24+00:00","og_image":[{"width":600,"height":398,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard","Est. reading time":"7 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/"},"author":{"name":"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/b5aed06df19561246f0259069a60929a"},"headline":"Resa-dresaka nifanaovana tamin&#8217;i Pr Jonah Ratsimbazafy.","datePublished":"2015-06-27T20:28:54+00:00","dateModified":"2019-01-08T06:10:24+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/"},"wordCount":1413,"commentCount":0,"publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio.jpg","keywords":["fanabeazana","mpikaroka","mpitarika eo amin'ny sehatry ny fiarovana"],"articleSection":["Bilaogy"],"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"CommentAction","name":"Comment","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/#respond"]}]},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/","name":"Resa-dresaka nifanaovana tamin'i Pr Jonah Ratsimbazafy. - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio.jpg","datePublished":"2015-06-27T20:28:54+00:00","dateModified":"2019-01-08T06:10:24+00:00","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio.jpg","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/jonah-bio.jpg","width":600,"height":398},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/ireo-mpiara-miasa-sy-mpanohana\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Resa-dresaka nifanaovana tamin&#8217;i Pr Jonah Ratsimbazafy."}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/b5aed06df19561246f0259069a60929a","name":"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/770ff696cf011dba87adb7e417309a26bc2931b2f60c12232ac0d19eb19fd5b2?s=96&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/770ff696cf011dba87adb7e417309a26bc2931b2f60c12232ac0d19eb19fd5b2?s=96&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/770ff696cf011dba87adb7e417309a26bc2931b2f60c12232ac0d19eb19fd5b2?s=96&r=g","caption":"Fabiola Holiniaina Kjeldgaard"},"description":"Teratany Malagasy ny tenany ary miasa sy monina any Wasghinton D.C. Niasa ary lehibe teo anivon\u2019ny sehatry ny fizahan-tany izy. Niatomboka tamin\u2019ny fitondrana ireo mpizaha tany tamina sambo mandritra ny 3 andro izany teny amin\u2019ny Lakandranon\u2019ny Pangalana iny. Tao aorian\u2019izay dia lasa mpitondra mpizaha tany matihanina izy ary nitondra ireo mpizaha tany nitety an\u2019i Madagasikara. Tao aorian\u2019izany dia nanokatra orinasa mpitondra momba ny fizahan- tany izy. Fabiola ihany koa dia manana traik\u2019efa sy fahalalana ny antony mahatonga ny fizahan-tany ho tsy afa-misaraka amin\u2019ny resaka fiarovana ny tontolo iainana aty Madagasikara. Ankoatr\u2019izany dia liana ary marisika tokoa izy tamin\u2019ny resaka fampandrosoana ary niara-niasa tamina fikambanana tsy miankina amin\u2019ny fanjakana izay niasa teny anivon\u2019ny fahasalamana tany ambanivohitra ary ihany koa nanampy ireo ankizy kamboty sy sahirana mba hahita olona malala -tanana hanampy azy ireo teo amin\u2019ny lafiny fianarana.","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/author\/fabiola\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/35","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/2"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=35"}],"version-history":[{"count":19,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/35\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":659,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/35\/revisions\/659"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/86"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=35"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=35"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=35"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}