{"id":1375,"date":"2020-08-02T15:32:51","date_gmt":"2020-08-02T12:32:51","guid":{"rendered":"http:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?p=1375"},"modified":"2020-08-02T15:44:28","modified_gmt":"2020-08-02T12:44:28","slug":"nyvarika-harena-malagasy","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/","title":{"rendered":"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika"},"content":{"rendered":"<div class=\"woo-sc-box  normal   \">\n<p><span style=\"font-weight: 400\">Vahinintsika nanoratra blog i Princiah Rabary amin\u2019ity volana Aogositra ity. Mpianatra eny amin\u2019ny Oniversiten\u2019Antananarivo izy ary manaraka lalam-piofanana <a href=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/researcher\/university-of-antananarivo\/\">ADD na Mention Anthropobiologie et D\u00e9veloppement Durable<\/a>. Rehefa tafaresaka taminy izahay dia nanontany azy hoe \u201c <\/span><i><span style=\"font-weight: 400\">Atahorana ho lany tamingana hoe ny varika? dia mbola misy fanantenana ve? ka hoy izy \u201cmisy hatrany ny fanantenana fa mila mahafantatra sy mitia ny varika aloha ny Malagasy fa izay tena tsy ampy anefa antsika Malagasy ny varika<\/span><\/i><span style=\"font-weight: 400\">\u201d.\u00a0<\/span><\/p>\n<p><span style=\"font-weight: 400\">Araho eto ary ny famelambelarana sy ny hafatry avy amin\u2019i Princiah. <\/span><\/p>\n<\/div>\n<h2><b>Ny momba momba an\u2019i Princiah\u00a0<\/b><\/h2>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Rabary Andriamihaja Princiah no anarako. 24 taona aho izao ary mpianatra taona faha 5 eny amin&#8217;ny Oniversiten\u2019Antananarivo, fakiolten&#8217;ny siansa ary mianatra manokana momban&#8217;ny varika sy ny fiarovana azy ireo.\u00a0 Eo andalam-pamaranana ny fianarako aho ankehitriny, ary vao avy nahavita ny fidinana roa volana tany amin&#8217;ny valanjavaboary tsy miankina ao Berenty, any atsimon\u2019i Madagasikara.\u00a0<\/span><\/p>\n<figure id=\"attachment_1379\" aria-describedby=\"caption-attachment-1379\" style=\"width: 169px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1379 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-169x300.jpg\" alt=\"\" width=\"169\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-169x300.jpg 169w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-576x1024.jpg 576w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-768x1365.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-864x1536.jpg 864w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-1152x2048.jpg 1152w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-150x267.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-scaled.jpg 1440w\" sizes=\"auto, (max-width: 169px) 100vw, 169px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1379\" class=\"wp-caption-text\">Princiah Rabary any Berenty<\/figcaption><\/figure>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ny tanjoko dia ny ho lasa mpikaroka siantifika momban&#8217;ny varika ary koa ny ho mpisehatra amin&#8217;ny fiarovana ny tontolo iainana. Nisafidy manokana ny hanao fikarohana momba ny varika aho satria tena mahafinaritra ahy ny varika sy ny momba azy ireo rehetra, indrindra moa fa rehefa mahita azy ireo mivantana iny aho. Fanampin\u2019izay, te handray anjara amin\u2019ny fiarovana azy ireo koa aho, ka sehatra iray hita fa ahafahako mirotsaka mivantana amin\u2019izany ny fikarohana.\u00a0<\/span><\/p>\n<blockquote><p><span style=\"font-weight: 400;\">\u201cTamin&#8217;ny vao niditra teny amin\u2019ny Anjerimanontolo aloha aho tsy tonga dia nanana eritreritra ny hifantoka tanteraka amin\u2019ny varika. Kanefa, rehefa nianatra nandritra ny taona maromaro aho dia nahaliana ahy ny fampahafantarana nataon\u2019ireo mpampianatra, ka nitsiry niandalana teny ny fitiavako azy ireo.\u201d<\/span><\/p><\/blockquote>\n<h3><strong>Maro amintsika no efa\u00a0 mahalala sy efa nahita varika nefa tsy vitsy koa ireo izay mbola tsy mahafantatra.\u00a0<\/strong><\/h3>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ny varika na ragidro dia anisan\u2019ny biby mampiavaka an\u2019i Madagasikara. Tsy hita amin\u2019ny tena fonenany, dia ny ala izany, raha tsy eto amintsika. Manana tanana tahaka antsika olombelona izy ireo ahafahany mandray zavatra ary mampinono ihany koa.<\/span><\/p>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ankehitriny anefa dia 98 % amin\u2019izy ireo dia atahorana ho lany tamingana noho ny fahasimban\u2019ny ala fonenany (doro tanety, fanapahana hazo, fanaovana tavy,\u2026), ny fihazana azy ireo atao sakafo na koa fihazonana azy ireo any an-trano. Laharam-pahamehana noho izany ny fiarovana azy ireo satria harenantsika. Mitondra voka-tsoa ho an\u2019ny tontolo iainantsika koa izy ireo ary anisany misarika mpizahan-tany maro ho eto amintsika.<\/span><\/p>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><b>Ny olom-pirenena rehetra ve afaka mandray anjara amin\u2019ny fiarovana ny varika ?<\/b><\/h2>\n<blockquote><p><i><span style=\"font-weight: 400;\">Eny tompoko, ny valiny. Voalohany indrindra, fantaro aloha ny varika. Fantaro tsara, fantaro bebe kokoa. Sarotra be ho antsika ny hiaro raha mbola tsy nahita na tsy fantatsika akory izy ireo. Ahoana ary\u00a0?\u00a0<\/span><\/i><\/p><\/blockquote>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Anaty <\/span> <span style=\"font-weight: 400;\">ala no fonenan\u2019izy ireo. Raha ny eto afoavoan-tany anefa dia tsy misy ala be firy intsony, ka aiza no ahitana azy\u00a0? ny fiainana izao efa sarotra ka tsy manana fahafahana sy fotoana\u00a0 amin\u2019izany hoe andeha ho any amin\u2019ny sisiny hijery azy ireo izany.<\/span><\/p>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Tiako anefa ny mampahafantatra antsika Malagasy hoe raha te-hijery ny varika dia tsy mila vola be, tsy mila fotoana be nefa afaka mahita sy mijery azy ireo ianao. Izany indrindra no antom-pisian\u2019ny parc Tsimbazaza. Mirary dia mirary ny vidim-pidirana nefa dia mahita karazam-biby ianao ao. Tsy mandany iray andro akory ianao dia afaka mitsidika izany. Amin\u2019izao fotoana fihibohana izao koa anefa dia afaka manao fikarohana any amin\u2019ny aterineto isika, tsy mila vola be akory dia afaka mahita an-tsary ary mahalala ny mombamomba azy ireo feno ianao. Araraoty handratoana fahalalana izao fotoana nomena antsika izao eh\u00a0!<\/span><\/p>\n<blockquote><p><em><span style=\"font-weight: 400;\">Tsy mahamenatra ve hoy ianao hoe ny vahiny indray no tia ny harenantsika kokoa noho isika\u00a0? Tsy tokony ho saro-piaro amin\u2019ny harenantsika ve isika\u00a0?\u00a0 Ny ankizy vahiny indray no mahalala bebe kokoa ny momba azy ireo noho ny ankizy Malagasy izay tena tompony.\u00a0 Fa\u00a0 maninona ary\u00a0? tsy nampianarina\u00a0 ny hitia ny antsika ary ve isika\u00a0?<\/span><\/em><\/p><\/blockquote>\n<h3><strong>Miankina voalohany amin\u2019ny fitaizana omen\u2019ny ray aman-dreny io fitiavana io.\u00a0<\/strong><\/h3>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Mety hoe tsy nanam-potoana firy izy ireo nitondrana matetika\u00a0 ny ankizy tany amin\u2019ireny toerana misy ny harena sy vakokantsika ireny. Nefa koa ny sekoly matetika no mitondra ny ankizy hitsidika ireny toerana ireny ka niantehatra tamin\u2019izay angamba izy ireo.\u00a0<\/span><\/p>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Mino aho fa samy efa tany Tsimbazaza avokoa isika eh\u00a0? Fa mety efa tamin\u2019ny mbola zaza ka hoy isika tanora hoe natokana ho an\u2019ny zazakely izany. Tsia hoy aho. Tiako ny manamarika kely fa izaho dia efa mpianatry ny oniversite vao tena nahita tsara ny tao Tsimbazaza. Fony aho mbola kely dia nitsidika tany ihany fa tsy rototra loatra aho tamin\u2019izany fotoana izany. Izaho koa tamin\u2019izany dia variana tamin\u2019ny\u00a0 fialamboly maro hafa, ary ny teknolojia koa dia efa niroborobo tamin\u2019izany.\u00a0 Mety mitovy amiko ianao izay mamaky ity bilaogy ity.\u00a0<\/span><\/p>\n<h3><strong>Fa nahoana no tsy ampahafantarina ny ankizy Malagasy ny fisian\u2019ny maky sy ny varika dieny kely izy ireo?\u00a0<\/strong><\/h3>\n<blockquote><p><i><span style=\"font-weight: 400;\">Ny zavatra hitako ihany koa dia efa ny finday no hampilalaovina sy hanabeazana ankizy. Misy ireny karazana hira sy sary miaina ireny mampahafantatra ireo karazana biby misy eto an-tany. Ao anatin\u2019izy ireny anefa dia misy biby izay miavaka nefa tsy fahita eto Madagasikara. Ireny no fantatry ny ankizy sy hainy tsara tahaka ny liona, ny elefanta, sy ny maro hafa.\u00a0<\/span><\/i><\/p><\/blockquote>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Fotoana izao ampahafantarantsika ray aman-dreny sy tanora ireo zanaka sy zandritsika fa misy izany antsoina hoe varika na ragidro izany.<\/span><\/p>\n<div id='gallery-1' class='gallery galleryid-1375 gallery-columns-2 gallery-size-medium'><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/maky\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"225\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/Maky-225x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-1-1383\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/Maky-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/Maky-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/Maky.jpg 402w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-1-1383'>\n\t\t\t\tLemur catta \u00a9 Princiah Rabary\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/dsc_0246\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"225\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-225x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-1-1380\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-768x1024.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-1152x1536.jpg 1152w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-1536x2048.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-scaled.jpg 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-1-1380'>\n\t\t\t\tPropithecus verreauxi \u00a9 Princiah Rabary\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure>\n\t\t<\/div>\n\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><b>Ndeha fantarina kely vetivety ary izany varika izany eh!\u00a0<\/b><\/h2>\n<ul>\n<li>\n<h3>Any anaty ala aloha ny tokony ho fonenany<\/h3>\n<\/li>\n<\/ul>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ny varika dia biby mipetraka anaty ala ary mpihinana ravina na voankazo na koa bibikely manidina. Misy ny varika mpitsambikina toy ny sifaka ary misy kosa ny varika mandeha amin\u2019ny tongotra efatra tahaka ny maky. Amin\u2019izao fotoana izao, misy karazana varika 112 izay fantatra manerana an\u2019i Madagasikara (avaratra, atsimo, andrefana, atsinanana).\u00a0<\/span><\/p>\n<ul>\n<li>\n<h3>Biby manana paik&#8217;ady manokana izy ireny<\/h3>\n<\/li>\n<\/ul>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Misy mivoaka amin\u2019ny alina ary misy koa ny mivoaka amin\u2019ny atoandro. Tsy vitsy koa anefa ireo izay sady mivoaka amin\u2019ny alina no mivoaka amin\u2019ny atoandro. Ny varika rehetra dia samy manana ny paik\u2019adiny hiadiny amin\u2019ny hatsiaka ohatra na ny tsy fahampian-drano, na ny haizina ho an\u2019izay mivoaka amin\u2019ny alina na koa ny hafanana.<\/span><\/p>\n<div id='gallery-2' class='gallery galleryid-1375 gallery-columns-3 gallery-size-medium'><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/fantsilotra\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"225\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/fantsilotra-225x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-2-1385\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/fantsilotra-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/fantsilotra-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/fantsilotra.jpg 358w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-2-1385'>\n\t\t\t\tFantsilotra \u00a9 Princiah Rabary\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/filofilo\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"225\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/filofilo-225x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-2-1386\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/filofilo-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/filofilo-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/filofilo.jpg 655w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-2-1386'>\n\t\t\t\tVoankazo atoa hoe &#8216;filofilo&#8217; \u00a9 Princiah Rabary\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/varo\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"225\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/varo-225x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-2-1387\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/varo-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/varo-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/varo.jpg 337w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-2-1387'>\n\t\t\t\tvoankazo atao hoe &#8220;Varo&#8221; \u00a9 Princiah Rabary\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure>\n\t\t<\/div>\n\n<ul>\n<li>\n<h3><span style=\"font-weight: 400;\">Biby miantoka ny fitsiriana sy ny fitomboan\u2019ny ala ihany koa anie ny varika e!\u00a0<\/span><\/h3>\n<\/li>\n<\/ul>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Misy voa tsy maniry raha tsy mandalo ny tsinain\u2019ny sasany amin\u2019izy ireny\u00a0 ka anisan\u2019ny mpanaparitaka vihy izy ireo noho izany. Raha tsy misy varika intsony izany ao anaty ala dia ho ringana tsikelikely izany. Ary raha tsy misy ala fa simba avokoa dia ho lany tamingana ny varika. Mifampiankina noho izany ny ala sy ny varika. Ny fihazana azy ireny koa anefa dia antony iray mahalany tamingana azy.<\/span><\/p>\n<div id='gallery-3' class='gallery galleryid-1375 gallery-columns-2 gallery-size-medium'><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/dsc_0246\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"225\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-225x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-3-1380\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-768x1024.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-1152x1536.jpg 1152w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-1536x2048.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0246-scaled.jpg 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-3-1380'>\n\t\t\t\tPropithecus verreauxi \u00a9 Princiah Rabary\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/lemur-brun-femelle\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"225\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/lemur-brun-femelle-225x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-3-1381\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/lemur-brun-femelle-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/lemur-brun-femelle-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/lemur-brun-femelle.jpg 742w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-3-1381'>\n\t\t\t\tEulemur fulvus \u00a9 Princiah Rabary\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure>\n\t\t<\/div>\n\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><b>Rehefa fantatsika ary\u00a0 ny varika, inona no tokony hatao\u00a0?<\/b><\/h2>\n<blockquote><p><i><span style=\"font-weight: 400;\">Tiavo ny varika fa antsika! Mino aho fa rehefa mahita azy ireo ianareo dia ho tia azy tsy terena.\u00a0<\/span><\/i><\/p><\/blockquote>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Maro amintsika izao no mety tia ireny biby ao an-trano ireny toy ny saka sy alika. Biby efa zatra mira-miaina amin\u2019ny Olombelona izy ireny. Inona no tsapantsika rehefa misy mamono na tsy hita na misy mangalatra izy ireny\u00a0? tena tezitra sady malahelo mafy isika eh\u00a0? Dia mety hilaza isika fa ny biby afaka miara-miaina amintsika ihany ve no tokony tiavina. Tsy mitovy ny saka sy ny varika ary tsy biby fiompy ny varika fa kosa tokony hahatsapa fitiavana ny varika ihany koa isika. Fa nahaona?\u00a0<\/span><\/p>\n<p><strong>Antony roa lehibe no tokony hitiavantsika azy ireny:<\/strong><\/p>\n<h3><span style=\"font-weight: 400;\">1- Harena mampiditra harena ho antsika ny varika\u00a0<\/span><\/h3>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">\u00a0Tsy ho averina intsony eto ny maha zava-dehibe ny fisian\u2019ny varika any anaty ala amin\u2019ny fizahan-tany. Ireo vahiny avy any ivelany izay liana, tia sy te-hijery azy ireny fatratra. Ankehitriny, tsapa tanteraka ny fiantraikany eo amin\u2019ny lafin\u2019ny toe-karenantsika rehefa tsy tonga aty Madagasikara ny mpizahan-tany avy any ivelany.\u00a0<\/span><\/p>\n<h3><span style=\"font-weight: 400;\">2- Miaro antsika ihany koa ny varika ary ilaintsika<\/span><\/h3>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Tadidio koa fa ny varika dia miaro sy miantoka ny fahasalamantsika. Rehefa tsy misy ny varika na ny ala dia maloto ny rivotra ianantsika.\u00a0<\/span><\/p>\n<blockquote><p><i><span style=\"font-weight: 400;\">\u00a0Mbola mendrika hotiavintika mihoatra noho ireo biby hafa voalazako etsy ambony ny varika, izay tsy misy afa-tsy eto amintsika. Ary rehefa tia isika dia te-hiaro azy ireny<\/span><\/i><\/p><\/blockquote>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Raha amin\u2019ny maha mpianatra sy mpikaroka momba ny varika ahy, dia mitombo foana ary miha tsapako ny tena maha zava-dehibe ny fiarovana azy ireny. Tamin\u2019izao tany Berenty dia ny feon-gidro no mamoa ahy vao maraina, ny dihin\u2019ny sifaka no hitan\u2019ny masoko raha vao manokatra varavarankely aho ary ny maky no tonga mamangy ahy rehefa tonga iny ny hariva hangalako aina eo an-davarangana. Nanana tombony be aho nahita izany toerana izany ka afaka niara-niaina tamin\u2019izy ireo mivantana.<\/span><\/p>\n<blockquote><p><i><span style=\"font-weight: 400;\">Mety ho sarotra ho antsika izay tsy misehatra amin\u2019ny fiarovana ny ala na ny varika ny mitia sy mahatsapa mivantana ny voka-tsoa hoentin\u2019izy ireo. Fa inoako fa rehefa liana te hamantatra azy ireny isika, na dia hoe ny fijerena azy ireny any Tsimbazaza, ny fanarahana ny tambazotra sosialy manentana momba ny varika dia hitsiry ny fitiavana azy ireny ka izay no mety hanosika isika hiaro azy ireny ihany koa.\u00a0<\/span><\/i><\/p><\/blockquote>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><b>Arovana ary ny varika- fa ahoana kosa ireo olona sahirana sy mivelona amin\u2019ny ala ary ny fihaz\u00e0na azy ireny\u00a0?<\/b><\/h2>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Ny fahantrana dia antony lehibe iray mitarika ny olona hanao ireo fanimbana ala ireo. Ekeko, tsapako ary efa hitako fa tena maro ny Malagasy tsy ampy sakafo indrindra ireo ankizy. Tena maro ny Malagasy mitady ny anio hohanina anio ihany. Maro ny Malagasy tsy misy sakafo ao am-bilany satria main-tany tsy misy vokatra miakatra, ny tany tsy ahafahana mamboly ary tsy misy ranonorana. Tena tsapa ary tena fantatra izany.\u00a0<\/span><\/p>\n<h3><span style=\"font-weight: 400;\">Efa misy ny fiezahana ataon\u2019ireo ivo-toerana na fikambanana miaro sy mitantana ireny valajavaboahary ireny ho an&#8217;ireo mponina eny ifotony.\u00a0<\/span><\/h3>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Izay toerana efa notsidihiko eo akaikin\u2019ireny valanjavaboahary arovana ireny dia misy ny asa fidiram-bola omena ireo mponina manodidina azy ireny. Misy ohatra ny fiompiana trondro, fanaovana asa t\u00e0nana, fiompiana tantely. Misy koa ireo mpitantana valanjaboahary manofana ireo lehilahy ho tonga polisin\u2019ala na mpitondra mpizahatany sy mpianatra manao fikarohana any an\u2019ala. Raisiko ohatra ny ao amin\u2019ny valanjavaboahary tsy miankina ao Berenty. Nandritry ny fotona nijanonako tany dia tsy mbola nahita doro tanety na tavy aho.<\/span><\/p>\n<figure id=\"attachment_1384\" aria-describedby=\"caption-attachment-1384\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1384 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/IMG_20200729_212607-300x222.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"222\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/IMG_20200729_212607-300x222.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/IMG_20200729_212607-1024x758.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/IMG_20200729_212607-768x568.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/IMG_20200729_212607-150x111.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/IMG_20200729_212607.jpg 1080w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1384\" class=\"wp-caption-text\">Camp any Berenty \u00a9 Princiah Rabary<\/figcaption><\/figure>\n<blockquote><p><span style=\"font-weight: 400;\"><strong>Ary nahatsikaritra zavatra iray aho<\/strong>: Tsy misy mpangalatra koa na dia tsy manidy ny efitranoko aza aho rehefa mandeha hiasa an\u2019ala. Fa maninona ary\u00a0? satria miasa avokoa ny mponina ao. Misy orinasa mpanodina ny taretra ho lasa akora afaka hanaovana zavtra maro ao ary dia miasa ao avokoa ny ankabetsahan\u2019ny mponina. Izay tsy miasa ao dia mivarotra.\u00a0 Misy koa ny mpiambina ala sy mpanisa varika\u00a0. Misy tranom-bahiny mandray mpizahatany rahateo koa ao ka miasa any izay manana traikefa amin\u2019izany. Misy ny mpikarakara ny zava-maniry. Tandroy moa ny foko any ka fady an\u2019izy ireo ny mamono na mihinana varika.\u00a0<\/span><\/p><\/blockquote>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Hitantsika amin\u2019izany fa afaka arovana miaraka tsara ny varika sy ny olona eny ifotony.\u00a0<\/span><\/p>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><b>Mbola tsy tara ve raha izao vao mandray anjara amin\u2019ny fiarovana ireo varika\u00a0?<\/b><\/h2>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Averina ombieny amintsika fa atahorana ho lany tamingana ny 98 % an\u2019ireo varika. Mety mieritreritra isika fa tsy misy azo atao intsony\u00a0? tsia, mbola afaka mitondra ny anjara birikintsika isika izao. Fotoanany indrindra izao ka \u2018ndao ary. Na dia ny fiz\u00e0rantsika ity lahatsoratra ity ary dia mety hitaona olona maro te-hahafantatra, te-hitia ary hiaro ireo varika. Harenantsika ka tokony ho saro-piaro isika. Matetika dia ny vahiny no tia azy ireo mihoatra noho isika. Tsy tokony fahasarotam-piaro diso toerana koa anefa ka hoe handroaka sy handrara ireo vahiny tsy hitia sy hiaro azy. Tsarovy fa mila ny fanampian\u2019izy ireo isika\u00a0, fa kosa, isika no tokony ho maro indrindra, hitia sy hiaro azy ireo. Omeo anjara-toerana ao am-pontsika ny harenatsika.<\/span><\/p>\n<blockquote>\n<p style=\"text-align: center;\"><strong><i>Ndao fantarina, ndao tiavina ary ndao arovana ny harenantsika\u00a0!<\/i><\/strong><\/p>\n<\/blockquote>\n<div class=\"woo-sc-box  normal   \">\n<h2>Ary ianao? Te-haneho ny hevitrao momba ny varika sy ny fiarovana azy ireny ve ianao?<\/h2>\n<p>Manome sehatra ary mamporisika ny olona rehetra haneho hevitra izahay eto amin&#8217;ny Lemur Conservation Network. Mifandrais\u00e0 aminay raha maniry handray anjara amin&#8217;izany ianao. Mandefasa mailaka amin&#8217;i Seheno Corduant, Mpandrindra ny LCN eto Madagasikara : <a href=\"mailto:sehenocorduant.lemurnetwork@gmail.com\">sehenocorduant.lemurnetwork@gmail.com<\/a><\/p>\n<\/div>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Vahinintsika nanoratra blog i Princiah Rabary amin\u2019ity volana Aogositra ity. Mpianatra eny amin\u2019ny Oniversiten\u2019Antan&#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":7,"featured_media":1379,"comment_status":"closed","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"default","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"categories":[4],"tags":[8],"class_list":["post-1375","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-bilaogy","tag-fanabeazana"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"description\" content=\"Lazaina matetika fa harenan&#039;ny Malagasy ny varika. Isika Malagasy no tokony ho loha laharana amin&#039;ny fitiavana sy ny fiarovana azy ireny\" \/>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Lazaina matetika fa harenan&#039;ny Malagasy ny varika. Isika Malagasy no tokony ho loha laharana amin&#039;ny fitiavana sy ny fiarovana azy ireny\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2020-08-02T12:32:51+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2020-08-02T12:44:28+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-scaled.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"1440\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"2560\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Seheno Corduant\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Seheno Corduant\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"10 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Seheno Corduant\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c\"},\"headline\":\"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika\",\"datePublished\":\"2020-08-02T12:32:51+00:00\",\"dateModified\":\"2020-08-02T12:44:28+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/\"},\"wordCount\":2069,\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/07\\\/DSC_0216-scaled.jpg\",\"keywords\":[\"fanabeazana\"],\"articleSection\":[\"Bilaogy\"],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/\",\"name\":\"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/07\\\/DSC_0216-scaled.jpg\",\"datePublished\":\"2020-08-02T12:32:51+00:00\",\"dateModified\":\"2020-08-02T12:44:28+00:00\",\"description\":\"Lazaina matetika fa harenan'ny Malagasy ny varika. Isika Malagasy no tokony ho loha laharana amin'ny fitiavana sy ny fiarovana azy ireny\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/07\\\/DSC_0216-scaled.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/07\\\/DSC_0216-scaled.jpg\",\"width\":1440,\"height\":2560,\"caption\":\"DSC_0216\"},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/nyvarika-harena-malagasy\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c\",\"name\":\"Seheno Corduant\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"caption\":\"Seheno Corduant\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/author\\\/seheno\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika - Lemur Conservation Network","description":"Lazaina matetika fa harenan'ny Malagasy ny varika. Isika Malagasy no tokony ho loha laharana amin'ny fitiavana sy ny fiarovana azy ireny","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika - Lemur Conservation Network","og_description":"Lazaina matetika fa harenan'ny Malagasy ny varika. Isika Malagasy no tokony ho loha laharana amin'ny fitiavana sy ny fiarovana azy ireny","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_published_time":"2020-08-02T12:32:51+00:00","article_modified_time":"2020-08-02T12:44:28+00:00","og_image":[{"width":1440,"height":2560,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-scaled.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Seheno Corduant","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Seheno Corduant","Est. reading time":"10 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/"},"author":{"name":"Seheno Corduant","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c"},"headline":"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika","datePublished":"2020-08-02T12:32:51+00:00","dateModified":"2020-08-02T12:44:28+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/"},"wordCount":2069,"publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-scaled.jpg","keywords":["fanabeazana"],"articleSection":["Bilaogy"],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/","name":"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-scaled.jpg","datePublished":"2020-08-02T12:32:51+00:00","dateModified":"2020-08-02T12:44:28+00:00","description":"Lazaina matetika fa harenan'ny Malagasy ny varika. Isika Malagasy no tokony ho loha laharana amin'ny fitiavana sy ny fiarovana azy ireny","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-scaled.jpg","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/07\/DSC_0216-scaled.jpg","width":1440,"height":2560,"caption":"DSC_0216"},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/nyvarika-harena-malagasy\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Ry Malagasy, harenantsika anie ny varika eh: fantaro, tiavo ary arovy ny harenantsika"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c","name":"Seheno Corduant","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","caption":"Seheno Corduant"},"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/author\/seheno\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1375","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/7"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1375"}],"version-history":[{"count":8,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1375\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1392,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1375\/revisions\/1392"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1379"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1375"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1375"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1375"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}