Nankalazaina tamin’ny zoma faha 05 oktobra 2018 lasa teo, teto Antananarivo ny dihin’ny varika maneran-tany, andiany fahadimy, izay nokarakarain’ny GERP. Maro ireo hetsika izay notanterahina. Nanomboka tamin’ny diam-be niarahana tamin’ireo vondrona tanora avy amin’ny sekoly ambaratonga ambony, ireo orinasa ary ireo fikambanana. Ary, nitohy tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny ANS Ampefiloha, ireo fanentanana maro izay notanterahin’ireo mpahay ara-java kanto ary ireo fampirantina. Nisy ihany koa ny laombary an-dasy narahina ady hevitra mitondra ny lohahevitra hoe “Harem-pirenena ny varika fa mbola ho voaaro ve?” natao tao amin’ny ENS Ampefiloha. Araho eto ny resa-dresaka nifanaovana tamin’ny mpandrindra ny hetsika Andriamatoa Heritiana Dieu Donné RANDRIANATOANDRO momba io fankalazana io.
Inona no tena naharesy lahatra anareo eo anivon’ny GERP amin’ny fanaovana hetsika goavana tahak’izao fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany izao ?
Ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany dia nanomboka tamin’ny taona 2014. Tonga amin’ny andiany fahadimy isika izao. Mahatsapa izahay ao amin’ny GERP fa tena mbola mila hamafisina ho antsika malagasy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny gidro na ny varika. Antony maro no mahatonga izany. Voalohany, efa fantatra fa mihena dia mihena ny velaran-tany misy ala eto Madagasikara. Ny varika anefa dia biby miaina anaty ala ka rehefa potika ny ala dia ho lany tamingana ireo varika. Ka mahatsapa izahay fa noho ny fahasimban’ireo ala fonenan’ny varika dia ilaina ny fanamafisana ny fanentanana tahaka izao. Faharoa, tao anaty ny taona vitsivitsy izay dia hita ihany koa fa nitombo ny fihazàna ireo varika mba atao sakafo. Ireo olona eny ifotony izay tsy manana sakafo ampy intsony no matetika mihaza ireny gidro ireny. Ny antony fahatelo, dia hita ihany koa fa lasa ataon’ny olona biby fiompy ny varika. Nefa ny varika tsy tahaka ireo biby fiompy toy ny akoho ka azo ompiana an-trano. Mety hamindra aretina amin’ny olombelona izy ireny ka tena tsy mety ary voararà ny lalàna ny fiompiana azy.
Noho ireo antony ireo ary ny noho maha harem-pirenena ny varika, satria isika Malagasy ihany no manana azy ireo, 112 izao no karazana varika efa fantatra fa misy eto Madagasikara, dia mahatsapa izahay eo anivon’ny GERP fa laharam-pahamehana ny fanentanana amin’alalàn’izao fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany izao.
Ela ny ela fa mahatsapa tena isika Malagasy fa tokony arovana ny varika, fa mbola tokony hamafisina izany. Izany indrindra no antom-pisian’izao fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany izao.
Iza avy ireo mpiara-miasa sy mpiara miombon’antoka ary ivo-toerana miankina na tsy miankina ara-panjakana miaraka amin’ny GERP amin’izao hetsika izao ?
Maro ireo mpiara-miasa sy ireo mpiara miombon’antoka izay efa niaraka tamin’ny GERP tamin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany nanomboka tamin’ny andiany voalohany, tamin’ny taona 2014 ka hatramin’izao. Tamin’ity andiany fahadimy ity dia nohamafisina izany fiara-miasa izany. Niara-miasa tamin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena izahay tamin’ny alalàn’ny fandefasana ilay horonan-tsary fanentanana mitondra ny lohateny hoe “Island of Lemurs Madagascar” tao amin’ny Plaza Ampefiloha. Ireo Ministera hafa toy ny Ministeran’ny kolo-tsaina ary ny vakoka, Ministeran’ny fizahan-tany ary Ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika ary ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny ekolojia dia miara- miasa amin’ny GERP avokoa amin’ny fanantanterahina izao hetsika izao. Ny mpanohana ara-bola dia ny Houston Zoo izay nanohana ara-bola tamin’ity fankalazana andiany fahadimy ity.
Ny GERP dia miara-miasa akaiky ihany koa amin’ny UNESCO indrindra amin’ny famolavolana ireo antontan-taratasy mba hisian’ilay andro maneran-tany ho an’ny varika eo anivo’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny biby maneran-tany izay manana ny toerana maha zanatany azy na ilay atao hoe “endemicité” mantsy dia manana ny atao hoe “journée mondiale” ho azy irery ihany. Tokony hanana izany ny varika ka eo amin’ny dingana fametrahana ny antontan-taratasy fangatahana izany eo anivon’ny firenena mikambana izahay amin’izao fotoana izao. Tao anatin’zao fankalazaa izao dia maro ihany koa ivo-toeram-pampianarana na institut supérieur ary ireo fikambanana na ONG misehatra amin’ny fiarovana ny gidro no namaly ny antso ka tonga nanatevin-daharana tamin’izao hetsika izao.
Anisan’ny hita ao anatin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany fa tena manao fanentanana manokana ho an’ny tanora ianareo, inona no tena anton’izay ?
Iarahantsika mahalala fa raha mijery ny salan’isa ny mponina malagasy isika dia fantatra fa tanora no betsaka. Raha mijery ny fiarovana ny varika ny amin’ny ho avy isika, fa tsy ny efa lasa, dia mazava ho azy fa eo ampelatanan’ireo tanora ireo ny fandraisana andraikitra amin’izany fiarovana izany. Na dia izany aza ilaina dia ilaina tokoa ireo olon-dehibe hanoro hevitra sy hizara trai-kefa fa ny tanora no ho mpanapan-kevitra rahampitso amin’izay ho avin’ny firenena sy ireo fananany. Noho izany, raha mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny varika ny tanora dia inoana fa izy ireo no hiaro ny gidro ary hanentana ny hafa eo amin’ny sehatra misy azy indray any aoriana.
Ny tanora no mpanapa-kevitra rahampitso ka tokony ho tsapany dieny maha tanora azy izao ny maha-zava dehibe ny fiarovana ny harem-pirenena tahaka ny varika.
Inona kosa ny vokatra azo tsapain-tanana azo ambara amin’izao fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany atao eto Antananarivo izao ?
Vokatra tena azo tsapain-tanana ho an’ny fankalazana ny dihin’ny varika dia ny fisian’ireo karazana zanaka hetsika fankalazana eny anivon’ny faritra. Tamin’ny voalohany, teto Antananarivo irery ihany ny dihin’ny varika no nankalazaina fa ankehitriny kosa efa miely eny anivon’ny faritra izany. Fantatra mantsy fa eto Antananarivo dia tsy dia maro ny toerana misy ny varika ka noho izany nampihetsi-po ireo izay any amin’ny faritra izay maro varika ny hetsika teto Antananarivo ka naharesy lahatra azy hanohana sy hanantanteraka hetsika ihany koa.
Fantatra ihany koa fa ny any ivelany dia tena maro ny fikambanana no mankalaza ny dihin’ny varika; koa nahaona isika eto izay manana no tsy hanantanteraka fankalazana lehibe tahaka izao dihin’ny varika maneran-tany izao?
Noho izany, misy ny hetsika atao hoe “dihin’ireo bandro” any Alaotra. Nisy ihany koa ny “Festival des Indri” tany Andasibe ary ny “Festival des Komba” any Diego. Ny tanjona dia ho ezahina ho tanterahina isaky ny faritra ny hetsika.
Inona ny hafatra tianao ho ampitaina ho an’ireo mpamaky ?
Harem-pirenena ny varika ary harena ho antsika Malagasy. Ny firenena maro samifaha dia samy manana ny biby mampiavaka azy ary reharehany izany biby izany. Ny varika na ny gidro no biby mampiavaka antsika maneran-tany. Nefa, iaraha-mahalala fa potika ny tontolo misy azy, miha lany tamingana izy ireo. Koa ndeha ataontsika fanamby no manome sehatra lehibe an’ireo gidro raha miresaka an’i Madagasikara isika. Ary rehefa tsy arovantsika izao ny gidro, dia rehefa tsy hisy intsony ve izy ireo izay isika vao hifanome tsiny ? Fotoana izao ahafahana manoratra tantara vaovao amin’ny fiarovana ny varika.