Ny tsiambaratelon’ireo Baobab na Renala

 Mitantara ny fikarohana ataony momban’ny baobabs na Renala i Dr Seheno Corduant-Andriantsaralaza. Izy dia mpandrindra ny Lemur Conservation Network eto Madagasikara no sady mpikaroka momban’ny ekolojia sy biolojia an’ireo hazo atao hoe Renala. Tsindrio ny rohy eto raha te-hahalala bebe kokoa momba azy. Manoratra mivantana amin’ny mpamaky izy ka mamakia finaritra ary!

Renala na Adansonia grandidieri, Andranopasy, Atsimon’ny Morondava, Faritra Menabe sary: © Seheno Andriantsaralaza

Teny Fampidirana

Inona no zavatra tonga ao an-tsainao raha sendra mahita an’ireto Renala na Baobab? Inona no zavatra mety mahavariana anao rehefa mahita an’ireto hazo lehibe te hanakan-danitra?
Ny ahy manokana: Talanjona sy variana aho mahita hazo tahaka ny baobaba, lehibe sy avo! Resy lahatra tanteraka ny hatsaran’ny natiora sy i Madagasikara isaky ny mahita Baobab (Ao anatin’ny fikarohana ataoko, tsy latsaka ny indroa isan-taona aho no mahita baobab! fa babo sy manana hafaliana tsy hay hazavaina hatrany isaky ny mahita azy ireo)

Fantatrao ve?

Raha ny fikarohana natao hatramin’izay momban’ny baobab dia mbola maro ny tsiambaratelo manodidina ny fahavelomany sy ny fahalebiazany. Anisan’izany ny tsy fahatantarana mandrak’ankehitriny hoe « inona tokoa moa no biby manaparitaka ny vihy an’ireo baobab?« 
Ao anatin’ny bilaogy ity dia maniry hizara aminao mpamaky aho ny mombamomban’ireto hazo, harenantsika eto Madagasikara. Koa handeha hamaly ireto fanontaniana ireto ao antin’ity bilaogy ity aho:
  • Aiza no misy ireo baobab?
  • Misy karazana firy izy ireo?
  • Firy taona marina moa ny baobabs e?
  • Misy ifandraisany amin’ireo varika ve ny fahavelomany?
  • Inona avy ireo tsindry sy ny vahaolàna?

Harenantsika eto Madagasikara ny Baobabs!

  • Tantara kely momba azy ireo aloha!

Ny teny hoe Baobab dia avy amin’ny teny arabo hoe « bu hibab »,  izay midika karazana vihy na voankazo maro voany.
I Michel Adanson, ilay mpikaroka momban’ny zava-maniry frantsay, no nanoratra ny boky voalohany mikasika ny baobabs tamin’ny taona 1761 raha sendra nandalo tao Senegal izy. Rehefa izany dia nomena ny anarana « Adansonia » ireo karazana baobabs ka ny anarany siantifika dia manomboka amin’ny atao hoe genre: Adansonia!

Toerana fantan-daza ny « Allée des Baobabs », Monument naturel, © Seheno Andriantsaralaza

  • Madagasikara : Firenena maro Baobabs indrindra

Misy karazana Baobabs 8 eto an-tany ka ny 6 amin’izy ireo dia eto amintsika ihany no ahitana azy!

Ny karazany iray hita ao amin’ny kaontinenta Afrikanina dia ny Adansonia digitata. Any avaratr’i Australia dia ahitana ihany karazany iray atao hoe Adansonia gibbosa. Ny karazany 6 kosa dia Adansonia grandidieri na Renala, Adansonia za na Za, Adansonia rubrostipa na Fony, Adansonia madagascariensis na Zabe, Adansonia perrieri ary Adansonia suarezensis.
  • Toerana ahitana azy eto Madagasikara ve?

Any amoron-tsirak’andrefana ihany no ahitana ireo baobab eto Madagasikara. Ny karazana baobab roa (Adansonia perrieri sy Adansonia suarezensis) dia any amin’ny faritra avaratra andrefana no ahitana azy. Izy ireo no anisan’ireo karazana zava-maniry mahatanty main-tany sy ny toe-tany hita any andrefana sy atsimo-andrefan’i Madagasikara. Loharanon-karena ho an’ny fizahan-tany ny baobabs satria misy ireo mpizahan-tany no hijery azy ireo no anisan’ny anton-dia aty Madagasikara!

Firy taona ny baobab lehibe indrindra?

Anisan’ny zavatra mahavariana ny taonan’ireto baobabs sady lehibe vatana no avo. Anisan’ny tsiambaratelo nandritra ny taona maro ny taonan’ny baobabs. Betsaka ny lovan-tsofina na ny tantara manodidina ny baobabs sy ny taonany. Anisan’izany ny filazana hoe efa aman’arivo maromaro ny taonan’ny baobab iray.
Ny Mpikaroka atao hoe Adrian Patrut no namaly ny fanontaniana ka nahafantarana fa 1600 taona ny baobabs antitra indrindra eto Madagasikara. Tamin’ny alalàna ny fikarohana nataony nampiasany « datation par Carbone 14 » no nahitany izany. Vakio eto ny voka-pikarohana.
Satria antitra toy izany ny taonan’ireo baobab, dia inoana fa efa nandalo toe-zavatra maro ireo baobabs mbola velona ankehitriny toy ny fiovan’ny toetr’andro… Ary mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe fa biby toy inona no efa niara-niaina tamin’ireto hazo ireto?

Renala sy tanimbary ao Andranomena, Morondava, sary : © Mada-Movies

Baobabs sy ny varika: mifampiankina ve ny fahavelomany?

  • Mila « mpanaparitaka vihy » ny hazo mba hanome taranaka!

Varikamena, Eulemur rufrifrons, sary: © Seheno Andriantsaralaza

Ny zava-maniry na ireo hazo hita anaty ala dia mila na ireo biby, na rano na rivotra hanaparitaka ny vihy na antsoina amin’ny teny vahiny hoe « graines, seeds » mba ahafahany manome taranaka vaovao. Noho izany, tsy velona ireo zana-kazo raha tsy misy mpanaparitaka ny vihy ireo antsoina amin’ny teny vahiny « agent disperseur des graines » « seed disperser ».
  • Mpanaparitaka vihy ireo biby toy ny varika

Manana anjara asa lehibe amin’ny fanaparitahana ny vihy ny biby toy ireo varika satria ny fihinan’izy ireo ny voan’ny hazo dia ahafahan’izy ireo manaparitaka ny vihy. Etsy andaniny, dia sakafo ho an’ireo biby ihany koa ny vihy sy voankazo. Mifampiankina tanteraka noho izany ny fahaveloman’ny biby ao anaty ala toy ny varika ary ny zava-maniry.
  • Afaka manaparitaka ny vihin’ny baobabs ve ny varika?

Raha ny fahitana ireto vihy an’ireto baobab, dia fantatra fa biby lehibe no afaka mamaky ireto voa. Rehefa milatsaka eo ambany ireo voa ka raha toa vaky ny vihy dia misy ireo biby kely eny fa na ireo biby lehibe toy ny voalavo na varika no mihinana an’ireo vihy.
Nanomboka tamin’ny taona 2010 aho no nanomboka nanao fikarohana momban’ny fomba fiparitahan’ny vihy an’ireo baobabs ho an’ny fahazoana ny diplaoma DEA sy Doctorat eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Fantatra nandritra ny fikarohana fa ireo biby lehibe nisy taloha fa efa maty ankehitriny no niara-niaina tamin’ireo baobabs efa antitra ankehitriny ary mety nanaparitaka ireo vihy. Ao anatin’ireny biby ireny ny sokatra lehibe na ireo tortues géantes (Aldrachelys gigantea), ireo gidro na varika lehibe (Archaeolemur sp) na ireo vorombe (Aepyornis maximus).
  • Inona no biby manaparitaka ireo vihy an’ireo Baobab ankehitriny?

Varika, Eulemur rufrifrons sary: © Seheno Andriantsaralaza

Raha toa heverina fa mety nanaparitaka ny vihin’ireo baobabs ireo biby lehibe teo aloha dia mipetraka ny fanontaniana hoe « koa inona no biby afa-mihinana ireto vihy amin’izao fotoana izao? » Mety hanana anjara amin’ny fanaparitahana ny vihin’ny baobabs ireo varika (Eulemur rufrifrons), ireo voalavo. Tsy adino fa voankazo tena fihinanan’ny olombelona ny baobabs, ka mety mandray anjara amin’ny fanaparitahana ny vihy isika olombelona.
Mbola mitohy ny fikarohana ankehitriny ka inoana fa ho fantatra tsy ho ela ny tsiambaratelon’ny baobabs sy ny biby manaritaka ny vihiny.

Ireto tsindry mahazo ny Baobab sy ny vahaolàna

Maro ireo tsindry mahazo ny baobabs toy ny fahaverezan’ny ala nohon’ny hatsake na fanimbana ireo karazana hazo manodidina an’ireo baobabs. Iarahan’ny rehetra mahalala ary inoako fa ao anatin’izany ianao mpamaky, ny tsindry lehibe izay mahazo ny ala ao amin’ny faritra Menabe. Raha mikasika ny baobab manokana dia ny fahatsapana fa harena izy io ho an’i Madagasikara fa ny mponina miaina manodidina no mila mahatsapa fa harenany ka tiany arovana ny baobab na Renala. Raha sendra tafaresaka tamin’ny olona iray monina ao amin’ny tanàna iray atao hoe Andranopasy aho ka nanazava ny anton’ny fikarohana ataoko dia namaly ahy izy hoe:
Tsara tokoa ny fikarohana sy fitadiavana vahaolàna ho fiarovana ny Renala, tsarovy anefa fa ho an’ny mponina eny ifotony dia miaro ny zavatra ahitànay tombony ahafahanay mivelona izahay (We protect what we value!)

Atao ahaona no ilàza fotsiny ireo mponina eny ifotony hoe arovy ny baobab fa harena raha tsy miantraika mivantana eo amin’ny fiainany ny maha-harena azy?

Anisan’ny anjara asan’ny mpikaroka sy mpiantsehatra amin’ny fiarovana tahaka ahy no manentana amin’ny tsy fanimbana ny ala. Raha tao anatin’ny fanentanana hatrany no nataoko hatramin’izay dia nanapa-kevitra aho hiditra lalina sy handray anjara amin’ny fanampiana fitadiavana vahaolàna fa tsy ampy intsony ny fikarohana fotsiny ! Kanefa izany dia toy ny asa vadin-drano tsy vita raha tsy ifanankonana!

Ala ao Andranopasy, faritra Menabe, sary : © Mada-Movies

Izany indrindra no nahatonga ahy sy ireo mpiara-miasa amiko nanapa-kevitra hamolavola tetikasa iray izay sady ahitàna vahaolàna ho an’ny fikarohana (ilay tsiambaratelo!) sy ho an’ny fiarovana fa indrindra ihany koa ho an’ny fiveloman’ny mponina eny ifotony. Anisan’ny fidiram-bola ho an’ny mponina eny ifotony ny famarotana ny vihin’ireo baobab..Fa androany, rahampitso, afaka taona vitsy, raha tapitra ny ala, tsy mamokatra vihy ampy ho an’ny fahavelomany sy ho an’ny mponina intsony ny Renala, dia aiza indray no ahitàna fidiram-bola ny mponina?
Tanjonay ao anatin’ny tetikasa no hitondra ny anjaram-birika ho an’ny fiarovana sy fanampiana ireo mponina eny ifotony ahitana lalam-barotra mahomby ho azy ireo sy maharitra.
 Nahazo famatsiana avy amin’ny PEER (Partnership for Enhanced and Engagment in Research)- USAID program aho ao anatin’ny tetikasam-pikarohana momban’ny baobabs, ary izany dia iarahako miasa amin’i Dr Onja Razafindratsima, izay mpikaroka mpampianatra eny amin’ny Oniversite Berkeley California, USA. Tsidiho eto ny rohy ahafantarana bebe kokoa mahakasika ny tetikasa.

Teny Famaranana

Eto am-pamaranana dia tiako no milaza aminao mpamaky fa tiako ny asako maha mpikaroka ahy momban’ny baobabs, ary maniry indrindra aho ny hitondra ny valim-pikarohana, ho valin’ny tsiambaratelon’ireto baobaba, fa mbola tiako lavitra ny mandray anjara hanampy ny mpiara-belona amiko, monina eo akaikin’ireto hazo harenantsika, mba hahitany tombon-tsoa amin’ny fiarovana ny harena ikambanana.