Main Menu

Zava-dehibe ny fisian’ny varika any anaty ala

Mpanoratra bilaogy vahiny androany i HAJANANTENAINA Herindrainy Davidson. Izy dia tanora mpianatra sady mpikaroka momba ny varika avy ao amin’ny sampam-pianarana Siansa, mention ADD, Oniversite Antananarivo. Ankoatra ny asa fikarohana izay ataony, dia mandray anjara ihany koa izy amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana izay ataon’ny fikambanana GERP. Androany izy, dia hanazava amintsika indray ny mahazava-dehibe ny fisian’ny varika any anaty ala. Araho eto ary izany!

© GERP Manombo

Fampidirana: natao hifandrindra ny biby sy ny zava-maniry

Ao anatina tontolo voajanahary iray dia natao hifameno avokoa ny anjara toeran’ny zavamananaina rehetra. Ny fahambangan’iray amin’ireo dia efa miteraka fikorontanana mandalo na maharitra eo anivon’ny tontolo voajanahary iray, eny fa hatramin’ny fiainan-draolombelona mihitsy aza. Hatrany am-boalohany dia efa nisy rindra voajanahary eo amin’ny samy zavamaniry sy biby mba hifanampy sy hifandrindra.

Ny fisian’ny varika izay saika hita amin’ireny faritra arovana sy valanjavaboary ireny, dia manana ny antony sy ny anjara toerany ekolojika ho an’ilay ala sy ilay faritra misy azy.

Ato amin’ny lahatsoratra ity dia andeha hizara fahalalana mahakasika ny antom-pisian’ny varika anaty ala voajanahary iray.

Ny varika dia samy manana ny sakafony avokoa ary amin’ny ankapobeny dia na bibikely, na voankazo, na ravina, na ditin-kazo na vonim-boninkazo no fihinany.

© GERP Manombo

Mpanaparitaka voa ao anaty ala ny varika

Ny anisan’ny tena mampiavaka ny varika mpihinana voankazo dia ny fanamparitahana voa. Mandritra ny fotoana itetezany hazo maromaro mba hitadiavany sakafo na toerana hitobiana no anaparitahany ireo voa avy amin’ny voankazo haniny. Ireo voa aparitany ireo dia tsy mitovy fitsiry amin’ny voa mihintsana ho azy fa haingana kokoa. Maro amin’ireo hazoala mantsy no tsy mitsiry ny voany raha tsy mandalo anaty vavonina biby ary ny varika mpihinana voankazo dia anisan’ny mpandray anjara amin’izany.

Mpihinana vonim-boninkazo sy mpampiray vovom-boninkazo ny varika

Ho an’ny varika mpihinana vonim-bonikazo na mamim-bonikazo kosa dia mandritra ny fotoana isafidianany na itadiavany sakafo iny izy no efa manomboka manao ny asany. Mandritra izany no amindrany ny vovom-boniny amin’izay hazo teteziny.

Ny fisian’ny varika ao anaty ala iray ihany koa dia mampifandanja ny isan’ny sokajim-biby ho araka ny tokony ho izy. Raha tsy misy intsony ohatra ny varika dia mety ireto tranga manaraka ireto no hitranga:

© Herindrainy Davidson HAJANANTENAINA

  • Hihena ny isan’ny biby mpihiza toy ny fosa (Cryptoprocta ferox), andrasabe (Polyboroides radiatus) sy do (Acrantophis madagascariensis) izay anisan’ny mpizaha varika.
  • Hihena na holany tamingana ny sokajim-biby fihaza hafa
  • Hiakatra an-tanàna ny biby mpihaza ka mety hitondra aretina sy fahavoazana ho an’ny olombelona.

Araka izany dia hita fa any anaty ala ihany no tokony itoeran’ny varika fa sady mikolokolo ny aty ala izy no mihazona ny fifandrindran’ny isan’ny bibidia tsirairay. Ary ankoatra ny tombontsoa azo avy amin’ny fizahan-tany ho an’ny faritra manana harena voajanahary dia manana ny toerany ihany koa ny varika amin’ny fisorohana ny fiovaovan’ny toetrandro ary indrindra ny fihazonana ny ala amin’ny fitanana ny karbaona.

Hafatra ho an’ny mpamaky

Sarobidy ho an’ny fiaintsika andavanandro ny fananantsika ny ala ary miantoka ny hoavin’ny taranatsika eto Madagasikara hatrany ivelany.

Ny fiarovana sy fikolokoloana ireo zavamananaina isan-karazany miainga amin’ny bilitika indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra no antoka hihazona ny faharetan’ny ala.

© Herindrainy Davidson HAJANANTENAINA

Ho antsika nahazo halalana dia manana fitiavana hoazy ireny zavaboahary ireny ary miainga amin’ny fampitana sy ny fizarana ataontsika amin’ny olom-pirenena manodidina antsika no hitomboan’ny fitandrovana azy ireny.

Ho mora kokoa amin’ny mponina ifotony kokoa ny ho saro-piaro ny fananany raha fantany sy tsapany ny anjara-toeran’ny zavamananaina tsirairay ao anaty ala.

 

Ndeha iaraha-hiasa hanentana sy hanabe ny taranaka fara mandimby!

Maniry handray anjara an-tsitrapo amin’ny fanoratana bilaogy ato amin’ny LCN ve ianao? Manorata aty aminay.