{"id":1340,"date":"2020-06-11T14:37:42","date_gmt":"2020-06-11T11:37:42","guid":{"rendered":"http:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?p=1340"},"modified":"2020-09-21T16:58:22","modified_gmt":"2020-09-21T13:58:22","slug":"fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/","title":{"rendered":"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary"},"content":{"rendered":"<div class=\"woo-sc-box  normal   \"> Mahafaly anay eto amin&#8217;ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny <a href=\"http:\/\/arysaina.weebly.com\/\">fikambanana Ary Saina<\/a> ato anatin&#8217;ity bilaogy ity. Ny fikambanana Ary Saina dia fikambanana mpikaroka Malagasy\u00a0 ka araho ao anatin&#8217;ity bilaogy ity ny tanjona sy ny asan&#8217;ny fikambanana. Isaorana betsaka ny ekipa izay tarihin&#8217;i <a href=\"http:\/\/onjarazafindratsima.weebly.com\/\">Dr Onja Razafindratsima<\/a>, nanoratra sy nizara ireo sary mandravaka izao bilaogy izao. <\/div>\n<p><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/AS_full_color.png\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"aligncenter wp-image-1477 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/AS_full_color-193x300.png\" alt=\"\" width=\"193\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/AS_full_color-193x300.png 193w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/AS_full_color-658x1024.png 658w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/AS_full_color-768x1195.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/AS_full_color-987x1536.png 987w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/AS_full_color-150x233.png 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/AS_full_color.png 990w\" sizes=\"auto, (max-width: 193px) 100vw, 193px\" \/><\/a><\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<h2><strong>Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban\u2019ny fikambanana Ary Saina\u00a0<\/strong><\/h2>\n<p>Ary Saina dia fikambanana mpikaroka Malagasy, mivondrona mba hampiroborobo ny fikarohana siantifika sy mampiely\/mizara fahalalana mba hahafahana miaro ireo harena voajanahary mampiavaka an\u2019i Madagasikara. Malagasy dimy mitovy foto-kevitra sy vina no nanapa-kevitra ny hanorina ity fikambanana ity, izay nitsangana ara-dalana tamin\u2019ny 27 Septambra 2017. Ankehitriny dia miisa valo ny mpikambana.<\/p>\n<h2><strong>Inona no tena antony nananganana ary ny tanjona ny fikambanana?<\/strong><\/h2>\n<p>Ny fikambanana Ary Saina dia mikendry ny:<\/p>\n<ul>\n<li>Hampiroborobo ny fikarohana haiaina siantifika eto Madagasikara<\/li>\n<li>Hanatsara sy hanamafy ny fahaiza-manaon\u2019ireo siantifika Malagasy<\/li>\n<li>Hampiasa ny vokam-pikarohana siantifika ho fototra fanatsarana ny fikajiana sy fitantanana lovainjafy ny harena voajanahary eto Madagasikara<\/li>\n<\/ul>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><strong>Aiza no misy ny foiben\u2019ny fikambanana ary aiza avy eto Madagasikara no toerana ias\u00e0na?\u00a0<\/strong><\/h2>\n<p>Ao Antananarivo no foibe ahitana ny fikambanana, fa amin\u2019ny alalan\u2019ny mailaka (<a href=\"mailto:arysainamadagascar@gmail.com\">arysainamadagascar@gmail.com<\/a>) sy ny tambazotra sosialy Facebook no tena ahazoana sy ifandraisana aminay. Miasa manerana an\u2019i Madagasikara ny mpikambana ao amin\u2019i Ary Saina.<\/p>\n<h2><strong>\u00a0Iza avy ireo fikambanana na ivo-toerana miara-miasa?<\/strong><\/h2>\n<p>Ny \u00ab Mention Zoologie et Biodersit\u00e9 Animale \u00bb (MZBA) ao amin\u2019ny Oniversite an\u2019Antananarivo no miara-miasa aminay akaiky. Miara-miasa amin\u2019ny <a href=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/organization\/association-mitsinjo\/\">Association Mitsinjo<\/a> ihany koa izahay amin\u2019ny fanantanterahana ny asa ataonay amin\u2019ny alan\u2019i Ihofa ao amin\u2019ny faritra Andasibe. Miara-miasa amin\u2019ireo fikambanana Vondron\u2019Olona Ifotony (VOI) any amin\u2019ny toerana iasanay ihany koa izahay.<\/p>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2>Inona avy ireo asa atao manampy eo amin\u2019ny lafin\u2019ny fiarovana ny varika sy\/na tontolo iainana? Ary inona ihany koa ireo sehatra hafa iandraiketan\u2019ny fikambanana?<\/h2>\n<p>Ireto avy ny asa ataonay eo amin\u2019ny lafin\u2019ny fiarovana ny harena voajanahary, tafiditra ao anatin\u2019izany ny varika sy ny tontolony.<\/p>\n<h3>Fampiofanana sy fanabeazana:<\/h3>\n<ul>\n<li>Mampiofana mpianatra amin\u2019ny oniversite sy ny mponina eny ambanivohitra amin\u2019ireo toerana iasan\u2019ny fikambanana momba ny teknika samihafa mahakasika ny fikarohana sy fanangonana hay toro momba ny harena voajanahary<\/li>\n<li>Mizara ny vokam-pikarohana siantifika amin\u2019ny daholobe amin\u2019ny alalan\u2019ny tambazotra sosialy sy fanentanana ifotony<\/li>\n<li>Mikarakara atrikasa maro isan-karazany ho an\u2019ny mpianatra amin\u2019ny oniveriste<\/li>\n<li>Mamatsy ara-pitaovana ny sekoly any ambanivohitra iasana<\/li>\n<li>Manome fampianarana fototra ho an\u2019ny zaza sy ny ankizy any ambanivohitra<\/li>\n<li>Manampy ny tanora eny ambanivohitra koa hivelatra amin\u2019ny fanomezana azy sehatra hialana voly sy fampianarana azy ireo teny vahiny<\/li>\n<\/ul>\n<figure id=\"attachment_1345\" aria-describedby=\"caption-attachment-1345\" style=\"width: 960px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1345 size-full\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Vero-mampanao-formation-t@-Seed-Dispersal-Workshop-Andasibe-Jul-2018-1.jpg\" alt=\"\" width=\"960\" height=\"640\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Vero-mampanao-formation-t@-Seed-Dispersal-Workshop-Andasibe-Jul-2018-1.jpg 960w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Vero-mampanao-formation-t@-Seed-Dispersal-Workshop-Andasibe-Jul-2018-1-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Vero-mampanao-formation-t@-Seed-Dispersal-Workshop-Andasibe-Jul-2018-1-768x512.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Vero-mampanao-formation-t@-Seed-Dispersal-Workshop-Andasibe-Jul-2018-1-150x100.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 960px) 100vw, 960px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1345\" class=\"wp-caption-text\">Vero Narindra mampanao fiofanana &#8220;Seed Dispersal&#8221; Workshop Andasibe Jolay 2018<\/figcaption><\/figure>\n<h3>Fiaraha-miasa amin\u2019ny mpikaroka hafa<\/h3>\n<ul>\n<li>Manampy ny mpikaroka amin\u2019ny fikarakarana fahazoan-dalana hanao fikarohana amin\u2019ny toerana iasanay sy amin\u2019ny fandrindrana ny asa fikarohana ataony<\/li>\n<li>Mizara ny voka-pikarohana ataonay mahakasika ireo toerana iasanay<\/li>\n<\/ul>\n<h3>Fikarohana<\/h3>\n<ul>\n<li>Manao fikarohana siantifika mifantoka amin\u2019ny fiarovana ny harena voajanahary Malagasy<\/li>\n<li>Mifantoka amin\u2019ny fifandraisan\u2019ny biby sy ny zava-maniry, ny biby samy biby ary ny aretina mety ho entin\u2019izy ireo ny fikarohana ataon\u2019ny mpikambana<\/li>\n<\/ul>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><strong>Inona\u00a0 avy ireo zava-bita azo tanisaina?<\/strong><\/h2>\n<ul>\n<li><strong>Fampiofanana<\/strong> sy fifanakalozana eo amin\u2019ny fanomanana, fikirakirana ary famoahana an-tsary ny voka-pikarohana siantifika amin\u2019ny alalan\u2019ny \u201c<strong>logiciel R<\/strong>\u201d. Natao tamin\u2019ny vola Aogositra 2019 ny andiany voalohany tamin\u2019 izy io.<\/li>\n<\/ul>\n<figure id=\"attachment_1347\" aria-describedby=\"caption-attachment-1347\" style=\"width: 1024px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1347 size-large\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Workshop-on-R-aug-2019-1024x768.jpg\" alt=\"\" width=\"1024\" height=\"768\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Workshop-on-R-aug-2019-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Workshop-on-R-aug-2019-300x225.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Workshop-on-R-aug-2019-768x576.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Workshop-on-R-aug-2019-150x113.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Workshop-on-R-aug-2019.jpg 1032w\" sizes=\"auto, (max-width: 1024px) 100vw, 1024px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1347\" class=\"wp-caption-text\">Fampiofanana momba ny logiciel R &#8211; Aogositra 2019<\/figcaption><\/figure>\n<ul>\n<li><strong>Fampiofanana<\/strong> momba ireo fomba sy teknika entina manangona ireo hay toro momba ny biby sy zavamaniry anaty ala, indrindra ny varika sy ny tontolony. Izy ity dia fiaraha-miasa niaraka tamin\u2019ny <a href=\"https:\/\/tropicalbiology.org\/\">Association for Tropical Biology and Conservation<\/a>, natao tamin\u2019ny Jolay 2019 tao Andasibe ary notontosaina niaraka tamin\u2019ny MZBA sy Association Mitsinjo.<\/li>\n<li>\u201c<strong>Hiakan\u2019ny Ala<\/strong>\u201d: Hetsika nifandrombonana tamin\u2019ny mponina mipetraka akaikin\u2019ny alan\u2019i Ihofa any amin\u2019ny faritra atsinanan\u2019i Madagasikara, mba ho fampahafantarana bebe kokoa momba ny harena voajanahary ary ny tokony hijariana sy hiarovana izany. Tamin\u2019ny volana Novambra 2018 no nanaovana ny andiany voalohany.<\/li>\n<\/ul>\n<div id='gallery-1' class='gallery galleryid-1340 gallery-columns-2 gallery-size-medium'><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/hiakanny-ala\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"200\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala-300x200.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-1-1342\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala-768x512.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala-150x100.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-1-1342'>\n\t\t\t\tHiakan&#8217;ny Ala 2018\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure><figure class='gallery-item'>\n\t\t\t<div class='gallery-icon landscape'>\n\t\t\t\t<a href='https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/nancia-t-hiakanny-ala-nov-2018\/'><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" width=\"300\" height=\"200\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Nancia-t@-Hiakanny-Ala-Nov-2018-300x200.jpg\" class=\"attachment-medium size-medium\" alt=\"\" aria-describedby=\"gallery-1-1343\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Nancia-t@-Hiakanny-Ala-Nov-2018-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Nancia-t@-Hiakanny-Ala-Nov-2018-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Nancia-t@-Hiakanny-Ala-Nov-2018-768x512.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Nancia-t@-Hiakanny-Ala-Nov-2018-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Nancia-t@-Hiakanny-Ala-Nov-2018-150x100.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Nancia-t@-Hiakanny-Ala-Nov-2018.jpg 1728w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/a>\n\t\t\t<\/div>\n\t\t\t\t<figcaption class='wp-caption-text gallery-caption' id='gallery-1-1343'>\n\t\t\t\tNancia nandritra ny Hiakan&#8217;ny Ala-Novambra 2018\n\t\t\t\t<\/figcaption><\/figure>\n\t\t<\/div>\n\n<ul>\n<li><strong>Atrikasa<\/strong> mahakasika ny Fanaparitahana ny Vihy \u201c<strong>Seed Dispersal in the Anthopocene<\/strong>\u201d tamin\u2019ny volana Jolay 2018 tany Andasibe, natao ho an\u2019ny mpianatra sy mpikaroka ary teknisianina izay liana amin\u2019io sehatra io. Niarahana nanatontosa tamin\u2019ny MZBA sy Association Mitsinjo.<\/li>\n<\/ul>\n<figure id=\"attachment_1346\" aria-describedby=\"caption-attachment-1346\" style=\"width: 1024px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1346 size-large\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Seed-Dispersal-Workshop-participants-Andasibe-Jul-2018-1024x683.jpg\" alt=\"\" width=\"1024\" height=\"683\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Seed-Dispersal-Workshop-participants-Andasibe-Jul-2018-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Seed-Dispersal-Workshop-participants-Andasibe-Jul-2018-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Seed-Dispersal-Workshop-participants-Andasibe-Jul-2018-768x512.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Seed-Dispersal-Workshop-participants-Andasibe-Jul-2018-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Seed-Dispersal-Workshop-participants-Andasibe-Jul-2018-150x100.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Seed-Dispersal-Workshop-participants-Andasibe-Jul-2018.jpg 1944w\" sizes=\"auto, (max-width: 1024px) 100vw, 1024px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1346\" class=\"wp-caption-text\">Ireo nandray anjara rehetra tamin&#8217;ny workshop &#8220;Seed dispersal in the Anthropocene&#8221;<\/figcaption><\/figure>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li><strong>Fizarana<\/strong> amin\u2019ny alalan\u2019ny tambazotra sosialy Facebook ho fanamarihana ny andro manerantany ho an\u2019ny harena voajanahary sy ny andro manerantany ho an\u2019ny tontolo iainana : fahalalana ankapobeny mahakasika ny karazana zavamananaina misy eto Madagasikara sy ny anjara toerana eo amin\u2019ny tontolo iainantsika olombelona isan\u2019andro nanomboka ny volana May 2020.<\/li>\n<li><strong>Fampianarana manisa sy manoratra ho an\u2019ireo ankizy kely<\/strong> any amin\u2019ny faritry ny alan\u2019i Ihofa, sy famatsiana fitaovam-pampianarana ho an\u2019ny sekoly vao natsangan\u2019ny fokonolona. Fanampiana ihany koa ireo tanora amin\u2019ny sehatra maro samihafa, toy ny fianarana teny anglisy sy frantsay ary fampahafantarana ny solosaina amin\u2019ny ankapobeny.<\/li>\n<\/ul>\n<figure id=\"attachment_1348\" aria-describedby=\"caption-attachment-1348\" style=\"width: 1024px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1348 size-large\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Rindra-mampianatra-ankizy-kely-tany-Ihofa-t@-mbola-tsy-nitsangana-ilay-sekoly-Nov-2018-1024x683.jpg\" alt=\"\" width=\"1024\" height=\"683\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Rindra-mampianatra-ankizy-kely-tany-Ihofa-t@-mbola-tsy-nitsangana-ilay-sekoly-Nov-2018-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Rindra-mampianatra-ankizy-kely-tany-Ihofa-t@-mbola-tsy-nitsangana-ilay-sekoly-Nov-2018-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Rindra-mampianatra-ankizy-kely-tany-Ihofa-t@-mbola-tsy-nitsangana-ilay-sekoly-Nov-2018-768x512.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Rindra-mampianatra-ankizy-kely-tany-Ihofa-t@-mbola-tsy-nitsangana-ilay-sekoly-Nov-2018-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Rindra-mampianatra-ankizy-kely-tany-Ihofa-t@-mbola-tsy-nitsangana-ilay-sekoly-Nov-2018-150x100.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Rindra-mampianatra-ankizy-kely-tany-Ihofa-t@-mbola-tsy-nitsangana-ilay-sekoly-Nov-2018.jpg 1728w\" sizes=\"auto, (max-width: 1024px) 100vw, 1024px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1348\" class=\"wp-caption-text\">Rindra mampianatra ankizy kely tany Ihofa tamin&#8217;ny fotoana mbola tsy nampisy ny sekoly- Novambra 2018<\/figcaption><\/figure>\n<h2><strong>Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin\u2019ny ho avy?\u00a0<\/strong><\/h2>\n<ul>\n<li>Hikarakaka ny Hiakan\u2019ny Ala andiany faharoa<\/li>\n<li>Hanatanteraka fiofanana samihafa ho an\u2019ny mpianatra eny anivon\u2019ny Oniversite<\/li>\n<li>Hanampy amin\u2019ny fampivelarana ny mponina any amin\u2019ny ala iasana<\/li>\n<li>Hampiatra ireo voka-pikarohana vita teo aloha eny amin\u2019ny toerana iasanay<\/li>\n<li>Hiezaka hizara fahalalana amin\u2019ny fomba tsotra mba hifandraisan\u2019ny siansa sy ny fiainana andavan\u2019andro<\/li>\n<\/ul>\n<div class=\"woo-sc-hr\"><\/div>\n<h2><strong>Inona avy ireo fepetra takiana raha te-hiditra ho mpikambana?<\/strong><\/h2>\n<blockquote><p>Izay Malagasy manohana ny vina, foto-pisiana ary ny tanjon\u2019ny fikambanana dia afaka manao fangatahana hiditra ho mpikambana ato amin\u2019i Ary Saina avokoa. Mila olona iray farafahakeliny efa mpikambana anefa manohana ilay fangatahana.<\/p><\/blockquote>\n<p>Indray mandeha isan-taona izahay no mandray mpikambana vaovao. Mandefa rohy eo amin\u2019ny tambazotra sosialy Facebook sy ny tranokala izahay rehefa tonga izay fotoana izay.<\/p>\n<h2><strong>Inona avy ireo asa il\u00e0na fiaraha-miasa sy famatsiana?<\/strong><\/h2>\n<blockquote><p>Ny tena ilanay famantsiam-bola amin\u2019izao dia fanampiana amin\u2019ny fananganana sekoly ho an\u2019ny ankizy any Ihofa. Adiny valo miala amin\u2019ny tan\u00e0na eo no misy sekoly akaiky indrindra teo aloha; noho izany, vitsy amin\u2019ireo ankizy no afaka mandeha mamonjy sekoly.<\/p><\/blockquote>\n<p>Nanapa-kevitra ireo mponina eo an-toerana ny hanangana sekoly tsotsotra mba hahafahan\u2019izy ireo mianatra na dia ny mianatra manoratra abidy sy manisa fotsiny aza. Tsy ampy anefa ny fitaovana misy ao aminy ary mbola tsy zarizary ilay sekoly satria na dia ny dabilio ampiasaina ary mbola tsy zarizary. Mila fanohanana ihany koa arak\u2019izany ireo olona manolo-tena ny hampianatra any, satria olona milatsaka an-tsitra-po izy mirahavavy mpampianatra, ka izay enti-manana kely misy avy amin\u2019ny ray aman-dreny no ivelomany.<\/p>\n<h2>\u00a0 <strong>Inona no hafatra ho an\u2019ny mpamaky?<\/strong><\/h2>\n<blockquote><p>Misokatra amin\u2019ny fiaraha-miasa rehetra izahay, na eo amin\u2019ny sehatry ny fikarohana na ny fampiofanana na ny fanabeazana, ka manentana anao hifandray amin\u2019ny alalan\u2019ny mailaka (<a href=\"mailto:arysainamadagascar@gmail.com\">arysainamadagascar@gmail.com<\/a>) raha te hiara-hiasa aminay.<\/p><\/blockquote>\n<div class=\"woo-sc-box  normal   \">\n<h2><strong>Raha te-hahalala bebe kokoa sy te-hifandray amin\u2019ny Fikambanana Ary Saina<\/strong><\/h2>\n<ul>\n<li>Tsidiho ny tranokala eto <a href=\"http:\/\/arysaina.weebly.com\/\">amin\u2019ity rohy ity<\/a>.<\/li>\n<li>Misy ihany koa ny Pejy Facebook izay azonao tsidihina eto <a href=\"https:\/\/www.facebook.com\/arysaina.mada\/\">amin\u2019ity rohy ity<\/a><\/li>\n<li>Raha te-hahafantatra bebe kokoa momba ny ekipa, dia tsidiho <a href=\"http:\/\/arysaina.weebly.com\/our-team.html\">ity rohy ity<\/a>.<\/li>\n<\/ul>\n<\/div>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p> Mahafaly anay eto amin&#8217;ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny <a href=\"http:\/\/arysaina.weebly.com\/\">fikamb&#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":7,"featured_media":1342,"comment_status":"closed","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"default","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"categories":[4],"tags":[8,6],"class_list":["post-1340","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-bilaogy","tag-fanabeazana","tag-mpitarika-eo-aminny-sehatry-ny-fiarovana"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Mahafaly anay eto amin&#039;ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny fikamb... Tohiny \u00bb\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:published_time\" content=\"2020-06-11T11:37:42+00:00\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2020-09-21T13:58:22+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"2048\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"1365\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"author\" content=\"Seheno Corduant\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Written by\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"Seheno Corduant\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:label2\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data2\" content=\"6 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"Article\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/#article\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/\"},\"author\":{\"name\":\"Seheno Corduant\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c\"},\"headline\":\"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary\",\"datePublished\":\"2020-06-11T11:37:42+00:00\",\"dateModified\":\"2020-09-21T13:58:22+00:00\",\"mainEntityOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/\"},\"wordCount\":1256,\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/06\\\/Hiakanny-Ala.jpg\",\"keywords\":[\"fanabeazana\",\"mpitarika eo amin'ny sehatry ny fiarovana\"],\"articleSection\":[\"Bilaogy\"],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/\",\"name\":\"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/06\\\/Hiakanny-Ala.jpg\",\"datePublished\":\"2020-06-11T11:37:42+00:00\",\"dateModified\":\"2020-09-21T13:58:22+00:00\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/06\\\/Hiakanny-Ala.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2020\\\/06\\\/Hiakanny-Ala.jpg\",\"width\":2048,\"height\":1365,\"caption\":\"Hiakan'ny Ala 2018\"},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}},{\"@type\":\"Person\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/person\\\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c\",\"name\":\"Seheno Corduant\",\"image\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"url\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/secure.gravatar.com\\\/avatar\\\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g\",\"caption\":\"Seheno Corduant\"},\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/author\\\/seheno\\\/\"}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary - Lemur Conservation Network","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary - Lemur Conservation Network","og_description":"Mahafaly anay eto amin'ny Lemur Conservation Network no mampahafantatra ny fikamb... Tohiny \u00bb","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_published_time":"2020-06-11T11:37:42+00:00","article_modified_time":"2020-09-21T13:58:22+00:00","og_image":[{"width":2048,"height":1365,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala.jpg","type":"image\/jpeg"}],"author":"Seheno Corduant","twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Written by":"Seheno Corduant","Est. reading time":"6 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"Article","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/#article","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/"},"author":{"name":"Seheno Corduant","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c"},"headline":"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary","datePublished":"2020-06-11T11:37:42+00:00","dateModified":"2020-09-21T13:58:22+00:00","mainEntityOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/"},"wordCount":1256,"publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala.jpg","keywords":["fanabeazana","mpitarika eo amin'ny sehatry ny fiarovana"],"articleSection":["Bilaogy"],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/","name":"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala.jpg","datePublished":"2020-06-11T11:37:42+00:00","dateModified":"2020-09-21T13:58:22+00:00","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala.jpg","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2020\/06\/Hiakanny-Ala.jpg","width":2048,"height":1365,"caption":"Hiakan'ny Ala 2018"},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/fikambanana-ary-saina-mpikaroka-malagasy\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Fikambanana Ary Saina : Fikambanana mpikaroka Malagasy mivondrona hampiroborobo ny fikarohana siantifika ho fitaovana entina miaro sy mitantana ny harena voajanahary"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}},{"@type":"Person","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/person\/9af00dca9cb5c97feb2c2389c9f4ce0c","name":"Seheno Corduant","image":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","url":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","contentUrl":"https:\/\/secure.gravatar.com\/avatar\/e521def082f9f07270f66e907e10923f123f93be861bd5df1148eda3b69bc7fe?s=96&r=g","caption":"Seheno Corduant"},"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/author\/seheno\/"}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1340","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/7"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1340"}],"version-history":[{"count":8,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1340\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1478,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1340\/revisions\/1478"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1342"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1340"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1340"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1340"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}