Tag Archives | iray volan’ny mpikambana ato amin’ny LCN

Mpikambana LCN amin’ity volana ity : Wildlife Conservation Society (WCS)

 Ny Lemur Conservation Network isam-bolana dia maneho ireo asan’ireo mpikambana eo anivon’ny LCN ka manazava amintsika ny fomba ahafahantsika manampy azy ireo amin’ireo ady ataony ho fiarovana ny gidro. Ity volana Novambra ity dia natokana ho an’ny  Wildlife Conservation Society (WCS). Ao anatin’ity bilaogy ity, dia niresaka tamin’I Atoa Ando Ramasindraibe izahay, izay tompon’andraikitry ny fifandraisana na spécialiste junior en communication ao amin’ny WCS izay nitantara taminay ireo asa zava-dehibe ataon’ny WCS ary ny fomba ahafahantsika manampy azy. 

 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana

Wildlife Conservation Society dia fikambanana amerikanina izay miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny lafin’ ny fiarovana ny harenan-java boahary anivo tany sy any an-dranomasina ary koa ireo izay tontolo maro.

Ny taona 1993 no nitsangana ny WCS Madagascar program ka niasa ho fiarovana maharitra ny harenan-java boahary tokana ananan’I Madagasikara ka nifantoka tamin’ireo fiarovana ireo tany midadasika sy velan-dranomasina ny asany amin’izany.

Efa nanomboka tamin’ny taona 2003 no niasa tany Makira ny WCS ka nanangana ny alan-javaboahary arovana any Makira. Io toerana io dia tantanina amin’ny alalàn’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny fikambanana mponina eny ifotony izay miisa 75 izay miandraikitra ny fitantanana sy ny fiarovana ilay antsoina hoe “green belt” manodidina ny Parka. Mamolavola fikarohana miainga amin’ny asan’ny mponina eny ifotony, fiarovana eny ifotony ihany koa WCS ary fandaharan’asa fanofanana eny ifotony eny amin’ny velaran-dranomasina telo izy ireo : any Toliary Atsimo-andrefana, Baie d’Antongile any Avaratra atsinanana ary Nosy Be any Avaratra andrefana.

 

Aiza no misy ny fikambanana ary inona avy ireo asa?

Any Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara no misy an’ny WCS Madagascar. Fa misy birao WCS avokoa ireo toerana izay iasanay.

Inona ireo karazana gidro iasanareo?

WCS dia miasa ho an’ny fiarovana ny Parka any Makira izay misy karazana gidro 17. Anisan’izany ny Simpona fotsy (Propithecus candidus) izay tsy hita afa-tsy any amin’ny faritra avaratra atsinanan’I Madagasikara, Varinaina (Varecia rubra) izay hita manodidina ny Baie d’Antongile irery ihany, Ny varikandana (Varecia variegata subcincta), ary ireo babakoto (Indri indri). Eo am bavan’ny faharinganana ireo karazana gidro ireo rah any UICN no jerena.

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo gidro sy ireo asa hafa?

WCS dia manampy amin’ny fiarovana ny gidro amin’ny alalàn’ny fanankambanana ireo fanatsarana ny fanaraha-maso ireo fanamafisana ny lalàna sy ireo fampiromboroboina ireo asa mahasolo ny asa fanimbana ala toy ny fanoloana ireo fitadiavana otrik’aina na proteina ary ny fanentanana maro isan-karazany. Noho izany, misy hatrany ireo fanaraha-maso matetika sy asa fanaraha-maso akaiky atao amin’ny alalàn’ny fampiasana ny SMART (Spatial Monitoring and Reporting Tool) izay ampiasaina amin’ny asa fanaraha-maso ho fanamafisana ireo lalàna. Izany no atao dia ny mba ampahafantarana ireo fanapahan-kevitra raisina mikasika ny fiarovana ireo gidro iasana ireo. Misy ihany ko any ady atao amin’ny fihenan’ny velaran’ny ala amin’ny alalàn’ny famerenena ny ala fonenan’ireo gidro ary fampitomboana ny fampifandraisana ireo ala. Mba ho fanoloana ireo asa fanimbana ala ataon’ny mponina, WCS dia manohana azy ireo mba hananana asa fampidiram-bola toy ny fambolem-bary manaraka teknika, ny fiompiana madinika, ny fizahan-tany ary ny maro hafa.

Mampiromborobo ireo orin’asa manana fandaharan’asa amin’ny fiarovana ihany koa WCS. Izany dia zava-dehibe mba ahafahana manohana ireo mponina mba ho tena handray ireo asa ara-toekarena fanoloana ny fanimbana ala, asa maharitra ary tena ahitana vokatra tsara. Ary izany dia mampirisika azy ireo handray andraikitra amin’ny asa fitantanana sy asa fiarovana.

Manana fandaharan’asa fanabeazana ihany koa WCS mba ahampahafantatra sy hampandraisana andraikitra ny olona eny ifotony amin’ny fiarovana. Mijery manokana ireo tanora ny fandaharan’asa amin’ny alalàn’ny fanentanana azy hampiasa ny interneto ka mba hahitany ireo zavatra tsara atao eran’izao tontolo izao. Hanome lanja ireo ankizy no tanjon’ny fandaharan’asa amin’ny alalàn’ny fanentanana eny an-tsekoly ary hanohana ihany koa ireo tanora izay ao anatin’ny fikambanana tanora miaro ny ala mba izy ireo no lasa mpiambina ny tontolo iainana misy azy.

Mampahafantatra ny olana sedraina amin’ny fiarovana tontolo iainana ny WCS amin’ny alalàn’ny fiarovana, fanaovana ireo asa eny ifotony amin’ny fiarovana tontolo iainana, ny fandefasana tantara eny amin’ny radio ho an’ny tanora ary manohana ireo haino aman-jery amin’ny hetsika atao isan-kerinandro, ireo famoahana gazety ary ireo hetsika kolotoraly ary fankalazana atao isan-taona.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

  • Ireo asa famerenana ala ao anatin’ny ala mampifanohy ala 5 ao anatin’ny paraka mba hiarovana ireo ala ary hisian’ny fifanakalozana ireo foto-tarazo amin’ireo zava-maniry.
  • Fanaraha-maso tsy tapaka ireo ala amin’ny alalàn’ny fisian’ireo mpiambina ala eny ifotony izay mijery ireo mety ho loza ary manentana ireo olona manao izany mba hiala ao amin’ny Parka. Taorian’ny niforonan’I parka dia efa maro ny olona tratra ary nesorina hiala tao amin’ny parka ary fandrika ho an’ny gidro an-jatony no efa nesorina.
  • Ny ankamaroan’ny sisin’ny parka dia nasiana marika ahafantaran’ireo mponina ny verlan-tany arovana.
  • An-jatony maro ireo fianakaviana nahazo tohana tamin’ny fambolem-bary mampiasa tekinikam-pambolena vaovao (SRI-SRA) ka nampitombo ny voka-bary ho lasa 4.7 taonina isaky ny hekitara amin’ny ankapobeny fa mety mahatratra folo taonina izany raha 2.5 T monja ny vokatra nasionaly.
  • Fampiromboroboina ny asa fihariana kakao sy jirofo ho an’ny mponina  mba hampiakatra ny fidiram-bolany ary hampihena ny fiankinana amin’ny akora any anaty ala. Misy kaoperativa ho an’ny kakao izay miasa ankehitriny any amin’ny kaominina Voloina ka tafiakatra ho 300 kilao ny voan’ny kakao vokarina isan-taona. Misy kaoperativa iray hafa  ihany koa natsangana any Ambanitelo. Ho an’ny fampiromboroboina ny jirofo dia tokatrano 733 no nahazo fitaovana entiny mamokatra zana-jirofo.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry an’i WCS amin’ny ho avy?

  1. Hampihena ireo fanapotehana ala ataon’ny olona mba hiarovana ireo gidro amin’ny fomba maharitra. Heverina hihena betsaka izany ao anatin’ny dimy taona.
  2. Hitandro ny fisian’ny fampifandraisana ireo ala mba hisian’ny fifanakalozana foto-tarazo amin’ny alalàn’ny famerenana ny ala ao amin’ny Paraka.
  3. Heverina ho 1.500 hekitara eo ny ala ho tafaverina. Hampihena ny fiankinan’ireo mponina amin’ny akora hita any anaty ala amin’ny alalàn’ny fanampiana tsy tapaka azy ireo hanana fijariana ara-tsakafo sy ahafahany manana asa fampidiram-bola samihafa.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve WCS?

Noho tsy fahampiana ireo trai-kefa dia mila olona miasa an-tsitrapo amin’ireto sehatra manaraka ireto izahay: fanabeazana tontolo iainana, fampiromboroboina ny fizahan-tany, fampiasana teknika vaovao amin’ny fambolena sy famokarana, fitadiavana lalam-barotra maharitra, fanisana ireo gidro sy ireo biby rehetra misy ary ny zava-maniry rehetra ao anaty Parka.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

  • Fametrahana ny atao hoe “bio-inventories” na fanisana biolojika ao amin’ny parka
  • Fampiromboroboina ireo orinasana eny ifotony misahana ny fiarovana

Ahaona no ahafahanao Manampy?

 

Mpikambana ato amin’ny LCN mandritra ity volana ity : Fikambanana Mitsinjo

Ny fikambanana Mitsinjo no mpikambana ato amin’ny Lemur Conservation Network amin’ity volana ity Aogositra ity.  Araho eto ny resaka nifanaovana tamin’i Rainer Dolch, izay Tale mpandrindra ny fikambanana Mitsinjo izay nizara ny momba ny fikambanana, ny asany ary ny ahafahantsika hanampy azy ireo hiaro ny gidro sy ala misy azy.

 

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomban’ny fikambanana

Ny fikambanana Mitsinjo dia niforona tamin’ny taona 1999 ary nitsangana avy amin’ny finiavan’ireo fokonolona mpikambana miisa 13 avy ao amin’ny tanànan’i Andasibe. Tamin’ny niforonany tany am-boalohany dia fikambanana mpitaridia ireo mpizaha-tany ny fikambanana, ary nanomboka nampiasa ireo fahaiza-manao sy trai-kefany tamin’ny fiarovana ny zava-boahary hita ao amin’ny faritra ireo mpikambana. Nandritra izay taona maro niforonany izay, ary satria niara-nivoatra tamin’ny mponina izay miara-miasa aminy izy, ny fikambanana Mitsinjo, dia nivelatra ka lasa fikambanan-dehibe miandidy ny fiarovana ireo zava-boahary manerana ny faritra misy azy izy ankehitriny.

Ny fikambanana Mitsinjo dia ao amin’ny kaominina Andasibe, any Atsinanan’i Madagasikara

Ny tanjony dia ny mampifandray ny fiarovana sy ny fampandrosoana maharitra, mitazona ireo harena ekolojika amin’ny alalàn’ny fitantanana ny ala mando, ny famerenana ny ala ary ny fanomezana fidiram-bola hafa sy manaja ny tontolo iainana ho an’ireo mponina ifotony (amin’ny alàlan’ny fizahan-tany, fikarohana sy maro hafa).

Aiza no misy ny fikambanana ary inona avy ireo asa?

Ao Andasibe no misy ny foiben’ny fikambanana Mitsinjo, distrikan’i Moramanga ary faritra Alaotra-mangoro. Mitantana ny alan’i Analamazaotra (Alan’i Mitsinjo) izay ala mando mirefy hekitara aman-jato maro izay mifampitohy amin’ny ala-java-boahary nasionaly arovana Andasibe- Mantadia izy. Fototra nahazoana ny toerana ao Torotorofotsy ho lasa “Site Ramsar” izy, io toerana io moa dia tantaniny miaraka ireo mpiara-miomban’antoka hafa.

Ny tavy no anisan’ny loza lehibe indrindra mihatra amin’ireo gidro sy ireo fonenany any amin’ny faritra Andasibe.

Ankehitriny, 60 ireo mpikambana sy mpiara-miasa ao amin’ny fikambanana Mitsinjo ary monina ao Andasibe avokoa izy ireo.

Ny vola azo amin’ny alalàn’ireo asa fizahan-tany ataon’ny fikambanana dia omena avy hatrany ireo mponina ao ifotony ary arotsaka ampandehanana ireo tetikasa maro momba ny fiarovana ataon’i Mitsinjo.

Inona ireo karazana gidro iasanareo?

Babakoto

Indri indri na babakoto no gidro tena fantan-daza ao Andasibe, gidro izay mahery feo ka afaka heno any amin’ny roa kilometatra misy azy. Miaro tarika babakoto sivy ao amin’ny faritra misy ny alan’i Analamazaotra ny fikambanana Mitsinjo. Ny roa amin’izy ireo dia zatra mahita olona ka afaka tsidihana miaraka amin’ireo mpitaridia mpikambana.

Indri indri na babakoto no gidro tena fantan-daza ao Andasibe izay arovana ao amin’ny ala tantanin’i Mitsinjo

Godrogodroka

Noho ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo olona ao ifotony dia nahita ilay karazana gidro (Prolemur simus) indray ny fikambanana Mitsinjo. Hita tao akaikin’ny Andasibe io karazana gidro io ary noheverina fa efa lany tamingana ao amin’io faritra io izy efa ho taon-jato iray izao! Niteraka fikarohana hafa ny fahitana io gidro io ary koa fanaraha-maso hafa izay nahafahana nanitatra ny velaran-tany fonenana izay fantatra fa tokony hisy azy.

Fanaraha-maso ireo karazana gidro 14 ataon’ny mponina eny ifotony

Raha atambatra dia miisa 14 ireo karazana gidro misy ao amin’ny alan’ny Torotorofotsy ary manodidina ny lakan’Ihofa. Ny fikambanana Mitsinjo dia miezaka ny mamantatra ireo mponina gidro rehetra ary ireo izay ahiana ny fivelomany. Izany dia atao amin’ny alàlan’ny fanaraha-maso izay ataon’ny mponina eny ifotony.

Ireo karazana gidro tena araha-maso akaiky dia ireo izay tafiditra ho isan’ny gidro tena ahiana dia ahiana ho lany tamingana– babakoto (Indri indri), Simpona (Propithecus diadema), varika (Varecia variegata), and Godrogodroka (Prolemur simus). Na izany aza, ireo karazana gidro folo sisa dia iasana ihany koa.  Dia ireo Hay hay (Daubentonia madagascariensis), Tsidy an’i-Goodman (Microcebus lehilahytsara), Tsidiala (Allocebus trichotis), Matavirambo (Cheirogaleus crossleyi), Tsitsihy (Cheirogaleus major), Bokombolo (Hapalemur griseus), Tongona (Eulemur rubriventer), Varika (Eulemur fulvus), Fotsife (Avahi laniger) and Hataka (Lepilemur mustelinus).

Inona avy ireo asa atao izay manampy amin’ny fiarovana ireo gidro sy ireo asa hafa?

Fizahan-tany sy fikarohana

Ny fidiram-bolan’ny ny fikambanana Mitsinjo dia avy amin’ny fizahan-tany. Afaka mitsidika ny ala mando izay tantanin’i Mitsinjo mantsy ny mpizaha-tany ka mijery ireo gidro miaraka amin’ireo mpitaridia nahazo fiofanana manokana. Maro ireo zotra sy lalan-kely azo aleha ao anaty ala eny fa na dia amin’ny alina aza. Misy ihany koa ny fianihàna eny amin’ny hazo azo atao miaraka amin’ny GasiClimb, izay fikambanana matihanina amin’ny fianihàna hazo avy amin’i Mitsinjo.

Manao fikarohana manokana ho an’ny gidro ny fikambanana Mitsinjo. Eto amin’ny sary dia ny “collier radio” izay andramana apetraka amin’ireo gidro.

Ny vola azo amin’izany dia arotsaka amin’ny ampahany ho famatsiana ny tetikasa fiarovana ny gidro ao aminay. Fa miantso matetika ireo Malagasy sy vahiny mpikaroka ihany koa izahay ary manentana azy ireo hizara ny valim-pikarohana ataony izay hanampy anay hanatsara ny fomba fitantanana sy ireo ezaka atao amin’ny gidro sy ny zava-boahary amin’ny ankapobeny. Ny fisian’ireo mpizahan-tany sy mpikaroka no mampihena ireo mpihaza gidro sy ireo mpitetikala.

Tetikasa famerenana ala

Manana tetikasa lehibe mikasika ny famerenana ny ala mando ny fikambanana Mitsinjo. Nandritra ny taona maro, dia namboly zava-maniry hita ao amin’ny ala mando efa ho iray tapitrisa izahay (izay karazana zava-maniry miisa 150), izay namptimboina ao anaty taninketsa. Noho ny fanohanan’ny fikambanana ho an’ny fiarovana ny natiora avy any Finlande ary ireo mpanohana kely hafa dia mbola mitohy io asa lehibe amerenana ny fonenan’ny gidro io (ary ny famoronana ala mampitohy ireo ala efa misy).

Afaka mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ireo mpizahan-tany sy ireo mponina mpikambana eny ifotony.

Tetikasam-panabeazana

Ny famerenana ny ala dia isan’ny tetikasam-panabeazana ataon’ny ny fikambanana Mitsinjo. Mampianatra an’ireo ankizy mpianatra 8 ka hatramin’ny 10 taona izahay amin’izany.

Mpianatra miisa 450 no manaraka ny fampianarana momba ny fiarovana ny tontolo iainana izay omen’ny fikambanana Mitsinjo.

Eo am-pilalaovana, dia afaka mianatra momba ny tontolo iainana, ny zava-boahary sy ny ekolojia ao amin’ny faritra misy aazy ireo ary ny antony maha-zava-dehibe ny fiarovana izany ho ani’reo olona sy ny biby. Mianatra any anaty lakilasy sy any anaty ala ireo ankizy.

Voakasik’io tetikasa io avokoa ny mpianatra any amin’ny ambaratonga voalohany ao amin’ny kaominina Andasibe. Io tetikasa io moa dia efa tafiditra ao anaty programam-pampianarana. Mianatra mitia ny zava-boahary izy ireo amin’ny alalàn’ny fianarana ny tontolo iainana sy ny gidro ary manantena izahay fa hampitombo ny fanentanana momba ny fiarovana izy ireo rehefa any lehibe.

Fiarovana ireo sahona amin’ny alalàn’ny fametrahana toerana voalohany eto Madagasikara ampitomboina ireo sahona

Ankoatran’ireo gidro dia manaraha-maso ireo sahona ihany koa izahay. Ny fikambanana Mitsinjo ny hany voalohany mitantana ny toeram-piterahana sy ampitomboina ireo sahona antsoina hoe “toby sahona”. Ankoatran’ireo fanimbana ala sy toeram-ponenany mantsy dia anisan’ny loza mihatra amin’ireo sahona ihany koa ny aretina atao hoe chytridiomycosis.  Rehefa mitombo ny fahalalàna azo momba ny fiterahana sy fitomboan’ireo karazan-tsahona ao Andasibe dia manantena i Mitsinjo fa ho vonona kokoa any aoriana, hiady amin’ny fandrosoana ho avy, izay mety hiteraka ny fahafatesan’ireo karazan-tsahona misy any anaty ala.

Ny sahona izay sady mpihinana no hanin’ireo karazan-biby hafa, dia manana anjara-toerana lehibe eo anivon’ny tontolo misy azy ao amin’ny ala mando Malagasy. Ny fahasalaman’ireo sahona dia anisan’ny marika hijerena ny fahasalaman’ireo ala sy ireo karazan-biby hafa toy ny gidro.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Fiarahana manaraha-maso ireo gidro sy ireo loza mihatra aminy miaraka amin’ireo mponina eny ifotony

Niara-niasa akaiky tamin’ireo mponina avy ao amin’ny faritra Torotorofotsy-Ihofa ny fikambanana Mitsinjo mba hametrahana tetiandro fanaraha-maso atao ho an’ireo karazana gidro sy ireo loza mihatra aminy. Nahazo fiofanana manokana ireo mponina ao ifotony amin’ny fomba fanangonana ireo zava-misy maro-pototra sy ilaina.

Atrikasa natao tao amin’ny foiben’i Mitsinjo niaraka tamin’ireo fikambanana hafa lehibe mpiaro ny ala

Anisan’ny valiny voalohany ny fahitana fa ireo loza mihatra amin’ireo gidro toy ny fanimbana ala amin’ny alalàn’ny tetik’ala dia nihena noho ny fisiana fotsiny ihany ireo mpanaraha-maso.

Fikambanan’ireo vehivavy manao asa tanana

Nanentana ireo vehivavy ihany koa izahay hanangana kaoperativa amin’ny fanaovana asa-tanana ao Menalamba (Torotorofotsy). Mahazo fidiram-bola manokana ireo vehivavy avy amin’ny fanjairana sy fanamboarana ireo kojakoja vita tanana. Ny zava-maniry ilaina amin’izany dia maniry any amin’ireo toerana mando sisa ao amin’ny site Ramsar. Amin’izay fotoana izay, dia tsy mivadika ho toeram-pambolena intsony ireo toerana izay anirian’ireo hazo ilaina ireo. Io fidiram-bola fanampiny, izay azo avy amin’ny fanaovana asa-tanana, ho an’ny fianakaviana io dia anisan’ny mampihena ny fiankinan’ny fivelomana amin’ny fambolena tsy maharitra toy ny tavy ary noho izany anisan’ny miaro ny fonenan’ny gidro io.

Ivo-toerana momba ny fanabeazana ny fiarovana ny tontolo iainana

Farany, vao vetivety, nanangana ivo-toerana natokana ho an’ny fanabeazana ny tontolo iainana ny fikambanana Mitsinjo. Izy io dia natao ho lakilasy fianaran’ireo ankizy ireo tetiandro momba ny tontolo iainana. Fa afaka mianatra momba ny gidro sy ny tontolo iainany ihany koa ireo olon-dehibe mpitsidika avy amin’ny mponina na avy any ivelany.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Ny tena tanjonay ao aoriana dia ny ahafahan’ireo mponina ao ifotony hivelona amin’ny fampiasana ireo zava-boahary any an-toerana sady miaro ny haren-zava-boahary misy ao Andasibe.

Miara-miasa akaiky amin’ny mponina eny ifotony ny fikambanana Mitsinjo mba ahafahan’izy ireo mivelona amin’ny fampiasana ireo akora eny an-toerana amin’ny fomba maharitra sy mba ampitombo ny fari-piainany.

Mba hanantanterahina izany, dia zava-dehibe loatra ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpiantsehatra rehetra misy ao amin’ny faritra.

Matetika mantsy, ny fanentanana amin’ny fiarovana dia arahina kolikoly na tsy fandraisan’ireo tompon’andraikitra sy mpanapa-kevitra andraikitra.

Ka amin’izany dia manantena izahay fa ny fiarovana dia ho lasa voalohan-draharaha ho an’ireo mpanao politika ao amin’ny faritra any aoriana fa tsy lasa faniriana lava fotsiny ihany.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve ny fikambanana Mitsinjo?

Ny fikambanana Mitsinjo dia tsy dia manana fahafahana loatra mandray ireo olona hiasa an-tsitrapo. Fa ny tena tsara indrindra, dia ny fahafahan’ireo mpilatsaka an-tsirapo hanao asa mahaleo-tena amin’ny tetikasa izay azy manokana. Mandray ireo olona hiasa an-tsitrapo izay efa voadinika ny tetikasany izahay ka hita fa mety hanampy anay  hanatsara bebe kokoa ireo asa atao amin’ny fiarovana.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Amin’izao fotoana izao, dia mila fanampiana amin’ny :

  • Fanatsarana sy ny fanamboarana ny birao fandraisana ary,
  • Fanamboarana sy fanitàrana ny toerana taninketsa izay lasan’ny tondra-drano.

Ahaona no ahafahanao manampy?

Tsidiho ny pejy Fikambanana Mitsinjo eto amin’ny Lemur Conservation Network

Manomeza ho an’ny fikambanana Mitsinjo eto amin’ny alalàn’ny “Amphibian ark”

Raha te-hitsidika ny fikambanana Mitsinjo

Ny fikambanana Mitsinjo dia mitantana toeram-pitsidihana ho an’ireo mpizahan-tany eo akaikin’ny ala arovana Andasibe. Ho hitanao ny birao eo amin’ny ankavian-dalàna rehefa makany amin’ny tanànan’Andasibe, roa kilaometatra mivoka ny lalam-pirenena faharoa mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina ary roan-jato metatra alohan’ny ala-java-boahary nasionaly arovana Andasibe.

Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny fitsidihana ny fikambanana Mitsinjo

Mpikambana ato amin’ny LCN mandritra ity volana ity : Planet Madagascar

Planet Madagascar no mpikambana ato amin’ny Lemur Conservation Network nizara ny momba azy, ny asany ary ny ahafahantsika hanampy azy ireo hiaro ny gidro sy ala misy azy.

Mba zarao aminay ny tantara sy ny mombamomba an’i Planet Madagascar

Planet Madagascar dia fikambanana tsy miankina ara-panjakana kanadianina nitsangana tamin’ny taona 2015. Miara-miasa amin’ny masoivoho any Madagasikara (Planet Madagascar association) mba iaro ny gidro/varika sy ny ala iainany ary mba hanampy ny fiveloman’ireo olona izay monina akaik’ireo gidro ireo.

Ny tantara niforanan’i Planet Madagascar dia avy amina aretina azon’ny zazavavy iray rehefa narary mafy satria tratra ny aretina izay azo nosorahana sy azo tsaboina tsara. Ka nahita izany i Travis Steffens, izay filoha mpamorina ny fikambanana, raha sendra nanao fikarohana mikasika ny gidro tao amin’ny ala-javaboahary arovana na ny parc nasionaly ao Ankarafantsika, fikarohana ahazoany ny diplaoma doctorat. Tamin’izay fotoana izay, dia tsapan’i Travis fa ny fahombiazana azo avy amin’ny ezaka atao ianarana ny gidro dia zava-poana ihany raha tsy misy ezaka mitovy lenta atao amahana ireo olàna izay mianjady amin’ny mponina izay mifandray mivantana amin’ireto gidro. Noho izany, fomba fiasa mampiaraka ny lafin-javatra maro ho iray no ataonay amin’ny fiarovana ny zava-boahary ary mijery manokana ny filàna sy ireo tombon-tsoa an’ireo mponina izay miara-miasa aminay izahay.

Aiza no misy an’i Planet Madagascar ?

Planet Madagascar dia miara-miasa akaiky amin’ireo mponina maro monina manamorona ny parc nasionaly ao Ankarafantsika any Avaratra andrefan’i Madagasikara. Ala maina ary ala-javaboahary sisa arovana any amin’ny faritra Avaratra andrefan’i Madagasikara ny parc nasionaly ao Ankarafantsika. Na dia ala arovana ary anefa i Ankarafantsika, dia misy hatrany ny fanimbana ny ala noho ny afo, ny tetik’ ala amin’ny famokarana saribao na amin’ny fanamboarana trano, ny tavy, ny firaofana ireo biby fiompy any anaty ala ary ny fangalana foto-kazo madinika (Kun-Rodrigues et al. 2013).

Ny toerana tena iasanay dia manamorona ireo tanàna misy ireo fokonolona telo izay monina 12 kilometatra miala an’ireo biraon’i Parc nasionaly ao Ankarafantsika. Manao fanadihadiana mikasika ireo foto-piveloman’ireo mponina ireo izahay mba ahafantaranay tsara ireo filàny sy ireo zavatra angatahiny, ary izany dia manampy anay amin’ireo asa izay ataonay amin’ny fiarovana ny zava-boahary. Nanomboka tetik’asa mikasika ny fanabeazana amin’ny fiarovana, ny fanaraha-maso ny ala, ny fandrindrana ny afo, ny tetik’asa miompana amin’ny famerenana ny ala ary ny fambolena mifamdimby amin’ny ala vadim-boly (agroforesterie) izahay. Ireo tetik’asa rehetra ireo dia natsangana avy amin’ny valin’ny fanandihadiana izay natao. Rehefa izany, nanitatra sy nampiditra fanabeazana mikasika ny fiarovana ny zava-boahary tamina fokonolona miisa 20 izay monina manodidina ny parc izahay.


Inona avy ireo karazana gidro iasanareo ?

Miasa ho an’ny fiarovana ny ala misy ireo karazana gidro valo misy any amin’ny Parc nasionaly ao Ankarafantsika izahay, ny dimy amin’izy ireo dia voasokajy ho ahiana ho lany tamingana araka ny IUCN Redlist. Ireo gidro dia ny Tsibahaka (Propithecus coquereli), Komba mainty (Eulemur fulvus) Komba (Eulemur mongoz), Repahaka (Lepilemur edwardsi), Fotsife (Avahi occidentalis) Matavyrambo (Cheirgaleus medius), Tsidy (Microcebus ravelobensis) ary Koitsiky (Microcebus murinus).

Samy manana ny anjara asany avy izy ireo ao anaty ala izay iainany ary samy manana ny filàny. Miezaka izahay ny mampifandraika hatrany ireo ezaka atao amin’ny fiarovana, amin’ireo valin’ny fikarohana atao momba ny fiarovana ireo karazana gidro ireo.

Inona avy ireo asa ataon’i Planet Madagascar izay manampy amin’ny fiarovana ireo gidro?

Ny tetik’asan’i Planet Madagascar dia miompana indrindra amin’ ny fiarovana, ny mponina ary ny fanabeazana. Miara miasa akaiky amin’ny mponina izahay mba hanatsarana ny fari-piainan’ireo vahaoka monina eto Madagasikara ary miaro ireo gidro sy ny toerana misy azy.

Fiarovana

Ny anarana itondranay ny tetik’asa momba ny fiarovana dia “Salama Atiala” izay nanomboka ny taona 2015. Ao anatin’io tetik’asa io dia misy ny fijerena ny fandrindrana ny afo ary ny famerenana ny ala. Mampiasa olona any ifotony izahay izay avy amin’ireo mponina ihany mba hiaro sy hanara-maso ny ala amin’ny alalàn’ny fametrahana aro afo sy ny teknika fanaraha-maso manokana ary ny famerenana ny ala amin’ny alalàn’ny fambolen-kazo. Mahazo karama ireo mponina amin’izany asa izany ka izany no ahafahany mampitombo ny fidiram-bolany.

Fokonolona

Ny fomba fiasanay amin’ny fiarovana dia miompana amin’ny filàn’ny mponina ka miankina betsaka amin’ny fahazoanay ireo olàna izay mitranga sy filàn’ireo mponina. Miara miasa akaiky amin’ireo fokonolona izahay amin’izay asa rehetra ataonay amin’ny alalàn’ny fanadihadina na fivoriana matetika ataonay. Izano no atao dia ny mba ahazoanay tsara ny fomba fandraisain’ireo mponina ny fiarovana ny ala sy ny gidro ka ahafahanay mampahanfatantatra tsara azy ireo ny tetik’asa momba ny fiarovana ataonay.

Fanabeazana

Amin’ny tetik’asa rehetra ataonay dia ampidiranay hatrany ny rantsana mikasika ny fanabeazana momba ny fiarovana satria mino izahay fa miankina betsaka amin’ny fanabeazana ifotony ny fahombiazan’ireo tetik’asa rehetra. Ohatra amin’izany, nametraka fiofanana ho an’ireo olon-dehibe ao an-tanàna izahay mikasika ny fomba anabeazana ireo ankizy momba ny fiarovana zava-boahary. Isan-taona, mikarakara andro iray antsoina hoe “andro fandraisana andraikitra mikasika ny afo” izahay ho an’ny mponina ao Ankaranfantsika mba ahaizan’izy ireo ny andraikitra raisina manoloana ny fiparitahan’ ny afo. Ary farany, vao vetivety izao, dia miara-miasa amin’ny Chris Staffe izahay izay mpamokatra horonan-tsary matihanina, mba hamokatra horonan-tsari-mpanabeazana ary ireo fitaovana entina manabe. Amin’ny teny Malagasy io horonan-tsary io, miaraka amin’ny olona Malagasy ary Malagasy ireo olona mijery azy io. Miresaka indrindra ireo loza mitranga amin’ny gidro monina akaikin’izy ireo io horonan-tsary io ary mampahafantatra ny fomba atao miaraka amin’ny Planet Madagascar mba hiadiana amin’ireo loza ireo.

Inona avy ireo zava-bita vao haingana?

Maro ireo zava-bita izay nahitam-pahombiazana fa ny tena akaiky indrindra dia nahafahanay nanampy fikambanam-behivavy iray izay miasa ho an’ny fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra sy famerenana ny ala. Io fikambanana io dia manome voa ho an’ny tetik’asa famerenana ny ala. Na izany aza anefa, ny tena zava-bita mahafa-po dia ny fahafahan’izy ireo nanovo fomba fiasa vaovao atao hoe fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra. Io fomba fiasa io dia atao mitovy amin’ny fahazoana voka-pambelona natoraly ahazoana vokatra ambony. Raha mahomby io tetik’asa iray io dia hitarina manerana ny faritra misy ny ala-javaboahary arovana na ny parc.

Inona avy kosa ireo tanjona sy asa miandry amin’ny ho avy?

Ny tena tanjonay dia ny hametrahana ala maharitra ho an’ny vahaoka. Ny zavatra tadiavinay dia ny mba ananan’ny vahaoka fahefana hivelona tsara ka voaaro hatrany ny gidro sy ny toerana iainany. Midika izany fa mila mitondra vahaolàna maharitra mikasika ny rano, fahasalamana, fahadiovana, fanabeazana izahay sady manohy miaro ny gidro sy ireo toerana iainany. Na dia miompana betsaka amin’ny fiarovana ny olona sy ny gidro ary ny ala ny asanay, ny fiarovana ny alan’i Ankaranfantsika ahafahan’ireo gidro hafa, ahiana ho lany tamingana, hiaina tsara no tanjona manaraka. Ny zava-misy anefa dia manamarina fa mbola mila an-taona maro vao ho tratra izany tanjona izany kanefa manantena izahay fa hahazo valiny azo tsapain-tanana ihany eny an-dalan-mpiasana.

Mandray olona hiasa an-tsitrapo ve i Planet Madagascar?

Tena liana amin’ny fanohanan’ireo olona miasa an-tsitrapo hatrany izahay, indrindra fa ireo olona tena manam-piniavana hiasa sy hanome hevitra sy tetik’asa azo tanterahina avy hatrany. Satria fikambanana kely izahay, dia maniry indrindra izahay ny mba hanantonan’ireo olona hiasa an-tsitrapo anay miaraka amin’ireo hevitra sy asa afaka ataony mba hanampiany anay ary ny fotoana izay afaka ho laniany amin’izany fanaovana asa izany. Taloha, nandray olona niasa an-tsitrapo izahay, tamin’ny fotoana izay nikarakarainay asa momba ny fanabeazana tany Canada, ka nanome anay ny fahaizany amin’ny famoronana sy fananganana tetik’asa izy ireo ary ihany koa nanampy tamin’ny fitadiavana famatsiam-bola.

Inona no asa ilànareo famatsiana amin’izao fotoana izao?

Amin’izao fotoana izao, dia mila famatsiana izahay hanampy anay hampitombo ny vola ilaina amin’ny fanitarana ny tetik’asa mikasika ny fandrindrana ny afo sy ny famerenana ny ala ary ny fanitarana ny tetik’asa momba ny fambolena mifandimby ala vadim-boly maharitra.

Ahaona no ahafahanao manampy?

Tsidiho ny tranokalan’i Planet Madagascar eto

Manomeza eto