{"id":3367,"date":"2025-05-18T19:37:54","date_gmt":"2025-05-18T16:37:54","guid":{"rendered":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?p=3367"},"modified":"2025-05-18T19:40:55","modified_gmt":"2025-05-18T16:40:55","slug":"dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/","title":{"rendered":"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize!"},"content":{"rendered":"<p>Ny tompon\u2019andraikitry ny Indianapolis Zoo dia nanambara vao haingana ny mpandresy tamin\u2019ny loka malaza momba ny fiarovana ny biby ho an\u2019ny taona 2025. Tamin\u2019ity taona ity dia i Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland, manam-pahaizana siantifika sy mpiaro ny tontolo iainana malagasy no nahazo ny Indianapolis Prize!<\/p>\n<blockquote><p>&#8220;Ny Indianapolis Prize 2025 dia fankasitrahana tsy ho ahy irery fa ho an&#8217;ny ekipako ao amin&#8217;ny Peregrine Fund, ny fiarahamonina Malagasy, ary ho an\u2019ireo zavaboary izay ezahinay arovana isan\u2019andro.&#8221; \u2014 Dr. Ren\u00e9 de Roland<\/p><\/blockquote>\n<figure id=\"attachment_3370\" aria-describedby=\"caption-attachment-3370\" style=\"width: 700px\" class=\"wp-caption alignnone\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-large wp-image-3370\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr-700x363.jpg\" alt=\"\" width=\"700\" height=\"363\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr-700x363.jpg 700w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr-400x208.jpg 400w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr-768x399.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr-1536x797.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr-2048x1063.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr-150x78.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 700px) 100vw, 700px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-3370\" class=\"wp-caption-text\">Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland nandray ny Indianapolis Prize. Sary: Alliy Moyer.<\/figcaption><\/figure>\n<hr \/>\n<h3>Momba an\u2019i Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland<\/h3>\n<p>Tena lehibe sy manan-danja ny anjara birikin\u2019i Dr. Ren\u00e9 de Roland amin\u2019ny fiarovana ny tontolo iainana nandritra ny asany.<\/p>\n<h4>Fikarohana sy Fahitana Karazana Vaovao<\/h4>\n<p>Dr. Ren\u00e9 de Roland no nitarika ny fikarohana nahitana karazana zavamananaina vaovao maro, anisan\u2019izany ny nahitana indray ny pochard Madagasikara tamin\u2019ny taona 2006, karazana gana tsy fahita firy izay noheverina fa efa lany tamingana hatramin\u2019ny taona 1990. Anisan&#8217;ny ekipa izay nanao fikarohana ka nahita karazana varika vaovao roa tsy fantatra teo aloha tany avaratr&#8217;i Madagasikara ihany koa izy. Vao haingana indrindra, tamin&#8217;ny taona 2022 no nitarika ekipa iray ny Dr. Ren\u00e9 de Roland tamin&#8217;ny fahitana indray ny Gana tetraka, karazam-borona mpihira izay tsy hita nandritra ny 20 taona.<\/p>\n<h4>Fananganana Faritra Arovana Nationaly Efatra eto Madagasikara<\/h4>\n<p>Nitarika ho amin\u2019ny fananganana faritra arovana nasionaly efatra ireto fahitana ireto, izay mirefy velaran-tany mihoatra ny 1 500 kilaometatra toradroa ahitana ala mando, ala maina, faritra mando, ary ala honko. Ity asa ity ihany koa dia nahafahana nampandroso ny fandaharanasa momba ny fiarovana ny fiarahamonina, izay manohana ny fiainan\u2019ny mponina eny ifotony, izay monina eny akaikin\u2019ireo karazana zavaboahary tandindomin-doza sy arovana ireo.<\/p>\n<blockquote><p>\u201cTsy vitantsika irery ny fiarovana. Ny fiaraha-miasa amin&#8217;ireo andrim-panjakana sy vondrom-piarahamonina eny an-toerana, mba ahafana miantoka fa afaka miara-miaina ao anatin&#8217;ny fifandanjana ny olona sy ny bibidia, no asa lehibe indrindra sy mahafa-po ahy.\u201d\u2014 Dr. Ren\u00e9 de Roland<\/p><\/blockquote>\n<figure id=\"attachment_3369\" aria-describedby=\"caption-attachment-3369\" style=\"width: 700px\" class=\"wp-caption alignnone\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-large wp-image-3369\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16180__John-Mittermeier_hpr-700x466.jpg\" alt=\"\" width=\"700\" height=\"466\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16180__John-Mittermeier_hpr-700x466.jpg 700w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16180__John-Mittermeier_hpr-400x266.jpg 400w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16180__John-Mittermeier_hpr-768x511.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16180__John-Mittermeier_hpr-1536x1022.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16180__John-Mittermeier_hpr-2048x1363.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16180__John-Mittermeier_hpr-150x100.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 700px) 100vw, 700px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-3369\" class=\"wp-caption-text\">Dr. Lily mandanja vorona any anaty ala eto Madagasikara. Sary: John Mittermeier.<\/figcaption><\/figure>\n<hr \/>\n<h3>Ny Tetikasa an\u2019ny Peregrine Fund eto Madagasikara<\/h3>\n<p>Ren\u00e9 de Roland dia nahazo ny mari-pahaizana master sy doctorat tao amin\u2019ny Oniversiten\u2019Antananarivo, renivohitr\u2019i Madagasikara. Tamin\u2019ny naha-mpianatra azy tamin\u2019ny taona 1992, dia niara-niasa tamin\u2019ny Peregrine Fund izy mba hianatra sy handalina momba ny voromahery tandindomin-doza eto Madagasikara.<br \/>\nTaorian&#8217;ny asa mafy nandritra ny taona maro, tamin\u2019ny taona 2004, dia noraisin\u2019i Dr. Ren\u00e9 de Roland ny andraikitra ho Tale Nasionalin\u2019ny Tetikasa Madagasikara an\u2019ny Peregrine Fund, izay nitarika sy nanara-maso ny ekipa Malagasy mpiaro ny tontolo iainana miisa 48 izy, izy ireo dia miasa amin\u2019ny fiarovana ny biby sy ny tontolo voajanahary eto amin\u2019ny tanindrazany, dia i Madagasikara.<\/p>\n<blockquote><p>\u201cNy ezaka ataontsika amin&#8217;ny fiarovana ny tontolo iainan\u2019ny vorona mpihaza sy ny fandraisa na anjaran&#8217;ny vondrom-piarahamonina ao anatin\u2019ny maodely ampiasainay amin\u2019ny fiarovana dia nanampy ny Malagasy hitantana ny harena hananany sy hanatsara ny fiainan\u2019ny fianakaviany, ary tena faly sy mankasitraka izany aho.\u201d\u2014 Dr. Ren\u00e9 de Roland<\/p><\/blockquote>\n<hr \/>\n<h3>Fiaraha-mientana ho an&#8217;ny taranaka Malagasy mpiaro ny tontolo iainana<\/h3>\n<p>Ankoatra ny fiarovana ny karazam-biby, ny asan\u2019i Dr. Ren\u00e9 de Roland dia mifantoka betsaka amin\u2019ny fanofanana sy ny fitarihana. Nandritra ny asany dia nanampy tamin\u2019ny famolavolana ireo taranaka Malagasy mpiaro ny tontolo iainana ihany koa izy. Mpianatra maherin\u2019ny 100 teo anivon\u2019ny oniversite eto Madagasikara no efa nampianarin\u2019i Dr. Ren\u00e9 de Roland, nahazo ny mari-pahaizana master ny 90 tamin\u2019izy ireo, ary nahazo mari-pahaizana doctorat ny 16.<\/p>\n<blockquote><p>\u201cFaly sy mirehareha aho miara-miasa amin\u2019ny taranaka Malagasy mpiaro ny tontolo iainana, sady afaka manampy sy manoro lalana azy ireo. Efa niara-niasa tamin\u2019ny mpianatra maherin\u2019ny 100 aho, izay nahazo diplaoma ambony, ary mino aho fa hanohy ity asa fiarovana ity mandritra ny taona maro ho avy izy ireo.\u201d \u2014 Dr. Ren\u00e9 de Roland<\/p><\/blockquote>\n<figure id=\"attachment_3368\" aria-describedby=\"caption-attachment-3368\" style=\"width: 700px\" class=\"wp-caption alignnone\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-large wp-image-3368\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16122__The-Peregrine-Fund_hpr-700x525.jpg\" alt=\"\" width=\"700\" height=\"525\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16122__The-Peregrine-Fund_hpr-700x525.jpg 700w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16122__The-Peregrine-Fund_hpr-400x300.jpg 400w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16122__The-Peregrine-Fund_hpr-768x576.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16122__The-Peregrine-Fund_hpr-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16122__The-Peregrine-Fund_hpr-2048x1536.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS16122__The-Peregrine-Fund_hpr-150x113.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 700px) 100vw, 700px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-3368\" class=\"wp-caption-text\">Fanofanana ny mpahay siansa malagasy. Sary natolotr&#8217;i Lily-Arison Rene de Roland.<\/figcaption><\/figure>\n<hr \/>\n<h3>Momba ny Indianapolis Prize<\/h3>\n<p>Ny Indianapolis Prize dia heverina ho loka ambony indrindra eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana ny biby, ary matetika antsoina hoe \u201cLoka Nobel\u201d ho an\u2019ny fiarovana ny biby! Ity loka ity dia manome fankasitrahana sy valisoa ho an\u2019ireo mpiaro tontolo iainana izay nahavita zava-dehibe tamin\u2019ny fiarovana karazana biby iray na vondron-karazana biby.<\/p>\n<p>Nanomboka ny taona 2004, ny Indianapolis Prize dia efa nanome loka maherin&#8217;ny 7,5 tapitrisa dolara tsy voafetra, izay nahatratra olona manodidina ny 2 lavitrisa. Ny loka dia manohana ny asan&#8217;ireo mpiaro ny tontolo iainana amin&#8217;ny al\u00e0lan&#8217;ny fanohanana ara-bola sy ny fanentanana atao amin\u2019ny olona manoloana ny olana misy. Ny mpandresy dia mahazo $ 250,000, izay loka lehibe indrindra amin&#8217;ny vola omena eo amin&#8217;ny sehatry ny fiarovana ny biby.<\/p>\n<hr \/>\n<p>&nbsp;<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Ny tompon\u2019andraikitry ny Indianapolis Zoo dia nanambara vao haingana ny mpandresy tamin\u2019ny loka malaza momba ny fiarovan&#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":14,"featured_media":3370,"comment_status":"closed","ping_status":"closed","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"default","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"set","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"categories":[4],"tags":[],"class_list":["post-3367","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-bilaogy"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize! - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize! - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Ny tompon\u2019andraikitry ny Indianapolis Zoo dia nanambara vao haingana ny mpandresy tamin\u2019ny loka malaza momba ny fiarovan... Tohiny \u00bb\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2025-05-18T16:37:54+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2025-05-18T16:40:55+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"2500\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"1298\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Koloina Rafenoherilala\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Koloina Rafenoherilala\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"4 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Koloina Rafenoherilala\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/33a7f2413c7a1bc194a15de3d80ce8bc\"},\"headline\":\"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize!\",\"datePublished\":\"2025-05-18T16:37:54+00:00\",\"dateModified\":\"2025-05-18T16:40:55+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/\"},\"wordCount\":817,\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2025\\\/05\\\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg\",\"articleSection\":[\"Bilaogy\"],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/\",\"name\":\"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize! - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2025\\\/05\\\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg\",\"datePublished\":\"2025-05-18T16:37:54+00:00\",\"dateModified\":\"2025-05-18T16:40:55+00:00\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2025\\\/05\\\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2025\\\/05\\\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg\",\"width\":2500,\"height\":1298,\"caption\":\"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland nandray ny Indianapolis Prize. Sary: Alliy Moyer.\"},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize!\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/33a7f2413c7a1bc194a15de3d80ce8bc\",\"name\":\"Koloina Rafenoherilala\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/ff181fb5525e77a709f5ae556b48ec92e68ea30c9aed8b0aa095799837f3810e?s=96&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/ff181fb5525e77a709f5ae556b48ec92e68ea30c9aed8b0aa095799837f3810e?s=96&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/ff181fb5525e77a709f5ae556b48ec92e68ea30c9aed8b0aa095799837f3810e?s=96&r=g\",\"caption\":\"Koloina Rafenoherilala\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/author\\\/koloina\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize! - Lemur Conservation Network","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize! - Lemur Conservation Network","og_description":"Ny tompon\u2019andraikitry ny Indianapolis Zoo dia nanambara vao haingana ny mpandresy tamin\u2019ny loka malaza momba ny fiarovan... Tohiny \u00bb","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_published_time":"2025-05-18T16:37:54+00:00","article_modified_time":"2025-05-18T16:40:55+00:00","og_image":[{"width":2500,"height":1298,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Koloina Rafenoherilala","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Koloina Rafenoherilala","Est. reading time":"4 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/"},"author":{"name":"Koloina Rafenoherilala","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/33a7f2413c7a1bc194a15de3d80ce8bc"},"headline":"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize!","datePublished":"2025-05-18T16:37:54+00:00","dateModified":"2025-05-18T16:40:55+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/"},"wordCount":817,"publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg","articleSection":["Bilaogy"],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/","name":"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize! - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg","datePublished":"2025-05-18T16:37:54+00:00","dateModified":"2025-05-18T16:40:55+00:00","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/RS17106__Alliy-Moyer_hpr.jpg","width":2500,"height":1298,"caption":"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland nandray ny Indianapolis Prize. Sary: Alliy Moyer."},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dr-lily-arison-rene-de-roland-mpandresy-faha-10-taminny-indianapolis-prize\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Dr. Lily-Arison Ren\u00e9 de Roland: Mpandresy faha-10 tamin\u2019ny Indianapolis Prize!"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/33a7f2413c7a1bc194a15de3d80ce8bc","name":"Koloina Rafenoherilala","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/ff181fb5525e77a709f5ae556b48ec92e68ea30c9aed8b0aa095799837f3810e?s=96&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/ff181fb5525e77a709f5ae556b48ec92e68ea30c9aed8b0aa095799837f3810e?s=96&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/ff181fb5525e77a709f5ae556b48ec92e68ea30c9aed8b0aa095799837f3810e?s=96&r=g","caption":"Koloina Rafenoherilala"},"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/author\/koloina\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3367","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/14"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=3367"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3367\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":3372,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/3367\/revisions\/3372"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/3370"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=3367"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=3367"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=3367"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}