Main Menu

Toro-lalana ho an’ny fankazalana

Maro ireo fikambanan-dehibe sy fikambanana miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no manantanteraka hetsika isan-karazany ho fankalazana ny andron’ny varika maneran-tany na ny dihin’ny varika maneran-tany. Izany dia tanterahin’izy ireo any amin’ny toerana izay hiasany sy misy ireo tetikasa manerana ny nosy.

Maro amin’ireo mpikambana ato amin’ny LCN no mankalaza ny andron’ny varika maneran-tany.

Indro misy toro-lalana vitsivitsy omenay ho an’ireo fikambanana na olon-tsotra maniry hanantanteraka hetsika ho an’ny andron’ny varika maneran-tany.

Manentana ny olona tsirairay izahay hankalazana ny andron’ny varika maneran-tany any amin’ny toerana misy azy ka hanampy betsaka azy ity toro-lalana ity. 

Fanentanana sy hetsika fanabeazana

Maro ireo fanentanana afaka tanterahina mandritra ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany.

Mikajy Natiora mandritra ny lalao miaraka amin’ny ankizy

  • Manaova fanentanana ho an’ny mponina eny amin’ny fahi-bibi dia na park iasanao.
  • Manaova famelaram-belaran-kevitra na kaoferansa na laombary an-dasy eny amin’ny Oniversite na ivo-toeram-pikarohana. Raha mpikaroka ianao dia fotoana indrindra hizarana fahalalana ny fankalazana
  • Manaova fanentanana sy hetsika fanabeazana momba ny varika ho an’ny ankizy an-tsekoly.

 

 

 

 

 

Ireo loharano azo ampiasaina

Maro ireo loharano azo ampiasaina entina hanentanana mandritra ny fankalazana. Misy loharano vitsy ato amin’ny LCN izay azo ampiasaina toy ny boky na horonan-tsary amin’ny teny Anglisy na teny Malagasy.

Tsidio ihany koa ny bilaogy momba ny dihin’ny varika maneran-tany anananao hevitra amin’izay afaka tanterahina hafa ao anatin’ny hetsika fanentanana.

Hetsika any amin’ny toerana samihafa

Maro ny toerana azo hanantanterahina ny fankalazana na an-kalamanjana na an-toerana hanaovana lanonana maro.

Ny fankalazana dia azo atao amin’ny alalàn’ny fety isan-karazany toy ny hira sy dihy. Ny kilalao maro isan-karazany na ny lalao ara-panantanjahan-tena ho an’ny ankizy sy tanora dia manintona sy mahasarika azy ireo handray anjara amin’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany.

fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany 2018 tao Antananarivo

Ireo fifaninana isan-karazany na kilalao an-tsaina atao hoe “Lemur Trivial” dia anisan’ny mampazoto manokana ny ankizy sy mpianatra ihany koa.

Endrika fandrahavahana ny fety

  • Manaova “costumes” na “masques” manokana miendrika varika entina andravahana sy hanintonana ireo mpijery mandalo sy ireo mpandray anjara mandritra ny hetsika toy ny filaharam-be na Carnaval (Mianara manambaotra izany eto: https://www.youtube.com/watch?v=1vFCvYA2L84)

 

Ampahafantaro sy Ahelezo ny hetsika atao

  • Ampahafantaro eny amin’ny tambazotra sosialy sy ny tranon-kala ny hetsika
  • Mandefasa fanasana amin’ny alalàn’ny peta-drindrina na amin’ny mailaka
  • Manorata bilaogy manokana eo amin’ny tranon-kala momba ny hetsika
  • Mifandraisa aminay ka omeo ny daty sy ny toerana hanaovana ny hetsika ka ho ampidirina ao amin’ny Alimanakan’ny hetsika 2019 izany.

 T-shirts natokana ho an’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany

Ny T-shirts izay hamidy eto amin’ny LCN dia tsy mbola hamidy eto Madagasikara fa natokana ho an’ireo fikambanana na olona any ivelany maniry indrindra hanohana ireo tetikasa momba ny varika amin’ny alalàn’ny fividianana T-shirts.

Buy a World Lemur Festival tshirt or sweatshirt!

T-shirt natokana ho an ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany 2015

Azo atao tanteraka anefa ny mampiasa ny logo na ny sary rehetra natao ho an’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany. Misy logo izay amboarina isan-taona.

Ireo logos

 

 

 

Ampiasao manokana ny tambazotra sosialy ho fampielezana ny hetsika

Manokàna herinandro ho an’ny fankalazana ny dihin’ny varika maneran-tany eo amin’ny pejy Facebook na Twitter. Mandritra izany dia manaova “post” manokana ho fizarana sarin’ny varika, fanentanana, fizarana fahalalana, fampahafantarana ny fikambanana sy ny hetsika atao.

Mampiasa hashtags #WorldLemurDay na #WorldLemurFestival na #AndronyVarikaManeranTany na #DihinyVarikaManeranTany

Share our social media graphics or create your own!