Main Menu

Valan-javaboahary arovana ao SAVA: Fitsidihana ny ala tàntanin’i Desiré Rabary ao Antanetiambo

Tamin’ny volana Oktobra 2018, nitsidika ny faritra SAVA i Lynne Venart nandritra ny roa herinandro. Ny tanjony dia :1) Hitsidika ny valan-javaboahary arovana ao Marojejy 2) Hahita ireo Simpona fotsy;  3) Hahalala bebe kokoa momba ireo ala java-boahary arovana tàntanin’ireo mponina na vondrona olona eny ifotony ary 4) Hahalala bebe kokoa mikasika ireo asan’ny  Lemur Conservation Foundation (LCF) ao amin’io faritra io. Indro zarainy amintsika ato anatin’ity bilaogy ity ny fitsidihana nataony. Vakio eto ny dika teny Anglisy ny bilaogy!

Rehefa avy namakivaky sy nitsidika ny ala java-boahary arovana nasionaly ao Marojejy hijery ireo Simpona fotsy izahay dia niala sasatra andro vitsy teny amoron-dranomasina tao Sambava. Ary rehefa vita izany, niala ny tanàn-dehibe izahay ka nandeha nanantanteraka ny dia tongotra andro maro hitsidika ny ala java-boahary arovana ao Anjanaharibe niaraka tamin’ny mpisera-dia nitondra anay dia i Jackson izany.

Fa mialohan’izany, naniry indrindra ny hitsidika ny valan-javaboahary tàntanin’ireo mponina eny ifotony ao Antanetiambo aho. Nijanona tao Andapa indray alina izahay mba ahafahana miainga maraina hihazo ny valan- javaboahary ao Anjanaharibe an-tongotra. Ary ao Andapa no toerana tsara iaingana raha handeha hitsidika ny ala ao Antanetiambo. Nanantanteraka hetsika maro tao Andapa miaraka amin’ireo mponina ny Lemur Conservation Foundation ho an’ny andro maneran-tany ho an’ny varika ka dia tsara indrindra ny nahitako maso ny tanàna ao Andapa. Rehefa avy nandoa ny vola ho an’ny tranom-bahiny atoriana na hotel izahay dia nandeha an-tomobolina hitsidika ny valan-javaboahary arovana ao Antanetiambo.

Momban’ny valan-javaboahary arovana ao Antanetiambo

Any avaratra atsinanan’i Madagasikara eo anelanelan’ny Parc National Marojejy sy valan-javaboahary arovana ao Anjanaharibe Atsimo na Réserve spéciale Anjanaharibe Sud no misy ny valan-javaboahary arovana Antanetiambo na Réserve Antanetiambo. Io ala arovana io izay fananan’ny mponina eny ifotony dia ala mirefy 35 ares manodidina ireo saha sy tanàna.

Rakotra bararata io ala io, ary noho izany dia fonenan’ireo Bokimbolo (Hapalemur) izy. Maro ihany koa ny zava-manan’aina hita ao toy ireo tanala, bibikely maro ary ireo vorona. Azo atao ny mitsidika io ala arovana io ary iarahana amin’ireo mpisera-dia sy ireo mponina eny ifotony izany. Misy ihany ny toerana manokana natao ambolena ireo zava-maniry hamerenana ny ala voajanahary ary misy toerana fiompiana trondro.

Désiré Rabary, Mpiaro eny ifotony ny valan-javaboahary

Ny Réserve ao Antanetiambo dia tàntanin’i Désiré Rabary noho ny fiaraha-miasa sy fanohanana avy amin’ny Lemur Conservation Foundation sy ny Duke Lemur Center

Raha vao tonga tany Antanetiambo izahay, dia notsenain’i Désiré Rabary. Nasehony ahy tamin’ny fifaliana tao amin’ny birao misy azy ny sariny fony izy nitsidika an’i Etazonia ary ny sarin’i Russell Mittermeier, mpiaro fanta-daza maneran-tany amin’ny fiarovana, fony izy nitsidika ny Réserve Antanetiambo.

Désiré Rabary nandray ny loka 2010 Seacology prize. Sary: Jeff Gibbs.

Nandresy ary nahazo loka manokana nohon’ny asany ao Antanetiambo i Rabary, dia ilay loka 2010 Seacology prize izay nahazoany vola mitentina $10 000, nampiasainy ho an’ny fitàntanana ny ala. Nandeha tany Berkeley, California izy nahafahany nandray mivantana ny loka.

 

 

 

 

 

 

Araho ao anatin’ity horonan-tsary fohy ity ny asa nataon’i Desiré Rabary ao Antanetiambo Réserve ka nahazoany ny loka 2010 Seacology Prize

Fitsidihana ny Réserve Antanetiambo

Namakivaky ny ala an-tongotra izahay sy Désiré ary ireo mpisera-dia kosa nandeha aloha hikaroka ny toerana misy ireo Bokimbolo. Rehefa hitan’ireo mpisera-dia ireo Bokimbolo dia nantsoiny izahay ary nanatona azy ireo tamin’ny fanarahana ny fiavian’ny antso nataony.

Teny an-dalana no nahitanay ity tanala kely tao ambanin’ny ravin-kazo maro amin’ny tany!

Tanala kely hita tao anaty ala. Sary: Lynne Venart

Mahatalanjona ahy mandrakariva ny fitsidihana an’i Madagasikara. Tena zava-dehibe ny fananana mpisera-dia toy i Désiré Rabary. Tsy ho nahita ireo karazana zava-manan’aina toy ireny aho raha tsy teo izy ireo.

 

Sarotra ny ahazoana sary tsara an’ireto Bokimbolo. Na izany aza, dia nahazo sary tamin’ny alalàn’ny finday iPhone ihany aho. Araho eto izany.

 

Horonan-tsary maneho ireo Bokimbolo ao anaty ala fonenany ao Antanetiambo Reserve

Raha te-hahalala bebe kokoa ny Réserve Antanetiambo