Main Menu

Torolalana ho an’ny tambazotra sosialy-Dihin’ny varika maneran-tany

Mampiasà an’ireto hashtags #WorldLemurDay #WorldLemurFestival. Ho antsika eto Madagasikara ampiasao ihany koa ny hashtag hoe  #JNL2023

Asehoy na asio “tag” ny tambazotra sosialin’ny Lemur Conservation Network. Ireto avy ny tambazotra sosialy ananan’ny LCN Facebook, Twitter, and Instagram.

Lohahevitra avoitra eto Madagasikara

Ny Varika: Lova sarobidy tsy manam-paharoa, Ndao hiara-hientana isika hiaro azy ireo.

 

Ireo hafatra tsara ampitaina momba ny varika

Ny varika dia biby tena mahaliana ary mahavariana ny fiainany, maro ireo zavatra azo resahina momba izany. Ireto misy zavatra vitsivitsy:

  • Tsy dia hoe mahafinaritra fotsiny no mijery ireo varika, fa manana anjara toerana lehibe amin’ny ala izy ireo. Mpamindra vovobony ary mpanaritaka ireo voan’ireo zava-maniry ny varika; manampy ny ala hitombo tsara izy ireo izany.  Ahitana ireo fivoaran”ny primata voalohany ireo varika.
  • Ahiana ho lany tamingana ny varika. Eo amin’ny 31% an’ireo karazana varika dia efa eo ambavahoana ny faharinganana – dingana iray sisa dia tsy hisy ho velona intsony izy ireo. Hianjadian’ny tsindry maro samihafa ny 98% amin’izy ireo.
  • Eto Madagasikara irery ihany no ahitany ny varika any anaty ala. Miantefa tanteraka any amin’ny varika noho izany  ireo hafatra omentsika, fa na izany aza mahafinaritra ihany koa no mizara ny hamaroan’aina rehetra ananan’ny nosintsika. Ka ireo biby hafa toy ny fossa, sahona, ireo vorona sy maro hafa dia azo resahina sy avoitra ihany koa.

Akomba (Eulemur coronatus) zazakely mifikitra amin’ny mamany. Sary Mathias Appel

Tena manan-danja lehibe eo amin’ny fiarovana ny varika ireo mponina. Vohizo ao anatin’ny hafatra izay omenao fa ny olona REHETRA dia afaka manampy!

  • Ny olona rehetra dia afaka manampy amin’ny fiarovana ny varika, tsy ankanavaka ny toerana misy na ny fiaviana. Tohano ny fiarovan’ny varika ka lazao amin’ireo namana, fianakaviana ny mahazava-dehibe ny varika. Ny fandraisana anjara amin’izany dia azo ary afaka atao amin’ny alalàn’ny firotsahana an-tsitrapo miaraka amin’ireo fikambanana eny ifotony miaro ny varika. 
  • Omeo lanja manokana ireo Malagasy mpikaroka, ireo Malagasy mpisehatra ao anatin’ny fiarovana ary ireo mponina mirotsaka ao anatin’ny fiarovana. 

 

 

 

Toro-lalana ho an’ireo mpikambana ato amin’ny LCN

  • Fotoana ahafahana mangataka fanohanana ara-bola ho an’ny asa ataonao momba ny varika ny andron’ny varika maneran-tany, ka afaka manantanteraka izany amin’ny alalan’ny “Facebook fundraiser” ianao mandritra ny herinandron’ny fankalazana. Amin’io fotoana io no tena mazoto ary liana hanohana ny olona, satria fotoana iray ho an’ny varika io ary indrindra raha manazava tetikasa iray manokana tokony ho tohanana ianao dia ho maro ireo mpanohana. 
  • Vohizo manokana ny fanazavana ireo karazana varika hiasanao ka afaka resahina ao anatin’ny iray andro ohatra ny karazana varika iray.  
  • Fotoana iray ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany handefasana mailaka ireo mpanaraka sy mpanohana ka ahafahana mangataka fanohanana.
  • Zarao amin’ireo tambazotra ny tantara kely momban’ireo sary izay nalainao momba ny asa ataonao. Zarao ireo fahombiazana, zarao ny tetikasa momba ny fiarovana tanterahina ankehitriny, zarao ny sarin’ireo toerana hiasanao, ary ireo sarin’ireo varika hita any amin’ny faritra hiasanao.

Sarin’ireo varika afaka ampiasaina

Maro ny sary azo ampiasaina mandritra ny fankalazana fa azo atao ihany koa ary hamporisihina isika hampiasa ireo sary sy logo: