{"id":1043,"date":"2019-09-25T19:49:51","date_gmt":"2019-09-25T16:49:51","guid":{"rendered":"http:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?page_id=1043"},"modified":"2025-03-24T02:56:11","modified_gmt":"2025-03-23T23:56:11","slug":"tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany","status":"publish","type":"page","link":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/","title":{"rendered":"Ny tantaran&#8217;ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany"},"content":{"rendered":"<div class=\"wpb-content-wrapper\">[vc_row][vc_column][vc_column_text css=&#8221;&#8221;]\n<h2>Ny tantaran&#8217;ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany<\/h2>\n<p>Ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika voalohany indrindra dia notanterahina tamin&#8217;ny taona 2014, ny 25 ka hatramin&#8217;ny 31 okotbra 2014. Ny fankalazana dia hevitra sy fitarihana avy amin&#8217;ny Prof Jonah Ratsimbazafy, izay anisan&#8217;ny mpikaroka momba ny Primata fanta-daza eto Madagasikara, Filohan&#8217;ny fikambanana <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/organization\/gerp\/\">GERP<\/a> ary anisan&#8217;ny <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/momba-ny-lemur-conservation-network\/momba-ny-mpiasa\/\">mpanolon-tsaina momba ny tetikasa<\/a> ato amin&#8217;ny Lemur Conservation Network.<\/p>\n<p>Fahombiazana tanteraka no azo ilazana ny fankalazana andiany voalohany satria dia nanintona ireo mpanao-gazety sy mpilaza vaovao Malagasy ary ireo olona tia varika maneran-tany. Ny hetsika iray lehibe natao teto Madagasikara dia nanamboarana horonan-tsary mihetsika izay novatsian&#8217;i Richard Branson, izay tompon&#8217;orinasa iray ary anisan&#8217;ny olona fanta-daza maneran-tany amin&#8217;ny fitiavana ny varika.<\/p>\n<hr \/>\n<h3>Ny tanjona amin&#8217;ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany<\/h3>\n<figure id=\"attachment_1048\" aria-describedby=\"caption-attachment-1048\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1048\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-7-300x210.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"210\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-7.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-7-150x105.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1048\" class=\"wp-caption-text\">Ireo ankizy mamaky boky momba ny varika ao amin&#8217;ny Parc Ivoloina- \u00a9 MFG<\/figcaption><\/figure>\n<p>Niforona ny fankalazana ny andron&#8217;ny varika maneran-tany mba hanentanana ny rehetra amin&#8217;ny fiarovana sy ny fahafantarana ireo karazana varika misy ary ny mba hampafantarana manokana ireo loza sy tsindry mahazo ireo varika sy ny fonenany ary ny maha-zava-dehibe ny fiarovana azy ireo. Ny fanentanana dia natao indrindra hahenina eo amin&#8217;ny sehatra nasionaly ary eo amin&#8217;ny sehatra iraisam-pirenena.<\/p>\n<p>Ny olona maneran-tany ary indrindra ny eto Madagasikara dia entanina manokana mandritra ny fankalazana ny andron&#8217;ny varika maneran-tany ho tia sy hiaro ny varika. Ny mpikarakara dia manentana indrindra ny Malagasy tsy vakivolo, ny kely na ny lehibe, ny mponina eny amin&#8217;ny fiaraha-monina rehetra, ireo mpikaroka sy ireo daholobe ho tia sy hirehareha ny fananana ny varika, harem-pirenena. Ny fankalazana ny andron&#8217;ny varika maneran-tany dia fotoana iray ampiromboroboina ny fizahan-tany, ny fiarovana ny varika ary ny fanabeazana ireo olona maneran-tany.<\/p>\n<hr \/>\n<h3>Madagasikara no nankalaza ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany voalohany<\/h3>\n<p>Nankalaza ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany avokoa ny faritra 22 teto Madagasikara ny 25-31 Oktobra 2014. Nisy ireo dihy, mozika, asa-tanana sy tantara maro samihafa.<\/p>\n<h4>Tao Parc Ivoloina<\/h4>\n<figure id=\"attachment_1049\" aria-describedby=\"caption-attachment-1049\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1049\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-8-300x224.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"224\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-8.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-8-150x112.jpg 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1049\" class=\"wp-caption-text\">Nankalaza ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany ireo tanora \u00a9 MFG<\/figcaption><\/figure>\n<p><a href=\"http:\/\/www.seemadagascar.org\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Parc Ivoloina<\/a>\u00a0dia fahi-bibidia na zoo izay tantanin&#8217;ny\u00a0<a title=\"Madagascar Fauna and Flora Group\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/organization\/madagascar-fauna-and-flora-group\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Madagascar Fauna and Flora Group (MFG)<\/a>, ary anisan&#8217;ny mikarakara sy mitahiry ireo karazana biby tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ary anisan&#8217;ny karazana varika 10 (<a title=\"Leading Conservation with Charlie Welch from the Duke Lemur Center\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/leading-conservation-with-charlie-welch-from-the-duke-lemur-center\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">raha te-hahalala ny niantombohan&#8217;ny Parc Ivoloina<\/a>.)<\/p>\n<p><a href=\"http:\/\/www.madagascarfaunaflora.org\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">MFG<\/a>\u00a0tamin&#8217;izany fotoana, no anisan&#8217;ny fikambanana nikarakara hetsika lehibe ho an&#8217;ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany tao amin&#8217;ny parc. Ny hetsika tamin&#8217;ny herintaona dia nahit\u00e0na ny fandraisana anjara an&#8217;ireo ankizy mihaotra ny 200, ireo mpiasa tanora an-tsitrapo 30 ary Mpihira fanta-daza Malagasy roa!<\/p>\n<p>Nandritra ny fotoam-pankalazana dia nisy ireo tantara an-tsehatra izay nalaina avy tao amin&#8217;ny boky Ako, asa-tanana misy ireo sary varika na masques ary sary vita amin&#8217;ny ranomainty nalaina tamin&#8217;ireo bararata (ireo bararata misy ireo bandro). Nisy ihany koa ny fanabeazana momba ny varika nataon&#8217;ireo ekipan&#8217;ny fanabeazana, lalao momba ny babakoto niarahana tamin&#8217;ireo mpikaroka ary seho sehatra nalaina tamin&#8217;ireo boky Ako.<\/p>\n<p>Ankaotran&#8217;ireo lalao noforonina, dia nisy ireo kabary sy mozika niarahana tamin&#8217;ireo mpihira Mika sy Pinta ary nisy dihy. Ny mpiasa avy amin&#8217;ny MFG dia saika taitra sy faly avokoa nahita ireto mpihira malaza. Taorian&#8217;ny fankalazana, dia nisy ny fitsangantsanganana nataon&#8217;ireo ankizy hitsidihana ireo varika any anaty ala ary nisy ny lalao nataon&#8217;izy ireo tamin&#8217;izany.<\/p>\n<h4>Tao Ranomafana National Park sy Centre Valbio<\/h4>\n<figure id=\"attachment_1050\" aria-describedby=\"caption-attachment-1050\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1050\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-4-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-4-300x200.jpg 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-4-768x511.jpg 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-4-150x100.jpg 150w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-4.jpg 1000w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1050\" class=\"wp-caption-text\">Fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany nataon&#8217;ny Centre Valbio- \u00a9 Centre Valbio<\/figcaption><\/figure>\n<p>Nankalaza ny andron&#8217;ny varika maneran-tany nandritra ny herinandro tao amin&#8217;ny tananan&#8217;ny Ranomafana ny\u00a0 <a title=\"Centre ValBio &amp; the Institute for the Conservation of Tropical Environments\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/organization\/centre-valbio\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Centre ValBio<\/a>, izay ivo-toeram-pikarohana tantanan&#8217;ny Stony Brook University. Ny fanombohana ny hetsika dia natao tamin&#8217;ny alal\u00e0n&#8217;ny kabary sy fandraisam-pitenenana teo an-tampon-tanana mba hanentanana ny mponina ny maha-zava dehibe ny fiarovana ny varika ao Ranomafana.<\/p>\n<p>Ny lanonana dia nosokafan&#8217;ireo ankizy tamin&#8217;ny alal\u00e0n&#8217;ireo dihy sy hira maro ary filaharam-be niarahana tamin&#8217;ny Madagascar National Parks ary\u00a0<a title=\"Centre ValBio &amp; the Institute for the Conservation of Tropical Environments\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/organization\/centre-valbio\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Centre ValBio<\/a>, ary nisy ny lalao basket-ball. Ny faran&#8217;ny herinandro dia nisy ny lanonana famaranana teo amin&#8217;ny toerana izay nanombohana ho mariky ny fiafaran&#8217;ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany tamin&#8217;izany fotoana izany.<\/p>\n<h4>Tao Antananarivo<\/h4>\n<figure id=\"attachment_1051\" aria-describedby=\"caption-attachment-1051\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1051\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-11-1024x577-300x169.png\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"169\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-11-1024x577-300x169.png 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-11-1024x577-768x433.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-11-1024x577.png 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-11-1024x577-150x85.png 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1051\" class=\"wp-caption-text\">Carnaval tao Antananarivo ny taona 2014 nandritra ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany<\/figcaption><\/figure>\n<p>Tao Antananarivo dia nisy ny hetsika lehibe notanterahin&#8217;ireo fikambanana\u00a0<a title=\"Madagasikara Voakajy\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/organization\/madagasikara-voakajy\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Madagasikara Voakajy,<\/a>\u00a0<a title=\"Mikajy Natiora\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/organization\/mikajy-natiora\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Mikajy Natiora<\/a>, ary\u00a0<a title=\"GERP: Groupe d\u2019\u00e9tude et de recherche sur les primates de Madagascar\" href=\"http:\/\/lemurconservationnetwork.org\/organization\/gerp\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">GERP<\/a>. Nisy ny lanonam-panokafana ny hetsika tao amin&#8217;ny Parc Tsimbazaza taorian&#8217;ny filaharam-be na Carnaval niainga tao amin&#8217;ny stade municipal Mahamasina.<\/p>\n<p>Ny 27-29 Oktobra 2014, dia nisy ny fampirantiana tao Tahala Rarihasina Tahala momba ny fiarovana ny varika ary nisy ihany koa ny fampirantiana sy varotra tao amin&#8217;ny zaridaina Ortana Antaninarenina. Nisy ihany koa ny famoahana ny boky mitondra ny lohateny hoe &#8220;Lemurs of Madagascar,\u201d tao amin&#8217;ny Carlton Hotel, boky izay misy takelaka miisa 841 ary sary miisa 680 color, novokarin&#8217;ny\u00a0<a title=\"Conservation International\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/organization\/conservation-international\/\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Conservation International<\/a> ary ny Mus\u00e9um d&#8217;Histoire Naturelle ao Paris.<\/p>\n<p>Nisy ny fanentanana sy lalao maro samihafa tao amin&#8217;ny\u00a0Gymnase Couvert de Mahamasina ary Tahala Rarihasina Analakely.<\/p>\n<p>Ny carnaval tao Tahala Rarihasina Analakely sy tao amin&#8217;ny zaridaina Ortana Antaninarenina dia namarana ny fankalazana ny faha 31 Oktobra 2014.<\/p>\n<figure id=\"attachment_1052\" aria-describedby=\"caption-attachment-1052\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption alignright\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1052 size-medium\" src=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-12-1024x577-300x169.png\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"169\" srcset=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-12-1024x577-300x169.png 300w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-12-1024x577-768x433.png 768w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-12-1024x577.png 1024w, https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2019\/09\/World-Lemur-Festival-12-1024x577-150x85.png 150w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1052\" class=\"wp-caption-text\">Fankalazana tao Antananarivo ny taona 2014<\/figcaption><\/figure>\n<h4>Tao Farankarina Tropical Park<\/h4>\n<p>Tao amin&#8217;ny tanana manodidina ny\u00a0\u00a0<a href=\"http:\/\/www.madacamp.com\/Farankaraina_Tropical_Park\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Farankarina Tropical Park<\/a> (atsinanan&#8217;ny Maroantsetra), nankalaza ny dihin&#8217;ny varika manren-tany ireo mponina izay natao tamin&#8217;ny alal\u00e0n&#8217;ny dihy, fifaninana ary hira nentim-paharazana maro. Ny fanentanana sy ny hetsika dia nikarakaran&#8217;ny\u00a0<a href=\"http:\/\/www.maroantsetra.com\/pages\/antongil_conservation.html\" target=\"_blank\" rel=\"noopener noreferrer\">Antongil Conservation<\/a>, izay valan-javaboahary iray avy amin&#8217;ny fiaraha-miasan&#8217;ny fahi-bibidia anglisy sy frantsay. Nahasarika mponina maherin&#8217;ny 100 ny hetsika ary nanampy amin&#8217;ny fanaporofoina ny fifandraisan&#8217;ny olona amin&#8217;ny natiora izany.[\/vc_column_text][\/vc_column][\/vc_row]\n<\/div>","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Ny tantaran&#8217;ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany<br \/>\nNy fankalazana ny dihin&#8217;ny varika voalohany indrindra dia &#8230;  <a href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/\" class=\"readmore\">Tohiny \u00bb<\/a><\/p>\n","protected":false},"author":7,"featured_media":2924,"parent":2534,"menu_order":0,"comment_status":"closed","ping_status":"closed","template":"","meta":{"site-sidebar-layout":"no-sidebar","site-content-layout":"plain-container","ast-site-content-layout":"default","site-content-style":"default","site-sidebar-style":"default","ast-global-header-display":"","ast-banner-title-visibility":"","ast-main-header-display":"","ast-hfb-above-header-display":"","ast-hfb-below-header-display":"","ast-hfb-mobile-header-display":"","site-post-title":"disabled","ast-breadcrumbs-content":"","ast-featured-img":"disabled","footer-sml-layout":"","ast-disable-related-posts":"","theme-transparent-header-meta":"default","adv-header-id-meta":"","stick-header-meta":"","header-above-stick-meta":"","header-main-stick-meta":"","header-below-stick-meta":"","astra-migrate-meta-layouts":"set","ast-page-background-enabled":"default","ast-page-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-4)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"ast-content-background-meta":{"desktop":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"tablet":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""},"mobile":{"background-color":"var(--ast-global-color-5)","background-image":"","background-repeat":"repeat","background-position":"center center","background-size":"auto","background-attachment":"scroll","background-type":"","background-media":"","overlay-type":"","overlay-color":"","overlay-opacity":"","overlay-gradient":""}},"footnotes":""},"class_list":["post-1043","page","type-page","status-publish","has-post-thumbnail","hentry"],"yoast_head":"<!-- This site is optimized with the Yoast SEO plugin v27.4 - https:\/\/yoast.com\/product\/yoast-seo-wordpress\/ -->\n<title>Ny tantaran&#039;ny fankalazana ny dihin&#039;ny varika maneran-tany - Lemur Conservation Network<\/title>\n<meta name=\"description\" content=\"Tamin&#039;ny taona 2014, ny fankalazana ny dihin&#039;ny varika maneran-tany voalohany ary teto Madagasikara ny fankalazana voalohany\" \/>\n<meta name=\"robots\" content=\"index, follow, max-snippet:-1, max-image-preview:large, max-video-preview:-1\" \/>\n<link rel=\"canonical\" href=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/\" \/>\n<meta property=\"og:locale\" content=\"en_US\" \/>\n<meta property=\"og:type\" content=\"article\" \/>\n<meta property=\"og:title\" content=\"Ny tantaran&#039;ny fankalazana ny dihin&#039;ny varika maneran-tany - Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"og:description\" content=\"Tamin&#039;ny taona 2014, ny fankalazana ny dihin&#039;ny varika maneran-tany voalohany ary teto Madagasikara ny fankalazana voalohany\" \/>\n<meta property=\"og:url\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/\" \/>\n<meta property=\"og:site_name\" content=\"Lemur Conservation Network\" \/>\n<meta property=\"article:modified_time\" content=\"2025-03-23T23:56:11+00:00\" \/>\n<meta property=\"og:image\" content=\"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/09\/image10-e1691705681981.png\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:width\" content=\"612\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:height\" content=\"627\" \/>\n\t<meta property=\"og:image:type\" content=\"image\/png\" \/>\n<meta name=\"twitter:card\" content=\"summary_large_image\" \/>\n<meta name=\"twitter:label1\" content=\"Est. reading time\" \/>\n\t<meta name=\"twitter:data1\" content=\"6 minutes\" \/>\n<script type=\"application\/ld+json\" class=\"yoast-schema-graph\">{\"@context\":\"https:\\\/\\\/schema.org\",\"@graph\":[{\"@type\":\"WebPage\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\\\/\",\"name\":\"Ny tantaran'ny fankalazana ny dihin'ny varika maneran-tany - Lemur Conservation Network\",\"isPartOf\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\"},\"primaryImageOfPage\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\\\/#primaryimage\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\\\/#primaryimage\"},\"thumbnailUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2023\\\/09\\\/image10-e1691705681981.png\",\"datePublished\":\"2019-09-25T16:49:51+00:00\",\"dateModified\":\"2025-03-23T23:56:11+00:00\",\"description\":\"Tamin'ny taona 2014, ny fankalazana ny dihin'ny varika maneran-tany voalohany ary teto Madagasikara ny fankalazana voalohany\",\"breadcrumb\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\\\/#breadcrumb\"},\"inLanguage\":\"en-US\",\"potentialAction\":[{\"@type\":\"ReadAction\",\"target\":[\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\\\/\"]}]},{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\\\/#primaryimage\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2023\\\/09\\\/image10-e1691705681981.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2023\\\/09\\\/image10-e1691705681981.png\",\"width\":612,\"height\":627,\"caption\":\"Akomba (Eulemur coronatus) zazakely mifikitra amin'ny mamany. Sary Mathias Appel\"},{\"@type\":\"BreadcrumbList\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\\\/#breadcrumb\",\"itemListElement\":[{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":1,\"name\":\"Tonga soa\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":2,\"name\":\"Andro natokana ho an&#8217;ny varika sy Dihin&#8217;ny varika maneran-tany\",\"item\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/dihinny-varika-maneran-tany\\\/\"},{\"@type\":\"ListItem\",\"position\":3,\"name\":\"Ny tantaran&#8217;ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany\"}]},{\"@type\":\"WebSite\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#website\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"description\":\"Malagasy\",\"publisher\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\"},\"potentialAction\":[{\"@type\":\"SearchAction\",\"target\":{\"@type\":\"EntryPoint\",\"urlTemplate\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/?s={search_term_string}\"},\"query-input\":{\"@type\":\"PropertyValueSpecification\",\"valueRequired\":true,\"valueName\":\"search_term_string\"}}],\"inLanguage\":\"en-US\"},{\"@type\":\"Organization\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#organization\",\"name\":\"Lemur Conservation Network\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/\",\"logo\":{\"@type\":\"ImageObject\",\"inLanguage\":\"en-US\",\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\",\"url\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"contentUrl\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/wp-content\\\/uploads\\\/2015\\\/06\\\/lcn-logo-sub.png\",\"width\":159,\"height\":159,\"caption\":\"Lemur Conservation Network\"},\"image\":{\"@id\":\"https:\\\/\\\/lemurconservationnetwork.org\\\/malagasy\\\/#\\\/schema\\\/logo\\\/image\\\/\"}}]}<\/script>\n<!-- \/ Yoast SEO plugin. -->","yoast_head_json":{"title":"Ny tantaran'ny fankalazana ny dihin'ny varika maneran-tany - Lemur Conservation Network","description":"Tamin'ny taona 2014, ny fankalazana ny dihin'ny varika maneran-tany voalohany ary teto Madagasikara ny fankalazana voalohany","robots":{"index":"index","follow":"follow","max-snippet":"max-snippet:-1","max-image-preview":"max-image-preview:large","max-video-preview":"max-video-preview:-1"},"canonical":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/","og_locale":"en_US","og_type":"article","og_title":"Ny tantaran'ny fankalazana ny dihin'ny varika maneran-tany - Lemur Conservation Network","og_description":"Tamin'ny taona 2014, ny fankalazana ny dihin'ny varika maneran-tany voalohany ary teto Madagasikara ny fankalazana voalohany","og_url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/","og_site_name":"Lemur Conservation Network","article_modified_time":"2025-03-23T23:56:11+00:00","og_image":[{"width":612,"height":627,"url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/09\/image10-e1691705681981.png","type":"image\/png"}],"twitter_card":"summary_large_image","twitter_misc":{"Est. reading time":"6 minutes"},"schema":{"@context":"https:\/\/schema.org","@graph":[{"@type":"WebPage","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/","name":"Ny tantaran'ny fankalazana ny dihin'ny varika maneran-tany - Lemur Conservation Network","isPartOf":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website"},"primaryImageOfPage":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/#primaryimage"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/#primaryimage"},"thumbnailUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/09\/image10-e1691705681981.png","datePublished":"2019-09-25T16:49:51+00:00","dateModified":"2025-03-23T23:56:11+00:00","description":"Tamin'ny taona 2014, ny fankalazana ny dihin'ny varika maneran-tany voalohany ary teto Madagasikara ny fankalazana voalohany","breadcrumb":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/#breadcrumb"},"inLanguage":"en-US","potentialAction":[{"@type":"ReadAction","target":["https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/"]}]},{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/#primaryimage","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/09\/image10-e1691705681981.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/09\/image10-e1691705681981.png","width":612,"height":627,"caption":"Akomba (Eulemur coronatus) zazakely mifikitra amin'ny mamany. Sary Mathias Appel"},{"@type":"BreadcrumbList","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/tantara-fankalazana-ny-dihinny-varika-maneran-tany\/#breadcrumb","itemListElement":[{"@type":"ListItem","position":1,"name":"Tonga soa","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/"},{"@type":"ListItem","position":2,"name":"Andro natokana ho an&#8217;ny varika sy Dihin&#8217;ny varika maneran-tany","item":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/dihinny-varika-maneran-tany\/"},{"@type":"ListItem","position":3,"name":"Ny tantaran&#8217;ny fankalazana ny dihin&#8217;ny varika maneran-tany"}]},{"@type":"WebSite","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#website","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","name":"Lemur Conservation Network","description":"Malagasy","publisher":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization"},"potentialAction":[{"@type":"SearchAction","target":{"@type":"EntryPoint","urlTemplate":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/?s={search_term_string}"},"query-input":{"@type":"PropertyValueSpecification","valueRequired":true,"valueName":"search_term_string"}}],"inLanguage":"en-US"},{"@type":"Organization","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#organization","name":"Lemur Conservation Network","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/","logo":{"@type":"ImageObject","inLanguage":"en-US","@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/","url":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","contentUrl":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2015\/06\/lcn-logo-sub.png","width":159,"height":159,"caption":"Lemur Conservation Network"},"image":{"@id":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/#\/schema\/logo\/image\/"}}]}},"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/1043","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages"}],"about":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/page"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/7"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1043"}],"version-history":[{"count":15,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/1043\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":3273,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/1043\/revisions\/3273"}],"up":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/pages\/2534"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/2924"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/lemurconservationnetwork.org\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1043"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}