Main Menu

Iray volan’ny Mpikambana LCN : Ny mention ADD-Oniversiten’Antananarivo

 Ny Lemur Conservation Network dia manokana iray volana anehoana ireo asan’ireo mpikambana ato amin’ny LCN ka omena toerana manokana izy ireo, ahafahan’izy ireo manazava amintsika ny fomba ahafahana manampy azy ireo, amin’ireo ady ataony ho fiarovana ny varika. Ity volana Jolay 2019 ity dia natokana ho an’ny Mention ADD ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Somary niova endrika kely ny bilaogy, satria dia iompana bebe kokoa amin’ny fampianarana sy asa fikarohana momba ny varika ataon’ireo mpianatra eo anivon’ny Mention ADD ity bilaogy ity. Ao anatin’ity bilaogy ity, dia niresaka tamin’i Dr RANAIVOARISOA Jean Freddy  izahay, izay nisantantatra ny fitantanana ny MADD ary dia talen’ny MADD nandritra ny telo taona. 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny mention ADD

Ny sampam-pampianarana Anthropobiolojia sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy (Mention Anthropobiologie et Developpement Durable-MADD) dia rantsana iray teraka tao anatin`ny Departmenta Paleontolojia Anthropolojia Biolojika (Departement de Paleontologie et d`Anthropologie Biologique). Io departemanta io dia teraka tao anatin`ny Fakiolte Siansa – Oniversite Antananarivo ny taona 1975.

Ny Departemanta Anthropologie et Paleontogie biologique, na DPAB tamin`ny fotoan`androny, no antsoina hoe: “Berceau des primatologues malgaches”, izay natsangan`i Tompokovavy Professeur Berthe RAKOTOSAMINANA.

Teraka avy tao ireo olona azo lazaina ho isan`ny sangany toa an-dry Profesora Jonah RATSIMBAZAFY sy ireo nanokatra ny lalam-piofanana hafa any amin`ny Oniversite Mahajanga sy Antsiranana ary ireo hafa. Ny teto amin`ny DPAB kosa dia mbola mitohy hatramin`izao, ka nitsangana ny rafim-pampianarana momba ny primates MADD taorian’ny fananganana ny rafitra LMD tamin’ny taona 2015.  I Dr RANAIVOARISOA Jean Freddy ny nisantantatra ny fitantanana ny MADD azy nandritry ny telo taona, ary ankehitriny dia nodimbiasan`I Dr RAHARIVOLOLONA Brigitte Marie izy ny Volana Mey 2019 teo.

Inona no tanjona ao amin’ny sampam-mpampianarana ADD ?

Ny tanjona dia mifantoka indrindra amin`ny Siansa Anthropolojia izay mandrakotra ny fianarana mikasika ny Olombelona sy ny Primates Non Humains (PNH), ny fiainanin`izy ireo ary ny fikarohana sy ny fiarovana azy ireo mba ho tonga harem-pirenena maharitra sy hitondra fampandrosoana lovain-jafy.

Ny tanjona dia ny mba ho tonga olona tompon`andraikitra amin`ny ambaratongam-pahefana rehetra eo amin`ny seham-piarovana ny harena voajanahary, indrindra ny Varika, ireo tanora avoakan`ny Mention ADD.

Ny vina napetraka voalohany dia ny fampandraisana andraikitra ireo tanora ka hamaly ireo fanontaniana hoe: “Raha hianatra sy haka diplaoma aho, dia atao inona ?”, “ary inona no andraikitra andrasan`ny Firenena amiko raha mandeha amin`ity lalam-piofanana ity aho?”

Ny vina faharoa ny hahita fiovana eo amin`ny toe-tsaina sy ara-pitondrantenan`ny olona eny ifotony amin`ny alalan`ny fifampikasohana amin`ireo tanoran`ny Oniversite. Ka eo indrindra no hifamatoran`ny MADD betsaka amin`ireo Sehatr`asa (Associations, ONG, partenaires) ka mifanohana amin`ny lafiny rehetra.

Inona avy ireo sehatra fianarana sy fikarohana misy ao amin’ny MADD?

Nisokatra tato amin`ny DPAB – MADD ihany koa ny fianarana manokana mikasika ny olombelona noho ny maha primates ny Olombelona. Ka ireo indrindra no tonga ho Laboratoires telo mandrafitra ny MADD: Laboratoire de Primatologie et Paléontologie des Vertébrés, Laboratoire Anthropologie physique ary ny Laboratoire Anthropologie nutritionnelle.

Taty aoriana, somary niova endrika ny lafiny fampianarana rehefa nanomboka ny rafitra LMD. Tsy mijanona fotsiny ihany ho amin`ny ara-teoria ara-tsiantifika fotsiny, fa mirona betsaka indrindra any amin`ny lafiny fampiharana ho amin`ny fikarohana sy ny fanentanana ho amin`ny fiarovana ny zavaboahary.

Iza avy ireo fikambanana, ireo ivo-toerana miara-miasa sy miara-miombon’antoka amin’ny MADD ?

Maro ireo fikambanana sy ivo-toerana miara miasa aminay. Ireto fikambanana ireto no nanampy ara-bola tamin’ny fanaovana “voyage d’ étude”: AEECL, IMPACT MADA, LEMURS PORTAL, GERP, BCM (Biodiversity Conservation Madagascar), Penn-State University USA, ONG SADABE ary ireo malala-tanana sy Mainty molalin`ny DPAB. Ireto kosa no nanohana amin`ny fanamorana ny asa: Ministère de l’Environnement et du Développement Durable (MEDD), Madagascar National Parks (MNP), MBP, MIKAJY NATIORA, DWCT, MWC, ICTE, CENTRE VALBIO, CONSERVATION INTERNATIONAL. Ao ihany koa ireo nanohana manokana amin`ny fandaniana rehetra mandritra field school na Study abroad: University of Western of England (UWE) – Bristol Zoological Society UK, Northern Illinois University, Chicago USA, ny ONG SADABE ary ny University of Florida, USA.

Misy ihany koa ireo fikambanana sy ivo-toerana manampy amin`ny fikarohana ataon`ny mpianatra manomana master na doctorat dia : ONG SADABE, ICTE/MICET, MBP/OHDZA, GERP, BCM, University of Massachusetts USA, Penn-State University USA, Northern Illinois University USA, AMNH Chicago USA, Institute for Conservation Research, San Diego Zoo Global USA, University Hamburg Germany, Projet SuLaMa, The Aspinall Foundation.

Ao koa ireo mpikaroka vahiny tonga miara-miasa sy manohana manokana. Tsy mitondra ny anaran`ny Oniversite niaviany izy ireo nohon`ny fahasarotan`ny “procedure administrative” any amin`ny Oniversite-an`izy ireo amin`ny fametrahana rafi-piarahamiasa (MoU).

Inona avy ireo asa atao manampy eo amin’ny lafin’ny fiarovana?

Study Abroad

Ankoatry ny Voyage d`etude izay karakarain`ny MADD manokana isaky ny volana Septambra sy Oktobra izay mifandray indrindra amin`ny fankalazana ny “Festival mondial de Lemuriens”, dia misy ihany koa ny Field School na Study Abroad:

–  any Tsinjoarivo ny volana Aprily, hiarahan`ny MADD sy ny University of the Western of England, Bristol UK (UWE) ary ny ONG SADABE

– any Tsinjoarivo ihany ny volana Jiona, hiarahan`ny MADD sy ny Northern Illinois University (NIU, USA) ary ny ONG SADABE

– any Lokobe – NosyBe ny volana Jiona, hiarahan`ny MADD sy ny Florida International University, USA.

Fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

Ankoatry ny fianarana dia mavitrika tokoa ny ekipa MADD amin`ny fanentanana ny Festival Mondial des Lémuriens na Fankalazana ny Dihin’ny Varika maneran-tany miaraka amin`ny AEECL any Sahamalaza, miaraka amin`ny MBP any Kianjavato, miaraka amin`ny GERP any Manombo sy eto Antananarivo. Ankoatr`ireo mahazatra dia handray anjara amin`ny Festival des Indri amin`ity taona 2019 ity.

Firy ireo mpianatra mandranto fianarana eo anivon’ny MADD ary firy kosa ireo nahazo diplaoma Master sy Doctorat?

Promotion fito no efa nandalo tao amin’ny sampam-pampianarana MADD izay mpianatra mitotaly 98 izay mitsinjara ho toy izao:

PROMOTION

ISAN’NY MPIANATRA

Ireo isan’izay nahazo diplaoma (Licence-Master)
MIARAMANDRESY

(Fiampitana DPAB – ADD)

15 13 (Master 2)
AINGAVAO 16 03 (Master 2)
ZOARA MILOFO 08 Eo ampanaovana ny “terrain”
MAHENIKA 13 13 (Master 1)
KINTANA MIRAY 32 32 (Licence)
Tarika vaovao (Licence3) 14 14 (Licence)

Ireo mpianatra manomana ny doctorat kosa dia miisa 14 ka iray (01) amin’izy ireo no nahavita sy nahazo ny diplaoma Doctorat hatreto.

Ahaona ny fandraisana ny mpianatra ho ao amin’ny Mention ADD ?

Toy izao ny lalan-jotram-pampianarana raha te hiditra ato amin`ny Mention ADD – Parcours Anthropologie, Biologie et Evolution (ABE) :

Diplaoma “Licence 1” sy “Licence 2”

Miditra taona voalohany eto amin`ny Fakiolte Siansa (Licence 1), misafidy ny “Parcours Fondamentaux en Biologie” ao amin`ny taona faharoa (Licence 2) ka maka ny UE Anthropologie ao amin`ny Semestre 4.

Diplaoma “Licence 3” sy “Master 1”

Malalaka avy hatrany ny hidiranao ao amin`ny “Parcours ABE” ao amin`ny taona fahatelo na Licence 3 ary ao amin`io Parcours io ihany no hamitanao ny Master 1.

Diplaoma Master 2

Rehefa hiampita ka handranto ny fianarana ahazoana ny diplaoma Master 2 dia misafidy ireo lalam-piofanana manokana na “Specialisation” araka ireo laboratoires telo misy ao aminy dia : Laboratoire de Primatologie et Paléontologie des Vertébrés, Laboratoire Anthropologie physique ary ny Laboratoire Anthropologie nutritionnelle.

 

Diplaoma Doctorat

Rehefa hanao ny dingana Doctorat kosa ianao ao amin`ny Ecole doctorale Science de la Vie et de l`Environnement (ED SVE), dia mizara roa indray ny lalana :

  • Ho an’ireo izay nisafidy ny laboratoires Laboratoire de Primatologie et Paléontologie des Vertébrés sy Laboratoire Anthropologie physique tamin’ny taom-pianarana nahazoana ny Master 2, dia tafiditra ao amin’ny “Equipe d`Accueil Doctoral Zoologie- Anthropologie Biologique (EAD ZAB)” ny fanomanana ny Doctorat
  • Ho an’ireo nisafidy ny Laboratoire Anthropologie nutritionnelle dia tafiditra ao amin’ny Equipe d`Accueil Doctoral Sciences Alimentation et Nutrition (EAD SAN) ny fanomanana ny Doctorat.

 

Inona avy ireo asa ilàna famatsiana amin’izao fotoana izao?

Maro ireo sehatr`asa efa mahazo famatsiam-bola toy ny fikarohana (recherche), ny fiarovana (conservation).

  • Koa maniry kosa izahay ny mba hijerena manokana amin`izay ny fanohanana ny voyage d`étude ho an`ny mpianatra mirona indrindra amin`ny fiarovana ireo Varika sy ny toeram-ponenanany toy izao. Mbola maro mantsy ireo toerana eto Madagasikara izay hitanay fa lehibe. Ary tsapanay fa tena misy fiatraikany betsaka any amin`ny fieritreretan`ny mponina sy ny mpianatra any amin`ny sekoly ambaratonga ambany ny fandalovana ary ny firahana-mitakosina aminy ataon`ireo tanora mpianatry ny Mention ADD.  Mitondra vokatra lehibe tokoa eo amin`ny toe-tsain`ny olona eny ifotony izany mba hiaro ny tontolo iainana sy handefa ny zanak`izy ireo any an-tsekoly ka mba haniry handeha amin`ny fampianarana ambony. Ka rehefa izany dia hiala amin`ny fombam-pihariana nentin-drazana tokoa izy ireo, dia ny fitrandrahana ny ala sy ireo zava-mananaina ao anatiny atao sakafo na avadika ho varotra fidiram-bola.

  • Anisan’ny zava-dehibe izay ilànay famatsiana ihany koa ny fanohanana ireo mpianatra amin’ny fanomanana ny “master” sy ny doctorat”.
  • Ary farany, maniry izahay mba hisian’ny fanohanana ara-bola amin’ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra na ny “sortie de promotion”.

 

 

Raha te-hahalala bebe kokoa sy te-hanohana ny MADD

 

, ,