Main Menu

Iray volan’ny mpikambana LCN : Mikajy Natiora

 Ny Lemur Conservation Network dia manokana iray volana anehoana ireo asan’ireo mpikambana ato amin’ny LCN ka omena toerana manokana izy ireo, ahafahan’izy ireo manazava amintsika ny fomba ahafahana manampy azy ireo, amin’ireo ady ataony ho fiarovana ny varika. Ity volana Aprily 2019 ity dia natokana ho an’ny  Mikajy Natiora. Ao anatin’ity bilaogy ity, dia niresaka tamin’i Rtoa Sylviane Volampeno izahay, izay namorona sy Talen’ny ONG Mikajy Natiora  izay nitantara taminay ireo asa ataon’ny Mikajy Natiora ary ny fomba ahafahantsika manampy azy. 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana

Ny taona 2013 no niforona ny fikambanana Mikajy Natiora. Mpikaroka Malagasy no namorona ny fikambanana ary mbola Malagasy avokoa ny mpikambana ankehitriny. Madagasikara dia manankerana ara-java-boahary izay mampiavaka azy amin’ny firenena hafa; koa noho’ny fahatsapana fa manana andraikitra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no antony namorona ny fikambanana. Ny fomba entin’ny fikambanana Mikajy Natiora amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia ny fampifandraisana ny fikarohana sy ny fandraisana anjara ny olona ifotony.

Aiza no misy ny ONG Mikajy Natiora?

Eto Antananarivo no misy ny foiben’ny fikambanana fa any amin’ny Faritra avaratra andrefan’ny Madagasikara no toerana tena iasan’ny fikambanana. Ny fanentanana momban’ny tontolo iainana no asa nosahanin’ny Mikajy Natiora teto Antananairivo fa ny asa hafa toy ny fikarohana, fanentanana momban’ny tontolo iainana, ary ny fampivoarana ara-pivelomana no nosahaniny tany amin’ny Faritra Sofia toy ny Antsohihy, Maromandia, Analalava, Mahitsihazo ary ny valan-java-boahary ny Sahamalaza-Iles Radama sy ny tanana manodidina an’io valan-java-boahary io.

Inona avy ireo varika iasana?

Ireto avy ny karazana varika iasanay:

  • Ny akomba manga maso (Eulemur flavifrons)
  • Ny valovihy (Mirza zaza)
  • Ny vokombahy (Microcebus sambiranensis)
  • Ny Fitsidiky (Lepilemur sahamalazensis)
  • Ny Bokombolo (Hapalemur occidentalis)

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo varika sy ireo asa hafa?

Hatramin’ny niforonan’ny fikambanana dia efa maro ny asa natao amin’ny fiarovana ny varika sy ny toeram-ponenany. Araka nolazaina teo ambony dia ny fampiraisana ny fiikarohana sy ny fandraisana anjara ny olona ifotony dia anisan’ny paika ady amin’ny fiarovana ny zava-boahary indrindra ny varika sy ny toeram-ponenany.  Mizara telo mazava tsara asa fiarovana ny varika sy ny fonenany izay sahanin’ny fikambanana.

Fikarohana:

Ny asa fikarohana efa nosahanin’ny Mikajy Natiora dia tsy miompana amin’ny varika ihany fa amin’ny biby hafa toy ny fitilibengy na Ibis sacré de Madagascar.

Ny vokatrin’ny fikarohana natao tao amin’ny atiala ny Anabohazo izay ao amin’ny valan-java-boahary ny Sahamalaza-Iles Radama no nahafantarana fa ny Tsidy (Microcebus sambiranensis) dia hita ary mivelona ato amin’ny faritra Sahamalaza-Iles Radama.

Fanentanana:

Ny fikambanana dia miezaka manentana ny olona ifotony sy ny tanan-dehibe ao amin’ny faritra Sofia sy Antananarivo amin’ny fiarovana ny gidro sy ny toeram-ponenany.  Ny fanentanana natao dia amin’ny endrika samihafa toy ny fanaovana ‘radio crochet’, famelaberanan-kevitra;   fifaninana fanaovana sary ho an’ny ankizy, fifaninana ara-panatanjahantena ; fifaninana hira sy tsianjery momban’ny fiarovana ny tontolo iainana;  fandefasana oronan-tsary momban’ny varika sy ny tontolo ianaina, fanaovana karinavaly, fanadiovana faobe toy ny tora-pasika tao Analalava sy ny lalana ary sekoly tao Antsohihy.

Niezahana izany fanentanana izany natao ho an’ny olona rehetra na lehibe na kely na ny ankizy.

Nisy ihany koa ny fizarana boky fanentanana ho an’ny mpampianatra  sy ny ankizy.

Fanatsarana ny fari-pivelomana:

Misy ny fanomezana fiofanana mikasika ny fiompiana trondro sy voly ovy. Misy ihany koa ny fizarana zana-boasary malaky fitombo sy katsaka.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Nisy ny fambolen-kazo natao ka 1500 no isan’ny zana-kazo novolena : ka 500 hazo vahiny na acacia ary 1000 zana-tany izay misy karazany 2 dia ny bonara sy mangaraharaha. Nambolena manodidina ny ala ny zana-tany mba hampitomboana ny velaran’ny ala. Fa ireo hazo vahiny kosa nambolena manakaiky ny toeram-ponenan’ireo fokonolona ka afaka hampiasaina rehefa lehibe.

Marihina fa ireo fokonolona ihany no namokatra ny zana-kazo.

Nisy ihany koa fanaraha-maso ny ala atao ireo fokonolona an-toerana rehefa nahazo fiofanana. Miisa 8 izy ireo. Mijery sy manisa gidro no ataony ary koa mijery ny tsindry izay misy mandritran’ny fitsidihana ny ala.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Fiarovana ny ala

Ny fanatsarana ny lalana ao anaty ala sy fiofanana ireo mpanara-maso ny ala no anisan’ny tanjona voalohany anananay.

Fizahan-tany

Ao ihany koa ny fikarakarana ny lafin’ny fizahan-tany ka mikasa hanantanteraka ireto asa manaraka ireto izahay :

-fiofana ho mpitari-dalana,

-fampianarana teny vahiny,

-famaritana sy fanatsarana ny lalana ao anaty ala mba ahafahan’ny mpitsidika mijery ireo varika,

-fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve Mikajy Natiora?

Afaka mandray ny fikambanana raha mifanaraka amin’ny tanjona ny fikambanana ny zavatra ataony ary koa mahazaka ireo fepetra tsy maintsy arahina mikasika izany ny mpilatsaka an-tsitrapo.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

-Fananganana trano miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iaianana (maison de l’environnement) ka ahafana mamaky boky sy miresaka momba ny fanentanana mikasika ny tontolo iaianana. Mirefy 10m x6m ny trano tiana ahorina.

-Fiofanana fiompiana tantely : karaman’ny mpampiofana sy ireo fitaovana ilana mikasika izany toy tohotra, aro tanana sy aro tarehy,

 

,