Main Menu

Ireo daty sy toerana misy ny fankalazana

Mankalazà ny fitiavana ny fiarovana ny varika mandritran’ny fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany, Zoma faha 27 Oktobra 2023 !

Maro ireo fankalazana sy hetsika tanterahina mandritra ity fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany.

Hetsika ataon’ny Lemur Conservation Network

“Trivia Night” any Washington DC ny faha 25 Oktobra 2023 amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 10 ora alina

  • Miaraha aminay sy Solly’s Tavern fa hilalao isika ary hisy lalao fanontaniana momban’ny varika
  • Ny toerana Solly dia manome ny 10% ny sakafo sy zava-pisotro lafo amin’io fotoana io ho an’ny  Lemur Conservation Network, ary hananana ilay karazana lalao karatra varika izahay amin’io afaka vidin’ny olon-tsotra. Amin’izany dia afaka mahazo loka maro avy amin’ny  Fruition Chocolate Works, Beyond Good, Farm to Feast Catering, Boredwalk, SockflyRe:wild ary mbola maro hafa!

Hetsika eto Madagasikara

Ho tanterahina any Maromizaha, Andasibe ny fankalazana ny andron’ny varika izay iarahana amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy sy ireo fikambanana ary mpiara-miombon’antoka maro.

Ny Lohahevitra: Ny Varika: Lova sarobidy tsy manam-paharoa, Ndao hiara-hientana isika hiaro azy ireo.

  • Toerana: Maromizaha-Andasibe
  • Fotoana : Ny tontolo andron’ny Zoma faha 27 Oktobra 2023 ny fankalazana iarahana amin’ireo mpiantsehatra maro
  • Hetsika: Hisy ny fitsidihana ny valan-jaboahary ao Maromizaha tarihin’ny GERP, ny carnaval sy ny fampirantiana ary ny kilalao iarahana amin’ireo ankizy.

Hetsika ivelan’ny Madagasikara

Tsidio ny tranon-kalan’ny LCN amin’ny teny Anglisy misy ireo daty sy toerana fankalazana ivelan’i Madagasikara