Andron’ny Varika Maneran-tany

Ankalazaina isan-taona ny zoma faran’ny volana Oktobra ny Andron’ny Varika Maneran-tany na ny fankalazana ny Dihin’ny varika maneran-tany

Amin’ity taona 2019 ity, dia ankalazaina ny Zoma faha 25 Oktobra 2019 izany.

Ny Andron’ny Varika Maneran-tany na ny Fankalazana ny Dihin’ny Varika Maneran-tany dia ankalazaina eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao mandritra ny herinandro manodidina io daty io.

Ireo hetsika 2019 Toro-lalana ho an’ny Fankalazana

 

Hetsika eto Madagasikara

Maro ireo fikambanan-dehibe sy fikambanana miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no manantanteraka hetsika isan-karazany ho fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany na ny dihin’ny varika maneran-tany. Izany dia tanterahin’izy ireo any amin’ny toerana izay hiasany sy misy ireo tetikasa manerana ny nosy. Misy fankalazana lehibe eto Antananarivo izay tarihin’ny fikambanana GERP. Ary misy fankalazana ihany koa manerana ireo renivohitra maro eto Madagasikara.

Asa-tananan’ireo ankizy miaraka amin’ny Madagascar Fauna & Flora Group’s tamin’ny taona 2015

Ao anatin’izany fankalazana izany dia misy ireo hetsika toy ny filaharam-be iarahana na Carnaval, ny fampisehoana horonan-tsary mihetsika momba ny varika, hira sy dihy, fampisehoana mivelatra sy seho sehatra, kaonferansa ara-tsiantifika, famelambelaran-kevitra, kilalao maro ho an’ny ankizy sy tanora ravahin’ireo “costumes” sy loka maro samihafa.

Aza misalasala mifandray amin’ireo mpikambana ato amin’ny LCN raha maniry handray anjara amin’ny fankalazana eo amin’ny toerana izay misy anao ianao.

Tantaran’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

 

 

Hetsika any ivelany sy maneran-tany

Maro ireo fikambanana any ivelany, ireo toeram-pianarana, ireo fahi-bibidia na Zoos, ireo Oniversite, ary ireo toeram-pisakafoanana no mankalaza ny andron’ny varika maneran-tany.

Mpianatra avy any Etazonia namorona sary ho an’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

Entina indrindra hanangonana famatsiana avy amin’ireo mahalala-tanana mba hanohanana ny tetikasa na fandaharan’asa miaro ny varika ataon’ireo fikambanana manodidina izany fankalazana izany.

 

 

 

 

 

Ary ianao kosa, inona ary aiza no fankalazana handraisanao anjara amin’ity taona ity?

Jereo ireo daty sy toerana misy ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany akaiky anao.

Ireo hetsika 2019 Toro-lalana ho an’ny Fankalazana