{"id":1356,"date":"2020-07-01T09:59:42","date_gmt":"2020-07-01T06:59:42","guid":{"rendered":"http:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?p=1356"},"modified":"2020-07-01T09:59:42","modified_gmt":"2020-07-01T06:59:42","slug":"andohahela-national-park-tsimelahy","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/","title":{"rendered":"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy"},"content":{"rendered":"<div class=\"woo-sc-box  normal   \">\n<p><span lang=\"IT\">Mpanoratra bilaogy vahiny androany i FALIRINA Franklin. Izy dia mpisera-dia ary guide naturaliste.<\/span><span lang=\"IT\"> Tafaresaka taminy izahay ka nizara ny momba momba ny vala java-boahary arovana ao Andohahela izy ary indrindra ny toerana ao Tsimelahy. Araho eto ary izany.\u00a0 \u00a0<\/span><\/p>\n<\/div>\n<h2>Ny momba momba anao i Franklin?<\/h2>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignleft wp-image-1360 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_124425-300x300.png\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_124425-300x300.png 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_124425-1024x1024.png 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_124425-150x150.png 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_124425-768x768.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_124425-1536x1536.png 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_124425-2048x2048.png 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_124425-45x45.png 45w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Franklin no anarako, 32 taona ny tenako ary guide Naturaliste ny asa hataoko. Fito taona izay no nisehatra tao anatin\u2019ny mpiseradia aho ary dia nifantoka bebe kokoa tany amin\u2019ireo toerana ahitana vala-javaboary tsy dia be mpitsidika ary tsy dia be mpahalala loatra. Maro tokoa ny fahaizana sy fahalalana notovoiziko tao anatin\u2019izay fotoana izay, avy amin&#8217;ny fiarahana tamin\u2019ireo mponina any toerana sy ireo mpizahan-tany vahiny ary ireo mpikaroka amin&#8217;ny sehatrin&#8217;ny zava-boahary maro samihafa.<\/p>\n<p>Azo lazaina ho tombon-tsoa izay mba ananako izany mihaotra ireo Malagasy namako satria dia nanana anjara manokana aho teo amin\u2019ny fitsidihana sy ny fianarana ny zava-boahary eto Madagasikara. Izany indrindra noho maharisika ahy te-hizara sy hampafantatra ny toerana izay notsidihiko.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2>Aiza no misy ny Andohahela National Park?<\/h2>\n<p>Andohahela National Park dia anisan\u2019ireo vala-javaboary izay hita ao Madagasikara izay tantanan\u2019ny MNP ( Madagascar National Park). Any amin\u2019ny faritra farany atsimo atsinanan\u2019ny nosy na ny faritra Anosy no misy ny vala-javaboahary arovana Andohahela izay misy velaran-tany ho 76 140 ha, ary mizara ho parcelle miisa 3, Parcelle 1 dia 62 093 ha, parcelle 2 dia 13 574 ha ary ny parcelle faha 3 dia 437 ha.<\/p>\n<p>Azo lazaina fa mbola tsy dia betsaka ireo mpitsidika ny vala-javaboahary arovana ao Andohahela, ary tsy misy ny toerana fandraisam-bahiny; anefa dia mety anisan&#8217;ny mety hampivoatra ny fitantanana io valajava-boahary arovana io izany.<\/p>\n<h2>Inona no tantara na lovan-tsofina mahakasika an\u2019i Andohahela?<\/h2>\n<p>Rehefa nanao ny fitsidihina tany izahay dia sendra tafaresaka tamina Ray aman-dreny iray izay mipetraka teo amin\u2019ny manodidina ary dia tafa tombina teo izahay nandritra ny fotoana maro nihaino ny tantara nahatonga ny anarana hoe Andohahela.<\/p>\n<blockquote><p>Hoy io Ray aman-dreny io: <strong>Andohahela<\/strong> dia fikambanana teny roa <strong>Andoha sy Hela<\/strong>, Hela dia anaran\u2019ny foko tao amin\u2019io toerana io tamin\u2019ny andro fahagola, ary ny Andoha moa dia avy amin\u2019ny teny hoe loha.<\/p><\/blockquote>\n<p>Tamin\u2019izany andro izany raha nisy ny mosary izay nangeja ny fokon\u2019ny hela dia nilaza ny ombiasy tao an-toerana fa tsy maintsy atao sorona ny zanakin\u2019ny mpanjaka lahy antsoina hoe \u201cMana\u201d ary dia ho tapahina ny lohany raha ny voalaza hanatanterahina izany. Rehefa vita tokoa ny sorona dia nisy orambaratra nahery niseho tany an-toerana nandritra ny fotoana maharitra, ary noho izay indrindra no niforonan\u2019ireo renirano lehibe 4 izay any atsimo sy atsimo atsinanan&#8217; ny nosy ary dia mitondra ny anaran\u2019io zanaka lahy ny mpanjaka io avokoa toy Manambovo, Mandrare,Mananara ary Manampatrana.<\/p>\n<blockquote><p>Ary dia nantsoina hoe Andohahela ny toerana nisy ireo mponina sy mpanjaka nanao izany sorona izany, izay midika hoe ao ny lohan\u2019i Hela.<\/p><\/blockquote>\n<h2>Manao ahaona ny lalana ahatongavana any Andohahela?<\/h2>\n<p>Saotra dia sarotra ny lalana ahatongavana any Andohahela. Ny renivohitra akaiky indrindra ny vala-javaboary I Andohahela dia Taolagnaro, 55 km miala an&#8217;i Taolagnaro izy ary eo amin\u2019ny andiny roa eo ho eo ny faharetan\u2019ny lalana ka manaraka ny lalam-pirenena faha 13 raha ho any Amboasary Atsimo.<\/p>\n<figure id=\"attachment_1361\" aria-describedby=\"caption-attachment-1361\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1361 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1040980-300x200.png\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1040980-300x200.png 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1040980-1024x683.png 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1040980-768x513.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1040980-1536x1025.png 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1040980-2048x1367.png 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1040980-150x100.png 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1361\" class=\"wp-caption-text\">RN 13 eny amin\u2019ny lalan\u2019ny Andohahela, karazana fitanterana any amin\u2019ny faritra Atsimo.<\/figcaption><\/figure>\n<h2>Inona ireo biby tena nanamarika anao rehefa nitsidika ny vala-javaboahary Andohahela?<\/h2>\n<p>Anisan&#8217;ny biby tena nanamarika ahy sy mpitsidika noentiko tao Andohahela ireo varika. Misy karazany maro ny varika hita ao toy ny Maki (<em>Lemur catta<\/em>), izy io no anisan&#8217;ny varika tena tiko indrindra amin\u2019ny karazana varika rehetra, satria anisan&#8217;ny biby izay lazaina hoe biby filamatra na &#8220;Flagship animal species&#8221; izy io.\u00a0 Ny lokony no anisan&#8217;ny hitiavako ary ny tena mahafinaritra ahy dia ny fananany fomba maro ahafahany mifampisera amin\u2019izy samy izy amin\u2019ny alalan\u2019ny fihetsika na ny feo. Ahitana karazana varika hafa toy ny sifaka (<em>Propithecus verreauxii) <\/em>ary ihany koa ny varika atao hoe (<em>Eulemur collaris<\/em>) ao Andohahela.<\/p>\n<div id='gallery-1' class='gallery galleryid-1356 gallery-columns-2 gallery-size-medium'><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/sifaka\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"225\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/sifaka-225x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-1-1363\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/sifaka-225x300.jpg 225w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/sifaka-150x200.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/sifaka.jpg 427w\" sizes=\"auto, (max-width: 225px) 100vw, 225px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-1-1363'>\n\t\t\t\tSifaka (Propithecus verreauxii )\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon portrait'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/maki\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"239\" height=\"300\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/maki-239x300.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-1-1362\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/maki-239x300.jpg 239w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/maki-150x188.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/maki.jpg 669w\" sizes=\"auto, (max-width: 239px) 100vw, 239px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-1-1362'>\n\t\t\t\tMaki (Lemur catta)\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure>\n\t\t<\/div>\n\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2>Ary aiza no misy ny toerana atao hoe Tsimelahy?<\/h2>\n<p>Tsimelahy dia anisan\u2019ny toerana izay azo tsidihina raha toa ka hitsidika ny vala-javaboaharin\u2019ny Andohahela. Ary izy dia tafiditra ao anatin\u2019ny parcelle faha 2 voalaza ery ambony.<\/p>\n<h3><strong>Inona ary izany no mampiavaka an\u2019i Tsimelahy?<\/strong><\/h3>\n<blockquote><p>Miavaka tanteraka ny toetran\u2019ny vala-javaboary hita ao Tsimelahy raha toa ka ampitahaina amin\u2019ireo karazana ala hafa satria izy dia manana ny atao hoe\u201ctransitional forest\u201d amin\u2019ny teny vahiny, izany dia fifangarona karazana ala roa, izany hoe ahitana ny ala mando izay avy any atsinanana ary ny ala tsilo izay avy any andrefana (semi-arid forest).<\/p><\/blockquote>\n<p>Raha ho hazavaina tsotra dia eo amin\u2019ny faritrin\u2019ny Tsimelahy izany no mampisaraka ny\u00a0 2 avy any atsinanana sy ny any andrefana. Tena mahasarika sy mahavariana tokoa ny mahita ny fiovan\u2019ny tontolo ny zava-boahary ao anatin\u2019ny ora vitsy monja raha toa ka miala avy any Taolagnaro handeha ho any Amboasary atsimo.<\/p>\n<figure id=\"attachment_1364\" aria-describedby=\"caption-attachment-1364\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1364 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-300x300.png\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-300x300.png 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-1024x1024.png 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-150x150.png 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-768x768.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-1536x1536.png 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-2048x2048.png 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-45x45.png 45w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1364\" class=\"wp-caption-text\">Ala ao Tsimelahy sy ny tendrombohitra an&#8217;i Andohahela.<\/figcaption><\/figure>\n<h3><strong>Ahoana izany ala tsilo izany?<\/strong><\/h3>\n<p>Ny ala tsilo no tena nanaitra ahy indrindra tamin\u2019ireo zava-maniry rehetra satria tena mbola tsy fahita ary tena hafa tokoa ny fahitana azy. Ny karazana zava-maniry ao anatin&#8217;ny fianakaviam-be atao hoe Didieraceae ireny na antsoina\u00a0 hoe <em>fantiolitse<\/em> ary koa ireo Euphorbiaceae izay ahit\u00e0na ireo karazana zava-maniry atao hoe Famanta, Folotse, sy ireo maro hafa tsy voatanisa, izy ireo no tena mandrafitra ny atao hoe ala tsilo.<\/p>\n<figure id=\"attachment_1365\" aria-describedby=\"caption-attachment-1365\" style=\"width: 200px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1365 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050117-200x300.png\" alt=\"\" width=\"200\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050117-200x300.png 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050117-683x1024.png 683w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050117-768x1151.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050117-1025x1536.png 1025w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050117-1367x2048.png 1367w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050117-150x225.png 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 200px) 100vw, 200px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1365\" class=\"wp-caption-text\">Fantiolitse, octopus tree (Alluaudia procera)<\/figcaption><\/figure>\n<p>Ny fantiolitse kosa no tena mampiavaka ny atao hoe ala tsilo satria izy io dia hazo izay tsy hita raha tsy any amin\u2019ny faritra Atsimon&#8217;ny nosy. Ny vahiny moa dia miantso azy hoe Octopus tree noho izy manana endrika toy ireny biby atao hoe calamar ireny\u00a0 satria ny rantsany dia maro ary noho izy maniry any amin\u2019ny ala tsilo dia tena feno tsilo tokoa izy.<\/p>\n<p>Ny tsilo moa dia azo atao hoe ravin&#8217;ireo hazo miaro azy ireo amin\u2019ny fivelomany any amin\u2019ny tany maina sy mafana.\u00a0 Ary izany dia ahafahan\u2019izy ireo mampihena ny rano ilaina rehefa main-tany sy mafana. Saika manana izany toetra mila mifanaraka amin&#8217;ny toe-tany maina sy mafana toy ny any Atsimo izany avokoa ny zava-maniry hita any amin&#8217;iny faritra iny.<\/p>\n<p>Ankoatra ireo Tsilo dia misy ihany koa ireo zava-maniry no ahitana karazana ronono, izay anstoin&#8217;ireo mpikaroka hoe &#8220;latex&#8221;, izay karazana dity fotsifotsy. Ireo zava-maniry ao anatin&#8217;ny karazana atao hoe <em>Euphorbia<\/em> izany, izay ahitana ny Famanta, Songosongo, ny Folotsia ssns\u2026 Ny fananany an\u2019io ronono io dia miaro azy amin&#8217;ireo biby izay mety mihinana ny raviny sy taohany.<\/p>\n<h3><strong>Inona avy izany ireo karazana biby hita ao Tsimelahy?<\/strong><\/h3>\n<p>Tena midadasika tokoa ny ala fonenan\u2019ny karazana varika samihafa ao Tsimelahy toy ireo Tsidy (<em>Microcebus griseorufus<\/em>) ary\u00a0 Pondiky (<em>M. murinus<\/em>). Manana ihany koa izy karazana vorona eo ho eo amin\u2019ny 85 isa ary ny roa ampatelon&#8217;izy izy ireo dia tsy hita afatsy eto Madagasikara. Ahitana ihany koa 29 karazana biby mandady na ireo atao hoe &#8220;reptile&#8221; izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara toy ny bibilava sy ny katsatsaka.<\/p>\n<div id='gallery-2' class='gallery galleryid-1356 gallery-columns-2 gallery-size-medium'><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/img_20180414_123215\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"205\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_123215-e1593528703818-300x205.png\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-2-1367\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_123215-e1593528703818-300x205.png 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_123215-e1593528703818-1024x701.png 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_123215-e1593528703818-768x525.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_123215-e1593528703818-1536x1051.png 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_123215-e1593528703818-2048x1401.png 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_123215-e1593528703818-150x103.png 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-2-1367'>\n\t\t\t\tAndrongom-bato, Madagascar Iguana na Oplurus quadrimaculatus\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/p1050017\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"200\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050017-300x200.png\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-2-1368\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050017-300x200.png 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050017-1024x683.png 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050017-768x513.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050017-1536x1025.png 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050017-2048x1367.png 2048w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/P1050017-150x100.png 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-2-1368'>\n\t\t\t\tSakorikitaha, Warty chameleon Furcifer verrocosus)\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/paradise-flycatcher\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"249\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Paradise-Flycatcher-300x249.png\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-2-1369\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Paradise-Flycatcher-300x249.png 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Paradise-Flycatcher-1024x851.png 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Paradise-Flycatcher-768x638.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Paradise-Flycatcher-1536x1276.png 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Paradise-Flycatcher-150x125.png 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Paradise-Flycatcher.png 1773w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-2-1369'>\n\t\t\t\tRemaly, Paradise fly catcher Terpsiphone mutate\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure>\n\t\t<\/div>\n\n<h3>Inona kosa ireo mety tsindry mihatra amin&#8217;ny faritra arovana?<\/h3>\n<p>Na eo aza ny maha faritra arovana azy sy ireo ezaka ataon&#8217;ireo mpitantana ny faritra, dia misy ihany ireo tsindry izay mihatra aminy toy ny fanapahana ala tsy ara-dalana.<\/p>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2>Manao ahaona kosa ny fiveloman&#8217;ireo mponina eny ifotony?<\/h2>\n<p><span style=\"font-weight: 400;\">Raha ny fiveloman\u2019ny olona any amin\u2019ny faritry Andohahela no horesahina dia mpamboly sy mpiompy avokoa.\u00a0 Fambolena vary, mangahazo ary voamanga no anisan&#8217;ny tena vokarin&#8217;ireo mponina. Misy ihany koa ireo mponina izay manao varotra entana madinika sy ny harona fandrehitra.\u00a0<\/span><\/p>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2>Hafatra ho an\u2019ny Mpamaky?<\/h2>\n<p>Vitsy amintsika Malagasy no mety hanana fahafahana mitsidika izany vala-javaboahary ao Andohahela sy ny ala ao Tsimelahy izany noho izy lavitra sy saro-dalana, izany indrindra no mahafaly ahy ny mizara ny mombamomba izany toerana mahafinaritra izany.<\/p>\n<blockquote>\n<p style=\"text-align: center;\"><strong>Tena zava-dehibe ny fitiavana ny natiora sy ny zava misy eto amin\u2019ny firenentsika. Koa manentana ny mpiray tanindrazana amiko aho hiaro sy hitia ny zava-boahary misy eto Madagasikara.\u00a0<\/strong><\/p>\n<\/blockquote>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<div class=\"woo-sc-box  normal   \">\n<h2>Nitsidika toerana ihany koa ve ianao ka maniry ny hizaran&#8217;ny hatsaran&#8217;ny Nosintsika?<\/h2>\n<p>Manorata aty aminay ka zarao amin&#8217;ny alal\u00e0n&#8217;ny fanoratana bilaogy ny toerana efa notsidihanao? <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-lemur-conservation-network\/raha-te-hifandray-aminny-lemur-conservation-network\/\">Manorata aty aminay<\/a>.<\/p>\n<\/div>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Mpanoratra bilaogy vahiny androany i FALIRINA Franklin. Izy dia mpisera-dia ary guide naturaliste. Tafaresaka taminy&#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":7,"featured_media":1364,"comment_status":"closed","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"default","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"categories":[4],"tags":[9],"class_list":["post-1356","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-bilaogy","tag-fitsidihana-toerana"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Mpanoratra bilaogy vahiny androany i FALIRINA Franklin. Izy dia mpisera-dia ary guide naturaliste. Tafaresaka taminy... Tohiny \u00bb\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2020-07-01T06:59:42+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-1024x1024.png\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"1024\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"1024\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/png\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Seheno Corduant\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Seheno Corduant\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"7 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Seheno Corduant\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c\"},\"headline\":\"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy\",\"datePublished\":\"2020-07-01T06:59:42+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/\"},\"wordCount\":1407,\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/06\\\/IMG_20180414_122531.png\",\"keywords\":[\"Fitsidihana toerana\"],\"articleSection\":[\"Bilaogy\"],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/\",\"name\":\"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/06\\\/IMG_20180414_122531.png\",\"datePublished\":\"2020-07-01T06:59:42+00:00\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/06\\\/IMG_20180414_122531.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/06\\\/IMG_20180414_122531.png\",\"width\":10201,\"height\":10201},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/andohahela-national-park-tsimelahy\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c\",\"name\":\"Seheno Corduant\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"caption\":\"Seheno Corduant\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/author\\\/seheno\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy - Lemur Conservation Network","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy - Lemur Conservation Network","og_description":"Mpanoratra bilaogy vahiny androany i FALIRINA Franklin. Izy dia mpisera-dia ary guide naturaliste. Tafaresaka taminy... Tohiny \u00bb","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_published_time":"2020-07-01T06:59:42+00:00","og_image":[{"width":1024,"height":1024,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531-1024x1024.png","type":"image\/png"}],"author":"Seheno Corduant","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Seheno Corduant","Est. reading time":"7 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/"},"author":{"name":"Seheno Corduant","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c"},"headline":"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy","datePublished":"2020-07-01T06:59:42+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/"},"wordCount":1407,"publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531.png","keywords":["Fitsidihana toerana"],"articleSection":["Bilaogy"],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/","name":"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531.png","datePublished":"2020-07-01T06:59:42+00:00","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/IMG_20180414_122531.png","width":10201,"height":10201},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/andohahela-national-park-tsimelahy\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Fitsidihana ny Andohahela National Park sy ny toerana ao Tsimelahy"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c","name":"Seheno Corduant","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","caption":"Seheno Corduant"},"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/author\/seheno\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1356","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/7"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1356"}],"version-history":[{"count":8,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1356\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1373,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1356\/revisions\/1373"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1364"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1356"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1356"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1356"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}