{"id":1678,"date":"2021-04-26T14:58:07","date_gmt":"2021-04-26T11:58:07","guid":{"rendered":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?p=1678"},"modified":"2021-04-30T14:57:31","modified_gmt":"2021-04-30T11:57:31","slug":"fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/","title":{"rendered":"Fiarovana ny varika ve? manampy amin&#8217;ny asa fivelomana maro eny ifotony"},"content":{"rendered":"<p><span style=\"font-weight: 400;\">Rehefa tsy misy vina amintsika intsony ny maha harena ny varika dia indro entina amintsika indray ny resaka momban\u2019ireo asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe \u201c conservation business\u201d na \u201cbusiness de conservation\u201d!<\/span><\/p>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><strong>Teny Fampidirana <\/strong><\/h2>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Vao tamin&#8217;ny volana jolay 2020 no nanambara ny Vondrona Iraisam-pirenena Miaro ny Natiora (International Union for Conservation of Nature na IUCN) fa ny <\/span><span style=\"font-weight: 400;\">98%-n&#8217;ireo varika rehetra izao dia atahorana ho lany tamingana avokoa<\/span><span style=\"font-weight: 400;\">. Statistika manaitra izany, ary tsy azo odian-tsy hita intsony! Jereo <a href=\"https:\/\/www.iucn.org\/news\/species\/202007\/almost-a-third-lemurs-and-north-atlantic-right-whale-now-critically-endangered-iucn-red-list\">eto<\/a>.\u00a0<\/span><\/p>\n<figure id=\"attachment_1683\" aria-describedby=\"caption-attachment-1683\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1683 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-1-300x225.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"225\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-1-300x225.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-1-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-1-768x576.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-1-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-1-2048x1536.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-1-150x113.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1683\" class=\"wp-caption-text\">Propithecus verreauxi verreauxi na Sifaka izay vao nosokajiana ho tandidomin-doza (Critically Endangered) nanomboka ny volana jolay 2020 Photo credit : Ellesse Janda<\/figcaption><\/figure>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ao anatin\u2019ny ezaka atao ho fiarovana ny varika dia misy ireo fanentanana maro isan-karazany, ireo ezaka fiarovana ny toeram-ponenany indrindra ny ala, ny fampahafantarana azy ireny sy ny maha harena sarobidy azy amin\u2019ny olona indrindra fa amin\u2019ny olona eny ifotony\u2026 Ankoatr\u2019izay anefa dia misy ihany koa ireo asa ho an\u2019ny fiarovana na ihany koa antsoina hoe \u201cconservation business\u201d, izay tsapa taty aoriana fa manampy be dia be amin\u2019ny fiarovana ny biby tsy ho lany tamingana, ao anatin\u2019izany ny varika.\u00a0<\/span><\/p>\n<figure id=\"attachment_1684\" aria-describedby=\"caption-attachment-1684\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1684 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-2-300x225.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"225\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-2-300x225.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-2-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-2-768x576.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-2-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-2-2048x1536.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-2-150x113.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1684\" class=\"wp-caption-text\">Hetsika fampahafantarana ny maha harena sarobidy ny varika tetsy Antaninarenina nandritra ny Andro Maneran-tany ho an\u2019ny Varika 2020, photo credit: Diamondra Ranaivoson<\/figcaption><\/figure>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><b>Fa inona tokoa moa izany atao hoe \u201cconservation business\u201d izany?<\/b><\/h2>\n<h3><b> Fomba fijery vaovao ho an\u2019ny fiarovana<\/b><\/h3>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Tao anatin\u2019ny taona maromaro dia niova ny fomba fijery mikasika ny fiarovana ny natiora sy ny tontolo iainana. Fahiny mantsy dia nirona kokoa nankany amin\u2019ny fitehirizana tanteraka ireo harena voajanahary ny fiarovana, ary natao ireo ezaka rehetra mba tsy hahavoakitikitika ireo harena voajanahary ireo. Raha ny hita anefa dia tsy nahomby izany fomba fiasa izany satria nitohy hatrany ny fahasimban\u2019ny zava-boary sy ny fahaverezana karazan\u00e0 biby maro samihafa, ary taratra tokoa izany teto Madagasikara izay manan-karena biby miavaka toy ny varika.\u00a0<\/span><\/p>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Maro ny mety ho anton\u2019izany tsy fahombiazana izany, ary noheverina ho isan\u2019izany ny tsy fahampian\u2019ny fijerena ireo mponina eny ifotony sy ny fiveloman\u2019izy ireo. Ny mponina eny ifotony mantsy no akaiky indrindra ireo zava-boary arovana, ary ny fananan\u2019izy ireo asa sy ny <\/span><span style=\"font-weight: 400;\">fampandraisana anjara azy ireo amin\u2019ny fiarovana dia heverina fa fomba mahomby hitantanana ny harena voajanahary (1). Raha ny eto Madagasikara mantsy dia mbola miankina tanteraka amin\u2019ny harena voajanahary ny ankamaroan\u2019ny mponina. <\/span><\/p>\n<blockquote><p><span style=\"font-weight: 400;\">Anisan\u2019izany ohatra ireo foko monina amin\u2019ny morontsiraka andrefan\u2019ny Nosy izay mampiasa ny ala maina sy ny harena voajanahary misy ao aminy. Anatin\u2019izany indrindra ny foko Mikea, izay vondrona tena mampiavaka ny faritra andrefan\u2019i Madagasikara (2).<\/span><\/p><\/blockquote>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Taty aoriana dia nisy fomba fijery vaovao izay nanomboka nijery manokana ireo mponina eny ifotony, ary indrindra manampy azy ireo hamorona asa ka mampihena ny fampiasana ny harena voajanahary tsy ho voatrandraka tafahoatra.<\/span><\/p>\n<h3><b>Ho an\u2019iza ny asa ao amin\u2019ny \u201cconservation business\u201d?\u00a0<\/b><\/h3>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Raha hazavaina tsotsotra dia ireo asa ataon\u2019ny olona eny ifotony ka manampy amin\u2019ny fiarovana ny harena voajanahary, satria izany asa izany dia mampiasa ny harena voajanahary amin\u2019ny fomba voahevitra, ary mampihena ihany koa ireo mety ho fanimbana na fitrandrahana tafahoatra noho ny fisian\u2019ny fidiram-bola hafa ho an\u2019ny mponina.<\/span><\/p>\n<blockquote><p><span style=\"font-weight: 400;\">Koa amin\u2019izany, ny harena voajanahary dia heverina ho toy ny entam-barotra azo jifaina sy amidy (3), ary izay mampiasa sy manjifa azy dia tsy maintsy mandoa vola ho fandraisana anjara amin\u2019ny fitehirizana azy.<\/span><\/p><\/blockquote>\n<h3><b>Ny \u201cconservation business\u201d sy ny fiarovana ny varika<\/b><\/h3>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Maro ny tsindry mihatra amin\u2019ny varika ka mety hahatonga azy ho lany tamingana. Voalohany indrindra amin\u2019izany <\/span><span style=\"font-weight: 400;\">ny fahasimban\u2019ny <a href=\"https:\/\/www.bbc.com\/news\/science-environment-45035560\">ala tropikaly fonenany<\/a><\/span><span style=\"font-weight: 400;\">. Araka ny voalaza anefa dia ny fampiasan\u2019ny mponina tafahoatra izany ala izany no mitarika ny fahasimbany. Izany indrindra ny maha zava-dehibe ny asa ho an\u2019ny fiarovana, izay manampy tokoa amin\u2019ny ady amin\u2019ny fahasimban\u2019ny ala &#8211; ala izay iankinan\u2019ny fahaveloman\u2019ny ankamaroan\u2019ny varika.<\/span><\/p>\n<div id='gallery-1' class='gallery galleryid-1678 gallery-columns-2 gallery-size-medium'><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/sary-3-2\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"225\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-3-300x225.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-1-1685\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-3-300x225.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-3-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-3-768x576.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-3-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-3-2048x1536.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-3-150x113.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-1-1685'>\n\t\t\t\tAnaty ala mainan\u2019ny NAP Oronjia. Photo credit: Diamondra Ranaivoson\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/sary-4-2\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"225\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-300x225.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-1-1686\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-300x225.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-768x576.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-2048x1536.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-150x113.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-1-1686'>\n\t\t\t\tTsibahaka (Propithecus verreauxi coquereli) miaina ao amin\u2019ny alan\u2019 Ankarafantsika, Photo credit: Diamondra Ranaivoson\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure>\n\t\t<\/div>\n\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><b>Ireo asa ho an\u2019ny fiarovana atao eto Madagasikara<\/b><\/h2>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Maro karazana ireo asa azon\u2019ny mponina atao mba hanampy ny fiarovana ny varika. Ireto tanisaina manaraka ireto dia misy ohatra vitsivitsy izay manampy tokoa ny fiarovana ny varika eto Madagasikara tsy ho lany tamingana. <\/span><\/p>\n<ul>\n<li><b>Asa mifandray amin\u2019ny fitsidihana toerana\u00a0<\/b><\/li>\n<\/ul>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ny mponina eny ifotony, noho izy ireo mahalala betsaka mikasika ny toerana misy azy, dia rariny tokoa raha manao asa toy ny mpisera-dia, ary mety ihany koa handray anjara mihitsy amin\u2019ny fitantanana ireny toerana ireny. Tsy ho an\u2019ny mpitsidika toerana ihany anefa izany fa indrindra ihany koa ho an\u2019ny mpikaroka.<\/span><\/p>\n<figure id=\"attachment_1687\" aria-describedby=\"caption-attachment-1687\" style=\"width: 225px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1687 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-5-225x300.jpg\" alt=\"\" width=\"225\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-5-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-5-768x1024.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-5-1152x1536.jpg 1152w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-5-1536x2048.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-5-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-5-scaled.jpg 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1687\" class=\"wp-caption-text\">Mpisera-dia iray (ankavanana indrindra) mitarika sy manampy ireo mpianatra (ankavia) amin\u2019ny fikarohana ataony ao amin\u2019ny alan\u2019ny Tampolo, photo credit: Diamondra Ranaivoson<\/figcaption><\/figure>\n<ul>\n<li>\n<h3><b>Fambolen-kazo<\/b><\/h3>\n<\/li>\n<\/ul>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ny fambolen-kazo ihany koa dia modely iray anisan\u2019ny tsara raha asa ho an\u2019ny fiarovana ny resaka, satria sady manome asa ireo mponina no manampy isa ny velaran\u2019ny ala.<\/span><\/p>\n<div id='gallery-2' class='gallery galleryid-1678 gallery-columns-2 gallery-size-medium'><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/sary-6-2\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"225\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-6-300x225.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-2-1688\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-6-300x225.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-6-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-6-768x576.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-6-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-6-2048x1536.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-6-150x113.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-2-1688'>\n\t\t\t\tMponina eny ifotony miasa amin\u00e0 tetikasa fambolen-kazo lehibe iray ao Mampikony \n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/sary-7\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"225\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-7-300x225.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-2-1689\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-7-300x225.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-7-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-7-768x576.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-7-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-7-2048x1536.jpg 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-7-150x113.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-2-1689'>\n\t\t\t\tPhoto credit: Diamondra Ranaivoson\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure>\n\t\t<\/div>\n\n<ul>\n<li>\n<h3><b>Fanamboarana lohamenaka na \u201chuiles essentielles\u201d<\/b><\/h3>\n<\/li>\n<\/ul>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ity karazan\u00e0 asa ity dia anisan\u2019ny tena mahaliana ny mponina eny ifotony amin\u2019izao fotoana izao eto Madagasikara. Manan-karena zava-maniry azo ampiasaina amin\u2019izany mantsy isika, ary manintona ny tsena iraisam-pirenena izany.<\/span><\/p>\n<figure id=\"attachment_1690\" aria-describedby=\"caption-attachment-1690\" style=\"width: 291px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1690 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-8-291x300.jpg\" alt=\"\" width=\"291\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-8-291x300.jpg 291w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-8-994x1024.jpg 994w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-8-768x792.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-8-1490x1536.jpg 1490w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-8-1987x2048.jpg 1987w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-8-150x155.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-8-45x45.jpg 45w\" sizes=\"auto, (max-width: 291px) 100vw, 291px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1690\" class=\"wp-caption-text\">Fitaovana fitanehana lohamenaka natamba-tanana, photo credit: Diamondra Ranaivoson<\/figcaption><\/figure>\n<ul>\n<li>\n<h3><b>Asa tanana maro isan-karazany<\/b><\/h3>\n<\/li>\n<\/ul>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Misy karazany maro ny asa tanana tanterahin\u2019ny mponina eny ifotony, ary izy ireny dia itarafana ny kolontsaina mampiavaka ireo mponina sy ny toeram-ponenany. Ao ohatra ny tenona, ny rary, ny sary sikotra, sns.<\/span><\/p>\n<h2><b>Fehiny<\/b><\/h2>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Azo lazaina fa anisan\u2019ny vahaolana maharitra amin\u2019ny fiarovana ny varika ny fananan\u2019ny mponina eny ifotony asa fivelomana izay mampiasa ny harena voajanahary araka ny tokony ho izy. Izany mantsy no ahafahana manena ireo tsindry maro samihafa mihatra amin\u2019ny varika, ka hahazoana toky fa tsy ho lany tamingana izy ireo.<\/span><\/p>\n<h3><b>Loharanon-kevitra<\/b><\/h3>\n<ol>\n<li style=\"font-weight: 400;\" aria-level=\"1\"><span style=\"font-weight: 400;\">Jansujwicz, J. S., Calhoun, A. J., Bieluch, K. H., McGreavy, B., Silka, L., &amp; Sponarski, C. (2021). Localism \u201cReimagined\u201d: Building a Robust Localist Paradigm for Overcoming Emerging Conservation Challenges. <\/span><i><span style=\"font-weight: 400;\">Environmental Management<\/span><\/i><span style=\"font-weight: 400;\">, <\/span><i><span style=\"font-weight: 400;\">67<\/span><\/i><span style=\"font-weight: 400;\">(1), 91-108.<\/span><\/li>\n<li style=\"font-weight: 400;\" aria-level=\"1\"><span style=\"font-weight: 400;\">Waeber, P. O., Wilm\u00e9, L., Ramamonjisoa, B., Garcia, C., Rakotomalala, D., Rabemananjara, Z. H., &#8230; &amp; Sorg, J. P. (2015). Dry forests in Madagascar: neglected and under pressure. <\/span><i><span style=\"font-weight: 400;\">International Forestry Review<\/span><\/i><span style=\"font-weight: 400;\">, <\/span><i><span style=\"font-weight: 400;\">17<\/span><\/i><span style=\"font-weight: 400;\">(2), 127-148.<\/span><\/li>\n<li style=\"font-weight: 400;\" aria-level=\"1\">Nicholls, H. (2004). The conservation business. <i>PLoS Biol<\/i>, <i>2<\/i>(9), e310<\/li>\n<\/ol>\n<div class=\"woo-sc-box  normal   \">\n<h3><b>Momba ny mpanoratra<\/b><\/h3>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignright  wp-image-1696\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Diamondra-257x300.jpg\" alt=\"\" width=\"123\" height=\"144\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Diamondra-257x300.jpg 257w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Diamondra-150x175.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Diamondra.jpg 342w\" sizes=\"auto, (max-width: 123px) 100vw, 123px\" \/><\/p>\n<p><span style=\"font-weight: 400\">Ranaivoson Diamondra dia mpianatra taona fahadimy mianatra momba ny Ala sy ny Tontolo iainana eny amin&#8217;ny Oniversiten&#8217;Antananarivo eny Ankatso.\u00a0<\/span><span style=\"font-weight: 400\">Mahatsiaro manana anjara andraikitra manokana amin&#8217;ny fiarovana ny varika sy ny fonenany izy, ka nahatonga azy hirotsaka an-tsitrapo ato amin&#8217;ny Lemur Conservation Network.<\/span><\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<\/div>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Rehefa tsy misy vina amintsika intsony ny maha harena ny varika dia indro entina amintsika indray ny resaka momban\u2019ireo &#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":9,"featured_media":1686,"comment_status":"closed","ping_status":"closed","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"default","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"categories":[4],"tags":[8],"class_list":["post-1678","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-bilaogy","tag-fanabeazana"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Fiarovana ny varika ve? manampy amin&#039;ny asa fivelomana maro eny ifotony - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"description\" content=\"Misy ny asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe \u201c conservation business\u201d na \u201cbusiness de conservation\u201d\" \/>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Fiarovana ny varika ve? manampy amin&#039;ny asa fivelomana maro eny ifotony - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Misy ny asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe \u201c conservation business\u201d na \u201cbusiness de conservation\u201d\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2021-04-26T11:58:07+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2021-04-30T11:57:31+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-scaled.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"2560\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"1920\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Diamondra Ranaivoson\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Diamondra Ranaivoson\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"6 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Diamondra Ranaivoson\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/0ce7f61b2fced3782cfd410ea4051520\"},\"headline\":\"Fiarovana ny varika ve? manampy amin&#8217;ny asa fivelomana maro eny ifotony\",\"datePublished\":\"2021-04-26T11:58:07+00:00\",\"dateModified\":\"2021-04-30T11:57:31+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/\"},\"wordCount\":1122,\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2021\\\/04\\\/Sary-4-scaled.jpg\",\"keywords\":[\"fanabeazana\"],\"articleSection\":[\"Bilaogy\"],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/\",\"name\":\"Fiarovana ny varika ve? manampy amin'ny asa fivelomana maro eny ifotony - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2021\\\/04\\\/Sary-4-scaled.jpg\",\"datePublished\":\"2021-04-26T11:58:07+00:00\",\"dateModified\":\"2021-04-30T11:57:31+00:00\",\"description\":\"Misy ny asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe \u201c conservation business\u201d na \u201cbusiness de conservation\u201d\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2021\\\/04\\\/Sary-4-scaled.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2021\\\/04\\\/Sary-4-scaled.jpg\",\"width\":2560,\"height\":1920,\"caption\":\"Tsibahaka (Propithecus verreauxi coquereli) miaina ao amin\u2019ny alan\u2019 Ankarafantsika, Photo credit: Diamondra Ranaivoson\"},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Fiarovana ny varika ve? manampy amin&rsquo;ny asa fivelomana maro eny ifotony\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/0ce7f61b2fced3782cfd410ea4051520\",\"name\":\"Diamondra Ranaivoson\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/f9ca5299db85df1db0f09e0841b45d09903bd3206ea317529a58c14c95859c28?s=96&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/f9ca5299db85df1db0f09e0841b45d09903bd3206ea317529a58c14c95859c28?s=96&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/f9ca5299db85df1db0f09e0841b45d09903bd3206ea317529a58c14c95859c28?s=96&r=g\",\"caption\":\"Diamondra Ranaivoson\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/author\\\/diamondra-ranaivoson\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Fiarovana ny varika ve? manampy amin'ny asa fivelomana maro eny ifotony - Lemur Conservation Network","description":"Misy ny asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe \u201c conservation business\u201d na \u201cbusiness de conservation\u201d","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Fiarovana ny varika ve? manampy amin'ny asa fivelomana maro eny ifotony - Lemur Conservation Network","og_description":"Misy ny asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe \u201c conservation business\u201d na \u201cbusiness de conservation\u201d","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_published_time":"2021-04-26T11:58:07+00:00","article_modified_time":"2021-04-30T11:57:31+00:00","og_image":[{"width":2560,"height":1920,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-scaled.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Diamondra Ranaivoson","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Diamondra Ranaivoson","Est. reading time":"6 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/"},"author":{"name":"Diamondra Ranaivoson","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/0ce7f61b2fced3782cfd410ea4051520"},"headline":"Fiarovana ny varika ve? manampy amin&#8217;ny asa fivelomana maro eny ifotony","datePublished":"2021-04-26T11:58:07+00:00","dateModified":"2021-04-30T11:57:31+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/"},"wordCount":1122,"publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-scaled.jpg","keywords":["fanabeazana"],"articleSection":["Bilaogy"],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/","name":"Fiarovana ny varika ve? manampy amin'ny asa fivelomana maro eny ifotony - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-scaled.jpg","datePublished":"2021-04-26T11:58:07+00:00","dateModified":"2021-04-30T11:57:31+00:00","description":"Misy ny asa fivelomana ateraky ny fiarovana ny varika sy ny ala fonenany. Izany no atao hoe \u201c conservation business\u201d na \u201cbusiness de conservation\u201d","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-scaled.jpg","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/Sary-4-scaled.jpg","width":2560,"height":1920,"caption":"Tsibahaka (Propithecus verreauxi coquereli) miaina ao amin\u2019ny alan\u2019 Ankarafantsika, Photo credit: Diamondra Ranaivoson"},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fiarovana-ny-varika-ve-manampy-asa-fivelomana-maro-eny-ifotony\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Fiarovana ny varika ve? manampy amin&rsquo;ny asa fivelomana maro eny ifotony"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/0ce7f61b2fced3782cfd410ea4051520","name":"Diamondra Ranaivoson","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/f9ca5299db85df1db0f09e0841b45d09903bd3206ea317529a58c14c95859c28?s=96&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/f9ca5299db85df1db0f09e0841b45d09903bd3206ea317529a58c14c95859c28?s=96&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/f9ca5299db85df1db0f09e0841b45d09903bd3206ea317529a58c14c95859c28?s=96&r=g","caption":"Diamondra Ranaivoson"},"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/author\/diamondra-ranaivoson\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1678","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/9"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1678"}],"version-history":[{"count":9,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1678\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1697,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1678\/revisions\/1697"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1686"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1678"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1678"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1678"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}