Main Menu

Iray volan’ny mpikambana LCN : Aspinall Foundation Madagascar

 Ny Lemur Conservation Network dia manokana iray volana anehoana ireo asan’ireo mpikambana ato amin’ny LCN ka omena toerana manokana izy ireo, ahafahan’izy ireo manazava amintsika ny fomba ahafahana manampy azy ireo, amin’ireo ady ataony ho fiarovana ny varika. Ity volana Martsa 2019 ity dia natokana ho an’ny  Aspinall Foundation Madagascar. Ao anatin’ity bilaogy ity, dia niresaka tamin’i Rtoa Maholy Ravaloharimanitra izahay, izay mpandrindra mpitarika sy misolo-tena ny ONG Aspinall Foundation eto Madagasikara  izay nitantara taminay ireo asa zava-dehibe ataon’ny Aspinall Foundation ary ny fomba ahafahantsika manampy azy. 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana 

Tamin’ny taona 2009 no nitsanganan’I Aspinall Foundation Madagascar ary nifantoka voalohany tamin’ny fikarohana mikasika ny velaran-tany fonenan’ny varika atao hoe Godrogodroka (Prolemur simus) izay vao hita indray any Torotorofotsy.

Taorian’ny fikarohana voalohany, dia afaka namaritra ny toerana hiasana atao ho laharam-pahamena izahay, izay tamin’ireo toerana izay azo antoka fa misy ireo varika ireo. 

Tamin’ny taona 2010 dia nanitatra ny fikarohana izahay ka niasa momba ireo sifaka (Propithecus coronatus) ary dia nanomboka nitady ireo toerana izay mety ahitana azy ireo amin’ny andrefan’i Madagasikara.

Amin’izao fotoana izao, miasa ho an’ireo fiarovana ireo varika 6 eo ambavan’ny faharinganana izahay ary ireo fonenany. Dia ireo godrogodroka (Prolemur simus), varijatsy (Varecia variegata), Babakoto (Indri indri), sifaka sy simpona (propithecus coronatus, P. diadema) ary ny Komba (Eulemur mongoz).

Nanomboka tamin’ny taona 2016, nitatra tamin’ireo karazana biby hafa ihany koa ny asanay ka niasa momba ny fiarovana ireo ankoay, ireo sokatra an-dranomamy, salobokomana ary ireo karazany trondro.

Hatramin’ny nanombohan’ny asan’ny Aspinall foundation Madagascar dia miara-miasa amin’ireo mpiara miombon’antoka eto an-toerana sy any ivelany izahay. Anisan’ny Conservation International, GERP (Groupe d’Études et de Recherche sur les Primates de Madagascar), Association Mitsinjo, Oniversiten’ i Antananarivo, Oniversiten’i Mahajanga, ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha, Beauval Conservation, CERZA Conservation, CEPF, SOS Lemur, ary indrindra ny ministeran’ny tontolo iainana ary ireo tompon’andraikitra misolo azy eny ifotony sy ny ministeran’ny jono ary ireo tompon’andraikitra misolo azy eny ifotony.

Aiza no misy ny Aspinall Foundation? 

Miara-miasa amin’ireo vondrona olona eny ifotony na VOI izahay :

 

  • VOI 5 any amin’ny faritra ala mitohy Ankeniheny Zahamena (CAZ) any faritra Alaotra mangoro ;
  • VOI 5 any amin’ny alan’Andriantantely;
  • VOI 3 manodidina ny alan’Andriantantely ary faritra manam-tompo iray eny amin’ny faritra Atsinanana Region ; VOI 1 ao amin’ny alan’ny faritra Boeny ;
  • VOI 4 any amin’ny faritra Betsiboka.

Inona avy ireo varika iasana?

Miasa amin’ny fiarovana ireo varika 6 eo ambavan’ny faharinganana izahay dia ireo Babakoto, Simpona, Godrogodroka, Varijatsy any amin’ny faritra Atsinanana (Ambatondrazaka, Moramanga, Brickaville ary Mahanoro); Sifaka sy Komba any amin’ny faritra andrefana (Maevatanana sy Ambato Boeny na MAB).

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo varika sy ireo asa hafa?

Misokajy roa lehibe ny asanay : 1) ny lafiny asa eny ifotony iarahanay amin’ireo mponina eny ifotony mba ahafahan’izy ireo miditra an-tsehatra bebe kokoa amin’ny asa fiarovana ary 2) ny lafiny fikarohana izay anarahanay maso ny fivoaran’ ireo varika ka hijerena manokana ireo velaran-tany fonenany sy ireo fomba fiainany.

Fidiran’ireo mponina eny ifotony an-tsehatra amin’ny asa fiarovana

Fanabeazana sy fanentanana

Ny tena anisan’ny olàna lehibe sedraina dia ny tsy fahafantaran’ny mponina ny maha-zava-dehibe ny harena ara- voajanahary manodidina azy sy ny fiantraikan’ny fisian’izy ireo eo amin’ny fiainany. Nisafidy fankalazana maneran-tany roa lehibe izahay anentanana ny mponina :

Ny andro fankalazana maneran-tany ny tontolo iainana izay anabeazana manokona ny olona ny amin’ny maha zava-dehibe ny ala eo amin’ny fiainana andavan’andro ary ny maha zava-dehibe ny ala amin’ny fiainan’ny olombelona.

Ny andro fankalazana maneran-tany ny dihin’ny varika izay hanentanana manokana ny mponina mba hamantarany ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny varika sy ny fomba anampiany amin’ny loza izay maha-lany tamingana azy ireny.

Satria moa ireo mponina entanina dia samy manana ny taonany avokoa dia manao ezaka manokana ho an’ny fanentanana sy ny fanabeazana ireo ankizy izahay. Ampianarina momba ny fambolen-kazo sy ny famerenena ny ala izy ireo mandritra ny fankalazana ny andron’ny sekoly izay ankalazaina mandritra ny volana Febroary. Mandritra izany dia mizara boky mirakitra hafatra sy fanabeazana amin’ny fiarovana izahay ary alimanaka mirakitra hafatra sy fananeazana amin’ny fiarovana ho an’ny ray aman-dreny sy tompon’andraiki-panjakana.

Amin’ny voalohan’ny taona ity, dia hanantanteraka hetsika mandritra ny andro fankalazana maneran-tany ny faritra mando izay ankalazaina mandritra ny volana Febroary. Izany dia atao eny amin’ny faritra andrefana iasanay.

Fanohanana ireo asa ataon’ny mponina amin’ny fiarovana

Amin’izao fotoana izao dia manome tohana ireo asa ataon’ny mponina eny ifotony izahay, misokajy telo lehibe izany :

  • Asa fiarovana ataon’ny mponina eny ifotony miisa 14 amin’ny alan-voajanahary arovana Nosivolo ao anatinn’y faritra 3; ala izay manana velaran-tany 20 600 hekitara.
  • Fanaraha-maso sy fiambenana ala, izay tohana novatsian’ny SOS ny ampahany (amin’ny faritra atsinana) ary ny CEPF (amin’ny faritra andrefana). Ireo asa ireo dia manatsara avy hatrany ny asa fiveloman’ny fianakaviana miisa 73.
  • Fanamafisana ny fampiharana ny lalàna, eny amin’ny faritra izay tantanan’ireo mponina eny ifotony. Ka miara-miasa amin’ny zandary eny an-toerana izahay ary ireo tompon’andraikitra amin’ny faritra sy eny ifotony izay misolo-tena ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ala.

Ady atao amin’ny loza mihatra ireo varika sy ny fonenany

Manampy ireo mponina eny ifotony izahay amin’ny asa fivelomana ny ireo fidiram-bolany, ny fanampiana dia mety ara-teknika na ara-bola araka izay angatahin’izy ireo. Tamin’ity taona ity ohatra dia miara-miasa amin’ny SOS izahay mba hanampy ireo VOI any amin’ny CAZ sy any Andriantantely amin’ny fiompiana trondro, fambolem-bary, fambolena sakamalao, fiompiana tantely ary ny fambolena legioma.

 

Fanaraha-maso ireo  varika

Nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’ny taona 2012, dia nifantoka betsaka tamin’ireo Godrogodroka sy Sifaka ny asanay. Fa nanomboka ny taona 2012, dia nitatra amin’ireo varika eo ambavan’ny faharinganana 4 ny asanay , anisan’izany ny Varijatsy (Varecia variegata), Babakoto (Indri indri), Simpona (Propithecus diadema) ary ny Komba (Eulemur mongoz).

Tamin’ny taona 2018, nanomboka niasa tamin’ireo varika mivoaka amin’ny alina ao amin’ny faritra CAZ ny tetikasa. Amin’izany dia mifantoka amin’ny fikarohana mikasika ny velaran-tany iainany sy ireo isany izahay, izany asa izany dia ahafahana manaraha-maso ireo mponin’ny varika ary ny fivoaran’ny fomba fiainany mandava-taona ka ahitàna ny vokatry ny tetikasam-piarovana ataonay amin’ireo varika ireo.

Fahafantarana ireo vorona tsy misy afa-tsy ao amin’ny faritra iray ary efa ho lany tamingana, sokatra an-dranomamy sy trondro

Nanomboka ny taona 2016, noho ny famatsiana azo avy amin’ny CEPF dia nanitatra ireo asanay sy fikarohana nataonay izahay amin’ireo karazana biby hafa toy ny vorona, sokatra an-dranomamy sy trondro amin’ny faritra andrefan’ny tetikasanay.

Ny tetikasa izay napetraka amin’ny faritra andrefana dia miompana amin’ny fiarovana ny fonenan’ireo biby ireo mihitsy fa tsy ireo biby ireo fotsiny ihany. Na dia izany aza, dia ny mamantatra ny fisiany na tsy fisiany ireo vorona dia Malagasy sy ireo sokatra an-dranomamy ary ireo karazana trondro toy ny damba aza ny asanay.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Fanaraha-maso ny fiainan’ireo varika

Indro aseho amin’ny fafana eto ambany ny isan’ireo tarika na groupe (Grp) sy ireo varika ao anatin’ny tarika na ireo individus (Ind) isaky ny karazany.

Karazana na espèces CAZ[1] ADTL[2] MAB[3] NSVL[4] Total
Grp. Ind. Grp. Ind. Grp. Ind. Grp. Ind. Grp. Ind.
Prolemur simus

Godrogodroka

10 92 21 519 1 tsy fantatra 32 611
Varecia variegata

Varijatsy

24 93 85 337 109 403
Indri indri

Babakoto

62 161 110 337 172 489
Propithecus diadema

Simpona

18 72 28 97 46 169
Propithecus coronatus

Sifaka

21 70 21 70
Eulemur mongoz

Komba

6 15 6 15
Eulemur rufus

Halo

4 9 4 9
[1] CAZ = Alan’ny Corridor Ankeniheny Zahamena
[1] ADTL = Alan’ny Andriantantely
[1] MAB = Maevatanana – Ambato Boeny
[1] NSVL = Ala voajanahary arovana any Nosivolo

Fanabeazana sy fanentanana

  • Nankalaza ny andro fankalazana maneran-tany ny tontolo iainana tany Ranomainty izahay niaraka tamin’ireo VOI Ala Maitso ao amin’ny CAZ sy Tanambao miaraka amin’ireo VOI Soafaniry Soafaniry Sahamanantsy ary VOI Tambatra.
  • Nankalaza ny andro fankalazana maneran-tany ny dihin’ny varika niaraka tamin’ireo VOI 3 izahay :  VOI Tsiriniala ho an’ny tetikasa Andriantantely ary VOI Faniry sy Mami ho an’ny tetikasa CAZ.
  • Nanohana sy nanampy ny fananganana ny hopitaly ao Raboana izahay (VOI Faniry sy Mami).

Fanohanana ireo asa ataon’ny mponina amin’ny fiarovana

  • Mpiambina ala eny ifotony miisa 49 no manaraha-maso matetika ireo varika ao anaty ala tantanan’ireo mponina. Mpiambina ala 24 no miasa amin’ny fanaraha-maso ireo varika ivelany ny faritra arovana ao anatin’ny tetikasa CAZ.
  • Toeram-pambolen-kazo 14 no natsangana ary ampiasaina : ny iray ao amin’ny toerana iasan’ny tetikasa MAB, ny 3 ao amin’ny tetikasa CAZ ary ny 6 kosa amin’ny tetikasa any Andriantantely.
  • Zana-kazo 36 857 no maniry ao anatin’ireo toeram-pambolen-kazo ireo
  • Hazo miisa 16 848 no ho hafindra any amin’ny toerana natokana hamerenana ny ala izay mirefy 8.5 hekitara eo ho eo
  • Famaritana ireo ala izay ho tantanin’ny VOI Sahanio ao Andriantantely ao anatin’ny tetiksa famindrana ny fitantanana ny ala (TGRN)
  • Tsy misy fandoroana ala amin’ireo ala izay tantanan’ireo mponina eny amin’ny faritra misy ny CAZ
  • Manohana hatrany ny hetsika fampiharana ny lalàna izahay miaraka ao anatin’ny tetikasa CAZ sy Andriantantely.

Ady atao amin’ny loza mihatra ireo varika sy ny fonenany

Fianakaviana miisa 148 avy any CAZ no mahazo tombon-tsoa avy amin’ny fiompiana trondro, fambolem-bary. Ary fianakaviana 78 ao Andriantantely no mahazo tombon-tsoa avy amin’ny fambolena sakamalao ary 170 ao Andriantantely  no mahazo tombon-tsoa avy amin’ny fambolena legioma  ary fianakvaina 35 kosa avy any amin’ny faritra Ambato-Boeny no mahazo tombon-tsoa avy amin’ny fambolena voasary sy  fiompiana tantely.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Tanjona amin’ny fanabeazana, fampahanfantarana, fanentanana

  • Hampiakatra ireo isan’ireo mponina eny ifotony izay afaka entaninay ny amin’ny maha zava-dehibe ny asa fiarovana indrindra any amin’ny faritra misy ny tetikasa MAB.
  • Hampivoatra ny fiofanana omena ireo mpampianatra eny an-tsekoly mba ahafahan’izy ireo manabe ireo ankizy amin’ny lafin’ny tontolo iainana
  • Hikarakara sy handray an-tanana ny hetsika fanentanana ny andro fankalazana maneran-tany toy ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana, ho an’ny varika ary ho an’ny faritra mando.
  • Hamerina hampahafantatra ny anjara asan’ireo mpiantsehatra tsirairay amin’ny asa fiarovana eny anivon’ny faritra rehetra iasana.

Tanjona amin’ny asa fiarovana sy fanentanana sosialy

  • Famitana ny asa famerenana ny ala mirefy 25 hekitara mandritra ny taona 2018 sy 2019
  • Famaranana ny fifanarahana amin’ny famindram-pitantanana ho an’ny fikambanana eny ifotony any  Ambinanifanasana (kaominina ambanivohitra Fetraomby).
  • Famantarana ireo ala sy faritra mando izay iarahana miasa amin’ny fikambanann’ny mponina eny ifotony hiasa amin’ny fiarovana ireo vorona, sokatra an-dranomamy, trondro ary varika
  • Fanohizana sy fampiromboroboina ny fahaiza-manao an’ireo mponina eny ifotony mba ahatonga azy ireo mpitantana mahaleo-tena ireo harena ara-voajanahary.
  • Fanampiana ireo asa fiarovana ataon’ny mponina eny ifotony amin’ny alalàn’ny fanaraha-maso, fiambenana ary ny fanamafisana ny fampiharàna ny lalàna.

Tanjona amin’ny asa fikarohana

  • Fanatsarana ireo voka-pahalalana azo momba ny fiainan’ireo varika ary ny fandihana ireo vokatra azo
  • Fanatsarana ny fahalalana azo momba ny varika mivoaka amin’ny alina amin’ireo faritra iasana
  • Famindrana ireo vondrona varikamena (Eulemur rubriventer) avy amin’ny faritra Atsinana mankany amin’ny Andriantantely
  • Fanitarana ireo asa iarahana amin’ireo VOI roa ao amin’ny CAZ VOI Faniry sy VOI Mami.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve Aspinall Foundation Madagascar ?

Tsy mandray olona hiasa an-tsitrapo izahay noho ireo zavatra izay tsy maintsy mila mipetraka raha sendra misy ireo olona miasa an-tsitrapo (toy fahazoana miantso an-tarobia, fisian’ny anterineto, fisian’ny hopitaly akaiky ny toerana iasana). Na izany aza anefa, raha misy olona maniry hiasa an-tsitrapo momba ny fiompiana trondro, ady ara-boajanahary atao amin’ireo bibikely manimba voly, fampianarana fomba firesahana amin’ny teny anglisy amin’ireo mpampianatra, mpiambina ala ary ireo mpisera-dia, dia raisina an-tanan-droa izany. Mitady fiaraha-miasa amin’ireo oniversite ihany koa izahay amin’ny fianarana ireo karazana biby hafa.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Maro tsy voatanisa ny fomba izay ahafahana manampy anay amin’ny asa fikarohana ataonay na ireo asa fiarovana. Fa ireto no tena maika :

  • Fanohanana ny asa fiarovana any Andriantantely, manomboka ny volana Aprily 2019 (izay fotoana iafaran’ny famatsiana avy amin’ny SOS amin’io faritra io). Izany fanampiana izany dia mahakasika ny fandoavana ny karaman’ireo mpiabina ala, fanohanana ny fanomezana fiofanana ireo mponina eny ifotony, fikarohana mikasika ny varika, fividianana ireo fitaovana fanampiny toy ny camera-trap, binoculars, gps mba hanomezana lanja bebe kokoa ireo voka-pikarohana sy ahafantarana bebe kokoa ny harena voajanahary ao Andriantantely
  • Famatsiana ny fikarohana sy asa fiarovana ao amin’ny tetikasa Nosivolo, izay voatery nahato noho tsy fahampian’ny famatsiana

Manaraka izany, dia maniry ny hahazo famatsiana ho an’ny :

  • Fananganana lakilasy iray farafakeliny isaky ny fokotany, ho an’ny fokotany 5 ao Andriantantely
  • Fananganana toerana hilasiana isaky toerana iasana.
  • Fanohanana ireo fifanakalozana traik’efa amin’ireo VOI ao amin’ireo faritra 4 iasana.
  • Fanohanana ireo vehivavy hanana toerana manokana amin’ny asa fiarovana amin’ny alalàn’ny fanampiana azy ireo amin’ny asa-tanàna, fambolena legioma, ary fiompiana.

 

,