{"id":2671,"date":"2022-01-26T16:18:37","date_gmt":"2022-01-26T13:18:37","guid":{"rendered":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?page_id=2671"},"modified":"2025-03-29T20:13:48","modified_gmt":"2025-03-29T17:13:48","slug":"ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika","status":"publish","type":"page","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/","title":{"rendered":"Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana"},"content":{"rendered":"<p>Ny varika no isan\u2019ireo biby mampinono tena tandindon-doza indrindra. Raha ny marina dia 98% amin\u2019ireo karazana varika no tandindon-doza, ary 31% amin\u2019izy ireo no tena tandindonin-doza na eo andalan&#8217;ny faharinganana ! Saingy inona no tena dikan&#8217;ny hoe &#8220;tandindon-doza&#8221; sy &#8220;tena tandindon-doza&#8221; \u00a0sy hoe &#8220;eo andalan&#8217;ny faharinganana?<\/p>\n<h4>Vakio eto ambany ny fianarana momba ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN, ny fanombatombanany ny satan\u2019ireo karazan-java-boahary eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana manerana an&#8217;izao tontolo izao, ary izay lazain&#8217;ny Lisitra Mena momba ny varika.<\/h4>\n<ul>\n<li><a href=\"#1\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignright wp-image-2681 size-thumbnail\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/iucn-red-list-log-400x369-1-200x200.jpeg\" alt=\"\" width=\"200\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/iucn-red-list-log-400x369-1-200x200.jpeg 200w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/iucn-red-list-log-400x369-1-45x45.jpeg 45w\" sizes=\"auto, (max-width: 200px) 100vw, 200px\" \/>Inona ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN ?<\/a><\/li>\n<li><a href=\"#2\">Firy ny karazan-java-boahary ao amin&#8217;ny Lisitra Mena ary ahoana ny fisokajiana azy ireo ?<\/a><\/li>\n<li><a href=\"#3\">Impiry no nohavaozina ny Lisitra Mena ?<\/a><\/li>\n<li><a href=\"#4\">Inona no ambaran&#8217;ny Lisitra Mena 2020 momba ny varika ?<\/a><\/li>\n<li><a href=\"#5\">Ahoana ny fiovan\u2019ny satan&#8217;ny varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana tamin&#8217;ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2012 hatramin&#8217;ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2020 ?<\/a><\/li>\n<li><a href=\"#6\">Inona no dikan&#8217;ny hoe tena tandindon-doza ho an\u2019ny karazan-java-boahary iray ?<\/a><\/li>\n<li><a href=\"#7\">Inona no dikan&#8217;ny satan\u2019ny Lisitra Mena an&#8217;ny varika ho an\u2019ny fahavelomany eto Madagasikara ?<\/a><\/li>\n<\/ul>\n<p>Nalaina tao amin&#8217;ny &#8220;IUCN 2021. Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN momban\u2019ireo karazan-java-boahary atahorana ho lany tamingana. Andiany 2021-1. https:\/\/www.iucnredlist.org. Navoaka tamin&#8217;ny 1 aprily 2021&#8221;.<a id=\"1\"><\/a><\/p>\n<hr \/>\n<h3>Inona ny lisitra Mena an\u2019ny IUCN ?<\/h3>\n<p>Tamin&#8217;ny 1964, ny vondrona iraisam-pirenena ho an&#8217;ny fiarovana ny natiora (International Union for Conservation Nature-IUCN) dia nanangana ny Lisitra Mena an\u2019ireo karazan-java-boahary atahorana ho lany tamingana. Ny Lisitra Mena dia manome antsipiriany ny satan\u2019ireo karan-java-maniry sy karazana biby maneran-tany ary manome tombana momba ny satan\u2019ireo mponina, ny toerana onenana, ny ekolojia, ny fandrahonana misy, ary ny faritra ifantohan&#8217;ny fikarohana ho avy ho an&#8217;ny karazan-java-boahary rehetra.<\/p>\n<p>Fitaovana tena ilain&#8217;ny mpiaro tontolo iainana, governemanta, mpahay siansa, fahim-bibidia ary mpampianatra io lisitra io, satria manampy antsika hanombana ny fahasalaman&#8217;ny natiora maneran-tany, handrisika ny hetsika fiarovana sy ny fanovana ny politika, ary hampianatra ny vondron&#8217;olona mpiaro ny tontolo iainana sy ny sarambabem-bahoaka.<\/p>\n<p><a href=\"https:\/\/www.iucnredlist.org\/about\/background-history\">Raha hijery momba ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN<\/a><a id=\"2\"><\/a><\/p>\n<hr \/>\n<h3>Firy ny karazan-java-boahary ao amin&#8217;ny Lisitra Mena ary ahoana ny fisokajiana azy ireo ?<\/h3>\n<p>Efa mahery ny 120 000 izao no voatanisa ao anatin\u2019ny Lisitra Mena, anisan&#8217;izany ny biby mampinono, ny vorona, ny trondro ary ny haran-dranomasina. Ny zava-boahary tsirairay dia voatendry amin&#8217;ireo sokajy sivy izay mampiseho taratra ny satan\u2019izy ireo ao anaty ny natiora\u00a0: Tsy voadinika (NE), tsy ampy angona (DD), tsy misy ahiana (LC), Efa ho tandindonin-doza (NT), marefo (VU), tandindonin-doza (EN), tena tandindomin-doza na eo andalan&#8217;ny faharinganana\u00a0(CR), lany tamingana any an\u2019ala (EW), ary lany tamingana (EX).<\/p>\n<p><a href=\"https:\/\/www.iucnredlist.org\/about\/faqs#What%20are%20the%20Red%20List%20Categories%20and%20Criteria\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-2677 aligncenter\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/red-list-IUCN-status-400x82.jpg\" alt=\"\" width=\"576\" height=\"118\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/red-list-IUCN-status-400x82.jpg 400w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/red-list-IUCN-status-150x31.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/red-list-IUCN-status.jpg 641w\" sizes=\"auto, (max-width: 576px) 100vw, 576px\" \/>Raha hianatra momban\u2019 ireo sokajy ao anaty Lisitra Mena<\/a>. <a id=\"3\"><\/a><\/p>\n<hr \/>\n<h3>Impiry no nohavaozina ny Lisitra Mena ?<\/h3>\n<p>Ireo karazan-java-boahary dia tombanana isaky ny taona maromaro ao anatin&#8217;ny andian\u00e0 fihaonambe manerana an&#8217;izao tontolo izao. Izany dia atao miaraka amin&#8217;ireo mpahay siansa sy ireo manam-pahaizana momba ny fiarovana izay manana fahalalana manokana momban\u2019ireo zava-boahary tsirairay. Ny fanombanana farany natao dia vita tamin&#8217;ny taona 2020\u00a0; fanombanana taorian\u2019ny fanombanana natao tamin&#8217;ny 2012. <a id=\"4\"><\/a><\/p>\n<hr \/>\n<h3>Inona no ambaran\u2019ny Lisitra Mena 2020 momba ny varika ?<\/h3>\n<figure id=\"attachment_2678\" aria-describedby=\"caption-attachment-2678\" style=\"width: 320px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-2678 size-full\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/propithecus-verreauxi.jpg\" alt=\"\" width=\"320\" height=\"400\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/propithecus-verreauxi.jpg 320w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/propithecus-verreauxi-150x188.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 320px) 100vw, 320px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-2678\" class=\"wp-caption-text\">Sifaka (Propithecus verreauxi) ao Nahampoana Reserve. Anisan&#8217;ny karazana varika tena tandindonin-doza araka ny lisitry mena an&#8217;ny IUCN izy io. Sary: Domoina R.<\/figcaption><\/figure>\n<p>Saika ny karazana varika rehetra ankehitriny no voatanisa ao anatin&#8217;ny Lisitra Mena, ankoatr\u2019ireo karazany izay fantatra vao tsy ela izay. Ohatra amin\u2019izany ny Tsitsidin\u2019i Jonah (<em>Microcebus jonahi<\/em>).<\/p>\n<h4><em>Ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2020 dia mampiseho fa ny 98% amin&#8217;ireo karazana varika voatanisa rehetra \u2013 103 amin&#8217;ireo 107 voatanisa \u2013 no atahorana ho lany tamingana ankehitriny ary 33 karazana hafa no voatanisa ho tena tandindon-doza, ary iray kosa no voalaza fa lany tamingaana any an\u2019ala.<\/em><\/h4>\n<p>Ireo fanombanana nohavaozina ireo dia natao tamin\u2019ny alalan\u2019ny fandehanana anaty ala, ny fanarahana ireo biby nandritry ny taona maro, ary ny fanadihadiana sy fandalinana nataon&#8217;ny mpahay siansa manerana an&#8217;i Madagasikara. Karazana varika roa &#8211; Sifaka sy Tsitsidin\u2019i Madame Berthe \u2013 no noheverina ho tandindon-doza. Ankehitriny kosa izy ireo dia isan&#8217;ireo voatanisa ho tena tandindon-doza. Ireo varika roa ireo dia nihena an\u2019isa noho ny faharinganan&#8217;ny ala fonenany.<\/p>\n<p>Efatra amin&#8217;ireo karazana varika misy ihany no voalaza fa tsy atahorana ho lany tamingana, ka ny telo amin\u2019izany dia Tsitsidy ary ny iray kosa dia ny Matavy rambo. Izy ireo dia sokajiana ho tsy ampy angona na tsy misy ahiana. Ny fanombanana tamin&#8217;ny taona 2020 ihany koa dia nanasongadina ny loza miatra amin&#8217;ireo karazana varika manerana an&#8217;i Madagasikara, toy ny faharinganan\u2019ny toeram-ponenany sy ny fivarotana azy ireo.<\/p>\n<p><a href=\"https:\/\/www.lemurconservationnetwork.org\/wordpress\/wp-content\/uploads\/2021\/04\/IUCN-Red-List-Data-Lemurs.pdf\">Ireo angona rehetra mikasika ny Lisitra Mena an&#8217;ireo varika<\/a> <a id=\"5\"><\/a><\/p>\n<hr \/>\n<h3>Ahoana ny fiovan\u2019ny satan&#8217;ny varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana tamin&#8217;ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2012 hatramin&#8217;ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2020 ?<\/h3>\n<figure id=\"attachment_2680\" aria-describedby=\"caption-attachment-2680\" style=\"width: 400px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-2680 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur-400x311.jpg\" alt=\"\" width=\"400\" height=\"311\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur-400x311.jpg 400w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur-700x544.jpg 700w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur-768x597.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur-150x117.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur.jpg 963w\" sizes=\"auto, (max-width: 400px) 100vw, 400px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-2680\" class=\"wp-caption-text\">Bandro hita any amin&#8217;ny faritra Alaotra Mangoro. Sary: Durrell Madagascar.<\/figcaption><\/figure>\n<p>Tamin\u2019ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2012 dia hita fa ny 95% amin&#8217;ireo karazana varika no atahorana ho lany tamingana.<\/p>\n<h4><em>Araka izany dia tsikaritra ao amin\u2019ny fanavaozana ny Lisitra Mena 2020 fa nitombo 3% ireo karazana varika izay iharan-doza ankehitriny.<\/em><\/h4>\n<p>Roa tamin&#8217;ireo varika no nanana sata niakatra ho tena tandindomin-doza nandritry ny fanavaozana tamin\u2019ny taona 2012, dia ny Bandro (<i>Hapalemur alaotrensis<\/i>) sy ny Rajako na Akomba joby (<i>Propithecus perrieri<\/i>).<\/p>\n<p>Nandritry ny fanavaozana tamin\u2019ny taona 2020 kosa dia lasa 8 amin\u2019ireo sifaka 9 no tsikaritra fa tena tandindonin-doza. Ny Simpony na Simpona (<i>Propithecus edwardsi<\/i>) dia voatanisa ho tandindonin-doza. <a id=\"6\"><\/a><\/p>\n<hr \/>\n<h3>Inona no dikan&#8217;ny hoe tena tandindon-doza ho an\u2019ny karazan-java-boahary iray\u00a0?<\/h3>\n<p>Ny fanombanana ny Lisitra Mena dia manahirana ary tena sarotra hazavaina. Raha tsorina dia azo lazaina fa rehefa tena tandindon-doza ny karazan-java-boahary iray dia midika izany fa anaty ol\u00e0na tanteraka izy io. Raha tsy mamaha ireo ol\u00e0na izay mitarika ny fihenan\u2019izy ireo haingana isika, dia ho tara loatra ary mety ho lany tamingana any an&#8217;ala mihintsy ny karazan-java-boahary iray.<\/p>\n<p>Misy mason-tsivana efatra mamaritra ny sokajin\u2019ny karazan-java-boahary ao anatin&#8217;ny Lisitra Mena\u00a0: ny habetsakan&#8217;ny mponin\u2019ilay zava-boahary, ny faritra jeografika, ny haben&#8217;ny mponina ary ny tombana mety hahalany tamingana. Ny fironana sy ny tombana mety hahalany tamingana ny mponin\u2019ilay zava-manan&#8217;aina dia refesina ao anatin&#8217;ny 10 taona na taranaka 3, izay lava kokoa.<\/p>\n<hr \/>\n<h4><em>Ny karazan-java-boahary tena tandindonin-doza dia voafaritra ao anatin\u2019ireto mason-tsivana efatra manaraka ireto.<\/em><\/h4>\n<ol>\n<li style=\"list-style-type: none;\">\n<ol>\n<li><b>Ny habetsakan&#8217;ny mponina\u00a0:<\/b> Ny karazan-java-boahary tena tandindon-doza dia ahitana fihenan&#8217;ny mponina hatramin\u2019ny 80% na mihoatra ao anatin&#8217;ity vanim-potoana ity, na fihenana hatramin\u2019ny 90% raha toa ka fantatra, mbola azo ahodina ary tsy misy intsony ny antony mahatonga ny fihenany.<\/li>\n<li><b>Ny\u00a0 faritra jeografika\u00a0:<\/b> Kely dia kely, eo amin\u2019ny 100 kilometatra tora-droa na latsak\u2019izay, ny faritra jeografikan\u2019ny karazan-java-boahary tena tandindonin-doza.<\/li>\n<li><b>Ny haben&#8217;ny mponina\u00a0:<\/b> Azo sokajiana ho tena tandindonin-doza ny karazan-java-boahary iray raha misy 250 na latsak\u2019izay ny lehibe sy matotra amin&#8217;io karazana io miaina any anaty ala. Ireo lehibe sy matotra amin\u2019izy ireo no isaina satria zava-dehibe ny hahafantarana hoe firy sisa ireo mbola afaka manome taranaka any amin\u2019ny natiora. Ny Bandro (<em>Hapalemur alaotrensis<\/em>) ohatra dia heverina fa tena tandindomin-doza satria latsaky ny 250 ireo varika lehibe amin\u2019izy ireo. <b>Saingy, mbola misy 3.000 kosa izy ireo no tavela any amin\u2019ny natiora\u00a0!<\/b><\/li>\n<li><b>Ny tombana mety hahalany tamingana\u00a0:<\/b> Ataon\u2019ireo mpahay siansa ho tena tandindon-doza ny karazan-java-boahary iray raha toa ka mahatratra 50% na mihoatra ny tombana mety hahalany tamingana azy ity ao anatin\u2019ny 10 taona na taranaka 3 izay lava kokoa.<\/li>\n<\/ol>\n<\/li>\n<\/ol>\n<p><a href=\"https:\/\/www.iucnredlist.org\/resources\/summary-sheet\">Raha hijery ny takelaka famaritana<\/a> <a id=\"7\"><\/a><\/p>\n<hr \/>\n<h3>Inona no dikan&#8217;ny satan\u2019ny Lisitra Mena an&#8217;ny varika ho an\u2019ny fahavelomany eto Madagasikara ?<\/h3>\n<h4><em>Satria 98% amin\u2019ireo karazana varika no atahorana ho lany tamingana, dia zava-dehibe tokoa ho antsika rehetra ny miara-miasa hamonjy ireo varika mba tsy ho ringana.<\/em><\/h4>\n<figure id=\"attachment_2679\" aria-describedby=\"caption-attachment-2679\" style=\"width: 400px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-2679 size-full\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Pcandidus-with-baby.jpg\" alt=\"\" width=\"400\" height=\"268\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Pcandidus-with-baby.jpg 400w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Pcandidus-with-baby-150x101.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 400px) 100vw, 400px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-2679\" class=\"wp-caption-text\">Simpona fotsy reniny sy ny zanany. Sary: Jeffrey Gibbs<\/figcaption><\/figure>\n<p><b>Nahoana? <\/b>\u00a0Ireo mpikambana ao amin&#8217;ny Lemur Conservation Network dia miara-miasa amin&#8217;ny olona rehetra mba hahitana sy hametrahana vahaol\u00e0na amin&#8217;ireo loza mihatra amin\u2019ireo varika. Anisan&#8217;izany ny faharinganan\u2019ny ala fonenany, ny fihazana sy fivarotana azy ireo, ny karazan-java-boahary hafa mandripaka ary ny fiovan&#8217;ny toetr\u2019andro. Ny fanohanana sy fankaherezana ireo mponina eny ifotony sy ireo vondrom-piarahamonina siantifika ary ireo mpisehatra eo amin\u2019ny fiarovana ny tontolo iainana dia anisan&#8217;ny vahaolana maharitra izay manampy an&#8217;i Madagasikara sy ireo bibidia rehetra.<\/p>\n<p><a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/raha-te-hanampy\/\">Mandraisa anjara amin&#8217;ny fiarovana ny \u00a0varika<\/a><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Ny varika no isan\u2019ireo biby mampinono tena tandindon-doza indrindra. Raha ny marina dia 98% amin\u2019ireo karazana varika no&#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":7,"featured_media":2680,"parent":1564,"menu_order":0,"comment_status":"closed","ping_status":"closed","template":"","meta":{"site-sidebar-layout":"default","site-content-layout":"","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"default","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"set","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"class_list":["post-2671","page","type-page","status-publish","has-post-thumbnail","hentry"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"description\" content=\"Ambara matetika fa tandindonin-doza ireo varika. Misy ilay lisitra Mena an&#039;ny IUCN izay fikambanana maneran-tany ho an&#039;ny fiarovana ny natiora, izay mirakitra ireo karazana zava manan&#039;aina tandindonin-doza.\" \/>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Ambara matetika fa tandindonin-doza ireo varika. Misy ilay lisitra Mena an&#039;ny IUCN izay fikambanana maneran-tany ho an&#039;ny fiarovana ny natiora, izay mirakitra ireo karazana zava manan&#039;aina tandindonin-doza.\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2025-03-29T17:13:48+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur.jpg\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"963\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"748\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/jpeg\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"7 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\\\/\",\"name\":\"Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2022\\\/01\\\/Alaotra-gentle-lemur.jpg\",\"datePublished\":\"2022-01-26T13:18:37+00:00\",\"dateModified\":\"2025-03-29T17:13:48+00:00\",\"description\":\"Ambara matetika fa tandindonin-doza ireo varika. Misy ilay lisitra Mena an'ny IUCN izay fikambanana maneran-tany ho an'ny fiarovana ny natiora, izay mirakitra ireo karazana zava manan'aina tandindonin-doza.\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2022\\\/01\\\/Alaotra-gentle-lemur.jpg\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2022\\\/01\\\/Alaotra-gentle-lemur.jpg\",\"width\":963,\"height\":748},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Mianara momba ny varika\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/mianaramombanyvarika\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":3,\"name\":\"Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana - Lemur Conservation Network","description":"Ambara matetika fa tandindonin-doza ireo varika. Misy ilay lisitra Mena an'ny IUCN izay fikambanana maneran-tany ho an'ny fiarovana ny natiora, izay mirakitra ireo karazana zava manan'aina tandindonin-doza.","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana - Lemur Conservation Network","og_description":"Ambara matetika fa tandindonin-doza ireo varika. Misy ilay lisitra Mena an'ny IUCN izay fikambanana maneran-tany ho an'ny fiarovana ny natiora, izay mirakitra ireo karazana zava manan'aina tandindonin-doza.","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_modified_time":"2025-03-29T17:13:48+00:00","og_image":[{"width":963,"height":748,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur.jpg","type":"image\/jpeg"}],"twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Est. reading time":"7 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/","name":"Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur.jpg","datePublished":"2022-01-26T13:18:37+00:00","dateModified":"2025-03-29T17:13:48+00:00","description":"Ambara matetika fa tandindonin-doza ireo varika. Misy ilay lisitra Mena an'ny IUCN izay fikambanana maneran-tany ho an'ny fiarovana ny natiora, izay mirakitra ireo karazana zava manan'aina tandindonin-doza.","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur.jpg","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2022\/01\/Alaotra-gentle-lemur.jpg","width":963,"height":748},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/ny-lisitra-mena-anny-iucn-sy-ny-satanireo-varika\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Mianara momba ny varika","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/mianaramombanyvarika\/"},{"@type":"ListItem","position":3,"name":"Ny Lisitra Mena an\u2019ny IUCN sy ny satan\u2019ireo varika eo amin\u2019ny sehatry ny fiarovana"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/2671","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/page"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/7"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=2671"}],"version-history":[{"count":18,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/2671\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":3287,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/2671\/revisions\/3287"}],"up":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/1564"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/2680"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=2671"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}