{"id":39,"date":"2015-06-18T00:43:07","date_gmt":"2015-06-18T00:43:07","guid":{"rendered":"http:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?page_id=39"},"modified":"2019-01-06T15:36:09","modified_gmt":"2019-01-06T12:36:09","slug":"momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra","status":"publish","type":"page","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/","title":{"rendered":"Momba ny Gidro\/Varika tsara ho fantatra"},"content":{"rendered":"<h2>Ny Gidro\/varika<\/h2>\n<h3>Mahery ny 100 ny isan&#8217;ny karazana varika eto Madagasikara ! Reharehantsika izany!<\/h3>\n<p>Efa tsy vaovao firy amintsika intsony angamba izany hoe Gidro\/varika izany satria dia mety ho efa rentsika sy hitantsika matetika eny amin\u2019ireny haino aman-jery isan-karazany ireny.<\/p>\n<p>Na izany ary anefa dia tsara ny mamerina etoana fa tokony ho reharehantsika Malagasy ny fananantsika izany Gidro\/varika izany satria dia eto Madagasikara\u00a0irery ihany no ahitana azy ireny\u00a0ary tena mahaliana ny vahiny any ivelany ny fisian&#8217;izy ireo izay anisan\u2019ny biby efa ela nisiana teto an-tany satria dia voasokajy ho anisan\u2019ny \u00ab\u00a0primates\u00a0\u00bb.<\/p>\n<p><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-190\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421-200x300.jpg\" alt=\"IMG_8142\" width=\"217\" height=\"326\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421-200x300.jpg 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421-683x1024.jpg 683w\" sizes=\"auto, (max-width: 217px) 100vw, 217px\" \/><\/a><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_7620.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-185\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_7620-200x300.jpg\" alt=\"IMG_7620\" width=\"218\" height=\"327\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_7620-200x300.jpg 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_7620-683x1024.jpg 683w\" sizes=\"auto, (max-width: 218px) 100vw, 218px\" \/><\/a> <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_7586.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-184\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_7586-200x300.jpg\" alt=\"IMG_7586\" width=\"217\" height=\"326\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_7586-200x300.jpg 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_7586-683x1024.jpg 683w\" sizes=\"auto, (max-width: 217px) 100vw, 217px\" \/><\/a><\/p>\n<h2>Ahoana moa no nahatonga ny varika teto Madagasikara\u00a0?<\/h2>\n<p>I Madagasikara araky ny fikarohana nataon\u2019ireo manam-pahaizana maro dia \u00a0niaraka tamina kontineta lehibe iray izay antsoina hoe Gondwana \u00a0ary nisaraka tamin\u2019izay noho ny fiparitahan\u2019 izy io efa ho -35 tapitrisa \u00a0taona talohan&#8217;i Jesoa Kristy. \u00a0Ary \u00a0efa ho 135 tapitrisa taona izao no voalaza ny arkelejianina fa tafasaraka tamin\u2019i Afrika Madagasikara, izay kontineta lehibe indrindra manakaiky sy misy azy. Noho izany dia \u00a0betsaka ireo biby sy zava-maniry tsy hita na aiza na aiza afa tsy eto Madagasikara \u00a0ary tsara ny manamarika \u00a0fa \u00a0ny valopolo isan-jaton&#8217;izay karazam-biby sy karazan-javatra misy eto amintsika no voakasik&#8217;izany.<\/p>\n<p>5% ny zava-maniry misy eto an-tany dia \u00a0tsy hita raha tsy eto Madagasikara kanefa dia 0,4% ihany no mba haben\u2019ny tany eto Madagasikara raha mihoatran\u2019ny planeta tany.<\/p>\n<p>Anisan\u2019izany ny gidro\/varika izay nambaran\u2019 ireo mpikaroka sy manam-pahaizana fa tonga teto Madagasikara efa ho 62- 65 tapitrisa taona izao \u00a0ary sombin-tany sy zava-maniry nentin\u2019ny ria-drano avy any Afrika nankaty Madagasikara no nitondra azy ireo.<\/p>\n<p>Rehefa tonga teto Madagasikara ary ireo karazana gidro\/varika dia nanori-ponenana ary nizatra sy nanova ny fomba fiainany mba hanaraka ny vanin\u2019andro nisy teto Madagasikara.<\/p>\n<p><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0332.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-140\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0332-200x300.jpg\" alt=\"IMG_0332\" width=\"217\" height=\"326\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0332-200x300.jpg 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0332-683x1024.jpg 683w\" sizes=\"auto, (max-width: 217px) 100vw, 217px\" \/><\/a><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0474.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-141\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0474-200x300.jpg\" alt=\"IMG_0474\" width=\"216\" height=\"325\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0474-200x300.jpg 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0474-683x1024.jpg 683w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0474.jpg 1699w\" sizes=\"auto, (max-width: 216px) 100vw, 216px\" \/><\/a> <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0795.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-148\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0795-200x300.jpg\" alt=\"IMG_0795\" width=\"215\" height=\"324\" \/><\/a><\/p>\n<h2>Ireo karazana gidro\/varika misy eto Madagasikara<\/h2>\n<p>Tsy mitsahatra mitombo ny karazan\u2019ireo gidro\/varika fantatra fa misy eto Madagasikara \u00a0hatramin\u2019izay nisian\u2019ny fikarohana momba azy ireny. Tamin\u2019ny fanisana farany dia fantatra fa misy 5 ny fianakaviam-be ny varika eto Madagasikara ka mitsinjara ho 15 ny \u201cgenre\u201d , 99 karazany ary \u00a0110 taxa.<\/p>\n<p>Betsaka ihany koa anefa ireo karazana gidro\/varika lehibe izay mahatratra hatrany amin\u2019ny 200 kg ny halehibeny no fantatra fa lany tamingana noho ny fahasimban\u2019ny tontolo iainan\u2019izy ireo.<\/p>\n<p><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_02431.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-209\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_02431-200x300.jpg\" alt=\"IMG_0243\" width=\"235\" height=\"353\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_02431-200x300.jpg 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_02431-683x1024.jpg 683w\" sizes=\"auto, (max-width: 235px) 100vw, 235px\" \/><\/a><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/10974724_790057591087434_3751918827532106690_o.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-212\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/10974724_790057591087434_3751918827532106690_o-169x300.jpg\" alt=\"10974724_790057591087434_3751918827532106690_o\" width=\"198\" height=\"352\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/10974724_790057591087434_3751918827532106690_o-169x300.jpg 169w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/10974724_790057591087434_3751918827532106690_o-576x1024.jpg 576w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/10974724_790057591087434_3751918827532106690_o.jpg 1152w\" sizes=\"auto, (max-width: 198px) 100vw, 198px\" \/><\/a><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_03321.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-213\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_03321-200x300.jpg\" alt=\"IMG_0332\" width=\"234\" height=\"352\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_03321-200x300.jpg 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_03321-683x1024.jpg 683w\" sizes=\"auto, (max-width: 234px) 100vw, 234px\" \/><\/a><\/p>\n<h2>Ny Gidro\/varika sy ny finoantsika malagasy<\/h2>\n<p>Iaraha-mahalala fa ireo karazana fady maro isan-karazany dia anisan\u2019ny manana anjara toerana lehibe eo amin\u2019ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina Malagasy. Indrindra fa ho an\u2019ireo mponina any ambanivohitra izay mitazona fatratra ireo fomba amam-panao netim-paharazana.<\/p>\n<p>Amin\u2019ny kolontsaina Malagasy ihany koa moa dia manan-jiny ny biby izay fantantsika amin\u2019ny antsoina hoe \u00a0\u00ab\u00a0ambiroa\u00a0\u00bb noho izany dia betsaka ireo finoana nisy teo \u00a0amin\u2019ny Malagasy momba ny famonoanoam-poana ny biby \u00a0iray ohatra na ihany koa ny fahitana biby iray \u00a0dia mety hiteraka \u00a0loza.<\/p>\n<p>Ho hitantsika manaraka eto ireo fady mikasika ny gidro\/varika izay misy. Misy ny fady izay manampy azy ireo ho voaaro ary misy ihany koa ireo fady mampirisika ny hafa hamono azy ireny.<\/p>\n<ul>\n<li>Any amin\u2019ny faritr\u2019i Fianarantsoa iny ohatra indrindra fa any Ambatofinandrahana dia fady ny mampijaly ny \u00a0gidro\/varika satria raha maty izy ireny vokatry ny fampijaliana azy dia hiaran- doza ka tsy ho afa-bela \u00a0ireo izay nahavanona \u00a0izany.<\/li>\n<\/ul>\n<ul>\n<li>Ny &#8220;aye-aye\u00a0\u00bb na ihany koa fantatra amin\u2019ny teny Malagasy hoe: hay-hay, ahay, bekapaky, karapapaky \u00a0kosa dia inoan\u2019ny ankabeazany Malagasy fa fambara loza \u00a0ka noho izany dia mila vonoina \u00a0ary atsatoka amin\u2019ny hazo ka\u00a0avela eny amoron-dalana ivelan\u2019ny tan\u00e0na mba ho hitan\u2019ny olona ary ho lasana miaraka amin\u2019izany ny loza saika nentiny. Mahavariana tokoa raha ny mikasika ity karazana\/gidro ity satria dia miovaova araky ny tanana ny antony nahatonga ny fady. Na eo ary anefa izany, dia misy tan\u00e0na iray any amin\u2019 ny faritra Toamasina iny, ao amin\u2019ny distrikan\u2019i Marolambo izay manohatra tanteraka izany fady izany satria dia fady ny mamono, na maneso eny fa na dia ny mihomehy azy ireny aza satria dia hinoan\u2019ny mponina ao amin\u2019io tan\u00e0na kely io fa \u00a0manana hery miafina izy ireny.<\/li>\n<\/ul>\n<ul>\n<li>Ity manaraka ity kosa dia miresaka manokana momba \u00a0ireo babakoto \u00ab\u00a0indri-indri\u00a0\u00bb(babakoto, amboa ala) \u00a0sy ny \u00ab\u00a0prophiteques\u00a0\u00bb (sifaka, simpona na tsibahaka) izay \u00a0fantatra fa fady ny \u00a0mamono \u00a0azy ireny satria dia hinoan\u2019ny mponina \u00a0any amin\u2019ny faritra misy azy ireo fa mitondra soa izy ireny ary razambe noho ny fisian\u2019ny fitovizana eo amin\u2019ny olombelona.<\/li>\n<\/ul>\n<ul>\n<li>Ny &#8220;Microc\u00e8bes&#8221;( tsididy \u00a0na ilay karazana gidro \/varika \u00a0sy ny Avahi kely indrindra \u00a0dia fady ny mihinana azy indrindra fa raha vehivavy bevohoka satria dia mety hanaraka an\u2019iny ary ho ratsy tarehy sy ho be voamaso ilay zaza ao an-kibo.<\/li>\n<\/ul>\n<p><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0966.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-218\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0966-300x200.jpg\" alt=\"IMG_0966\" width=\"240\" height=\"160\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0966-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0966-1024x683.jpg 1024w\" sizes=\"auto, (max-width: 240px) 100vw, 240px\" \/><\/a> <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0984.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-219\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0984-300x200.jpg\" alt=\"IMG_0984\" width=\"240\" height=\"160\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0984-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0984-1024x683.jpg 1024w\" sizes=\"auto, (max-width: 240px) 100vw, 240px\" \/><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-217\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0945-300x200.jpg\" alt=\"IMG_0945\" width=\"240\" height=\"160\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0945-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0945-1024x683.jpg 1024w\" sizes=\"auto, (max-width: 240px) 100vw, 240px\" \/><\/a><\/p>\n<h2>Inona ny antony maha-ho lany tamingana azy ireny\u00a0?<\/h2>\n<p>Ho tanisana manaraka eto ny antony fantatra fa mahatonga \u00a0azy ireny ho atahorana ho lany tamingana.<\/p>\n<ul>\n<li>Ny antony anisan\u2019ny voalohany indrindra \u00a0dia ny fahasimban\u2019ny ala\u00a0: izay toeram-ponenany. \u00a0Raha rakotry ny ala i Madagasikara taloha dia zara raha ny 20% sisa no misy ala \u00a020 000 hatramin\u2019ny 30 000 ha isan-taona ny ala simba. \u00a0Ny Tavy, ny doro-tanety sy ny \u00a0fitrandrahana ny ala \u00a0ho atao saribao , fanaka sy ny tariny indrindra any amin\u2019ny faritr\u2019i Masoala iny izay betsaka hazo \u00a0lafo vidy tokoa raha amidy any ivelany toy ny andramena (bois de rose) sy ny hazomainty (Eb\u00e8ne). Ho fanampin\u2019izany ny fiovaovan\u2019ny toetr\u2019andro izay vokatry ny fahasimban\u2019ny tontolo iainana amin\u2019ny akanpobeny.<\/li>\n<\/ul>\n<ul>\n<li>Ny fihinana sy ny fihazana azy ireny\u00a0: ny haitany sy ny mosary any amin\u2019ny faritra atsimo indrindra indrindra ohatra dia mitarika ny olona hihaza sy hihinana azy ireny noho ny tsy fampian\u2019ny sakafo. Ao ihany koa ireo gidro\/varika izay misy miompy ary ambara etoana\u00a0\u00a0fa voasazin&#8217; ny lal\u00e0na ny fanaovana izany.<\/li>\n<\/ul>\n<ul>\n<li>Ny \u00a0Fady, ekena fa ny fisian\u2019ny fady dia manampy amin\u2019ny fiarovana \u00a0ny karazana gidro\/varika sasany saingy mampirisika ihany koa ny famonoana \u00a0ireo karazany hafa heverina fa mitondra loza. Noho izany, dia ilaina ny fanabeazana ifototra ny tokony hiarovana azy ireny.<\/li>\n<\/ul>\n<p><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0809.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-216\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0809-300x200.jpg\" alt=\"IMG_0809\" width=\"349\" height=\"232\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0809-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0809-1024x683.jpg 1024w\" sizes=\"auto, (max-width: 349px) 100vw, 349px\" \/><\/a> <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_10201.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-226\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0025-300x200.jpg\" alt=\"IMG_0025\" width=\"346\" height=\"230\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0025-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0025-1024x683.jpg 1024w\" sizes=\"auto, (max-width: 346px) 100vw, 346px\" \/><\/a><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0767.jpg\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-147\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0767-300x200.jpg\" alt=\"IMG_0767\" width=\"350\" height=\"233\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0767-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_0767-1024x683.jpg 1024w\" sizes=\"auto, (max-width: 350px) 100vw, 350px\" \/><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone wp-image-208\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_10201-300x200.jpg\" alt=\"IMG_1020\" width=\"352\" height=\"233\" \/><\/a><\/p>\n<h2>Fa maninona izy ireny no mila arovana\u00a0?<\/h2>\n<p>Betsaka ny olona no manontany hoe fa maninona izy ireny no handaniana vola sy hilaina fiarovana\u00a0?<\/p>\n<h3>Ireto ary ny antony\u00a0:<\/h3>\n<ul>\n<li>Voalohany indrindra dia mampiroborobo ny toe-karena Malagasy izy ireny noho ny fizahan-tany. Ny ankamaroany ny mpizaha tany dia mirodorodo mankaty amintsika mba hizaha sy hijery izany hoe gidro\/varika izany satria dia eto amintsika ihany maneran-tany no hahitana azy ireny. \u00a0Fanampin\u2019izany, dia betsaka ary tsy voatanisa \u00a0ireo Malagasy \u00a0sy ankohonana mivelona amin\u2019izany fizahan-tany izany\u00a0: raha tsy hitanisa afa tsy ny mpitondra mpizaha-tany, ireo miasa amin\u2019ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoanana lehibe. Ireo miasa amin\u2019ny parka sy ireo mpanao asa tanana madinika izay mivelona amin\u2019ny fivarotany izany\u00a0amin\u2019ireo vahiny.<\/li>\n<li>Manarakarak\u2019izany dia ny fiarovana azy ireny ihany koa dia miteraka mazava ho azy ny fiarovana ny tontolo ianana, ny fiarovana ny ala izay toeram-ponenany. \u00a0Marihina fa ny ala dia miantoka ny fahaveloman-dra Olombelona. \u00a0Ka ny fitsinjovana azy ireny dia mitsinjo ihany koa ny ho aviny ny taranaka fara aman-dimby any aoriana.<\/li>\n<li>Manaparitaka ny voankazo satria tsy vitan\u2019ny hoe toerana fatoriny sy fonenan&#8217;ny varika\/Gidro ihany ny hazo fa lasa sakafony ihany koa &#8211; &#8221; Seed dispersers&#8221; moa no fiantso ireo izay manao izany. Misy ny fikarohana manaporofo fa malaky kokoa ny fanirin\u2019ny voankazo avy amin\u2019ny tain\u2019ireo varika ireo.<\/li>\n<li>Mpitati-bovobony (agent pollinisateur) ho an\u2019ny karazan-kazo sasany koa ny varika satria amin&#8217;ny\u00a0\u00a0alalan\u2019ny fikarohany ny mamy (nectar) amin&#8217; ilay voninkazo no mahatonga ny vony lahy sy vahy hifandra. Noho izany dia mandray anjara amin&#8217;ny fitazonana ny karazan-kazo ao an\u2019ala ireo varika ireo.<\/li>\n<li>Mari-pandrefesana\/pilazana (indicateurs) amin&#8217;ny \u00a0hatsarana na fiharatsian\u2019ny ala koa ny fisian\u2019ireo varika hita amina\u00a0faritra iray. Rehefa tsy ao intsony ireo dia tsy manana izay fambara izay intsony ny olombelona.<\/li>\n<\/ul>\n<h2>Ampio izahay hiaro ireo gidro\/varika sy ireo fonenany<\/h2>\n<p>Ny Lemur Conservation Network dia anisan&#8217;ny tranokala iray ahafahanao mandray anjara amin&#8217;ny fiarovana ireo gidro\/varika ka amin&#8217;izany mandray anjara lehibe amin&#8217;ny fiarovana azy ireny tsy lany tamingana ianao.<\/p>\n<p>Anisan&#8217;ny anjara asan&#8217;ny Lemur Conservation Network ny manampy ireo mpikambana ao aminy amin&#8217;ny fampiroboroina ny asan&#8217;izy ireo sy ny fampahafantarana azy ireo bebe kokoa any amin&#8217;ny tranonkala sy ireo tambazotra sosialy. Jereo ato amin&#8217;ny tranonkala fa maro ireo <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-lemur-conservation-network\/ireo-mpikambana-ato-aminay\/\">fikambanan-dehibe<\/a> vahiny fa maro ihany koa ny fikambanan-dehibe na ONG tarihin&#8217;ny Malagasy.<\/p>\n<p>Afaka manampy anay amin&#8217;ny alal\u00e0n&#8217;ny fandraisana anjara amin&#8217;ny fanoratana takelaka fanehoan-kevitra ianao. Aza misalasala mifandray aminay <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-lemur-conservation-network\/raha-te-hifandray-aminny-lemur-conservation-network\/\">eto<\/a>.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Ny Gidro\/varika<br \/>\nMahery ny 100 ny isan&#8217;ny karazana varika eto Madagasikara ! Reharehantsika izany!<br \/>\nEfa tsy vaovao firy &#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":1,"featured_media":0,"parent":0,"menu_order":0,"comment_status":"open","ping_status":"open","template":"","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"default","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"class_list":["post-39","page","type-page","status-publish","hentry"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Momba ny Gidro\/Varika tsara ho fantatra - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Momba ny Gidro\/Varika tsara ho fantatra - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Ny Gidro\/varika Mahery ny 100 ny isan&#039;ny karazana varika eto Madagasikara ! Reharehantsika izany! Efa tsy vaovao firy ... Tohiny \u00bb\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2019-01-06T12:36:09+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421-200x300.jpg\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"7 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\\\/\",\"name\":\"Momba ny Gidro\\\/Varika tsara ho fantatra - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/IMG_81421-200x300.jpg\",\"datePublished\":\"2015-06-18T00:43:07+00:00\",\"dateModified\":\"2019-01-06T12:36:09+00:00\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/IMG_81421.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/IMG_81421.jpg\",\"width\":3456,\"height\":5184},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Momba ny Gidro\\\/Varika tsara ho fantatra\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Momba ny Gidro\/Varika tsara ho fantatra - Lemur Conservation Network","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Momba ny Gidro\/Varika tsara ho fantatra - Lemur Conservation Network","og_description":"Ny Gidro\/varika Mahery ny 100 ny isan'ny karazana varika eto Madagasikara ! Reharehantsika izany! Efa tsy vaovao firy ... Tohiny \u00bb","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_modified_time":"2019-01-06T12:36:09+00:00","og_image":[{"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421-200x300.jpg","type":"","width":"","height":""}],"twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Est. reading time":"7 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/","name":"Momba ny Gidro\/Varika tsara ho fantatra - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421-200x300.jpg","datePublished":"2015-06-18T00:43:07+00:00","dateModified":"2019-01-06T12:36:09+00:00","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421.jpg","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/IMG_81421.jpg","width":3456,"height":5184},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-gidrovarika-tsara-ho-fantatra\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Momba ny Gidro\/Varika tsara ho fantatra"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/39","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/page"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/1"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=39"}],"version-history":[{"count":33,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/39\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":657,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/39\/revisions\/657"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=39"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}